Lalàna momba ny serasera sy ny lalàna momba ny internety

1. mpilaza444 ( 27/08/2017 14:59)
Tsy mazava loatra ny fipetraky ny lalàna momba ny serasera an-gazety. Misy karazany roa ny gazety ankehitriny , dia ny gazety mivantana toy ny gazety an-taratasy sy ny fahitalavitra. Fa misy koa anefa ny gazety eny amin'ny internety.

Raha eny amin'ny internety ilay gazety kanefa manohintohina ny hajan'ny sasany dia ampiharina ve ny lalàna laharana faha-2016-029 mikasika ny serasera eny amin'ny haino aman-jery? Sa apetraka aloha iny dia ampiharina indray ny lalàna iray momba ny internety? Ohatra hoe ny lalàna laharana faha-2016-031....

Ilay ao amin'ny internety anefa de toa azo ampiharana ny lalàna mikasika ny serasera alefa amin'ny haino aman-jery ihany. Ary toa ao anatin'ny haino aman-jery ihany koa ny internety.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3934