FIVAVAHANA (Kristianina, silamo, jiosy, zokiny, zandriny...) vs FOMBAN-DRAZANA

21. endriny ( 26/10/2017 15:53)

Miharena:

Ny loza aza dia misy ireo izay te-hanankarena no mivarotra ny fanahiny amin'ny sampy sy ny Devoly.


Ny loza aza dia misy ireo izay te-hanankarena no manera ny lanitra ao anaty fiangonana. Ary poa toa izay izy ireo dia mitaingina Hummer, dia nahavita trano be atao hoe Vatican...
22. endriny ( 27/10/2017 06:42)
Fa inona marina no atao hoe fandrosoana?

Rehefa manana finday ve dia midika fa mandroso? sa rehefa manana fiara....

Lalam-piainana tsy azo idovirana ny fandrosoana. Fahaizana mikirakira ny tontolo manodidina mba hampirindra ny fiainan'ny tsirairay sy hampivoatra ny fiarahamonina iainana no atao hoe fandrosoana.

Eto an-tany anefa dia misy fampitahana ataon'ny mpahay kajy toekarena ny amin'ny vokatra ankapoben'ny firenena no andrefesana izany hoe fandrosoana izany. Na koa ny vola miditra isam-batan'olona isan'andro.

Fa inona no idiran'Atra amin'ny fandrosoana? Angamba tsy misy satria raha izy no tompon'ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra eo aminy, dia inona intsony moa izany no fandrosoana andrandrainy eo?
23. Miharena ( 27/10/2017 18:29)
Endriny:

Fa inona no idiran'Atra amin'ny fandrosoana? Angamba tsy misy satria raha izy no tompon'ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra eo aminy, dia inona intsony moa izany no fandrosoana andrandrainy eo?


Mahagaga raha resahana hoe tsy misy idiran'Andriamanitra ilay fandrosoana.

Ny fandrosoana amin'Andriamanitra dia hoe manaiky ny olombelona fa efa tonga Jesoa manambara ny Fanjakan'Andriamanitra.

Ny an'ny olombelona dia hita sy mazava fa misy ny atao hoe fandrosoana mandeha any amin'ny ratsiratsy hatrany. Dia io hitantsika andavanandro io, vono olona, halatra, toetra tsy mendrika isantokony, tsy fahaizana, faharatsiam-panahy isan-karazany, fiarahamonina mikorontana ambony ambany.

24. endriny ( 01/11/2017 06:29)

Miharena:

Ny fandrosoana amin'Andriamanitra dia hoe manaiky ny olombelona fa efa tonga Jesoa manambara ny Fanjakan'Andriamanitra.


Ry mpivarotra sakabeloha, 2014 taona lasa izay dia hoy ingahy Jesoa hoe: "Lazaiko marina aminareo, fa mbola tsy ho tapitra akory izao taranaka izao dia ho tonga ny farany"

2014 taona aty aorina mbola eto an-tany daholo ihany ny olom-belona rehetra

Miharena:

Ny an'ny olombelona dia hita sy mazava fa misy ny atao hoe fandrosoana mandeha any amin'ny ratsiratsy hatrany.


Tokony foanana ho'a ity interineto ity fa manjary mihena ny isan'ny olona manjifa baiboly, ka mivaralila hatramin'ny trano mpampiely baiboly.

Tokony mandeha tongotra ohatran'ny tamin'ny andron'i Paoly ho'a ry Pasitera sy Mopera ary ireo mpitory rehetra, fa mandoto rivotra ny 4 x 4 taingenany.

Tokony miverina mipetraka any anaty lava-bato ry Miharena, fa sady maha be fako, no maha be voalavo, no maha be rano maloto fotsiny.
25. endriny ( 03/11/2017 05:36)
Mazava be fa raha te handroso isika dia tsy maintsy manao dingana. Tsy mety misy dingana vita anefa raha tsy misy angovo anetsehana ilay tongotra mpandingana.

Dia misy olona miteny hoe: "Fandrosoana ve ireto arabe loadoaka ireto?"

Dia hoy aho hoe: "ILay arabe no tianao tenenina sa ilay loadoaka?" Fa ny haiko dia hoe rehefa mba niova ho arabe ilay lalan-tongotra taloha dia efa nisy fandrosoana izay.

Fa raha hiteny ianao hoe: "Ka feno lavadavaka koa!"
Dia hoy aho hoe: "Atao dinga amin'ny manaraka indray ny hoe arabe mateza"

Ka tezitra be ilay mpiaradia ao amin'ny taksibe:

Dia hoy aho hoe: "Ny ahy aza ao an-trano ny vilany vy efa niova kokoty minitra efa ela, fa ilay andrahoina ao anatiny indray izao no mba tiako hitombo ny habetsahany sy ny tsirony amin'ny heritaona"
26. Miharena ( 03/11/2017 06:45)

endriny:


Miharena:

Ny fandrosoana amin'Andriamanitra dia hoe manaiky ny olombelona fa efa tonga Jesoa manambara ny Fanjakan'Andriamanitra.


Ry mpivarotra sakabeloha, 2014 taona lasa izay dia hoy ingahy Jesoa hoe: "Lazaiko marina aminareo, fa mbola tsy ho tapitra akory izao taranaka izao dia ho tonga ny farany"

2014 taona aty aorina mbola eto an-tany daholo ihany ny olom-belona rehetra

Miharena:

Ny an'ny olombelona dia hita sy mazava fa misy ny atao hoe fandrosoana mandeha any amin'ny ratsiratsy hatrany.


Tokony foanana ho'a ity interineto ity fa manjary mihena ny isan'ny olona manjifa baiboly, ka mivaralila hatramin'ny trano mpampiely baiboly.

Tokony mandeha tongotra ohatran'ny tamin'ny andron'i Paoly ho'a ry Pasitera sy Mopera ary ireo mpitory rehetra, fa mandoto rivotra ny 4 x 4 taingenany.

Tokony miverina mipetraka any anaty lava-bato ry Miharena, fa sady maha be fako, no maha be voalavo, no maha be rano maloto fotsiny.


Raha ny fanadihadiana ataonao ireo dia hita fa ireo atao hoe asan-tanan'ny olombelona sy ny ezaka na tsia ataony no mampandroso na mampihemotra.

Raha ny marina tsy misy idiran'ny asan'Andriamanitra ilay fomba fijery mifantoka fotsiny amin'ny maha-olombelona satria mamaritra toetran'olombelona manao izay tiany atao na azony atao ihany ireo.

Raha nilaza ary Jesoa hoe tsy ho foana ity taranaka ity dia ho tonga ny farany dia mazava izany fa isika olombelona mbola 7 lavitrisa io ve ho foana? Dia tokony hadihadiana koa ilay hoe FARANY fa raha tsy mahay io teny io dia lasa mampiteniteny foana ILAY nilaza azy.

Dia mila maka referansy anaty Baiboly ihany hoe ahoana no hiafaran'ilay olombelona vao feno ny fanadihadiana momba ny fandrosoana.
27. endriny ( 06/11/2017 15:20)
Tsy misy idiran'Atra indray hono ny maha olombelona... Fa angaha tsy Atra indray moa no nanao ny olombelona ho nofo sy ra. Sa moa ny olombelona nataon'Atra tao Edena fanahy fotsiny.

Aza mirediredy re rey olona, rehefa lany lainga a
28. Miharena ( 07/11/2017 18:15)

endriny:

Tsy misy idiran'Atra indray hono ny maha olombelona... Fa angaha tsy Atra indray moa no nanao ny olombelona ho nofo sy ra. Sa moa ny olombelona nataon'Atra tao Edena fanahy fotsiny.

Aza mirediredy re rey olona, rehefa lany lainga a


Tsy azonao ilay resahana dia mivily indray ny resaka. Miresaka fivoarana izay ezahan'ny olombelona aho izay mety tsy ho sitrapon'Andriamanitra fa asan'ny olombelona ihany.
29. rhaj0 ( 07/11/2017 19:47)
Miharena:
... mety tsy ho sitrapon'Andriamanitra fa asan'ny olombelona ihany
endriny:
Aza mirediredy re rey olona, rehefa lany lainga a
rhaj0:
Aza mirediredy re rey olona, rehefa lany lainga a

hi hi hi... mibilobiloka tahak'n'inona ve ry Miharena, tahakan'ny politifikana matesa faingana :-)
TSy mba hananan-dry Miharena mihitnsy izany hoe haonetitihy (intelektoaly) na koa ny hiomilitiha..
Asa fa toa TSy nampianarin'i Jesosy an'i Miharena angamba izany :-)

30. Miharena ( 07/11/2017 19:56)
Tsisy idiran'ny lany lainga io fa rehefa tsy manan-kalahatra dia tokony hangina satria hita fa manomboka mitady izay hanoherana befahatany sisa ilay olona iresahana nefa efa hita fa diso hevitra tanteraka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.272