INONA NY HERY ENTIN'ANDRIAMANITRA HANDEVONANA ITY GALAXIE LACTEE ITY

1. RBNIR ( 30/08/2017 11:11)
« Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. » (Matio 24:35)
« Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. » (Marka 13:31)
« Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. » (Lioka 21:33)

Miverina in-telo io teny io ao anaty baiboly (olona samy hafa no nanoratra azy)....Dikany tsy maintsy ho tanteraka ara-bakiteny io...

Ny lanitra sy ny tany ho levona.....

Ka inona ary no hery entin'Andriamanitra handevonana ity galaxie lactée ity???
novalian'i endriny ny 20/09/2017 03:48
2. rhaj0 ( 30/08/2017 11:55)
F'angaha izany "galaxie lactée" izany ihany no ho "levoniNY" ry RBNIR? Ireo galaksia hafa toa Andromeda sns ireny angaha moa tsy "kintana" @ fijery moyen-orient-de-l'an-zéro???

Ary ngo dia ny planeta Latera irery ihany koa azany no levoniny, fa ny Masoandro avelany eo. Satria ange i Jesosy mibalady eny @ Rahona eee...

Eritrereto tsara ao, dia akaho hevitra @ Hrnrn, fa raha nanaraka ny fivoaran'ny fahalalan-draolona (Siansa) ianao, dia toa manombatombana ny mpandinika fa afaka ny hisy "aina" na hoe azo "hiainana" koa atsy @ Enceladus na Titan @ Saturne, na koa Europa-n'i Jupiter, ary na Mars azany azo heveriveretana.

Esy e ry RBNIR...
- savisaviho indray ireo Enceladus na Titan sy Europa ireo,
- dia ampiadio rima @ resa-Baiboly...
- zahavo tsara fa misy ireo Anseladiosy sy Titanina ary Ioropaha ao @ toko miafin'i Apokalipsa ao
- dia averimbereno eto @ serasera eto ny resaka, hitsapanao ny haben'ny fitombenan'ny "fahaizanao Siansa"
.. mba misy ihomehezanay :-)
3. endriny ( 30/08/2017 12:59)
Angaha tsy hoe hisy rano sy rivotra Ary ato manan-kery.

Dia hozongozonin'Atra amin'ny rivotra ny lanitra dia hiraraka ohatran'ny rotra sy ny voatsinefy masaka ny kintana. Ireo no fambara fa akaky hono ny farany.

Ary dia ho avy handraraka solifara ny anjely avy eo ka handoro izay rehetra tavela eto.

Ny mahagaga kely @'Atra dia efa nianiana izy fa tsy hanisy kosa ny tany intsony tao aorian'ny safodrano, kanefa mbola asiany rivodoza, sy tsonamia ary taifonina ihany eto an-tany
4. rhaj0 ( 30/08/2017 20:34)
Izao izao r@ Zoma, raha tsy hitanareo eto aho, dia mety "mino" izao i RBNIR fa efa lasan'i ... Florence aho. Fa i RBNIR, tahian'Atra fa TSY ho lasany, dia mbola hiandry ahy eto hono :-)

http://www.lapresse.ca/sciences/astronomie-et-espace/201708/30/01-5128934-le-plus-gros-asteroide-depuis-1890-sapprochera-de-la-terre-vendredi.php

Asiteroida katavy be i Florence.. F'izany hoe, tsy mahakasika antsika koa eee ..

Fa esy ihany ho'a e ry RBNIR...
- savisaviho indray i Florence,
- dia ampiadio rima @ resa-Baiboly...
- zahavo tsara fa misy an'i Filahoraohansa ao @ toko miafin'i Apokalipsa ao
- dia averimbereno eto @ serasera eto ny resaka, hitsapanao ny haben'ny fitombenan'ny "fahaizanao Siansa"
.. mba misy ihomehezanay :-)
5. RBNIR ( 31/08/2017 06:40)
Alefalefaso ihany aloha ny valiteny e, tsy misy namana hafa ve afaka mamaly ny fanontaniana?

Hery inona no hery entin'Andriamanitra handevonana ity galaxie lactée ity raha nilaza izy fa hoe ny lanitra sy ny tany ho levona???

6. IsmaelTix ( 31/08/2017 07:08)
Raha ny hevitro manokana aloha, satria ny hevitra tera-bary, dia fanontaniana tsy tokony hipetraka io.
Ary na mipetraka aza ny fanontaniana dia efa ao anaty fanontaniana sahady ny valiny.

Hery inona ? ==> Herin'Andriamanitra
Fantatro fa mila valiny mazava tsara ny mpanotany, ohatra hoe rivo-doza na safo-drano ...

Tsy misy mahalala izay tena hitranga marina, fa ny faminaniana dia natao tamin'ny sariteny sy fanoharana mba tsy ho takatry ny hendry sy be saina toa antsika.

Fanontanaina angamba no avaliko io fanontaniana io : Raha fantatra ary hoe hery inona, dia ahoana ? Inona no ilavana an'ilay valiny sa mba fitia te hahalala fotsiny ? Sa ve mba ahafahana miomana ?

Fa izao fotsiny angamba no azoko ambara : tsy iadiana hevitra izany fa vitan'Andriamanitra, satria ananany ny hery sy fahefana rehetra.

Noforoniny izao tontolo izao niainga tamin'ny tsy misy, ka hainy atao koa ny mandevona ny misy rehetra.
( "Dieu a créer le monde à partir du néant, Il peut aussi réduire le monde à néant").

7. RBNIR ( 31/08/2017 09:05)

IsmaelTix:

Misaotra anao namaly, mbola hovaliana daholo ireo fanontaniana rehetra napetrakao (raha sitrapon'Andriamanitra) fa hatreto aloha, miandry ny valiny avy amin'ny hafa ihany koa ny tenako...
8. RBNIR ( 31/08/2017 09:43)
« Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. » (Jeremia 33:3)
9. endriny ( 06/09/2017 03:23)
Dia inona hono ilay izy?
10. RBNIR ( 06/09/2017 05:00)
endriny:

Dia inona hono ilay izy?

Salama, raha sitrapon'ny Tompo tsy maintsy ho voalaza eto ihany, fa raha mbola misy namana hafa koa afaka manambara ny heviny dia tsy maninona mbola malalaka ny sera e!
11. endriny ( 06/09/2017 05:59)
Fanambarana Mampiesona koa angaha Ka. Efa t@ Jeremia dia mbola tsy hay hatramin'izao izay nolazaina.
12. rhaj0 ( 08/09/2017 23:01)
IsmaelTix:
Noforoniny izao tontolo izao niainga tamin'ny tsy misy, ka hainy atao koa ny mandevona ny misy rehetra.
( "Dieu a créer le monde à partir du néant, Il peut aussi réduire le monde à néant").

hi hi hi... Fa naninona azany no tsy riatany ho faty any hono izay "noforoniNY", dia i Satana/Devoly koa ohatra???

Satria "angano arira" daholo izany, ary vendrana be ny "namorona" ity angano (sy ny mpino azy) :-)
13. rhaj0 ( 11/09/2017 12:38)
Ka inty indray azany ny sarin'izao tontolo izao ee.. Dia jereo tsara izao Ingahy Laksia Laktee-ndRBNIR izao (ilay sary faha-2, sy ilay teboka kely @ sary faha-3).

Dia io azany, mila jerena tsara koa aiza ho aiza izao, ilay 10 km a la ronde manodidina ny reniranon'i Babilaona, izay nilasian'i Adama sy Eva, izay "mpiandry" sa moa "mpiasa"-n'Atra, hiaro ny noforonin'Atra... h@ ireo Ingahy laksia an'alin-kisa... HONO.

ntss... dia tsy ampiasaina mihintsy ve ilay coco ry RBNIR aaa ??? :-)
Efa lehibe ianao izao ry RBNIR f'aoka @ izay izay ity reviredy mandany bandwidth ity aaa...
14. endriny ( 20/09/2017 03:48)
NIhozongozona indray izany ny tany tany Mekisika tany. Ka mba teneno I Jesosy ry RBNIR mba hilaza amin'ireo demonia ao ambanin'ny tany ao mba tsy hihetsiketsika firy fa manjary mandrava sy mamono a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2866