Ho an'i Microscop

21. Miharena ( 10/10/2017 16:43)
Izay tsy manaiky ametrahan-tanana dia tsy ho sitrana akory satria efa manda ny Herin'Andriamanitra.

Ilay resaka cancer dia azonao atao tsara ny mijery ireny fijoroana vavolombelona be dia be ireny hoe nisy sitrana noho ny finoany fa Jesoa no Mpanasitrana.

Maro ireo dokotera no miteny amin'ny marary hoe tsy izy no manasitrana fa manampy fotsiny amin'ny fitsaboana izy fa Andriamanitra irery ihany no manasitrana.

Tsy eken;ny sain'i Rhaj0 mihitsy ireny resaka atsipy eto ireny fa laviny amin'ny foto-pisainany irery foroniny ao aminy ao ihany.

Manontany tena ihany aho hoe iza amintsika ity ary no mikombom-pisainana, fa ny hitako dia ilay mpametra fisainana ho an'ny tenany irery io no tena mikombona. Izaho milaza hoe jereo dia hadihadio ireo fijoroana vavolombelona fanasitranana dia tsy eken'ny fohy saina ny manadihady ireny.
22. rhaj0 ( 10/10/2017 20:11)
Ireo "mijoro ho vavolombelona" inoan-dry Miharena fa sitrana ny homamiadana ve, ilay toa an'i Tsaratsara mpanao belazao? Naratra ary nisy fery mivoaka nana be noho izay adin-dahalony tany ilery, dia lazainy fa "cancer" hono ilay fery. Mba hainao moa ry Miharena toatoa ny ahoana ny fisehon'ny sela voan'ny cancer? ngo dia ataonao fa toa ny ferin-dahalo??

Dia rehefa sitrana ny ferin-dahalo dia hosannah.. nolazainy fa i Atra mihintsy koa hono no nanasitrana ny cancer-ny (nefa ferin-dahalo ilay izy)... dia matahotra dia "mino" ao tokoany ry Miharena satria "niteny" an'izany hono i Tsaratsara.

raha hiteny koa ve i Tsaratsara hoe, "inty ny rononoko sotroy ry Miharena", satria izany hozy Andtrmna, dia ao koa ianao ve ry Miharena?? Dia giravy eee... giravy.
23. Miharena ( 11/10/2017 15:17)
Ilay resaka faniratsirana io moa dia angadinao mihitsy Rhaj0 fa mba anehoy tsy faniratsirana kely aloha raha manana fa tsy io bala tsy mandeha amin'ny laoniny io foana no asesinao rehefa tsy manan-kalahatra e!
24. rhaj0 ( 12/10/2017 11:48)
Ilay "maniratsira" ve midika hoe "se moquer"??
Raha izany dia ho ataoko foana indray ary tsy itsitsiako raha io.
"Bien sur qu'on peut se moquer (de la religion)" hozy ny praiministra Kebany aty.

Ny ataonareo sy Tsaratsara koa moa ka mihatra aman'ain'ny tsimanantsiny, ka dia mendrika ho anareo ny ho "tsiratsiraina" eee...
25. rhaj0 ( 13/10/2017 14:14)
rhaj0:
raha hiteny koa ve i Tsaratsara hoe, "inty ny rononoko sotroy ry Miharena", satria izany hozy Andtrmna, dia ao koa ianao ve ry Miharena?? Dia giravy eee... giravy.
Miharena:
Ilay resaka faniratsirana io moa dia angadinao mihitsy...

efa nandalo teto anie ry Miharena ny youtube-n'ireo Kristiana nampinoan'ny Gourou-ny tao ampiangonana tao hoe, "hano ny bozaka fa tsara", hozy ny Baiboly sa Jesosy.
Dia nirongatra nivoaka ny fiangonana dia niroaka ahitra tokoany ny naman'i Miharena.
Ka ho angadiana ho anao koa ve ny bozaka ry Miharena aa??
26. endriny ( 13/10/2017 14:30)
I Jesosy mihintsy no maniratsira koa: tsiratsirainy ny reniny. Ny Ray aman-dReniny, ny havany, ny Sabata. Dia mbola misy mitohy hatrany ankehitriny fa feno Demonia sy Satana izay tsy manaiky ho Kristianina.

Ireo efa Kristianina indray maniratsira ny didy folo sy ny mpiaramonina ary ny baiboly, dia mody mifoha ao am-po dia afaka ny fahotany hono.
27. rhaj0 ( 13/10/2017 17:26)
Iverenako kely indray ny nanjo an'i Microscop.. fa dia raha ny fahazoako azy, dia
- noporetin'ireo Mpino izy hanaraka ny fombafomba izay TSY hita akoriny ny mahatsara azy, na marimarina koakoa, hita be ny maha-absurde/ridicule azy.
- natsangan'ireo Mpino ho fahavalo i Microscop rahefa tsy mety hanaraka ny dihin'ireto Mpino ireto, na rehefa manoro na manakiana ny ataony.

ilay atao sy inoan'ireto Mpino anefa dia ... tena absurde sy ridicule. Averiko kely indray ny resako teo, izay natodiko t@ Miharena, fa raha ny tena izy, dia mitodika @ ireo Mpinomino foana, izay manitsakitsaka ny bulle-n'ny hafa. Dia lazainy fa "manao soa' na "manasitrana" hono izy rahefa hoe "mametra-tanana" sy "manala devoly", nefa 'finoany" azy manokana, ao @ imazimation-n'irery ao, tsy voaporofo ary tsy mamokatra akoriny. "Pensées mazikan-jazakely" no amiravirana olona.

rhaj0:
Raha voan'ny sery moa, dia satria efa mba "takatrao" Miiharena ihany ny fandehany, dia tsy anaovanao ilay "pensée magique"-n'ny fametrahan-tanana izany an... nefa anie "marary" ihany ny voan'ny sery eee...

Ny tapaka taolana indray, dia mety TSy takatrao Miharena ilay mivonto nefa "marary", dia "ametrahanao tanana" + pensée magique" ao an.. Nefa raha mba nanaovanao rayon X dia mety mba tonga saina ihany ny coco-kelinao fa tsy "fametraha-tanana" no fanafany.

Ary ny marary cancer du sein, na de la prostate, na du colon, ... Dia tena "mahasitrana" ve ny mametra-tanana eo @ sein, prostate sy colon ee??? sa hoe, "lasa izao" hozy ry pervers isany ??...

Dia io izao ny schizo, dia aiza no ametrahanao ny tananao (maloto) ry Miharena???



Fa ilay "mametra-tanana" eo ihany, fa ilay lasa fanaon'ny gasy Kristiana koa reko, dia ity "manala devoly". Nahare tantara aho hoe,
- ilay razokinibe hono mba kirikiriana fotsiny, nefa nandalo rampanaladevoly, dia nanipazany rano sy nakitrikitriny... "@ anaran'i Jehovah" hono ee...
- ilay razokinibe hono efa marary efa fantatra fa cancer, fa mbola nandalovan'i rampanaladevoly tao koa ee... Tsisy decence mihintsy ity izy fa dia mitsotsotsotso mamigavinga olona... "@ anaran'i Jehovah" ihany hono ee...

Sady @ izay @ io, n'importe qui mandalo dia milaza-tena ho "mpanaladevoly @ anaran'i Jehovah" an...

Dia avelan'i Jehovah ho savisavihan'izao adala rehetra izao tokoany ho'a ny "anarany"...
28. endriny ( 16/10/2017 15:01)
Azo atao koa ny hoe mifindra monina, fa tsy voatery hiady aman'aina akory.

Raha fiarahamonina iray no tsy tia, Madagasikara mbola malalaka.
29. Miharena ( 16/10/2017 18:44)
Hoatry ny hafahafa ihany ilay adihevitra satria na Rhaj0 na Endriny dia miresaka an'i Jehovah sy Jesoa ihany nefa tsy manaiky fa IREO no Mpandrindra sy Mpampahalala ny fahamarinana ho an'ny olombelona.

Ka ny fanontaniana aloha izay tokony hovalianareo dia hoe misy sa tsy misy fa imazinasio ireo voambara ireo alohan'ny tokony hanohizana tsara ilay resaka hoe fanalana devoly sy ny sisa manaraka.
30. rhaj0 ( 17/10/2017 13:07)
Inona @ famaritana ny teny hoe [size=16]Atheist[/size] no tsy mety takatry ny sainao ry Miharena??

Ndana ataovy ny devoaranao dia mba fantaro hoe inona ny Atheism aloha eee.. Tsy ao anaty Baiboly izany, fa mba ampiasao @ izay ny coco internet eee... Efa mandroso ho'a ny taona eee...Ary aza antenaina hitori-teny aminao ny @ Atheism aho ohatra, fa tsy fomban'ny eto ny mihevitra fa alitara ny serasera.
31. Miharena ( 20/10/2017 06:07)
Ny Ateista amin'ny maha-famaritana arak'olombelona no tiana lazaina. Marina fa ao anaty aterineto tokoa ilay izy fa hoatry ny miteny hoe rehefa teraka Rhaj0 dia mamorona firehan-kevitra hoe tsy dadako sy neniko no niteraka ahy.

Fehiny : atheism = firehan-kevitra arahana bontolo fa tsy mitombina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1967