FANTARO NY FAHAMARINANA

41. endriny ( 03/11/2017 14:42)

RBNIR:

endriny:

i Paoly tokoa moa izany nanatrika ny nitsangan'i Jesosy tamin'ny maty?

Tato i paoly no nisehoany....
« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asa.9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asa.9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)

Ohatran'ny miresaka amin'ilay namana izay ity: "Ianao ve efa nahita an'i Prezida?".

"Ie. Efa henoko tamin'ny radio izy tamin'izy nikabary", hoy ny navaliny.

Aiza amin'io nolazain'i Paoly (Saoly) io no miteny fa nahita ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty izy?.

Fa ity izany ohatran'ny an'ilay namana avy nodidiana, dia midelira hoe: "Tahaka izay ialahy tsy najedako ry Menakely, fa hay resin'ialahy daholo izay miakatra ao Antsofinondry amin'ny alahady"

Asa ianao na efa tratran'ny tsy ampy sakafo maraina na tsia. Fa izaho aloha efa tratra. Tonga dia fanina ary mahita mangirangirana be fotsiny. Dia mipetraka maka aina aloha. Ary ny saina midelira. Ka sao dia io no nahazo an'i Paoly.

Fa na izany na tsy izany, rehefa zavatra tsy natrehin'ny masonao ilay tantara dia HONOHONO izay.

Nisy taomaobilina nodomin'ny masinina hono ao Ambanidihy, fa aleo aho aloha hiala hijery an'izay.
42. endriny ( 03/11/2017 14:49)

RBNIR:

saino kely ary e! tapitrisa???? dia tena mino ery ny sasany fa izay tokoa no tena izy???? nefa tsy misy porofo na dia kely aza....

Jesosy anefa nanaporofo fa misy ny fitsanganan'ny maty????

Na dia sarotra aza ny manome vilona liona dia mba omeko tsikafona ianao ry RBNIR

1) Eny atsefatsefa-baton-taniditra eny misy ireo silatsilalaka marobe voatahirin'ny ela. Ny sasany sifotra lehibe efa an-jatony tapitrisa taona, ny sasany taolam-pe an'i Rapeto vao an'apitrisany monja.

2) Fa aiza no porofo fa nitsangana tamin'ny maty Jesosy? Sa hoe nanangatra tamin'i Paoly izy dia lazaina fa hoe nitsangana.

Nifandona mafy ilay fiara sy Lamasinina tatsy Ambanidia hono fa tsy nisy naninona fa ilay raoplanina sendra nandalo no nihovotrovotra noho ny hamafin'ny feo teny an-danitra.
43. RBNIR ( 06/11/2017 10:43)
endriny:

2) Fa aiza no porofo fa nitsangana tamin'ny maty Jesosy? Sa hoe nanangatra tamin'i Paoly izy dia lazaina fa hoe nitsangana.

BDB fa ianareo no manao tsinontsinona ny ambaran'ny sasany endriny a, tsy i paoly ihany fa marobe ireo olona (sady samihafa daholo) nisehoany tao aorinan'ny fitsanganany tamin'ny maty...

Ankehitriny dia misy olona mbola isehoany, ary ny tenako manokana dia efa nilaza foana hoe...

MISY ZAVATRA FANTATRO TSY FANTATRAO!!! ZAVATRA IAINAKO TSY IAINANAO....FA MATOA AHO MITENY HOE TENA MISY IZY DIA SATRIA.......

TAHAKA NY FIRESAHINAO AMIN'NY OLONA IRAY IO HOY AHO NY FIRESAHANY AMIN'IZAY OLONA TIANY HIRESAHANA.....

Afaka mino ianao dia ho avotra, afaka tsy mino nefa tsy ho afaka ianao satria izaho efa nanambara ny marina taminao.......
44. RBNIR ( 06/11/2017 10:45)
rhaj0:

Ny @ i "Jesosy manaporofo", ankoatr'izao mitsanga-maty izao, dia efa nolazaina foana i RBNIR fa efa "nanaporofo" koa i Jesosy, ary nisy "vavolombelona", fa fotaka+rora manasitrana Jamba, na koa volon-tsofina+rora manasitrana Moana-Marenina.
Ka no-reproduiser-nao sy HRNRN ve ho'a ireo ry RBNIR aa???

Ny tananao ange tsy mitovy amin'ny tanan'Andriamanitra e! IZY MASINA misy hery mivoaka avy any Aminy.....
45. rhaj0 ( 06/11/2017 13:13)
i HRNRN-n'i RBNIR anie "mpianany" ee.. Sa tsy iz ay no ihambohambon'i HRNRN ao??

Dia rahefa Mpianany, dia supposé mahay manasitrana araka ny "fampianaran'i Jesosy" koa.

Dia rahefa TSY mahasitrana dia mahazo ilay hoe
Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?

hi hi hi. Ataovy ao ihany ny TSY mahasitrana Jamba (@ fotaka+rora) fa TSY hitoetra aminareo ao INTSONY Jesosy an!...
46. RBNIR ( 07/11/2017 08:41)

Tsy asiana ady hevitra fa ny anao moa....efa fantatsika tsara e! saingy izao na hiesquive aza ianao efa nampahafantarina fa tsy afaka eo ianao rhajo an!!!
47. rhaj0 ( 07/11/2017 13:28)
Dia efa TSY mitoetra aminareo intsony i Jesosy ry RBNIR (sy HRNRN).

Fa mitsotsotsotsoha ihany eee... ataovy (sahala @) TSY MISY i Jesosy.
48. RBNIR ( 07/11/2017 13:46)
Misy secret bdb tsy fantatrao ao rhajo a!!!

Misy izao ohatra olona fatra pitady famantarana vao hoe hino....

Dia izao no navalin'i Jesosy azireo....

« Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona; » (Lio.11:29)
« Fa tahaka an'i Jona izay famantarana tamin'ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak'olona amin'ity taranaka ity. » (Lio.11:30)

Satria v tsy mety mahazo famantarana avy aty aminay ianao rhajo dia hoy ianao hoe.....??????
49. rhaj0 ( 07/11/2017 13:59)
Dia tena tsy mahare ilay voasoratra ao @ Baiboly hoe, “Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?” ve ianareo ry RBNIR (sy HRNRN)??? Tsy efa be dia be ve ny "fahasitranana" nandramanareo natao, araka ny fampianaran'i Jesosy sy ny Baiboly, NEFA TSY nety??

Sa tena TSISY mitombona izany resaka izany??

Fa miana-ko Jesosy ry RBNIR (sy HRNRN) izany ee... "ho avy ny farany @ ity zenerasio ity" hozy Jesosy, nefa efa an-jatony ny zenerasio niodina fa mbola tsy tonga foana izao farany izao.
"Ho avy ny famantarana fa "tena izy" i HRNRN (sy RBNIR), ary miodina ihany ny taona, fotsy ihany ny 1/10, fa ihomehezan-dry RBNIR (sy HRNRN) fotisny ny fahorian'ny olona ee...
50. RBNIR ( 07/11/2017 14:12)
Aleho ho entina eto mihitsy ity teny ity fa tena tsy mila mianatra grammaire indray isika aloha...

« Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho ety aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; » (Mar.9:17)
« ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy. » (Mar.9:18)
« Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy. » (Mar.9:19)

Misy anankiray tamin'ny vahoaka (tsy tsy hoe anankiray tamin'ny mpianatra) nilaza hoe nentiko ho ety aminao ny zanako-lahy......

Ary hoy jesosy namaly azy (ilay lehilahy no valiany eo fa tsy ny mpianatra akory) Ry taranaka tsy mino....

Ka aza adika vilana ny teny rhajo fa mianara tsara aloha amin'ireo olona nampianarin'i Jesosy a!!!

Ho very amin'ny tsy fahalalanao ao ianao fa ataovy....« Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao. » (Hos.4:6)

Mianara tsara amin'ny olona izay nampianariny....

51. rhaj0 ( 07/11/2017 14:18)
ok, diso referansy aho f'azafady.

Fa raha mahay Baiboly azany ianao ry RBNIR, dia aboahy eto ho hitam-poko hitam-pirenena ilay tantara hoe, vaky vava ny Mpianatra fa tsy mahavita azy, nefa i Mpampianatra efa tsy sasatry ny mampianatra. Dia hoe, fa maninona zahay Mpianatra no tsy mahavita azy? dia inona no navalin'i Jesosy tamin-jareo??
52. RBNIR ( 07/11/2017 14:43)
Ka izay ilay secret, io fandroahana devoly io tsy ataotao fotsiny fa mila fahaizana....

Tsy hoe izay rehetra mino fa manala devoly ny Anaran'i Jesosy dia hahavita izany avokoa fa hoy i Jesosy namaly hoe....

« Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina]. » (Marka 9:29)

Misy karazana devoly tsy azo avoaka hoy i Jesosy raha tsy amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ihany......

Ity izao misy ohatra anankiray (fantatr'ireto olona ireto fa afaka hamoahana devoly ny Anaran'i Jesosy dia hoy izireo hoe.....

« Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho. » (Asa.19:13)
« Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany. » (Asa.19:14)
« Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? » (Asa.19:15)
« Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra. » (Asa.19:16)

Zanak'i skeva ireo ary nahafantatra tsara izireo fa hoe mamoaka fanahy ratsy ny fitenenana Ilay Anaran'i Jesosy dia mba nianatra namoaka devoly tamin'ILAY ANARANA ihany koa....

Kanjo, ilay devoly indray no nandresy azireo.....

Ka io rhajo misy secret ary tsy hoe misy mangataka demonstration akory dia hanao ianao a!!!

Fa araka ny fitarihan'ny Fanahy ihany io.....
53. rhaj0 ( 07/11/2017 15:27)
hi hi hi.. TSY MAHAY BAIBOLY i RBNIR. Anarany fotsiny miondana Bbaiboly lava ao, nefa kay TSY mahay akoriny. Nefa raha ny Bokin'i Harry Potter no iondanan'i RBNIR ao, dia efa hainy hoe chapitre aiza ny tantara iray.

Henatra beuh ho anao ry RBNIR. Andrasanao izaho ve no hamoaka eto io tantara io??

TSotrabe nefa ny fangatahana teo, ary dia averina, amena chance indray ianao RBNIR izany:

Fa raha mahay Baiboly azany ianao ry RBNIR, dia aboahy eto ho hitam-poko hitam-pirenena ilay tantara hoe, vaky vava ny Mpianatra fa tsy mahavita azy, nefa i Mpampianatra efa tsy sasatry ny mampianatra. Dia hoe, fa maninona zahay Mpianatra no tsy mahavita azy? dia inona no navalin'i Jesosy tamin-jareo??
54. RBNIR ( 07/11/2017 15:31)
Efa nomeko io ilay tantara Mar.9 ka inona indray ry rhajo a????
55. RBNIR ( 07/11/2017 15:36)
« Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. » (Marka 9:23)
« Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso]. » (Marka 9:24)
« Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. » (Marka 9:25)
« Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty. » (Marka 9:26)
« Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy. » (Marka 9:27)
« Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay no] » (Marka 9:28)
« Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina]. » (Marka 9:29)

Vakio tsara hatramin'ny voalohany iza no miresaka amin'i Jesosy???? Rain'ny zaza Iza no voalaza fa tsy nino??? ny Rain'ny zaza ihany koa....(vonjeo amin'ny tsi finoako aho hoy izy....

Vaky vava ny mpianatra ka nanao hoe izahay tsy nahavoaka azy......

Dia nolazain'i Jesosy ny secret (fa tsy nanakiana akory i Jesosy) ....Iny karazana iny hoy Izy tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona afatsy amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ihany.....

Ka inona hono no tsy mazava amin'izany...

Raha misy verset hafa dia avohay e!!!

Mila mianatra grammaire tsara koa ange rehefa mamaky baiboly e!!!
56. RBNIR ( 07/11/2017 15:40)
Sa mbola diso chapitre indray koa i rhajo???? tsy maninona ange ny mitsotra e!
57. rhaj0 ( 07/11/2017 18:11)
he he he... tena matoki-tena fa mahay Baiboly izany i RBNIR an... izaho tsy mahay (sady tsy te-hahay) fa Ineny Gogola fotsiny no nanontaniako ee..

nanontaniako Ineny Gogola hoe, oviana i Jesosy no tezi-doza, namoaka ny tena toetra ratsiny, ary mila ho gaigy mihhntsy, hany ka nomantsamantsanany ireo Mpianany mampalahelo, izay mba nikezaka ihany ho'a, nefa dia tsy nahavita azy ee...

Dia hozy Ineny Gogola hoe..
zaahaaavoooo aaooo aamminn'i LLiiioookkaaa aanny @ foolloo llaatssakkaa faaheeffaaannyyyy ee..
Izzaayyy nooottaatterrin'i MMaaattiioo taammin'nnyyy diimmyy ssyy ffaahefaany h@ faahatelony ee..

Ka ahoana: hazavao indray hoe ireo Lioka sy Matio vavolombelona ireo ry RBNIR? :-)
58. RBNIR ( 08/11/2017 06:30)

Mitovy amin'ny fanazavana ilay marika ilay ao amin'ny lioka 9 sy matio e! olon-kafa no tena resahin'i Jesosy, fa ianao moa nihevitra fa ireo mpianatra no iantefan'ny teny....
59. endriny ( 08/11/2017 06:56)

RBNIR:

MISY ZAVATRA FANTATRO TSY FANTATRAO!!! ZAVATRA IAINAKO TSY IAINANAO....FA MATOA AHO MITENY HOE TENA MISY IZY DIA SATRIA.......

TAHAKA NY FIRESAHINAO AMIN'NY OLONA IRAY IO HOY AHO NY FIRESAHANY AMIN'IZAY OLONA TIANY HIRESAHANA.....

Afaka mino ianao dia ho avotra, afaka tsy mino nefa tsy ho afaka ianao satria izaho efa nanambara ny marina taminao.......

Ianao ve mba mamaky baiboly Sa ianao ilay mpitarika bilobiloka bibilika.

Aoka ambarako mazava aminao sy izay REHETRA MPANOLAKOLANA io baiboly io, fa tsy hisy Ary tsy misy izany Jesosy hoe miresaka sy manoro mivantana olona ankehitriny izany.

Fony fahavelony dia izy Jesosy mihintsy no nilaza raha tsy fantatrao RBNIR nanao hoe: "Mitsangana, ary mandehana ataovy mpianatro ny olona rehetra"

Lazaro indray fa mpandainga izany i Jesosy, fa hay izy mihintsy izao no miantso manokana an'i RBNIR ...

Esy aho le farasisan'i Paoly e
60. RBNIR ( 08/11/2017 07:30)

Izany an???

Tokony tsy niseho tamin'i Paoly apostoly (sy i jaona ao amin'ny bokin'ny apokalipsy) ange IZY izany e.....
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asa.9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)

Dia tsy tokony niverina nampianatra an'i paoly apostoly koa Izy satria i paoly dia nanambara fa....

« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Ny filazantsara izy notorin'i paoly dia tsy olona no nampianatra an'i paoly fa i Jesosy mivantana...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2883