FANTARO NY FAHAMARINANA

1. RBNIR ( 18/10/2017 07:12)
Hoy ny tenin'Andriamanitra hoe:

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)

Izay mivavaka amin'Andriamanitra dia TSY MAINTSY mivavaka amin'ny .....fahamarinana,

Inona ary ny atao hoe FAHAMARINANA???

novalian'i Miharena ny 13/11/2017 09:06
2. rhaj0 ( 18/10/2017 10:33)
ka ilay izy io anie ry RBNIR efa ho ROA ARIVO TAONA no hoe "zava-miafina". Dia izay foana no napetraka t@ fintana, ary dia vory tokoany ny trondro. Raha fahagola no misy ny voajono, dia atao ahoana fa izay notakatry ny sain'ny eraky ny vohitrakely. Fa raha izao 2017 izao ve nama dia mbola izany foana???

Dia tena "mino" ve ianao ry RBNIR fa
1- "androany",
2- ary avy ao "Madaga",
3- no hovahan'ilay "tena izy",
4- dia i HRNRN
ny @ io misiterin'ny "zava-miafina" io??

TSY pensée-mazikan-jazakely eny @ garabola ve izany??

Ny garabola ao akaikinao RBNIR sy HRNRN ao izao, dia ny garabolan-dry Yahoshua, izay milaza koa fa zareo indray no "tena izy", ary miaraka amina satro-boninahitra hoe "Ambasadaoro" mihiintsy io an...

Ny garabolan-dry Tsaratsara moa dia minobe hoe, voasitrana cancer, ary Apostaoly ny debakely.

Ny garabolan-dry Mailhol indray dia hoe ho Prezida mihintsy hono eee...

Ary ny garabolan'i HRNRN ao @ io kay inona?
Profeta sa Apaostaoly sa Ambasadaoro sa Minisitra k'lou i HRNRN eee??
3. endriny ( 18/10/2017 12:57)
Ny Marina Amiko tsy marina aminao

Ho an'ny mpitondra fivavahana dia marina aminy ny maka 1/10 ny hatsembohan'ny valala tsy mandady harona manodidina azy

Ho an'ny mpitondra firenena dia marina ny manotra izay rehetra te hanangan-javatra na manao taratasy any amin'ny birao

Ho an'ny vahoaka voageja dia marina aminy ny mamono olona nangalatra akoho

Ho an'ny mpandalo eny an'elakela-trano dia marina aminy ny mamany eo ambody poatao
4. Miharena ( 20/10/2017 06:31)
Raha hilaza aho hoe kely saina Rhaj0 sy Endriny dia hiteny hoe ny marina amiko tsy marina aminy.

Ny fahamarinana iraisan'ny rehetra dia tsy misy afa-tsy izay faritan'ny Mpahary ihany no tokony ho izy.

Izay eritrerintr'olombelona dia fandalinana izay zava-misy ary io resaka marina tsy mitovy io dia anisan'ny fomba fiheverana hampandry adrisa hanafenana ny tena marina. Mampiolikolika fisainana izy io ary mety io angamba no nahatonga ny resaka hoe fomban'ny menarana ny miolikolika fa tsy mahitsy.
5. rhaj0 ( 20/10/2017 13:54)
Ndana anie gogoleho ry Miharena ny "contradiction in the bible" ee.. aman-taoniny ny "marina" anankiROA ao. TSY tokana ny marina ara-Baiboly eee.. Dia eritrereto tsara ao alohan'ny ipentsipentsohana, fa manala-baraka an'Atra ho'a ianao, milaza-tena ho kipantson'Atra ao eee...

Dia tsy mila lazaina akoriny ny "marina" ao @ "izay voasoratra dia voasoratra" ao @ Baibolin'Andrianaivoravelona, sy ny fanitsiana io "marina" io nataon'ny Katolika, h@ "marina" ao @ Baiboly anglisy sy frantsay) .. efa noresahina teto in-jato aman'arivony ve dia mbola tsy miditra @ coco-nao ihany ry Miharena aa ???
6. RBNIR ( 23/10/2017 12:23)

rhaj0:

Tsy misy mifanohitra ao....Fa mila manana ny Fanahin'Andriamanitra dia IZY no....« Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. » (Jaona 16:13)

IZY no hitari-dalana ny olona ho amin'ny marina rehetra...

Tsy ny olona rehetra anefa no hahazo ny Fanahin'Andriamanitra.....Indrindra moa fa tsy mpino ianao dia normal Be ho sarotra anao ny hahatakatra ILAY MARINA.....
7. rhaj0 ( 23/10/2017 16:54)
Io ve ry RBNIR tsy efa noresahina in-100 aman-1000 teto, fa DISO ny (Mpandika) Baiboly.
1- Tsy ny resaka DISO ve no AHITSY eee???? Firifiry ny resaka "NAHITSY" eraky ny Baiboly tao??
2- Ary ny resaka DISO ve, dia tsy midika hoe, TSY MARINA ee??
3- TSY hoe "saro-takarina" na "tsisy fanahin'Atra" ny resaka NAHITSY tao ireo, fa kôpy tsara ny rehefa fa DISO iliay "voasoratra dia voasoratra" dia NAHITSY.

http://forum.serasera.org/forum/message/m590b78413fb1e
http://forum.serasera.org/forum/message/m53d2b2b5b0295
http://forum.serasera.org/forum/message/m53a08211a7510
http://forum.serasera.org/forum/message/m55cc9d12e2fa6

Ireo izany azany vao "dika-teny" fotsiny no DISO. Fa mbola an-100 aman-1000 ny resaka tatsy @ pejy taroa, mi-contredire ny resaka atsy @ pejy tatsia.

Sa dia mila averina resahina daholo indray ireo rehetra ambony ireo ry RBNIR??

Manahirana mihintsy nareo nama kah..
- antitra ve nareo ao dia manadinodino, dia migonongonona mamerimberina resaka mivembena lava eo foana, na dia efa nohazavaina foana azany
- sa zazakely dia n'inon'inona resahina aminy, dia adinodinony fa ny pensée mazikany ao foana ihany no averimberina eo eee???

Raha tsy beantitra-verivery-very ianao, na tsy zazakely-be-pensée-mazika, dia mandehana ho'a ataovy ny devoaranao ry RBNIR, dia zahavo ao @ gogola ny FANDALINANA nataon'ny olona rahefa tsy mahavita mandalina ianao.

8. gasy1zay ( 23/10/2017 18:34)

rhaj0:

Ndana anie gogoleho ry Miharena ny "contradiction in the bible" ee.. aman-taoniny ny "marina" anankiROA ao. TSY tokana ny marina ara-Baiboly eee.. Dia eritrereto tsara ao alohan'ny ipentsipentsohana, fa manala-baraka an'Atra ho'a ianao, milaza-tena ho kipantson'Atra ao eee...

Dia tsy mila lazaina akoriny ny "marina" ao @ "izay voasoratra dia voasoratra" ao @ Baibolin'Andrianaivoravelona, sy ny fanitsiana io "marina" io nataon'ny Katolika, h@ "marina" ao @ Baiboly anglisy sy frantsay) .. efa noresahina teto in-jato aman'arivony ve dia mbola tsy miditra @ coco-nao ihany ry Miharena aa ???

Inona ary ty mampisafoaka an'i rhaj0 ty e! Samy manana ny fahamarinany io dia samy manana ny inoany dia kalma fotsiny an!
9. rhaj0 ( 23/10/2017 19:19)
tsy misafoaka fa rikoriko angambany no izy eee... hotry ny tena tsy hita mihintsy ilay fahatsorana sy honnetete (intelektoaly), fa dia ..

"Samy manana ny fahamarinany" indray hono izany hozy i Gasy1zay ee... ary rahefa samy hafa ny Marina hananana ao, dia mbola "marina" daholo ihany hono izany na dia mifandika azany ee...
10. RBNIR ( 24/10/2017 06:07)
rhaj0:

Ireo izany azany vao "dika-teny" fotsiny no DISO. Fa mbola an-100 aman-1000 ny resaka tatsy @ pejy taroa, mi-contredire ny resaka atsy @ pejy tatsia.

Efa nazavaiko kosa io rhajo a! afaka ampiasaina daholo ny dikan-teny rehetra mba hikarohana ilay tena marina...

Ohatra nomeko ity...Heb.4:9

Samy manana ny fandikany azy fa saingy rehefa tena manao recherche ianao dia hita fa ny andro fahafito (na ny Sabata) no tena resahina amin'io teny io.....
11. Miharena ( 24/10/2017 06:20)
Ny resaka relatif rehetra dia tsy mitombina amin'Andriamanitra izay nanome ny Baiboly raha ny tokony ho izy.

Mety halaim-panahy tokoa isika hiteny hoe misy diso io Baiboly io ary koa hoe tsy avy any amin'Andriamanitra sy tsy sitrapony no voadika amin'ny fiteny samihafa. Ka na ilay fandikana na ilay orijinaly dia samy efa lavina izany fa tsy avy AMINY raha ny fijery ny firesak'i Rhaj0.

Adihevitra ambony vavahady araka ny fitenenana ihany anefa izany satria ny marina dia efa eo ilay Baiboly sy ny Soratra ao anatiny rehetra fa tsy misy afaka hiteny hoe tsy misy io.

Raha ny resaka fahatsorana ara-paharanitan-tsaina indray aloha dia ny olona hitobian'ny Fanahy Masina dia afaka tsara ny manana saina mazava ary afaka manazava tsara ny zava-drehetra.

Ka io tsy ny fandavana hoe tsy misy ny tany sy ny lanitra no hahafoana izany Rhaj0 fa io aloha izy io dia io no tokony hojerena sy dinihina amin'ny saina tsy miangatra raha manana izany fahatsorana ara-paharanitan-tsaina izany ianao a!
12. endriny ( 24/10/2017 14:48)

Miharena:

Ny resaka relatif rehetra dia tsy mitombina amin'Andriamanitra izay nanome ny Baiboly raha ny tokony ho izy.

Raha ny tokony ho izy, io aloha dia asa raha relatif na ahoana? mahay ny mpandaha-dresaka.

Andriamanitra izay nanome ny baiboly, karazana nofy atonadro re izao. Nisy Andriamanitra nanome baiboly koa teto an-tany.

Indray sabata hono, nandeha nanjono teo amoron'ny Nila i Mosesy. Nafana be, nigaingaina ny andro tamin'io. Ka dia nitady vodiamapana, malomaloka mba hipetrahana izy eo am-piandrsana ny fihinanan'ny trondro ny fahana narotsany. Very hevitra ihany ny anao lahy satria efa indray mitono ondry mbola tsy nisy kitika ny fintana. Ka raha bola nanontany tena teo izy ny hoe: "Inona re no ataoko eto miandry ity fintana ity?". Mbola tsy tapitra akory ny ventsoventsony dia indro ny fahazavana lehibe nitoetra teo amin'ny tsefan-kazo nialofany. Gaga izy ary taitra, nahita ngahy lehibe fotsy volom-bava, miakanjo fotsy tao anatin'ilay hazavana. Ary hoy ilay ngahilehibe hoe: "Ry Mosesy, hay fa laniandro miandry ny fintana ianao, ka ity misy boky atao hoe baiboly mba analana andro eto ampialokalofana eto, ary izaho no Atra hitarika anao ho hiala amin'ity tanin'ny fahoriana ity"
13. gasy1zay ( 25/10/2017 02:00)
Ka i rhaj0 zao mihevitra MARINA hoe gidro ny dadaben'i dadabeny nefa Théorie ny évolution fa tsy vérité.
14. Miharena ( 25/10/2017 03:26)

endriny:

Tsy boky no natolotra fa nibitsika nampanoratra Baiboly Andriamanitra. Aza disoina ilay zava-misy.
15. endriny ( 25/10/2017 05:05)
I ry Miharena manana ati-doha tapitrohatra, manome ve ny dikan'ny mibitsika? Aholakolany ao ihany fa amin'ny farany ny baiboly lasa bilobiloka.
16. tianabeloo ( 25/10/2017 05:44)
"Raha ny resaka fahatsorana ara-paharanitan-tsaina indray aloha dia ny olona hitobian'ny Fanahy Masina dia afaka tsara ny manana saina mazava ary afaka manazava tsara ny zava-drehetra."

Ny manelingelina ahy (mpino manana an'izay inoako fa marina perfectible aho) @karazana affirmation tahaka itony dia izao : ny tenako izany tsy mahatsapa loatra hoe hitobian'ny fanahy masina vao afaka mandinika zavatra iray ataoko hoe @saina mazava sy tsy miangatra ihany anefa.

Fa hono hoy aho : adinodino ve sa tsy mahafantara an'io hoe saina tsy miangatra ny "olona hitobian'ny fanahy masina manana fahazavan-tsaina" izany rehefa mandinika?
17. rhaj0 ( 25/10/2017 12:48)
gasy1zay:
Ka i rhaj0 zao mihevitra MARINA hoe gidro ny dadaben'i dadabeny nefa Théorie ny évolution fa tsy vérité.

Efa noresahina koa io ry Gasy1zay aaa.. Ny ankizy any @ primera izao aty efa mahay tsara an'io, fa dia asakasakao Gasy1zay lehilahibe ao ee...

Efa naraviko tatsy @ bilaogiko
https://rahampitso.blogspot.ca/2015/04/creationisma-maoderina.html
http://forum.serasera.org/forum/message/m554225b62dd79
rhaj0:

Ato http://evolution.berkeley.edu/evolibrary/article/evograms_07
Dia jerevo tsara ilay echelle des temps fa amina million re ry Gasy1zay a... dia rahefa azonao io, dia mba ampianaro @ ankizy, dia ilazao izy hoe, fony zaza ihany re rankizy ilay conte de fee bibilikan'i madame eva, fa efa lehibe vory saina ianao izao ka dia izao no izy...

18. RBNIR ( 25/10/2017 13:05)
ny mahavariana kely amin'ity sarin'i rhajo ity
1 dia tsy fantatra ilay niaingana???
2 ny chimpazé sy ny bonobos hono tsy mba nandalo étape maro fa niainga avy amin'ilay tsy fantatra avy dia lasa chimpaze na bonobos,
3 ny olona kosa nandalo étapes marobe (niainga avy amin'ilay tsy fantatra) izay vao tonga amin'izao toerana izao
19. endriny ( 25/10/2017 13:36)
Izay misy ifaliana, izay kely ananana no ahiratra fa tsy mamoroporona an'ity anjely sy Demonia Ary Atra tsy takatry ny ati-doha fisiana ity.
20. Miharena ( 25/10/2017 13:48)

endriny:

I ry Miharena manana ati-doha tapitrohatra, manome ve ny dikan'ny mibitsika? Aholakolany ao ihany fa amin'ny farany ny baiboly lasa bilobiloka.

Tena mahavariana ihany aloha hoe tapitrohatra angaha izay manaily an'Andriamanitra ho Mpahary! Efa tsara aloha raha mahatsapa e!

Mampita fotsiny izay ambaran'Andriamanitra izay mino AZY ka raha izany no maha-tapittohatra dia ny Mpahary no omem-boninahitra e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0309