Aiza aza Andriamanitra amin'ity fahoriam=be eto Madagasikara ity kanefa ny fiangonana an'alin-kisa?

21. rhaj0 ( 04/10/2017 13:48)
Fa rehefa "mivavaka" na "mampivavaka" angaha moa nareo ry RBNIR tsy manao hoe:
"@ anaran'ny Jesoa Kristy no atao izao vavaka izao" ???
=== Eny sa Tsia???

Sa soraty mazava etoana azany ho'a hoe ry RBNIR toatoa ny ahoana ny "vavaka" na "fampivavahana" ataonareo RBNIR sy HRnrn @ izao pesta izao???
1- inona no "angatahanareo"??
2- ahoana no amarananreo izany"fangatahana" izany??
=== mitovy @ fantsin'ilay mpanao "faminaniana" sa tsia??
22. RBNIR ( 05/10/2017 10:57)
rhaj0:

=== mitovy @ fantsin'ilay mpanao "faminaniana" sa tsia??

Tsy mitovy....

Ilay iray milaza mihitsy hoe HOY I JEHOVAH izaho no ho filoha amin'ny...

Nefa i Jehovah tsy niteny taminy akory.......
23. rhaj0 ( 05/10/2017 11:09)
Ary ianao RBNIR sy Hrnrn, ao @ fiangonanareo ao, dia milaza @ mpanaraka nareo ao, hoe,
1- ivavahako mafy ianareo, fa hisy fanasitrana fahagagana ho anareo (voan'ny lapesta)
2- ary @ anaran'ny Jesosy no ivavahako anareo (ho sitran'ny lapesta)
3- ary fantatrareo fa misy ny "fanasitranana" rahefa "ampy ny finoana"
4- ary ny finoan'i Hrnrn sy RBNIR dia ampy dia ampy tokoa, ary comme il faut
5- ary satria ny voany ahafantarana ny tena izy, dia hitondra fahasitranana ho anareo ny vavak'i Hrnrn sy RBNIR, izay @anaran'i Jesosy
6- fa raha tsy izany, dia LAINGABE koa i Hrnrn sy RBNIR, sady tsy nahasitrana, no nametapetaka ny "anaran'i Jesosy" @ izao fanasitranana nampanantenaina ny olona izao

Inona @ ireo teboka 6 ireo no diso ry RBNIR???

TEna mbo valio kely azafady. Sa tsy hamaly mihntsy ianao, fa amerimberina bontolo manabosesika lava eto fotsiny hoe:
"Tsy mitovy ho'a...".. "Tsy mitovy ho'a...".. "Tsy mitovy ho'a..."..
24. RBNIR ( 06/10/2017 06:52)

Aza afangaro rhajo a!

Misy ange hafatra mivantana avy amin'Andriamanitra e! TONGA EO ANOLOANAO MIHITSY IZY (PRESENCE REEL IO) dia MITENY DIA MANIRAKA!!!

Izay no nolazain'ilay olona tery ambony dia izay ilay lazain'Andriamanitra (fa tsy izaho) hoe mpandainga....

« Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. » (Deotoronomia 18:22)

vakot tsara (dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany hoy io teny io)...

« Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. » (Jeremia 23:31)
« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jeremia 23:32)

Vakio tsara fa hoy i Jehovah (fa tsy hoe hoy i RBNIR) ka mampivily ny oloko amin'ny laingany...
25. RBNIR ( 06/10/2017 07:11)
Ny ankoatrn'izay kosa dia interpretation nao manokana, tsy maninona rehefa lazainao hoe mpandainga aho!!!
26. rhaj0 ( 06/10/2017 11:40)
RBNIR:
« Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka...

« Raha m(amp)ivavaka amin'ny anaran'i Jehovah ny mpitandrina, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka...
27. Miharena ( 06/10/2017 12:19)
Rehefa tsy tanteraka dia tsy sitrapon'ny Mpaniraka no hahatanterahany.

Misy ohatra ny faminaniana ny handravana an'i Ninive, dia nibebaka ny olona tao dia tsy notanterahina ilay faminaniana.

Toy izany koa amin'izao fotoana izao, misy ny maminany tany tondra-dronono sy tantely ho an'i Madagasikara fa tsy misy mibebaka ny olona ao dia tsy tanteraka mihitsy ilay faminaniana.

Ny olana anie dia mahazo manao izay tiany atao ny olona fa anatra ihany ny an'ny Tompo fa rehefa tsy tian'ny olona ny miaina ao anaty fahasoavana dia mihoso-potaka eny ihany izy e!

Izany no mampahantra ny gasy toy io.
28. endriny ( 06/10/2017 13:54)

Miharena:

Toy izany koa amin'izao fotoana izao, misy ny maminany tany tondra-dronono sy tantely ho an'i Madagasikara fa tsy misy mibebaka ny olona ao dia tsy tanteraka mihitsy ilay faminaniana.

Izany no mampahantra ny gasy toy io.

Asa aloha fa ho an'ny vahiny dia tany tondra-dronono aman-tantely ary feno vahoaka azo iadanana i Madagasikara. Ny mpitondra aza moa nilaza mihintsy hoe: "tany tsy tokony ahantra i Madagasikara"

Dia ny Malagasy anefa mahantra eto foana e! Ny karana izao tsy Kristianina fa manankarem-be sy miadana mihintsy.

Ireo mpanolana zaza tsy ampy taona avy any an-dafy miedinaedina amin'ny hotely lafatra daholo.

Fa ny Kristianina Malagasy izany ahoana?
29. rhaj0 ( 06/10/2017 21:24)
RBNIR:
« Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka...
rhaj0:
« Raha m(amp)ivavaka amin'ny anaran'i Jehovah ny mpitandrina, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka...
Miharena:
Rehefa tsy tanteraka dia tsy sitrapon'ny Mpaniraka no hahatanterahany.

Na "maminany" izany, na "mivavaka", dia rahefa "tsy tanteraka" dia ... LAINGABE, hozy RBNIR, na hoe MPANDAINGA ireo "mpaminany/mp(amp)ivavaka" @ anaran'i Jehovah.

Izany hoe, ny @ anaran'i Jehovah no savisavihan'ireo "mpaminany/mp(amp)ivavaka" ireo, nefa, indrisy ry tava-tsosisy, fa TSY "sitrapon'ny Mpaniraka" akoriny hono izany "faminaniana" sy"vavaka" nataony tao izany.
30. Miharena ( 07/10/2017 12:17)

endriny:

Miharena:

Toy izany koa amin'izao fotoana izao, misy ny maminany tany tondra-dronono sy tantely ho an'i Madagasikara fa tsy misy mibebaka ny olona ao dia tsy tanteraka mihitsy ilay faminaniana.

Izany no mampahantra ny gasy toy io.

Asa aloha fa ho an'ny vahiny dia tany tondra-dronono aman-tantely ary feno vahoaka azo iadanana i Madagasikara. Ny mpitondra aza moa nilaza mihintsy hoe: "tany tsy tokony ahantra i Madagasikara"

Dia ny Malagasy anefa mahantra eto foana e! Ny karana izao tsy Kristianina fa manankarem-be sy miadana mihintsy.

Ireo mpanolana zaza tsy ampy taona avy any an-dafy miedinaedina amin'ny hotely lafatra daholo.

Fa ny Kristianina Malagasy izany ahoana?

Fanontaniana mazana miseho betsaka tokoa io alefan'i Endriny io.

Eny tsy azo lavina mihitsy ny fisian'ny fieboeboan'ny ratsy fanahy.

Ilay faharatsiam-panahy dia izay mila ho an'ny tenany irery. Ireo ilay mpanan-karena lazainareo eto.

Matoa nisy ny fitenenana hoe "mora ho an-drameva ny miditra amin'ny vodi-panjaitra toy izay ny hidiran'ny mpanan-karena ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra" dia mazava tsara fa miankina amin'ny toe-tsaina sy toe-po amam-panahy io. Ny mpanan-karena dia mazava fa miondrika manompo harena no ataony dia avelany any ny fanahiny. Tsy mahalala ny Mpahary izy.

Tsy ny mpanan-karena rehetra anefa no manao io fomba io fa misy mpana-karena fa mifantoka hatra ny amin'ny ara-panahiny ary manampy ny namany mahantra arak'izay azony atao.

Raha toa ka manao io fomba io daholo ny mpanan-karena Malagasy rehetra dia efa lasa lavitra Madagasikara. Fa ny olana dia manao asa fitsetsefana no betsaka ka tsy mitandro ny fiaraha-monina hiditra amin'ny fahasambarana mihitsy.

Ireo mpitsiriritra ny haren'ny tany moa dia mampiady an-trano fotsiny ary ny tena olana dia ireo izay manan-katao no ampiadiany sady tambatambazany homena be dia mamadika ny tanindrazany.

Raha akapoka dia faharatsiam-panahy no manjaka eo amin'izay lazaina fa manan-katao sasany ary mandrobo ny firenena.
31. endriny ( 08/10/2017 14:05)
Ka tsy mahalala ny mpahary izany ry Mopera sy Masera, Mayhol sns fa miondrika amin'ny fanangonan-drakitra sy ny 1/10 ary ny vokatra fotsiny.
32. endriny ( 08/10/2017 14:08)
Na izany na tsy izany dia tondra-dronono aman-tantely i Madagasikara ho an'ny vahiny. Fa izahay no atao hoe tompon-tanana matsaka ranotay, satria tsy mandaitra ilay finoana Kristianina.
33. Miharena ( 09/10/2017 16:40)
Tsy natao hanangonan-karena ny finoana Kristianina fa fahazoana fahendrena hoenti-miaina ara-drariny sy ara-dalana. Ireo olona mivavaka matoa mbola manana arotsaka dia mazava fa mahazo fitahiana afaka miasa sy mahazo ny tandrifiny avy. Isan'ny mpampandroso ny firenena ireo Kristianina amin'ny fitaizana ho olom-banona.

Ka ny fahoriana dia tsy misy idiran'ny Kristianina mihitsy ny mahatonga azy fa avy amin'ny faharatsiam-panahy araka ny efa voalaza teo ambony.

34. endriny ( 10/10/2017 07:47)

Miharena:

Tsy natao hanangonan-karena ny finoana Kristianina fa fahazoana fahendrena hoenti-miaina ara-drariny sy ara-dalana.

Izany a. Ary maninona no manangona vokatra im-polokely isan-taona?
Maninona no manangona rakitra isan'andro?
Maninona no manangona 1/10?

Amin'izay ny zavatra angatahina rehetra vola sy harena avokoa.

Aza mandainga re, mba marina ren'i Jehovah e! Izy koa moa tsy misy ka tsy mandre mihintsy koa
35. Miharena ( 10/10/2017 10:59)
Efa fanao eto an-tany ny manangona vola hiasana sy hampandehanan-draharaha. Ka tsy hanery fiangonana hangalatra rehefa hanao asa iombonana fa ireny rakitra ireny no anaovana asa isan-karazany.

Hafa ny mangalatra sy ny mampijoro fitsipika itadiavam-bola hanaovana ny asa hivoarana eto amin'ity tany efa anjakan'ny fifanakalozana ara-bola ity.

Raha ny fanenjehana izany no tsy hinoanao fa misy Jehovah dia efa zava-poana loatra ny fiheveranareo.

Ny manao hoe tsy misy Andriamanitra Mpahary dia toy ny milaza hoe tsy misy ny tenany izay miaina sy niresaka ary mamaky ny momba ny Mpahary azy eto.
36. rhaj0 ( 10/10/2017 12:54)
dia tena "mino" ireo tori-tenin'i Miharena ireo tokoany ve ny gasy, dia manome ny ramanonaka tokony mba ho an-janany, ho kepokepohan-dry Miharena ... "@ anaran'ny Jehovah"???

giravy an... asa ho'a aiza ny conscience-'ireto olona ireto, fa mody akapokapony ho "Jehovah" foana daholo izay revy fangolika ataony rehetra izao.

Fa dia lazaovy foana hoe "voninahitr'i Jesosy" daholo ireny asa-fangolika ataonareo ireny ry Miharena aa.. Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany :-)
37. Miharena ( 10/10/2017 13:05)
Maro ny olona no manolotra am-pitiavana mba hamonjena ny namany fa tsy olona miolonolona toy ny athee akory izy ity ka hoe aleo atao hoe tsy misy Mpahary dia amin'izay izay mifanampy ao amin;ny fiangonana dia hamavoina. Matoa velona ny fiangonana dia misy ireo vola omen'ny mpino mikambana fa tsy mandeha ho azy akory raha mbola eken'ny maro fa ny vola no entina hanaovana fifanakalozana.

Hafa indray raha toa ka tonga ny Tompo mampanao asa tsy ilam-bola.

Ka tsy ny fanaratsianao no tsy hampisy ny Mpahary hoy aho. Ianao tsy misy ve hekenao ohatra? Nefa fantatra fa ny Mpahary no Voalohany izay vao ianao?

Olona efa mamorona fahamarinana ho an'ny tenany samirery no miteny hoe tsy misy ny Mpahary!!
38. rhaj0 ( 10/10/2017 13:39)
Miharena:
Maro ny olona no manolotra am-pitiavana mba hamonjena ny namany fa tsy olona miolonolona toy ny athee

ilay TSY-fahalalanao ho'a ry Miharena ka tena ngeza toa tendrombohitra ee...

Vao mi-gogola kely fotsiny dia hozy ny tabloida
http://www.telegraph.co.uk/news/religion/11979235/Muslims-and-Christians-less-generous-than-atheists-study-finds.html
Muslims and Christians less generous than atheists, study finds

na koa hoe:
https://www.sciencealert.com/atheists-are-nicer-than-christians-but-only-when-they-have-something-to-prove
Atheists Are Nicer Than Christians

Fa raha vao vakiana ny Baiboly... angaha misy Atheista ao..
mivoaha haingana ho'a tao @ box-kely tao, dia mba itaro ny saina amam-pahalalana
39. rhaj0 ( 10/10/2017 14:27)
http://www.newsmada.com/2017/10/10/a-cause-de-la-peste-des-eglises-fermees-a-alakamisy-fenoarivo/
a-cause-de-la-peste-des-eglises-fermees-a-alakamisy-fenoarivo

hi hi hi... mila mikimpy-toa-constipé mafimafy kokoa ianao ry Miharena aa :-)
40. Miharena ( 10/10/2017 16:48)

rhaj0:

Miharena:
Maro ny olona no manolotra am-pitiavana mba hamonjena ny namany fa tsy olona miolonolona toy ny athee

ilay TSY-fahalalanao ho'a ry Miharena ka tena ngeza toa tendrombohitra ee...

Vao mi-gogola kely fotsiny dia hozy ny tabloida
http://www.telegraph.co.uk/news/religion/11979235/Muslims-and-Christians-less-generous-than-atheists-study-finds.html
Muslims and Christians less generous than atheists, study finds

na koa hoe:
https://www.sciencealert.com/atheists-are-nicer-than-christians-but-only-when-they-have-something-to-prove
Atheists Are Nicer Than Christians

Fa raha vao vakiana ny Baiboly... angaha misy Atheista ao..
mivoaha haingana ho'a tao @ box-kely tao, dia mba itaro ny saina amam-pahalalana

Hafa ny firehana ary izay manana firehana dia afaka manatsara ny azy ao aminy ao ihany ka ny ateista dia anisany raha ireo tanisainao ireo.

Ny Kristianina dia tsy izy velively no manamarina azy fa IZAY Miaro azy sy milaza fa IZY no miahy azy avy.

Izany hoe ny fanamarinan-tena dia tsy eo amin'ny Kristianina tena izy fa ireo olona mpieboebo no mihevitra fa mety ny tenany sady mahay noho ny Mpamorona azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4478