MIsy Devoly/Satana ato

21. rhaj0 ( 13/09/2017 18:03)
Dia anaovan-dry RBNIR bemarenina foana ho'a ny fangatahana aminy ny anaovany ampamoaka ny @ revin'i Jesosy eee... Fotaka+rora@Jamba, tain-tsofina+rora@Moana, tenyMahery+Kisoa@evoly, TsyMahasitranaNyTsyAmpyFinoana, TaranaTsyMinoSyRatsyFanahyNyKelyFinoana.

Fa @ ireo rehetra ireo dia tena "manao ny sitrapon'Andriamanitra Izy", hozy RBNIR.

Sa ny tianao tenenina ry RBNIR dia ny "mitandrina ny andro sabata" IHANY no "sitrapon'Atra"??

Na ilay 1 na 2 dia sampona (nareo) ry RBNIR aaa...
22. Miharena ( 14/09/2017 04:54)
Mivaona be indray ilay loha-hevitra raha toa ka mankany amin'ny resaka fotoana no iadian-kevitra eto.

Ny momba ny Devoly sy Satanano resahana dia tokony hifototra amin'izay aloha.

Ny asa ataon'io devoly io manko dia mampanao anao Rhaj0 sy RBNIR io fomba mifamaly tsy misy fifandraisan-kevitra io mihitsy.

Izany hoe lasa mifamahofaho ilay hevitra fa tsy mazava mihitsy intsony ary tsy mahatsiaro tena mihitsy ireo olona iasan'ilay devoly hoe efa miasa eo aminy anie matoa tsy manana rohin-kevitra mazava intsony.

Dia mba miverena aloha ary avereno ilay lohahevitra fa manjary tsy misy fehiny intsony e!
23. rhaj0 ( 14/09/2017 11:43)
Ao @ imazination-n'i Miharena ao izany, dia raha vao tsy mivohy ny hevitr'i Miharena, dia mazavabe @ Miharena, fa misy Devoly mi-manipuler marrionette toa an'i RBNIR sy izaho.

Dia rehefa ao @ imazination-nao ao ry Miharena, mba ridicule toa ny hitako ato @ imazination-ko ato ihany ve k'lou i RBNIR? :-)
24. Miharena ( 14/09/2017 17:36)
Raha toa ka hevitro no arosoko eto dia tsy miresaka fivavahana sy finoana isika.

Fa araho aloha izay resaka mikasika ny Baiboly manontolo vao maneho hevitra ianao aloha.
25. rhaj0 ( 14/09/2017 18:42)
Miharena:
Raha toa ka hevitro no arosoko eto dia tsy miresaka fivavahana sy finoana isika.

Ekena fa ny "hevitr'i Miharena" dia "tsy resaka fivavahana sy finoana" izany, ary i Miharena ihany no kibokiboin'ny marina ao :-)

Izay ilay lalalalalalala nasian'i Endriny anao in-1 mandeha ooo ??
26. Miharena ( 14/09/2017 18:49)
Ny hevitrao Rhaj0 dia manohitra rehefa hiditra eto.

Asa hoe misy inona ao anatinao ao fa dia tsy misy rohin-kevitra mihitsy fa mivaralila etsy sy eroa maneho hevitra.

Raha hoarina amin'ny fanamboaran-trano dia ilay mpanao rindrina mibilaka hatrany fa tsy mirindra mihitsy.

Ahitana korontan-tsaina ao aminao aloha fa aoka tsorina ary fananarana sy fampahatsiarovan-tena no antony hamaliana anao eto.
27. rhaj0 ( 15/09/2017 01:39)
Esy e ry Miharena.. Izaho nefa mba mametraka tsara citation-Miharena isaka ny mamaly.. Fa rahefa tsy resa-BAiboly dia tsy miditra mihintsy @ coco-ndry Miharena ee... Angaha tsy mampala..
28. Miharena ( 15/09/2017 03:50)
Mba tsindriako tsara eto ihany fa izay olona Baiboliofoby dia mangorintsina raha vao iresahana Baiboly.

Ny olany dia tsyte-hijery izay tena voalaza ao satria tsy heveriny mahakasika ny fiainany ny voambara ao.

Raha misy miteny ao hoe IZAHO IZAY IZY no niandohan'izao rehetra izao dia lazain'ny toa an-dRhaj0 hoe Prajapati no tena izy fa tsy io miteny io satria efa mankany amin'ny fialana amin'ny vontoatin'ny Baiboly izy izay.

Ka inona no adihevitra misy lojikany arosony amin'izany?

Hafa indray raha hoe maka andininy mazava Rhaj0 dia manazava araka ny maha-ateista.

IO voatsipika io no ahitana fa mahay mandaha-kevitra fa tsy mandroso bontolontsaina hatrany.
29. endriny ( 15/09/2017 05:52)
Aleoko ihany ny Demonia, Devoly, Belozeboba, sy Satana ary ny angatra fa ireny mba mampirevy fa tsy Mampaory ny olona
30. Miharena ( 15/09/2017 11:08)

endriny:

Aleoko ihany ny Demonia, Devoly, Belozeboba, sy Satana ary ny angatra fa ireny mba mampirevy fa tsy Mampaory ny olona


F'angaha efa mivarilavo no manao fiteny toy izao Endriny a!

Tsy misy mampahory anao akory dia milaza ianao hoe ampahoriana.

Inona moa no revy azo avy amin'ireo devoly? Ny mampirevy ny tenany no tena angadiny raha ny tena marina satria mirevy amin'izay azony tarihina ho any aminy izy mandritra ny andro fohy mba iainany miaraka amin'ny zanak'olombelona.

Fa izy moa araka ny filazako hoe tsy manana anjara dia mangalatra no ataony dia izay manaiky angalariny no lasa any aminy any dia avy eo tsy mba karakarainy fa ampijaliany mandrakizay amin'izay fa io no tena angadiny amin'ny maha-sadika azy ka tia mivelona amin'izany karazana angovo ara-panahy ambany karazana izany (ilay fahafinaretana mampijaly olona io angovo teneniko io).

Ka raha te-ho any tokoa moa ianao, tsy misy fiomanana io fa tonga dia mandeha ho azy ary avy hatrany dia hijalijaly mandrakizay any kouh!

Sa sanatria lasa mpanohi-teny tahaka an-dRhaj0 koa !?

Mampalahelo manko raha izay no izy!
31. endriny ( 18/09/2017 03:36)
Aleoko ihany ny Demonia, Devoly, Belozeboba, sy Satana ary ny angatra fa ireny mba mampirevy fa tsy Mampaory ny olona, sy tsy mpanao sorona zanaka lahitokana
32. Miharena ( 18/09/2017 14:38)
Hay moa ilay sorona zanaka alhitokana no olana!?

Ny marina dia fantatra fa efa very ny olona ary efa fantatra fa tsy maintsy hamono izay Mpananatra satria efa tia manao ny danin'ny kibony tsy mahalala izay hahafaty azy.

Torolalana no nandehanan'Ilay Zanaka Lahitokana mba ho velona indray ny olona.

Fa io moa efa manana safidy ka asa na fantatry ny olombelona fa ireo fahafinaretana mandalo anie tsy ahavitana manorina fiainana mandrakizay.

Ka izay misafidy fahafinaretana mandalo tsy manorina fiainana dia efa mamery tena e!?

Fanazavana ihany ny ahy fa asa na mba manana saina madio ihany izay miresaka eto na efa tsy avotra intsony.
33. rhaj0 ( 22/09/2017 12:57)
BEELZEBUFO fa tsy izany Belles_et_Bota izany ry Endriny aaa..
http://www.newsweek.com/giant-frog-eats-dinosaurs-bite-668755

Io izao tsy fantatr'ilay Zanaka Lahitokana akoriny ny fisiany,
nefa i Beelzebufo indrindra no mety nikepoka ny ... fitombenan'ny finoany an.. :-)

34. Miharena ( 22/09/2017 19:09)
Ny an'dRhaj0 ny olana dia heveriny fa mitovy aminy i Jesoa izao.

Jesoa izany dia tsy voasakan'ny efitra fa mahita ny rehetra ka ahoana moa no tsy hahafantaraNY ny fisian'izay miafina indrindra? indrindra fa ireo anjely nivadika rehetra ireo?

Izy anie no mampianatra ny mpianany hahalala ireo karazan'anjely rehetra ireo e! Na ny mivadika na ny miaraka AMINY.
35. rhaj0 ( 22/09/2017 22:11)
Miharena:
Jesoa izany dia tsy voasakan'ny efitra fa mahita ny rehetra

Tere-ko marina toa resam-pinoanan'i Miharena.. Fariparitana toa rambon'osy dia lazaina fa mitombona.

hi hi hi... ihomehezan'ny .. kisoa ianao ry Miharena.

Hono ho'a: raha "mahita ny rehetra" i Jesosy:
- nahoana no koditra nony teny ambony Hazo Fijaliana??
- nahoana no TSY "hitany" fa TSY hahasitrana mihintsy ny Mpianany, na dia nampianariny azany, dia avy eo vao anaovany vavabe?? Koa na ny reniny azany, f'angaha tsy hainy anticiper-na i Bofy manontany hoe, ampazahoy Pi, dia mba atao malefadefaka ny resaka, fa tonga dia pehana mafy ilay reny hoe, "z'inona koa ianao no miteny ahy"...

Ireo mba tsatoka ataoko, fa ny Kristiana mba mandinika namanao, eraky gogola, dia vaka daholo ny sainy, ka hoe, raha "mahita ny rehetra" i Jesosy, nahoana no TSY fantany akory hoe RAHOVIANA Izy no hiverina??

Ary i Atra rainy akoriny aza ho'a dia TSY mahita ny hitan'ny Satelita. RAha tsy izany ve ho'a, nahoana no mbola navelany i Noah mitanandranandra mandefa goaika mba hizaha raha maina ny tany??


Na tsy hamaly ireo baraingo be dia be ireo azany ianao ry Miharena (toa ny mahazatra) dia tsy quoi.. fa ity toro-hevitra ho anao eny ambony alitara ee... spiner-o toa izao indray io...
"Mahita" i Jesosy fa "TSY ho hitany ny rehetra".
36. Miharena ( 25/09/2017 18:19)
HitaNY ny rehetra satria afaka mandeha na aiza na aiza IZY mijery.

Tsy voafefy IZY fa afaka mandeha amin'ny hafainganam-pandeha malaky noho ny hazavana.

Tsy resaka foromporonina io fa zava-misy aseho ny olona mijoro vavolombelona.

Ny fahavoazanao Rhaj0 dia tsy miresaka ireny fijoroana ireny vao maneho hevitra eto.

Mba andramo aloha dia ho hita eto e! Alaivo fijoroana iray dia ambarambarantsika eto ny momba ireny aloha.
37. rhaj0 ( 25/09/2017 18:42)
Afangarogaroin'i Miharena indray ny Fampianarana Kristiana (Baiboly) sy ny "finoana-primitiva" an'i Miharena.

iza izany "vavolombelona" nahita an'Andrmntra "mandeha amin'ny hafainganam-pandeha malaky noho ny hazavana" izany re ry Miharena, fa dia asa loatra raha izany ho'a no resahinao avy eny ambony alitara, fa ihomehezan'ny kisoa any ambany alitara fotsiny ho'a ianao Miharena ee...

Dia eo ianao hitan'ny havanao ao ry Miharena aaa...
38. Miharena ( 25/09/2017 19:11)
Tsy mahataitra ny Kristianina izany tranga izany satria mazava be aminy loatra.

Ny tery saina tsy mahita afa-tsy ny eo ambany orony no manao izany ho tsy misy.
39. microscop ( 05/10/2017 07:08)
Salama tompoko! Mampalahelo ahy ity resaka ity satria tafiditra ao anatin'io zaho, nisy fotoana za nikorontan-tsaina satria nanana malaise be zaho teo anatrehan'trombiste sy ny mpino azy ary t'amin'izay dia niady irery za fa tany an-tanin'olona, nijoro amin'ny maha olombelona ahy anefa za satria rehefa nohalaliniko ilay tian-dry zareo atao dia sumpremacie no tena tanjona ary dia izay tsy manarak'azy dia vonoiny na anaovany complot na amosaviny ankolaka, dia ny olako anefa izaho tsy maintsy mijanona aminio tanana io satria mba nihevitra ny hitady vola otrany olona mitady rehetra, dia nihezaka ihany aho ny nametraka savoir-vivre fa tonga t'amin'ady ihany ilay izy farany satria bediabe ny zavatra tsy ekeny feon-fieritreretako tao, satria mba olona nianatra ihany za ary mba nobeazina ny maha olona fa hatramin'zao dia mbola hejehina za satria lasa athe za zao nohon'ny tsy fisiany vahaolana mety amiko, ny antony dia izao rehefa nisy ady mangantsika izany hoe fifamaliana tao dia niala za, ka nandeha nody kanefa efa nampanaran'ireo resaka amin'ny telephone tany amin'izay misy ahy, dia nataon'zareo zay namotehana ny fiainako, dia farany lasa noetina teny amin'ny hopitaly loterana ambohibao za fa mbola tsy sitrana hatramin'izao ary vao maika ary nikorontana be ny saiko satria ilay malaise izay notazomiko no lazaina fa devoly ary za ary mba gaga t'amin'izay fa i Dr salomon avy nihevitra an'izany kanefa dia mbola malaise ilay izy zavatra tsapako satria za athe ary tiako ny science fa ny mampalahelo ahy dia na ny havako na ny fiaraha-monina dia samy manana ny filazany ary lasa fahasorenana hoahy ilay izy dia otrany za avy no lasa shizofreniq ts fidiny nohon'ny tsy fahampiany tohan-kevitra athe mitovy amiko moa ny progression scientifik koa ity lavitra any madagascar sady mila vola be, dia terena be mihintsy za hino na dia izaho ary afaka milaza ny tena marina momban' tromba fa nisy fotoana aza za io saika novoin'ny ry zareo mananangana ny maso fahatelo(kopy nareo) fa mitady hanimba ny valeran'fomban-tany hono za satria nisy fotoana za nilaza anio ka dia izao tsy afa manotra satria atody za ny eto gasikara ary ny marina mitavozavoza hono tsy maheresy lainga tsara lahatra. Asa tsy haiko ianao rhaj0 raha afaka hanohana anah fa tô otrany "pour rien du tout" ilay ady ataoko ary na izaho aza te hiala eto gasikara fa ts afaka, ary efa nisy fotoana za mba nitady communauté athe na association t'amin' google fa tsy maita izay tena izy za mba hialako nenina fa raha mbola izao no mitohy na izaho hanao kamikazy na izaho hamonon-tena fa satria marary be za terena hanaiky zavatra tsy tiako hinoana ary tsy tiako ny fombany mpino eto gasikara.
40. Miharena ( 06/10/2017 12:36)
Ny athee no mahazo aretina toa anao Microscop.

Ny olana dia ity, alefan'ny athee amin'ny voary sy ny fivoarany ny fiainany fa tsy heveriny hoe misy ny Mpahany Mpandrindra.

Tsy heveriny koa ankoatr'izay hoe misy ny Devoly mpampahory sy mpanakorontana.

Dia mihevitra izy fa izao maha-olombelona izao ihany no lehibe indrindra nefa dia diso satria rehefa tsy manana Mpiaro dia ny Mpanakorontana no manjaka.

Dia io korontantsainao io dia isan'ny ataon'ny Mpanakorontana aminao. Izay no iresahan'ny Kristianina fa misy devoly ianao.

Toro-nevitra tsotra : mamakia Baiboly dia mivavaha. Na miantso an'i Jesoa indray mandeha isan'andro aza ianao manala ny devolinao tsy hanjakazaka ao aminao dia efa tsara eo am-panombohana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1637