GANA MILOMANO...MISY FANJAKANA, MISY LALANA VE ?

1. RUZ9 ( 07/09/2017 09:03)
Tsaroantsika tsara angamba, fa haino aman-jery manodidina ny 80 no nakatona tamin'ny andron'ny FAT (2009-?),
Maro amintsika kosa angamba no mandre karazana radio iray eto Antananarivo manao " affirmation gratuite " tsy mitsahatra,
miasa 24h/24, volana maromaro izao, nefa tsy mahataitra ny tompon'andraiki-panjakana.
Olon-tsotra iray moa no tena kendren'io app. radio io ho lasibatra.
Ilaina hampahatsiahivina ny tompon'andraikitra voakasik'izany ve ny atao hoe zon'olombelona ?
Tsy azo lazaina koa angamba hoe tsy fantatry ny fanjakana ny orinasa mpamokatra azy io.
Sa izao ilay hoe fanjakan'i Baroa ?
" gana milomano ka samy manao an'izay saim-patany ?
Sa izay manam-pitaovana, afaka mampiasa ny azy arak'izay tiany ?
Dia ahoana ny manam-basy, ahoana ny manana fiara ?
Tsy mahagaga raha miparitaka ny fitaovam-piadiana any amin'ny jiolahy sy ny dahalo.
Raha ny fantatra, mantsy, fitaovana fampiasan'ny miaramila amin'ny serasera ity ampiasain'ireto olona tsy manara-dalana ireto ity.
Tsy misy taitra nefa, na ireto voateny farany ireto na ny ARTEC, na ny ministeran'ny serasera.
Tany misy fanjakana ve eto ?
Sa ara-dalana ny " torture morale " ? ; ny "affirmation gratuite ? "
Na ny olo-meloka aza angamba, tsy iharan'izao fanakorontanana tsy misy farany izao.
Tsiahiviko eto, fa heloka tsy mihoatra an'izay vitan'ny FAT nanomboka tamin'ny 2009...
Efa nanoratra tao amin'ny pejy facebook-n'ny ministeran'ny serasera ny tenanay tamin'ny volana mey teo, nefa tsy hita ny fandraisany andraikitra.
Iza no handray andray ny andraikiny ?
Sa..., matahotra an'iza ny fanjakana ? " Raha misy ".

2. tovorandria ( 25/11/2017 12:43)
ka ny an ny fanjakana anie refa manaratsy an dravalo sy rajoelina d namany ary refa midokadoka azy am ratsy vitany am vahoaka d tiany e, aizaary tsika zany?
Fanjakana efa mandrovi-tsihy io, efa mangovi body fa ho avy ny fara androny, d satra te hijanona eo d tedavina ovaina ndray ny lalam pifidianana sy lalam-panorena mba iforetana eo, fika efa niainana hatrizay oa zany.mivaro tanindrazana, harem pirenena, tsy mivaky loha ny fahasahiranan ny vahoaka izay iany no tarigetra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4695