Fanomanana fisaraham-panambadiana

1. mpilaza444 ( 20/08/2017 08:38)
Efa tsy mifanaraka intsony aho sy ny vadiko. Afaka avy hatrany de mametraka divorce eny Anosy ve aho fa tsy mila mampilaza azy. Mbola miray trano zahay. de ao koa ve no atao adiresiny?
2. felantsoa14 ( 21/08/2017 02:47)
Lasa ny saiko satria mpamaky sujet maro ato @ forum aho. Sao kosa lahy ka ny toetranao ry mpilaza44 no mahatonga anao sy ny vadinao tsy mifanaraka ? Sao dia ianao no antsoina hoe Belapin any @ forum moov ? Miala tsiny fa lasa otrany tsy hitako izay hamaliana anao
3. mpilaza444 ( 21/08/2017 12:36)
Tsia! Tsy marina ny fitsaranao ahy. Izaho aza mba iharan'ny tsy mety. Ny fitezana ankizy no tsy ifanarahako amin'ny vadiko. Tsy avelany mampianatra ny ankizy aho. Tsy avelany miteny ny ankizy. Tsy avelany mankany an-tanindrazako ny zanako ary vokisany hanevateva ahy. Vokany: mpamelona fotsiny aho fa tsy manana fahefana ao an-trano. Ny zanako lahy voalohany dia mpamalivaly ahy sy manao elahy ahy kanefa dia momba azy hatrany hatrany io vadiko io.Hametraka divorce aho fa toa ny tsy fananany vola fotsiny no mody ijanonan'io vadiko eo.
4. mpilaza444 ( 21/08/2017 12:39)

Raha mahafantatra ny zavatra anontaniako ianao dia mba valio aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.53