Fitaizan-tena sy Fitaizam-panahy Kristiana

41. endriny ( 18/09/2017 03:34)
Ny fanontaniana dia hoe inona no fitaizan-tena araka ny voalazan'i Jesosy?

Fa tsy hoe fitaizan-tena ara-panahy

Sa koa tsy misy ny hoe fitazam-panahy ara-batana?

Ka izay no maha lasopy kaompaoze ity delira mahatsiravina ataon'i Miharena ity.
42. RBNIR ( 18/09/2017 06:48)
rhaj0:

Dia mba ameo ilay "recette" na "toro-lalana" ny @ hitaizana ilay tenabe ee. Ary ampiaraho toko aman'andininy avy ao @ Baiboly tsara toa io nataonao io ry RBNIR aaa...

Ohatra : mila mihinana ianao, miborosy nify, misasa, mandro, sns....tsy avela ho simba (fa arovana ilay vatana) e!
43. RBNIR ( 18/09/2017 06:54)
rehefa mangatsiaka ny andro dia ilaina tafiana lamba, ilaina matory, rehefa zavatra hitanao fa tokony hiarovana ny vatana dia atao daholo e!

Izay rehetra fantatra kosa fa manimba ny vatana (manimba ny tena) dia alaviro (toaka, rongony, sigara, .......)

« Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:23)

« Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo? » (1 Korintiana 3:16)
« Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany*. [* Na: dia masina koa ianareo] » (1 Korintiana 3:17)
44. rhaj0 ( 18/09/2017 11:01)
Ny fahazoako azy, ilay hoe "fitaizana ARA-BATANA", dia ... TSISY resaka direkta
- na ao @ Baiboly,
- na ao @ Katesizy sy izay sekoly alahady
- na ao @ dogman'i Vatican
Fa ny mba resaka (ao @ BAiboly), dia hoe "tempolin'Atra" io vatanao io, ka dia kajikajio arak'izay fikajikajianao ny tempolin'Atra (sinagaoga).

Fa ny torolalana rehetra aboakan'i RBNIR ireo ohatra, dia araka ny saim-pantatr'i RBNIR irery ao. Ohatra, "alaviro ny toaka" hozy RBNIR, nefa ... ny divay angaha tsy 12 degree?? Ary divay indrindra no recette-nJesosy hanasitranana tazo izy teo.

RAha ny marina anefa, dia ao @ Baiboly ao, dia misy ihany resaka momba izany saingy ... asa ho'a mba ahoana no famakinareo Baiboly ry RBNIR no tsy mba kingakinga nareo mamoaka resaka eee..
45. RBNIR ( 18/09/2017 11:19)
rhaj0:

Fa ny torolalana rehetra aboakan'i RBNIR ireo ohatra, dia araka ny saim-pantatr'i RBNIR irery ao. Ohatra, "alaviro ny toaka" hozy RBNIR, nefa ... ny divay angaha tsy 12 degree?? Ary divay indrindra no recette-nJesosy hanasitranana tazo izy teo.

Apetraho ihany hoy aho ny fanontaniana e!
Voalaza fa mpisotro divay tokoa ry zareo nefa naninona no tsy nalaza mamo?

Ankehitriny voaporofo fa tena misy ny divay tsy mahamamo (tsisy alikaola).....
46. rhaj0 ( 18/09/2017 12:14)
Mba hainao ve ry RBNIR, na hain'i Jesosy ve k'lou ny manala ilay alikaola ao @ divay ee...
(ngo dia misy recette ao anaty Baiboly? zahavo ao hoe ry RBNIR)
47. Miharena ( 19/09/2017 03:45)
Raha nandeha Tsaratsara nanao fitoriana dia niditra nihinana tao amin'ny toerana iray.

Dia nasian'ilay olona mpamosavy asidra ny sakafo fa tsy lanin'ny vavoniny ny toriteny nataony.

Dia nofeperan'i Jesoa izy hoe aza tonga dia mihinana fa ity misy rano hafangaro io sakafo io aloha fa nasian-dreo poizina io.

Dia natao ny fivavahana dia natao ny nasaina nataony dia noloarana ny hanina dia nihinana soa aman-tsara tsy nisy naninona.

Dia taitra ny mpamosavy fa tsy maty ry zareo.

Ny tiana ahatongavana dia mahay ny zava-drehetra Jesoa ary miara-dia amin'ny mino AZY.

Ny tsy mino moa atao akory fa ny Devoly no mandrindrina ny fony tsy hino.
48. RBNIR ( 19/09/2017 06:34)
rhaj0:

Mba hainao ve ry RBNIR, na hain'i Jesosy ve k'lou ny manala ilay alikaola ao @ divay ee...
(ngo dia misy recette ao anaty Baiboly? zahavo ao hoe ry RBNIR)

Ato b dia b an! io no porofo fa tena betsaka ny divay tsy misy alikaola...

http://lmgtfy.com/?q=vin+sans+alcool
49. rhaj0 ( 19/09/2017 12:45)
Asa raha takatrao ry RBNIR, fa ianao izany anie toatoa ny TSY-MINO (manaiky-tsisy-porofo) ny herin'i Jesosy (mandevona alikola) eee...

Raha tena Kristiana lafatra ianao, dia TSY mametra-panontaniana akoriny, ary TSY miezaka mitady fanazavana, @ izay "fahagagana" rehetra nataon'i JEsosy.

Firifiry ny tantaran-Jesosy ao @ BAiboly ao, ka rehefa "TSY Ampy finoana" toa anao RBNIR io ilay olona, dia mantsamantsanan'ny Jesosy tsisy antrany mihntsy??? Dia tena TSy renao mihintsy izany Jesosy mamely anao @ ilay "Ry TAranaka Tsy Mino Sy Ratsy Fanahy"

Sa ho "porofoinao" daholo ireo "fahaga(i)gan'i JEsosy"??
- dia ilay fotaka+rora izany, dia ho lazainao hoe, misy "guérir par l'argile" anie izao ee..
- dia ilay tain-tsofina+rora, dia ho lazainao fa hoe, misy "salive eau de jouvence" eraky ny interinety
- dia ilay devoly@kisoa, dia ho lazainao fa henoy tsara ilay feon-kisoa fa feon-devoly

Ataovy ao azany fa izaho indray ve hi-contredire anao @ izany ry RBNIR :-)
50. RBNIR ( 19/09/2017 12:49)

Misy natao ho fantatra....misy natao tsy ho takatra mihitsy....
51. rhaj0 ( 19/09/2017 14:24)
Eny ho'a eee..
izay MBA takatry ny hoza-dohanao, anao RBNIR irery ao, dia "natao ho fantatra".
izay TSY MBA takatry ny hoza-dohanao, anao RBNIR irery ao, dia "natao tsy ho takatra mihitsy".

Kay moa mihatra AMINAO RBNIR irery ao izany, ao @ imazination-nao irery ao.
52. Miharena ( 19/09/2017 14:40)
Fomba firesaka mampihomehy ilay fanakilasiana imazinasion io.

Tsy imazinasionao irery ve izany hevitrao izany Rhaj0? Ary siora aho fa tena izany mihitsy satria tsy misy porofo mihitsy fa entina hanabantiana izay miresaka aminy fotsiny.
53. rhaj0 ( 19/09/2017 20:09)
Ilay ezak'i RBNIR hanaporofo fa "TSY mamolava i Jesosy tia divay" no mampihomehy ee...
FA dia maninona tokoany azany...

1- kay moa i RBNIR io, araka ny fitantarany ihany, dia ... aleo lazaina fotsiny hoe "tia divay" koa taloha ee.. @ ilay hoe, tsy nahita tory t@ 5 marina i RBNIR fa namely mafy daka, dia nahita an'i Hrnrn t@ TV, dia coup de foudre..
Dia solidera samy tia-divay io izany an :-)

2- ary talohaloha anie, ny demonstralatation nataon'i RBNIR dia hoe, misotro-fa-tsy-mamo i Jesosy, fa mahay-ny-daoziny eee.... Toa izay RAjaona mamolava rehetra izao ihany, samy mihambo sy miziriziry fa "tsy-mamo-aho-ee"...
Dia mbola solidera samy tia-divay io izany an :-)

3- Izao indray izany, hoe divay-sans-alikaola anie no vokatry ny fahagagan-Jesosy.. hoy RBNIR, rahefa nanao fandalinana eraky ny interinety izy..

Tsara fa tohizo RBNIR aaa...
Fa ireto koa ho'a halalino ao ry RBNIR fa efa nisy nandalina koa eee.. gogoleho fa mety ireo.

- dia ilay fotaka+rora izany, dia ho lazainao hoe, misy "guérir par l'argile" anie izao ee..
- dia ilay tain-tsofina+rora, dia ho lazainao fa hoe, misy "salive eau de jouvence" eraky ny interinety
- dia ilay devoly@kisoa, dia ho lazainao fa henoy tsara ilay feon-kisoa fa feon-devoly

54. endriny ( 20/09/2017 03:41)
Inty misy fitazan-tena natoron'i Jesosy:

"Mihinana mofo sy misotrodivay matetika"
55. rhaj0 ( 22/09/2017 13:43)
1 Timoty 5:23:
Aza misotro rano intsony, fa misotroa divay kely noho ny vavafonao sy ny fahosaosanao matetika.

io mihintsy no nolazain'i Saoly lasa Paoly. Izany ve nama no mba torohevitra amenao ny olona. Dia kondrana mihintsy kosa aloha izay manaraka bontolo an'io eee...

Fa roboka migoka tokoany ry RBNIR, ka t@ 5 maraina izy teo, mbola tsy nahita tory, ka vao nahita an'i Hrnrn t@ TV dia voan'ny coup de foudre...
Izay ilay tantara ry RBNIR ooo? :-)

Izany no alehany rehefa TSY mba mandinika fa tonga dia "minobe" an'izao "izay voasoratra dia voasoratra" rehetra ao izao.

Zahavo anefa ny dika-teny anglisy..

1 Timothy 5:23 Don't drink only water. You ought to drink a little wine for the sake of your stomach because you are sick so often.

ka ahoana: "izay voasoratr'i Andrianaivoravelona dia voasoratra" an...
Aza misotro rano intsony

Fa na ilay anglisy orijinaly koa azany anie mivaralila eee... raha "you are sick so often" ve dia divay kely no fanafodiny??? RAha ny mamparirary an'ilay olona ao ve
- ohatra viavy bevohoka
- na voan'ny diabeta
- na izy nararirary io dia nihinana antibiotics
dia mbola asiana "divay kely" ihany ve???

Dia izay ve no mba fitaizana sy fikoloana ny VATANA sy fahasalamana ao @ BAiboly ao??

56. Miharena ( 22/09/2017 19:13)
Raha tsy diso aho dia miresaka momba ireo olona efa zokiny izay maina taolana i Paoly izay nanome torohevitra ny hisotroan'izy ireo divay kely mba hahazoany aina kokoa satria efa saortra angamba ny fikorianan'ny ran'izy ireny ka osaosa izy raha tsy misy divay kely.
57. endriny ( 27/09/2017 04:05)
Io divay sy mofo ange tsy I Paoly no nanoro an'io fa Jesosy mihintsy e.

Isaky ny mihininana sy misotro an'ity .....ianareo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1513