Ny Fitiavana sy ny Fivavahana/Finoana (2)

41. rhaj0 ( 20/10/2017 12:15)
mivoaha faingana ho'a avy ao @ box-kelin'ny Judeo-Chretien ao.. Ndana ohatra hadihadio kely ny hoe Papam, sy koa ny hoe Dharma na ny Karma. Dia eritrereto tsara ao, fa ny Hinduism no TALOHAN'ny JC, koa dia taratarafo ao hoe:
- inona no nalain'ny JC tahaka, ka novainy kely ho @ fisainan'ny moyen orient tao
- inona no TSY takatr'i JC, nefa mba efa noresahin'ny HIndouista ihany
42. Miharena ( 24/10/2017 06:56)
Tsy marina hoy aho ny filazanao fa taloha ireo resaka hindouisma sy ny dharma ary ny karma ireo fa ny fantatro dia voatantara tsara ao anaty Baiboly ny rindra tsara napetraka tany am-piandohana ary avy eo nisy ilay ratsy ka nahatonga ireo dharma sy karma sy ireo tantara isanisany nihatra tamin'ny isan-tokon'ny olombelona isanisany ireo.

Ka izay manambara izay fototra nampisy fizarazarana izany no tokony mitantara ny marina sy voallohany fa tsy izay efa mamaritra ny fisian'ny Karma sy ny sisa manaraka azy.
43. rhaj0 ( 24/10/2017 12:45)
Raha takatrao re ry Miharena ny notion-na Dharma sy Karma, ankoatry ny Papam, dia hihaiky ianao fa tena vendrana beuh mihintsy ny Kristianisma, fa TSY mba nanisy ireo resaka ireo tao @ dogmany, nefa anarany fotsiny mba afaka naka tahaka ny an'ny olona.
44. Miharena ( 25/10/2017 12:44)
Tsy naka tahaka ny Kristianina fa avy hatrany dia nomena dia nandray izay tantara sy asan'ny Fanahy Masina sy ny asan'ny Mpahary.

Fa ny Dharma sy Karma sy Papam lazainao anie ka mazava be hoe misy fandinihina sy fandalinam-piainana nataon'ireo mpivoy azy e!

Toy ny mpanao astrolojia ohatra, dia nanao izay hifanandrifian'ny fihodinkodinan'ny kintana sy ny fiainan'ny zanak'olombelona.

Fa ny Baiboly kosa dia hita hoe mamintina tsara ny zava-drehetra ary afaka manakilasy ireny fombafomba sy fandinihina ireny hoe aiza ary iza no mivoy azy.
45. rhaj0 ( 25/10/2017 12:51)
hi hi hi... mpanao plagiat ny Kristianisma ry Miharena aa.. TSY takatrao Miharena mihitnsy ilay izy, satria TSY nampianarina taminao ny "nalaina tahaka".

Hitanao,.. izay fomba "manao plagiat" fataon'ny Kristianisma izay koa no nataon'i TGV sy Herin-dRajao..
46. Miharena ( 25/10/2017 13:29)
Raha plagiat araka ny fitenenanao ilay izy dia tsy hiresaka momba ny helo sy ny devoly sy ny fahatsaram-panahy sy lalanam-pitondran-tena ilay Baiboly.

Aleo ohatra alaina kely ity ampahany ity izay milaza marina izay fomban'olombelona ao amin'ny Romana 1 ao:

1 [Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,
2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina*, [* teo amin'izay soratra masina]
3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,
4 ary naseho* tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery]
5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;
6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -
7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
8 Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.
9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra.
11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankat? aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra at? aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
14 Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]
18 [Ny amin'ny faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
19 satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy.
20 Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra]
21 fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
22 Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala
23 koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
24 Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;
25 ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26 Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony;
27 ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
28 Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala an'Andriamanitra]
31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
32 dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.


Tsindriana manokana ny eo amin'ny andininy faha-21 noho midina.

Na ianao Rhaj0 na iza na iza mamaky sy miady hevitra dia efa nampahalalana an'Andriamanitra fa izay minia tsy mahalala no lasa manao ireo fomba mamohehatra maro tanisain'i Paoly ireo.
47. rhaj0 ( 25/10/2017 17:08)
i Saoly lasa Paoly no belazao betanisa fa tsy Jesosy ee... Ianao ve ry Miharena Paolianina sa Kristianina aaa ??? sa Saolianina ??
Toa Saolianina indray nefa ianao Miharena raha ny fandinihako azy. Teboka. :-)
48. Miharena ( 26/10/2017 12:17)
Tsara raha efa maniky fa tsy belazao Jesosy.

Miaiky ihany kay ianao fa misy Jesosy kou! Fa maninona no mitady izay hanoherana e!

Dia io indray dia mody hoe Paolista sy Saolista sns eo!

Tsara fa efa miharesy lahatra dia mba mitozoa amin'ny fanoehoan-kevitra matotra kokoa amin'ny sisa e!

Aza atao hoe anatra manindrona izany fa anatra tsotra ihany Rhaj0 namana an!

Hotahian'ny Tompo isika jiaby e!
49. rhaj0 ( 26/10/2017 13:44)
Miharesy lahatra tokoany aho hoe, tena mba nivoatra kosany ny fisainan'i Miharena.. hi hi hi.. h@ izay niresahany teto. Efa mba ampiasain'i Miharena @ izay ny "fazahoany mitsara", ahatakarany ny "voa tsara" HONO.

Efa mba tonga saina izy teo hoe, tena mba HITSARA ny belazao mpitori-teny HONO i Miharena, ary dia manomboka sahy mamely ireo belazao toa an'i Ambasadaoron'i YHWH.

Fa asa izao ao ny @ i Tsaratsara sy ny abobo nampinoany taloha an'i Miharena hoe, ferin-dahalo = cancer, asa ho'a raha mbola faly miara-matory @ tsaratsara ao i Miharena.

Fa eto @ izay, dia izao vao takatr'i Miharena fa ny resak'i Paoly izay niankohofany tahak'n'inona taloha, satria hoe resa-biaboly, kay TSY resak'i Jesosy fa i Belazao de Saolipaoly sy ny agenda-ny hafahafa no manambaka ny mpino mino foana eo.


hi h i hi ... tsara fa tohizo ry MIharena aa.. fa dia isaoranao ihany ho'a aho any aoriana any ee.. :-)
50. Miharena ( 26/10/2017 18:11)
Dia rehefa mba torahana voninkazo dia mba manaova amin'izay resaka mitombina fa aza manao fanenjehan'olona hatrany tsy misy porofo mazava momba izay voalaza sy ny tranga misy isanisany arakaraka ny vanim-potoana eo fa manjary heverin'ny olona hoe milamina sa tsy milamina ilay zalahy miresaka eto.
51. rhaj0 ( 26/10/2017 19:32)
Ameo an'i Tsaratsa ny voninkazonao ry MIharena aa
Dia amafiso miaraka @ izany ny fitombenan'ity resaka teo ity.. :-)
rhaj0:
Fa asa izao ao ny @ i Tsaratsara sy ny abobo nampinoany taloha an'i Miharena hoe,
ferin-dahalo = cancer,
asa ho'a raha mbola faly miara-matory @ tsaratsara ao i Miharena.
52. Miharena ( 27/10/2017 18:44)
Ny olanao anie Rhaj0 dia manenjika befahatany e!

Efa hoe voan'ny cancer dia sitrana ary nampahafantarina zava-miafina tsy mbola ren'ny olombelona teto an-tany, na ny fiteny sy fanoratana hafa tsy fanao eto ambonin'ny tany io Tsaratsara henjehinao io.

Dia mba atombeno kely ilay adihevitra raha hiady hevitra ihany hoe tamin'ny fomba ahoana moa no nahavitany izany zava-mahagaga izay iainany sy tohizany ampahafantarina ny Malagasy namany izany.

Raha olona tena malala-tsaina ianao Rhaj0 dia tokony hita taratra ny fandaharan-kevitrao manoloana ny tranga Tsaratsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0867