Ho an'i Microscop

1. rhaj0 ( 05/10/2017 11:22)
Nafindrako teto ity, mba tsy ho saron'ny "resabe", satria dia zava-dehibe loatra, azony fiainan'olona ary mety ny ain-dehibe mihintsy no voakasika.

O ry Microscop.. tena valaketraka aho mamaky ny taratasinao. Henjana tokoany ny manjo anao. Mila m(if)ampiresaka sy m(if)anohana isika fa samy olombelona, samy malagasy.

TEna (mila atao) lava ny resaka, ary atao miadana eto ny fifanakalozana..

Izay aloha fa dia mahereza ee..

microscop:
Salama tompoko! Mampalahelo ahy ity resaka ity satria tafiditra ao anatin'io zaho, nisy fotoana za nikorontan-tsaina satria nanana malaise be zaho teo anatrehan'trombiste sy ny mpino azy ary t'amin'izay dia niady irery za fa tany an-tanin'olona, nijoro amin'ny maha olombelona ahy anefa za satria rehefa nohalaliniko ilay tian-dry zareo atao dia sumpremacie no tena tanjona ary dia izay tsy manarak'azy dia vonoiny na anaovany complot na amosaviny ankolaka, dia ny olako anefa izaho tsy maintsy mijanona aminio tanana io satria mba nihevitra ny hitady vola otrany olona mitady rehetra, dia nihezaka ihany aho ny nametraka savoir-vivre fa tonga t'amin'ady ihany ilay izy farany satria bediabe ny zavatra tsy ekeny feon-fieritreretako tao, satria mba olona nianatra ihany za ary mba nobeazina ny maha olona fa hatramin'zao dia mbola hejehina za satria lasa athe za zao nohon'ny tsy fisiany vahaolana mety amiko, ny antony dia izao rehefa nisy ady mangantsika izany hoe fifamaliana tao dia niala za, ka nandeha nody kanefa efa nampanaran'ireo resaka amin'ny telephone tany amin'izay misy ahy, dia nataon'zareo zay namotehana ny fiainako, dia farany lasa noetina teny amin'ny hopitaly loterana ambohibao za fa mbola tsy sitrana hatramin'izao ary vao maika ary nikorontana be ny saiko satria ilay malaise izay notazomiko no lazaina fa devoly ary za ary mba gaga t'amin'izay fa i Dr salomon avy nihevitra an'izany kanefa dia mbola malaise ilay izy zavatra tsapako satria za athe ary tiako ny science fa ny mampalahelo ahy dia na ny havako na ny fiaraha-monina dia samy manana ny filazany ary lasa fahasorenana hoahy ilay izy dia otrany za avy no lasa shizofreniq ts fidiny nohon'ny tsy fahampiany tohan-kevitra athe mitovy amiko moa ny progression scientifik koa ity lavitra any madagascar sady mila vola be, dia terena be mihintsy za hino na dia izaho ary afaka milaza ny tena marina momban' tromba fa nisy fotoana aza za io saika novoin'ny ry zareo mananangana ny maso fahatelo(kopy nareo) fa mitady hanimba ny valeran'fomban-tany hono za satria nisy fotoana za nilaza anio ka dia izao tsy afa manotra satria atody za ny eto gasikara ary ny marina mitavozavoza hono tsy maheresy lainga tsara lahatra. Asa tsy haiko ianao rhaj0 raha afaka hanohana anah fa tô otrany "pour rien du tout" ilay ady ataoko ary na izaho aza te hiala eto gasikara fa ts afaka, ary efa nisy fotoana za mba nitady communauté athe na association t'amin' google fa tsy maita izay tena izy za mba hialako nenina fa raha mbola izao no mitohy na izaho hanao kamikazy na izaho hamonon-tena fa satria marary be za terena hanaiky zavatra tsy tiako hinoana ary tsy tiako ny fombany mpino eto gasikara.


novalian'i Miharena ny 20/10/2017 06:07
2. rhaj0 ( 05/10/2017 11:47)
@ ankapobeny aloha, ary na hatraiza na hatraiza, dia isika Atheista dia lasa mitoka-monina, na ny loza koakoa, dia lasa voatoka-monina. Satria "tsy mitovy" @ ireo olona hafa. Ny olana dia TSY amintsika Atheista, fa @ ireo olona manodidina: matetika loatra, dia noho ny TSY fahalalana no mahatonga ny ... "fankahalana".

Fa ny manjo an'i Microscop izany, dia miampy olana lehibe henjana lavitra kokoa, satria dia tafiditra amina ady famehezana (controle) sy/na fahefana (pouvoir). Ary tsy hotry ny aty ivelany @ tany mandroso aty, ka "samy mandeha samy mitady" sy samy manaja ny "vivre et laisser vivre", fa tena mifampijabajabaka @ fiainan'ny hafa ny sasany. Ary eo dia mety voakitika ny ain-dehibe, na ny fivelomana fotsiny koa azany.

Ny mahavelombolo ahy aloha, raha ny fahatakarako ny resakao, dia tsapanao ary takatrao (lucide ianao) ny fipetraky ny zava-misy. Efa dingana iray lehibe @ amahana olana izany.


ho tohizako rahefa avy eo, fa dia manantitra ny fampaherezana ho anao aho..
3. rhaj0 ( 05/10/2017 12:44)
Ny zava-dehibe aloha izao dia ny fahasalamanao. Bebe ihany ny resaka efa nataoko na teto na tany an-kafa, fa nofintiniko atsy @ bilaogiko Ohatra avadibadiho ao aloha ireto

https://rahampitso.blogspot.ca/2016/05/reran-tsaina.html
RERAN-TSAINA

http://forum.serasera.org/forum/message/m585d2bdfc46ca
HYGIENE DE VIE
4. microscop ( 05/10/2017 13:45)
Ny fototrin'ny olana dia tsy navela namoaka hevitra za, ary maninona raha mba nanaja ny azy za, ary tsy hanimbazimba ny tao an-tsaiko fa mba te hizara fahalalana fa mbola za ihany no diso
5. rhaj0 ( 05/10/2017 14:28)
Raolona moa "animal social" hoy ny fiteny izay. Ka dia tsy maintsy miara-miaina ao @ fiaraha-monina (FM) izany ee.. tsy hanao ambodia singan-drery (loup solitaire) ianao, fa tsy maintsy miara-milona @ tropy ao. Manome fahafam-po na vahaolana (raha misy olana) ny @ fiainana andavanandro (materialy sns..) ilay FM na ny sosaity, fa indrindra koa, ny @ fiainana manokana sy ny ara-psikolojika (hasambarana, fahasalaman-tsaina,..).

RAhefa ao @ fiarahana ao anefa, dia raha ny tokony ho izy, dia atero-ka-alao (double sens) ilay fiainana: fIFanakalozana, fIFampizarana, fIFanajana, fIFankatiavana, ets...

ilay fiainana any Dago anefa, tsindraidray sa matetika, dia raha ny fahatakarako azy, dia mbola ampiany an'ilay -IF- toatoa ny hoe:
fIFfampijabajabahana, na koa, fIFanindrintsindriana.
Raha ny marina, dia sens unique io fa tsy -IF-.

"Any Dago" hoy aho, satria raha ny aty, dia raha ny fiainanao manokana any, dia samy miezaka ny "vivre et laisser vivre" ny tsi11.

ka dia eo izany ny olana. Eo izany isika izao.
6. microscop ( 05/10/2017 18:23)
Hiezaka ihany anefa za ny tsy hilaza zay fantako satria dia èto dago izay milaza ny marina dia tsy maintsy maty, fa ny tena tiako ahatongavana dia tena tsy mahafantatra communaute athe ve ianao na association?
7. rhaj0 ( 05/10/2017 20:22)
Eo @ facebook misy groupes. Ireto dia, raha ny fahatakarako azy, dia saika Atheista no betsaka.

https://www.facebook.com/groups/gasysahymisedra/
MPINO # TSY-MPINO
Hitako betsaka kokoa ny TSY-Mpino.

Fa mila, araka ny filazanao, mifandamina ho "communauté", satria ny fiainana anaty communauté dia ilain-draolombelona.


https://www.facebook.com/groups/MbaDinihoKely/
MBA DINIHO KELY
Iti indray fikambanana mihintsy, mba IFanoroan'ny samy Malagasy, mba mifampandinika mifampieritreritra.

ity izany efa "fikambanana"

8. Miharena ( 06/10/2017 12:50)
Efa niresaka tsipalotra tatsy amin'ny loha-hevitra misy devoly atsy aho aloha tamin'ity resakao ity izay nalefan-dRhaj0 eto.

Tsy vahaolana ny communaute atheista satria miady amin'ny karazam-panahy ratsy ra-Microscop.

Tsy ny fihevitrao no lehibe eto satria isika olombelona dia tsy mbola manana fahefana samirery raha tsy efa masaka ara-pinoana.

Ny olana amin'ny athee manko dia tsotra ihany, misy ny manao izay tiany atao hanindriana ny namany.

Ianao rahateo koa moa dia miaraka miaina amina tronbista ka aza gaga raha vizaniny raha tsy manam-pinoana ny Mpahary izay afaka miaro anao amin'ny mpanao ratsy rehetra.

Mila jerenao ireny fijoroana vavolombelona ireny toa ireny olona mpamosavy nibebaka sns...

Ary tsara raha mamaky Baiboly fa ao misy hafatra tena manasitrana.
9. endriny ( 06/10/2017 13:56)
O leiretsy e! Resaka finoana ve no amonoana tena a.

Inona izay finoana ny tsy resahina any aza. Izay ivelomana atao, fa ny mpino mbola aza mbola manao kolikoly, sy manolana
10. rhaj0 ( 06/10/2017 15:07)
Tsy ilay "resaka finoana" anie no hoe "amonoana tena" ry Endriny ee...

- Ny VOKATRY ny resaka finoana,
- ny ATAON'ny Mpino @ mpiara-belona (tsy mitovy finoana aminy)
Ireo no mitondra @ fahoriana sy alahelon'olona.

Raha ny marina dia BULLYING na hoe INTIMIDATION anie izao ataon'ny Mpino sy ny Finoana izao ee.
11. rhaj0 ( 06/10/2017 21:00)
rhaj0:
Tsy ilay "resaka finoana" anie no hoe "amonoana tena" ry Endriny ee...

- Ny VOKATRY ny resaka finoana,
- ny ATAON'ny Mpino @ mpiara-belona (tsy mitovy finoana aminy)
Ireo no mitondra @ fahoriana sy alahelon'olona.

Raha ny marina dia BULLYING na hoe INTIMIDATION anie izao ataon'ny Mpino sy ny Finoana izao ee.

Mila (amp)ianarana mihintsy io resaka BULLYING io. Ny aty Kanada dia io foana no ambentin-dresaka any am-pianarana sy any am-piasana. Toa "normal" ilay izy TALOHA, ary dia miaritra trefle daholo izay voatsindry sy voajabajabaka; misy azany, izy voahitsakitsaka indray no mahatsiaro ho diso.

ka inona ity BULLYING:
use superior strength or influence to intimidate (someone), typically to force him or her to do what one wants.
synonyms: persecute, oppress, tyrannize, browbeat, harass, torment, intimidate, strong-arm, dominate;


Dia ivereno ny tantaram-piainain-dranamana, ary samia mamisavisa:
- inona moa no nataon'ireo Mpino Kristiana tamin-dranamana:
--- typically to force him or her to do what one wants?
=== noteren-dry Mpino Kristiana ilay Ranamana hanao ny kifombafombam-pivavahana Kristiana, satria hono "devoly" sns no takatry ny Kristianisma @ izay niseho teo??
--- persecute, tyrannize, harass, torment, intimidate, strong-arm, dominate??


RAhefa mitranga ny antery sy ankerisetra sy ny tsindry aloka toa itony, dia ny ampianarina ny aty, dia ny MIJORO ary
- manoga ny Mpanindry, fara-faharatsiny
- manohitra ary manakana ilay Mpanindry tsy hanohy ny ataony, fara-fahatsarany; ary direction Fitsarana akoriny azany tsy ferana

12. microscop ( 07/10/2017 07:16)
Hampiakatra fitsarana ny hoe za dia nanaovany olona discrimination na koa intimidation nohon'ny tsy fanekeko ny finoan'ny hafa, amin'izay ireo olona ao amin'ny fitsarana ireo ange ka mpanompo an'io daholo e! Tena herim-po very maina zany rajh0 a!
13. microscop ( 07/10/2017 07:26)
Ary misy tantara anakiray izay aza nisy fandoroany kristianina Zomba dia avy nodorany trombista koa ilay fiangonan' zareo de za mo de gaga hoe reto olona reto ve adala sa vendrana
14. microscop ( 07/10/2017 08:07)
Hitako daholo ilay rohy fa ny olana hitako mipetraka dia tsy te hiatrika zava-misy ny gasy fa te hanilika tsiny any amin'ny hafa dia tsy handroso zany isika fa de hifamono eto fona
15. microscop ( 07/10/2017 11:05)
Aleo alo hazava iany fa tsy taranak i rasanjy a, fa fitiavako science medecin no nahatonga ahy athee, ary aleo azava fa tany ampianarana dia ny science no nomena coeficient ambony nohon'ny malagasy ka tsy haiko hoe fahadisoako ve zany sa any ministera, ary izay olona mahay ny nihandohan'ny science dia mahafantatra tsara fa tsy ifanaraka rahaovina ny science medecine sy ny science occulte kanefa dia iray ihany no namorona anio .
16. Miharena ( 07/10/2017 12:01)
Raha zohiko tsara ny foto-kevitra tianareo resahana eto Rhaj0, Microscop ary Endriny dia tonga dia mifantoka amin'ny familiana ny resaka any amin'ny tsindry aloka hatrany ka na iza na iza dia alefa ao daholo ary mivoy ny foto-pisainana hoe athee na siantifika entina hanoherana be fahatany izay resahan'ny hafa hahasoa ny tenanareo aby.

Ny tiana ambara anefa dia tsy tsindry fa fanomezana safidy sy fanazavana ny fiainana mitondra amin'ny fahasambarana sy fahononam-po ary fahafenoana eo amin'ny maha-fanahy ny olona no antony itoriana Filazan-tsara.

Ka raha toa ka misy fahavoazana eo amin'ny tenanareo sy ny sainareo ka itoriana ianareo dia manao di-doha ihany. Ny fahadisoana voalohany dia ny mijery ireo ady etsy sy eroa fa tsy mandalina finoana tanteraka sy mandalina ny ara-panahy. Izany no mahavery saina ny maro mitady fitsaboana any amin'ny Psy ka lasa ampihinanam-panafody mahadomelina saina fotsiny mba tsy hitroatra ilay vatana sy saina izay mivaha noho ny tsy fisian'ny fiarovana avy amin'ny Mpahary.

Tsara raha mba manaiky ametrahan-tanana rehefa misy fahavoazana toy ireny. Andramo ary rese ihany lahatra fa tsy tsindry izay resahana aminareo tsy akory.

17. endriny ( 10/10/2017 07:51)
Mankahery an'i Microscop e!

Miala tsiny fa tsy afaka ny mihaona aminao noho ny fandrarana mivezivezy noho ny pesta
18. rhaj0 ( 10/10/2017 12:48)
Miharena:
Tsara raha mba manaiky ametrahan-tanana rehefa ...

1- Mbo taiza ho aiza tao @ Baiboly azany ity lasa fombafomban'ny Kristiana gasy sy ny fametrahan-tanana adalany lava ity.

2- Ny aty Kanada izao, ny tsirairay dia manana "bulle", atao hoe, 20 cm manodidina ny tenabe, ary TSY azo idirana ifampikasohana na hoe kitihin'ny hafa ny ao, raha tsy hoe efa tsy maintsy atao. Izany raha mifampikitika tanana izany dia efa samy kaodikaody daholo, satria mety mivarina any @ "sexuel" ny fifampikasohana (contact), ary miitatra any @ harassement (sexuel).

FA ry Baiboliste moa, mody hoe "mametra-tanana" hozy ry pervers isany, ary @ "anaran'ny Jehovah" hono no anaovany izany.

ka ampirimo any anaty patalohanao any ny tananao maloto ry Miharena fa TSY mila ny "fametraha-tananao" ny olona aa...


Fa dia toa zaza any @ garabola anie ireto izy, ka hoe, "mametra-tanana", dia mikimpy mafy toa constipé ao hono, dia migonongonona, dia "pensée magique", dia ho sitrana ho azy eo ny marary???


Dia ianaro koa ny fomba-2017 eee... fa rahefa mankany @ dokotera, dia alohan'ny midikiditra ny "bulle"-nao radoko, dia mila mampanao sonia fanekena (consentement), ary voasoratra mazava ao daholo ny procedure, inona no azo atao, ary inona no TSY azo hihoarany.
19. Miharena ( 10/10/2017 13:00)
Ity ny manaraka ny mino izay voasoratra ao amin'ny Marka 16: 16-20

16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]
17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;]
18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny]

19 [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra]
20 [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]


Maro no efa sitrana ary mbola miandry izay hositranina amin'io fametrahan-tanana io fa tsyvazivazy io fa mandaitra soa aman-tsara satria Velona Ilay miteny ao fa tsy imazinasio araka ny fomba firesaky ny milaza azy ho manam-pahaizana.

Ilay bulle resahanao indray sy resaka harcelement izany, asan-devoly izany matoa mitranga! Ary ny mpanimba io bulle io dia mpamosavy fa tsy ny Kristianina mametra-tanana akory. Manasitrana ny bulle-nao ny fametrahan-tanana.

Misy koa ny barriere psy izay tsy mety manaiky dia helohina ihany izy satria tsy manaiky sitranina dia marary eny hatrany e!

Raha ilazako ianao Rhaj0 hoe marary dia tsy hiaiky mihitsy. Ny aretinao dia ny tsy fahaizana manaiky ny tena zava-misy marina.
20. rhaj0 ( 10/10/2017 13:27)
Raha voan'ny sery moa, dia satria efa mba "takatrao" Miiharena ihany ny fandehany, dia tsy anaovanao ilay "pensée magique"-n'ny fametrahan-tanana izany an... nefa anie "marary" ihany ny voan'ny sery eee...

Ny tapaka taolana indray, dia mety TSy takatrao Miharena ilay mivonto nefa "marary", dia "ametrahanao tanana" + pensée magique" ao an.. Nefa raha mba nanaovanao rayon X dia mety mba tonga saina ihany ny coco-kelinao fa tsy "fametraha-tanana" no fanafany.

Ary ny marary cancer du sein, na de la prostate, na du colon, ... Dia tena "mahasitrana" ve ny mametra-tanana eo @ sein, prostate sy colon ee??? sa hoe, "lasa izao" hozy ry pervers isany ??...

Dia io izao ny schizo, dia aiza no ametrahanao ny tananao (maloto) ry Miharena???



Fa ilay "mametra-tanana" eo ihany, fa ilay lasa fanaon'ny gasy Kristiana koa reko, dia ity "manala devoly". Nahare tantara aho hoe,
- ilay razokinibe hono mba kirikiriana fotsiny, nefa nandalo rampanaladevoly, dia nanipazany rano sy nakitrikitriny... "@ anaran'i Jehovah" hono ee...
- ilay razokinibe hono efa marary efa fantatra fa cancer, fa mbola nandalovan'i rampanaladevoly tao koa ee... Tsisy decence mihintsy ity izy fa dia mitsotsotsotso mamigavinga olona... "@ anaran'i Jehovah" ihany hono ee...

Sady @ izay @ io, n'importe qui mandalo dia milaza-tena ho "mpanaladevoly @ anaran'i Jehovah" an...

Dia avelan'i Jehovah ho savisavihan'izao adala rehetra izao tokoany ho'a ny "anarany"...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2755