Fitaizan-tena sy Fitaizam-panahy Kristiana

1. rhaj0 ( 29/08/2017 15:24)
Mihambo be ho mahay an'izany "Fitaizan-tena sy Fitaizam-panahy Kristiana" izany moa i Miharena, ka dia tena aleo amoronako loha-hevitra manokana eto mihintsy fa tena liana dia liana aho.

1- Iaraha-mijery eto raha pli-vava fotsiny io an-dry Miiharena io, na tena mba misy ventiny.

2- Iaraha-mahita eto raha hevitra olona na finoana hafa no savisavihan-dry Miharena, na tena hoe, "izay voasoratra dia voasoratra anaty Baiboly" tokoany no velabelariny eto.

3- ho hita eo raha tena @ ilay qui se concoit bien s'énonce bien ity Mihraena ity, na tena manalava ahitra handetehana ny kisoa fotsiny, ka mampifamaofao sy manahofahofa tanana no betsaka.


ka dia kajio sy eritrereto tsara ny ho lazainao ry Miharena, fa ianao koa moa nilaza(-tena) fa "kipantsin'Atra", na hoe, "miteny à travers-nao i Atra".

Dia amena anao ry Miharena ny fitenenana aaa... :-)
Voninahitra (Atra) amena anao io aza atao ampanta-bary.
novalian'i endriny ny 27/09/2017 04:05
2. Miharena ( 29/08/2017 20:39)
Efa miha-mivoatra tokoa aloha Rhaj0 manokatra lohahevitra toy izao.

Ny fombanao mihitsy aloha no tena tiana asongadina dia ny fanaovana pli-vava mirona any amin'ny tsy finoana satria hono angamba betsaka ny olona manao toy izany ary any amin;ny tany lazaina fa mandroso no manao izay foto-pisainana izay.

Fa izany fitaizan-tena sy fitaizam-panahy Kristianina izay dia hanovozana hery avy amin'ny Tompo Mpahary azy avy. Hoy ny Soratra hoe Fa izay mino Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra.

Dia io hery io n ohahafahako miresaka tsy mitsahatra aminao etoana fa raha tsy misy izany hery izany, tsy afaka miatrika mafihatoka toa an-dRhaj0 izany ny olona misera eto.
3. rhaj0 ( 29/08/2017 23:08)
ka dia lazalazao azany hoe, toatoa ny ahoana izao "fitaizan-tena (Kristiana)" ataonao ao izao. Tena ampiaraho "toko aman'andininy" fa tsy petapeta-kevitra eo fosiny an..


Ny Hindou novangiako t@ tapa-bolana izao, dia manao Yoga ao @ Tempoliny, ary relax sady souple tsara daholo ny vatany.

Fa tandremo sao misavisavika ny fombafomban'ny HIndou sy ny Yoga-ny ary meditation-yogist, fa.. misy Kristiana (toa anao) nilaza fa "devolivoly" hono io, satria toa miantso Ganesh sy Vihnu an...
4. RBNIR ( 30/08/2017 08:26)
Raha ny voasoratra aloha dia ity....

« Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:23)


Aoka harovana avokoa :
1- fanahy
2- aina
3- tena (vatana)

Izay manao izany no ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny.....
5. rhaj0 ( 30/08/2017 11:58)
Dia mba ameo ilay "recette" na "toro-lalana" ny @ hitaizana ilay tenabe ee. Ary ampiaraho toko aman'andininy avy ao @ Baiboly tsara toa io nataonao io ry RBNIR aaa...
6. endriny ( 30/08/2017 13:02)
Angaha moa tsy hoe aza rarahiana ny vatana fa an'ny tany sy satana Ary mety lo, fa Aleo mikatsaka ny an'ny fanahy
7. Miharena ( 30/08/2017 17:46)

rhaj0:

ka dia lazalazao azany hoe, toatoa ny ahoana izao "fitaizan-tena (Kristiana)" ataonao ao izao. Tena ampiaraho "toko aman'andininy" fa tsy petapeta-kevitra eo fosiny an..


Ny Hindou novangiako t@ tapa-bolana izao, dia manao Yoga ao @ Tempoliny, ary relax sady souple tsara daholo ny vatany.

Fa tandremo sao misavisavika ny fombafomban'ny HIndou sy ny Yoga-ny ary meditation-yogist, fa.. misy Kristiana (toa anao) nilaza fa "devolivoly" hono io, satria toa miantso Ganesh sy Vihnu an...


Rehefa miantso karazana anarana fantatra fa tsy mifandray amin'ny Mpahary dia voafaritra sy voarara ao anaty Baiboly aloha.

ohatra azo raisina ity ao amin'ny Mpitsara 6:25-32 ity

25 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia* ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha** eo anilany;[*Na: sy][**Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
26 dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy*, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.[Na: amin'ny zavatra vonona eo]
27 Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.
28 Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,
29 dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.
30 Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
31 Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina* ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.[Na: mandra-pahamarain']
32 Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala*, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.[Jerobala = Aoka Bala no handahatra]


Izany hoe rehefa andriamanitra tsy izy dia tsy manana hery toa an'i Mpahary aloha ka tsy tokony hantsoina sy tompoina.

Ny Andriamanitra TENA IZY izay hanankinan'ny Kristianina ny fiainany ary mitaiza azy avy dia Jehovah izay naniraka ny Zanany Jesoa haneho ny Voninahiny teto an-tany ka hatrany an-danitra.

Maro ireo fampianarana nataony ary ny olona tamin'izany andro izany dia niantso Azy hoe Raby na Mpampianatra.
8. rhaj0 ( 30/08/2017 18:02)
ndrooo.. surmené ve ry Miharena dia hors-suzé aa.. Averina ny fanontaniana araka ilay lohahevitra:


Dia mba ameo ilay "recette" na "toro-lalana" ny @ hitaizana ilay tenabe ee. Ary ampiaraho toko aman'andininy avy ao @ Baiboly tsara toa io nataonao io ry RBNIR aaa...
9. Miharena ( 30/08/2017 18:16)
Fitaizantena ny fanarahana ny Torohevitra omen'Andriamanitra be dia be ao anaty Baiboly. Anisan'izany ny voatanisa eo ambony io fa tsy misy surmene izany eo.

Recette : Mamakia Baiboly dia araho ny torolalana ao!
10. rhaj0 ( 30/08/2017 18:21)
Dia tsy haiko rey olona ny diksionera-Miharena, fa ny "fitaizan-tena" dia .. hotry ny hoe manao "fanazaran-tena"; izany hoe, manao zym dia mihetsika, fa tsy hoe, mipetraka "mamaky Baiboly" toa Miharena.

Fa aleo ahitsy azany ny fanontaniana eee...

Dia mba ameo ilay "recette" na "toro-lalana" ny @ hitaizana ilay VATANA ee. Ary ampiaraho toko aman'andininy avy ao @ Baiboly tsara toa io nataonao io ry RBNIR aaa...
11. Miharena ( 04/09/2017 19:14)

rhaj0:

Dia tsy haiko rey olona ny diksionera-Miharena, fa ny "fitaizan-tena" dia .. hotry ny hoe manao "fanazaran-tena"; izany hoe, manao zym dia mihetsika, fa tsy hoe, mipetraka "mamaky Baiboly" toa Miharena.

Fa aleo ahitsy azany ny fanontaniana eee...

Dia mba ameo ilay "recette" na "toro-lalana" ny @ hitaizana ilay VATANA ee. Ary ampiaraho toko aman'andininy avy ao @ Baiboly tsara toa io nataonao io ry RBNIR aaa...


Ity ao amin'i Jaona 5:46-53 ity no recette:

46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy.
53 Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra.


Mino no recette dia izay ihany fa tsy misy hafa ao.
12. rhaj0 ( 05/09/2017 14:49)
rhaj0:
Dia mba ameo ilay "recette" na "toro-lalana" ny @ hitaizana ilay VATANA ee.
Miharena:
Mino no recette dia izay ihany fa tsy misy hafa ao.

Ka dia TSISY "recette hitaizana vatana" izany hono ao @ Baiboly, hozy Miharena ee.. Fa rahefa "mino fotsiny" dia mety ho azy io vatana io ee...

hi hi hi.. ka toa tena zéro manatody izany ilay "Boky ninoana fa mirakitra ny Fahalalana rehetra", sa tsy izany ry Miharena??


Sa indray, ngo dia ireo Loholona Kristian indray azany no mba mampita FAmpianarana hitaizana ilay VATANA ee...

Satria tokoany, mety TSY ao anaty scriptures-n'ny HIndous koa nhy azy ny "fitaizam-batana" (zym = étirement sy musculation vinany h@ yoga), fa ny loholona no mampianatra.


Ny takatakatro aloha, dia ny "mandohalika" no ampirisihina ny Kristiana. Misy azany toa mirehareha mihintsy rahefa misy kitro ny lohalikany ao. MIsy izao ao Montreal, Basilikabe itahirizana ny fatin'ny Masina André Bessette raha tsy diso aho. Dia misy tohatra lavabe toa ny tohatohabaton'Ambondrona mihazo ilay Basilikabe. Dia hoe, mandohalika hono miakatra ilay tohatra.. ho mariky ny FInoana.

Izay ve ilay "fitaizam-batana"????
13. Miharena ( 05/09/2017 18:20)
Fanehoana fihetsika fanajana sy fanetrentena ny fandohalihana. Raha amin'ny lafiny fanetren-tena dia fitaizambatana izy amin'izay saingy fanehoana ilay fanetren-tena ihany no anaovana izany fihetsika izany izay azo atao amin'ny fomba maro.

Ny finoana no manova zavatra
Ny finoana no ahazoana fahavelomana
Ny finoana no ahazoana tanjaka sy hery
Ny finoana no ahazoana fahasitranana
Ny finoana no mahatanteraka fahagagana
Ny finoana no ahafahana manana zotom-po

Ny vokatry ny finoana dia mahatanteraka zava-dehibe maro tsy voatanisa.

Ary tsy toy ny fandraisanao azy maivamaivana hoatr'io akory izy io famisy antony sy vokany aby.
14. rhaj0 ( 05/09/2017 18:59)
Ka tena "TSISY manana finoana" rezatra be toa ireo tanisainao pli-vava izany ny Kristiana maro eran-tany, ary anisany ianao Miharena be resaka io, satria toa betsaka no mihinan'ny tsakaokany nefa mba "mivavaka" sy "mino" ihany.
15. endriny ( 06/09/2017 03:13)
Mba minoa ianao Rhaj0 a! Mba marina ange e.

Fa noho ny finoana sy ny fitahian'i Kristy izao dia nahavita fahagagana ny Katolika ka tonga mpanan-karem-be.

Noho ny finoana sy ny fitahian'i Kristy dia nahavita fahagagana ny Kristianina ka nahatsangana l'hopitaly marobe nanasitra marary maro koa.

Minoa ianao ange fa ahavita fahagagana koa e!
16. endriny ( 06/09/2017 03:30)
Ireto misy fitaizam-batana natoron'i Jesosy:
1 mifady hanina
2 mapaka izay taova manembatsembana, fa aleo tsy ampy tongotra na tanana miditra ny lanitra
3 mitaingin-dakana
4 mitaingina apondra
5 mianika tendrombohitra
6 milalao rano
7 mandihy sy misotro
8 mihinana mofo sy misotro divay
9 milanja vatan-kazo
10 manao barafikisa

Ireo no fitaizam-batana nataony t@ taona 0-33

17. Miharena ( 06/09/2017 07:20)

rhaj0:

Ka tena "TSISY manana finoana" rezatra be toa ireo tanisainao pli-vava izany ny Kristiana maro eran-tany, ary anisany ianao Miharena be resaka io, satria toa betsaka no mihinan'ny tsakaokany nefa mba "mivavaka" sy "mino" ihany.


Ny olona mino tsy mifendro izany fa manana ny anjarany eny hatrany.

Ny mino tena mino anie ka olona mahitsy ary manao izay marina ka tsy hitady izay tsy tokony ho anjara omena azy.

Ny mpangoron-karena angaha moa manana fiadanana raha tsy mino ary manao ny mahitsy eo amin'ny fitadiavana ataony ?
18. rhaj0 ( 06/09/2017 14:59)
Miharena:
Ny finoana no ahazoana fahavelomana
Ny finoana no ahazoana tanjaka sy hery
Ny finoana no mahatanteraka fahagagana
Endriny:
noho ny finoana sy ny fitahian'i Kristy izao dia nahavita fahagagana ny Katolika ka tonga mpanan-karem-be.
Miharena:
Ny mino tena mino anie ka olona mahitsy ary manao izay marina ka tsy hitady izay tsy tokony ho anjara omena azy.

Ka io BAsilika mirenty volamena vatosoa io izany no "anjara" an'ny Mpino (Katolika) ary izao hitany "fiadanana" ao izao.
Tsy lazaina intsony ny 4x4 sy tranoben-dry Mailhol mbamin-dry Hrnrn. I Tsaratsara izay miravaka manjabe mihintsy izao efa entina saika lolohavina @ Filanjana, ary lasa nanankarena tampoka tao (fa tsy ny naha-dahalo azy taloha no nampanankarena azy ao an..)


Fa ilay "fitaizam-batana" nataon'i Jesoa (par l'exemple) toa ny "milanja vata-kazo" sy "manao barafixa" kosa aloha, mety mivanivany isika eto, fa tena misy dia misy tokoany ny Mpino no manao an'io, ankoatry ny "mandohalika mandeha", rehefa manao an'itony hoe Chemin du Calvaire itony an...

Ilay "auto-mutilation" sy "auto-flagellation" moa azany no tena giravy: fampianaran'i Jesoa na Baiboly na olomben-Deglizy daholo koa izany.

Dia rahefa marary maratra mitondra takaitra sy kitro ao zareo Kristiana (sasany), dia tena "mino" be mihintsy hoe, tena akaiky an'i Jesoa, sambatra sy salama hono, ary dia ho direkta any paradisa.

TSaroako ilay ranamana iray izay[size=4], gasy1zay[/size], nanao toatoa ny hoe, raha maty toa ireo maty t@ tsunami nefa teo am-pivavahana hono ilery, na hotrhotr'izany, dia tena tonga dia direkta-paradisa.

hi hi hi.. f'angaha izany rehetra izany indray moa no criteres hidirana any paradisa? Hoe rehefa mazokista ao ianao dia mahazo paradisa? Dia rehefa "mazokista" koa angaha moa "salama", na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy ???

19. Miharena ( 06/09/2017 18:15)
Ny fiangonana tsirairay dia afaka nanangona ary nanao asa iombonana nahazoana ireo karazana fotodrafitrasa maro ilaina amin'ny fanompoana.

Fa ianao moa Rhaj0 tsy anisany dia lasa manamavo ireny zavatra ireny.

Tsy resaka zavatra ilaina hidirana any am-paradisa ireo fa ilaina amin'ny fampidirana ny olona any am-paradisa satria entina mitory ny Filazantsara.

Ka izy ity tsy hoe tonontononim-poana toy ny filazanao azy Rhaj0 fa fiainana mandrakizay tsy azo anaovana vazivazy.

Fa raha io no ataonao vazivazy, miandry anao tsara ny Afobe rehefa miala eto antany eto.
20. rhaj0 ( 06/09/2017 18:59)
Miharena:
Tsy resaka zavatra ilaina hidirana any am-paradisa ireo fa ilaina amin'ny fampidirana ny olona any am-paradisa

Raha mba mpanitanita-tsaina ianao ry Miharena, dia hainao ny tantara, fa ilay hoe "indulgence" no nahazoana vola nanorenana io Basilikabe ao Vatican io. Raha mba manao devoara ianao, dia ho hainao fa ny ahafahan'i Bevola "hiditra any am-paradisa" no nanomezany vola "indulgence" an'i Vatican.

Ny an'i Vatican t@ fotoan'androny moa izany "indulgence". Fa ny ankehitrio kosany, toa an-dry Hrnrn-n'i RBNIR, dia izao "am-pahafolo-karena" izao indray. Izany dia fariparitan'ny Mpahay azy ho isan'ny "zavatra ilaina hidirana any am-paradisa" tsy maintsy atao; satria ny vola voaangona dia "entina mitory ny Filazantsara".. hono.

Miharena:
miandry anao tsara ny Afobe

Izaho izao efa manao fanazara-tena foana, manao spa sy sauna, fa mafana mahamay toa izany hono izao Afobe izao. Fa mahafinaritra manao an'ireny ry Miharena aa... Mba manaova anie fa hahita tsirony ianao : ho aleonao spa-sauna toa izay volamena-vatosoa :-)

Fa raha iverenako ny Basilikabe, dia ny ambiansy @ ireny fiangonana taloha ireny hono, dia natao ho toatoan'ny efitra fiandrasana (salle d'attente) mankany @ Paradisa. Izany no nanaovana azy ho volamena-vatosoa, araka ny tantaram-Baiboly. Izany koa no nanaovana ny akoustika ho manakoako, izay rahefa ampiarahina @ ilay taraina lamentation be, @ teny latina, dia koditra daholo ny mpokona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4529