Lesona t@ Harvey sy Irma

21. Miharena ( 19/09/2017 23:48)
Miresaka amin'olona tsy matotra sy tsy mahalala na inona na inona momba ny asan'ny Fanahy Masina sy asan'Andriamanitra dia toa izao ataonao izao hatrany aloha Rhaj0.

Izany hoe raha atao ny vinavina dia olona tsy matotra sy tsy manam-pahalalana loatra na olona mbola tsy mahataka-javatra no miresaka eto.

Jereo raha misy Kristianina afaka hanohana anao aloha anie e! Na dia namana tsotra aza tsy manohana ny hevitrao mihitsy Rhaj0.

Ka asa aloha hoe iza no tsy avotra amin'izany!

Ny an'ny mpijoro vavolombelona anie milaza ny zavatra hitany sy niainany izy. Na olona nihaonan;ny matoatoa, na ny olona nihaonan'i Jesoa dia samy mahalala hoe tsy voasakan'ny rindrina na fefy ny firotsahany an-tsehatra.

Fa ianao moa tsymahalalaafatsynysaimpantany sady tsy maharesy lahatra, no tsy mahay mandaha-kevitra araka firindrany mihitsy dia mampalahelo be.
22. rhaj0 ( 22/09/2017 12:52)
Inona no tsy matotra @ ity resaka ity ry Miharena?

Ka niresaka t@ Noah ve azany Atra ry Miharena aa??...
Toa vendrana be IZY izany, f'angaha IZY "ao ambony ao" tsy mba nahita ny hitan'ny satelita???

TSY mba afaky ny tonga dia "nibitsika" t@ Noah angaha IZY, hoe, afaka 40 andro dia maina ny tany fa tsy mila mandefa goaika eee...


Fa ilay "Atra mikondingy avy ao @ tafotrano" izay moa no nampinoan'i TSaratsara anao Miharena ao??

TEna nidiran-doza mihintsy 'le Miharena 'ty..



Iza no tsy matotra:
- i Miharena mino an'izany "Atra mikondingy avy ao @ tafotrano" ao izany?
- sa, izaho manontany f'angaha IZY "ao ambony ao" tsy mba nahita ny hitan'ny satelita???
23. Miharena ( 22/09/2017 19:05)
Ny tsy matotra dia io fanontaniana farany io.

IZY aza mahalala ny olombelona sy ny voary rehetra antsipirihany sady mahita izany tsy mila satelita satria avo noho ny avo ny fahefaNY mahavita izany.

Tsy voafetran'ny sakana materialy atsangana etsy sy eroa IZY tsinona fa afaka mandeha n'aiza n'aiza amin'ny tenany ihany.
24. rhaj0 ( 25/09/2017 15:48)
Dia hono ho'a ry Miharena. Izao Andrmtnra izao izany ve ho'a mahita ny hitan'ny satelita? Izany hoe, tonga amina haavo 36.000 km any ambony any ve izy? sa eny ambony rahona, izay any @ 6km raha avo indrindra ihany no tongany?

Raha eny ambony rahona fotsiny izy, 6 km, dia tandremo ihany hoe fa 1degree ny hatsiaka any, ka sao mivongana hoe ny lelo an..

Fa raha eny @ 36.000 km toa ny satelita Izy, dia .. tandremo hoe fa efa mihoatra ny exosphere io, ary dia na okisizena aza tsisy betsaka intsony any an.. ngo dia matimaty foana any.. Sady Izy koa @ io antitrantitra ihany.. dia ny gravitation koa hoe efa mihena betsaka, ka raha mikopakopaka eo ny robe lava fotsin'Andrmntra, dia .. ho sirika daholo ny atin'akanjoNY an... asa oviana Izy no nisolo atin'akanjo farany fa ho oainina eee... oainina.
25. Miharena ( 25/09/2017 18:15)
Fanontaniana adaladala satria tsy resaka km akory izy ity satria ny annee lumiere aza kely eo anatrehan'ny fahefan'Andriamanitra mifindra toerana sy mijery izao rehetra izao.
26. rhaj0 ( 25/09/2017 18:35)
mba hainao ve k'lou ry Miharena ilay hoe "annee lumiere" sa dia notsindrontsindrohana indray ny voakbolary siantifika dia abontsimbontsinao eto.

Dia izao "Andriamanitra mifindra toerana sy mijery izao rehetra izao", araka ny filazanao Miharena ve tonga hatrany @ galaksia Andromeda ohatra?

Eritrereto tsara ry Miharena, ary tandremo sao mipentsompentsona @ tsisy lojikany ao nefa mba hoe "kipantsin'Andrmntra" an...


Ka i Miharena "toa ny endrik'Andtrmna", et reciproquement, i Andrmntra "toa ny endrik'i Miharena" izany tonga hatraiza tsara hoe eee... (miaraka @ robe lava fotsiNY).
27. Miharena ( 25/09/2017 19:09)
Ny fanahy dia manana fahefana hifindra lavitra arak'izay tiany.

Ny olana amin'ny milaza azy ho siantista dia na mahita ireo erana goavam-be aza dia mihevitra angamba fa tsy afa-manidina izany Andriamanitra izany ary tsy manana izany atao hoe fanahy izany.

Rhaj0 ohatra dia isan'ny roboka ao amin'ny resaka hoe rehefa mitovy endrika amin'Andriamanitra izany ny oloan dia misy fetrany izany Andriamanitra.

Ilay olombelona anefa afaka mijery ny erana izay mivelatra lavitra be.

Dia rehefa tsy afaka mandeha lavitra izy dia manao izao atao hoe fifindrana astraly izao ireo izay mahay mifehy ny ara-panahiny.

Ny olana fotsiny ho an'ireo dia voafetra ihany ny toerana azony haleha fa mba efa mahay hono aloha e!

Ireo izay nentin'ny Tompo ihany no afaka mandeha lavitra any amin'ny toerana tiaNy aseho azy.
28. rhaj0 ( 25/09/2017 19:44)
"fifindrana astraly"-n'i Miharena. "Fanahy" afaka ny ho tonga hatrany @ galaksia Andromefa.

- Aiza ho aiza @ Baiboly hoe io ry Miharena?
- Sa ny finoanao primitiva no mamoromporona eto?

(tena mi-delire 'le Miharena marina mafy..)
29. Miharena ( 26/09/2017 16:06)
Tsy delira ireo resaka ireo fa marina ary ataon'ny olona sy mihatra amin'ny olona. Ary asehon'Andriamanitra ny olona ihany koa amin'ny fotoana ilana izany.
30. rhaj0 ( 26/09/2017 16:43)
Fa TSISY ao anaty Baiboly ireo lazainao Miharena ireo aloha, raha ny kely takatro, fa dia tena ny "finoana-primitiva" an'i Miharena no miteny an'ireo.

Ka amafiso hoe ry Miharena:
TSY ao anaty Baiboly ny "fifindrana astraly", na koa ny "fanahy @ Andromeda".
Eny sa Tsia???

Raha ao anaty Biboly ireo, dia ampazahoy toko aman'andininy azany ny eto ry Miharena (fa tsy ataonao fanaovana belazao eto foana fotsiny ny serasera)
31. Miharena ( 26/09/2017 18:38)
Ny tantaran'i Lazarosy sy ilay mpanankarena dia isan'ny iray amin'ny zava-misy any ankoatra ary aseho amin'ireo olona izay natsangana tamin'ny maty mba hijoro vavolombelona ny fisian'ny fiainana any ankoatra izay ny vatana fanahy no miaina any fa tsy ny vatana nofo teto an-tany.

Lazao fa tsy ao koa io Lazarosy sy mpanakarena io raha mba mpamaky Baiboly marina Rhaj0.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4737