eklipsa

41. rhaj0 ( 15/09/2017 01:44)
O ry RBNIR mba toroy ny havanao Miharena, fa manjary "hitan'ny havany eo" foana ny TSY fahaizany ee :-)
42. Miharena ( 15/09/2017 04:10)
Anarina foana hoy ny fitenin'ny tanora fa eeee!

Eklipsa no lohahevitra dia mivaona daholo avy eo...

Mifohaza Rhaj0 fa efa voakatona alohan'ny fotoana ve ny lohamaleminao angamba a!
43. rhaj0 ( 18/09/2017 13:23)
Ka ity anie ataon'i Miharena bemarenina (toa ny mahazatra) foana ee... nefa io TSY "mivoana" fa tena "eklipsa"... "Total Eclipse of The Heart" hozy Bonnie Tyler izay :-)

dia tena défier-ko mihintsy ianao ry Miharena raha mahatafavoaka ETO ny toko aman'andininy mitantara ireo "fahasitranana nataon'i JEsosy" ireo: fotaka+rora sy tain-tsofina+rora.
44. Miharena ( 18/09/2017 15:39)
Mahatsiarova tena hoy aho matoa miteny aho eo aloha hoe olona mpaniratsira ianao Rhaj0.

Asa aloha ny fomba fiainanao miaraka amin'ny mpiara-monina fa tena hafahafa aloha amiko e! tsy mahay manana toetra tsotra. Asa hitondra anao ho aiza io toetra io?
45. rhaj0 ( 18/09/2017 20:26)
hi hi hi .. mandà be fotsiny ry Miharena. F'angaha izy ity resaka ambony alitara, ka ny itenenanao azy no ela dia marina hany izany?

Inty azany ireo toko aman'andininy
- ny @ fotaka+rora = Jaona 9:6.
- ny @ tain-tsofina_rora = Marka 31:33


- Dia tena tsy mbola novakianao tokoany ve ireo ry Miharena?
Eny azany kouh... Aza vakiana ho'a io Baiboly io fa tantara-angano tsisy hihinana voatabia

- Sa mba novakianao ihany fa nahilikilikao toa fako re ry Miharena?
Eny azany kouh... Ahilikiliho any ho'a io Baiboly io fa tantara-angano tsisy hihinana voaboanjobory


dia mbola tena défier-ko mihintsy ianao ry Miharena raha mahatafavoaka ETO ireo toko aman'andininy efa ameko anao ireo, mitantara ireo "fahasitranana nataon'i JEsosy" ireo: fotaka+rora sy tain-tsofina+rora.
46. Miharena ( 19/09/2017 03:39)
Aza maniratsira. Tsy misy izany Marka 31 izany.

Ny rora sy feta dia nataoNY tao amin'ny Jaona.

Nisy no nasaina nibata ny fandriany dia sitrana araka ny Matio 9:


1 Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
2 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.

3 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy* ity Lehilahy ity. [*Gr. manao blasfemia, dia miteny ratsy, indrindra fa ny amin'Andriamanitra, na mihambo hanana izay fomban'Andriamanitra]
4 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
5 Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
6 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
7 Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
8 Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
9 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra*, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.[*Dia ny hetra sy ny fadin-tseranana, etc]
10 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany.
11 Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
12 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
14 Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
15 Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.
16 Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
17 Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
18 Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.
19 Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany.
20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary* roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. [*Gr. narary nandeha rà]
21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Na: voavonjy]
22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana* anao. Dia sitrana** ilay vehivavy tamin'izay ora izay. *Na: namonjy.[*Na: voavonjy]
23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
24 dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
25 Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.
26 Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.
27 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô!
28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao.
31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.

32 Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy.
33 Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.
34 Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.

35 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.

36 Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
37 Dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
38 Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.


Fa eo ihany, natao dika manontolo io Matio io satria be no be saina toa an-dRhaj0 manohitra ny Fahefan'Andriamanitra.

Ny tiana hiaviana dia ny toa an-dRhaj0 no manao toe-tsaina Fariseo. Manome tsiny ny nomem-pahefana na ny manana izany ary mitsipaka hatramin'ny RAY Mpahary aza!! Nefa ao amin'ny saim-pantany ihany izy.

Sa diso aho??
47. rhaj0 ( 19/09/2017 12:56)
rhaj0:
- ny @ fotaka+rora = Jaona 9:6.
Miharena:
Ny rora sy feta dia nataoNY tao amin'ny Jaona.
Ka aboakanao eto sa tsy aboakanao eto ny toko aman'andininy ry Miharena?? Ary efa mba nampiasainao ve io recette-nJesosy io, sa dia tena narianao Miharena tany fa tena raha tsy gaigy koa hino izany resa-kehy izany???

rhaj0:
- ny @ tain-tsofina_rora = Marka 31:33
Miharena:
Aza maniratsira. Tsy misy izany Marka 31 izany.
Dia henatra be vata ho anao ry Miharena. Dia tena TSY mamaky Baiboly (comme il faut) mihintsy ianao. Sirika be eto io.
Mba diso tape kely aho dia lazainao fa maniratsira. Nefa raha mba "nahay Baiboly" ianao Miharena, tonga dia nahalala fa Marka 7:33 ilay izy.

Fa tsara fa tohizo kah... TSY mila ho hainao Miharena io Baiboly io, fa resa-kehy, ary ny "finoana-primitive"-nao Miharena, sy ny lojikanao miaraka @ Diksionera-Miharena, dia efa ampy ivelaran'ny saim-pantatrao. :-)
48. Miharena ( 19/09/2017 13:23)
Tsara rehefa mahay mamaky Baiboly.

Fa ny teny ao dia nangarona ny sofiny ary nandrora nanendry ny lelan'io moana marenina io.

Fa tsy hoe tain-tsofina ampiana rora.

Aza maniratsira fa ahitsio tsara ny fomba fiteny.

Fa rehefa mamaky Baiboly ihany dia avy ao avokoa hanohanan-kevitra amin'ny sisa hahitana hoe azonao atao ve ny manohitra fa tsy misy avokoa izany rehetra izany?
49. rhaj0 ( 19/09/2017 14:16)
Miharena:
Fa ny teny ao dia nangarona ny sofiny ary nandrora nanendry ny lelan'io moana marenina io.

Fa tsy hoe tain-tsofina ampiana rora.

hi hi hi... (fa tsy sahin-dry Miharena natao matevina ilay soratra an..)
Fa eny azany eee...

TSY tain-tsofina+rora fa volon-tsofina+rora

Hotry ny mitombona kokoa io an... sahala @ ireny sorciere-n'ny Disney ireny..

Dia efa nanandrana io recette-nJesosy io ve ianao ry Miharena? Sa nanandrana dia TSY nandaitra, dia vasoka be i Miharena, dia tsy mety mamoaka ilay toko eto an-tsena raha tsy sokirina tahak'n'inona??

Voasoratra mazavabe io, misy vavolombelona raitra be dia i Marka, dia mila arahina vavaka fotsiny io, dia maninona tokoany no TSY mandaitra intsony ilay izy ry Miharena ee ????

Sa IANAO Miharena no TSY AMPY FINOANA??? hi hi hi.. dia ao ianao izany eee :-)


Dia iza koa moa no maniratsira ry Miharena:
- izaho miresaka ny prouesse-nJesosy, sa
- i Miharena manary ny recette-nJesosy any an-joridira??
50. Miharena ( 19/09/2017 14:27)
Tsy hita izay tianao hiaviana Rhaj0.

Mba asio resaka matotra fa aza atao vazivazy fa manjary tsisy hasiny mihitsy ilay fofanakalozana e!

Ny fampiasana ny fahagagana samy manana ny Kristianina ankehitriny fa tsy voatery hanao kopikole avy amin'ny Baiboly.

Fa raha Rhaj0 indray aloha tsy hino izany na dia hanazavana injato anarivony aza satria efa izaysaimpantany ihany no asesiny. Io moa dia fomba mekanika toy ny natao programasio ka asa re!

Ny Yogista Hindou moa dia efa mpanao io programasio io mba hampandeha ho azy ny fiainany hono mandritry ny andro fa tsy misy idiran'ny fiainana mandrakizay akory no ataony ao.
51. rhaj0 ( 19/09/2017 14:34)
Miharena:
Ny fampiasana ny fahagagana samy manana ny Kristianina ankehitriny fa tsy voatery hanao kopikole avy amin'ny Baiboly.

Eny azany e... na "fahagagana" io na "faminaniana" dia samy manana ny Kristianina ankehitriny, hozy i Miharena.

Izay ilay izy an?..
52. Miharena ( 19/09/2017 14:42)
Eny tsy am-pisalasalana.

Fa ilay imazinasion manao hoe tsy misy an'izany aloha efa fanaon'ny mpanohan-kevitra ateista filozofika e!

Sa ahoana Rhaj0 folozofa?
53. rhaj0 ( 22/09/2017 14:07)
rhaj0:
na "fahagagana" io na "faminaniana" dia samy manana ny Kristianina ankehitriny, hozy i Miharena.

Miharena:
Eny tsy am-pisalasalana.

- RAha t@ l'an zero io,
- na hoe fony nikatona tao @ vohitrakely,
- na koa fony zaza teny @ garabola
dia .. normal. Fa izao ianao ry Miharena efa 2017, misy interinety ary efa mandroso ny taona a...


Dia tsy takatrao ve ry Miiharena fa raha mitombona tokoany izany "fahagagana" sy "faminaniana" izany, dia efa milliardaires ny mpanao azy??... Hay tokoany moa efa millionaires ireo mpanambaka mampino ny toa an'i Miharena an'ilay izy..

Dia ao ianao Miharena IRERY izany ee... voan'olona ao ianao, dia mitady hisarika olona hafa ho voambaka toa anao ao...

54. Miharena ( 22/09/2017 19:17)
Aza dia avily aloha ilay fanontaniana farany mampanao imazinasion ireny zava-mitranga sy azo tsapain-tanana ireny e!

Ohatra : jereo Mama Hova ao amin'ny yotoba ao dia mba tantarao amiko hoe imazinasio io e! Mpamitaka io hoe !

Ataovy pratika tsara ny fandresen-dahatrao fa aza avilivily any amin'ny tsy misy idirany ny valinteny omenao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2573