Ny Fitiavana sy ny Fivavahana/Finoana

61. Miharena ( 14/09/2017 18:55)
Tsy izany no izy tsinona ! Fa tsy hekenao mihitsy anie ilay resaka sy lojika mazava e!

Satria efa mivadika ilay fomba fijerinao araka ny saim-pantatrao ilay izy.
62. rhaj0 ( 15/09/2017 01:49)
ka ny Dieu Chrétien izany azany toa manadino an'i Papajatir.. Tsy fantany akoriny hoe i Pajapitar no namorona azy Dieu Chrétien. Dia tsy mahagaga raha mitanandranandrana toa io koa i Miharena ee...

Tsy maninona fa dia tairo ao izany ry Miharena aa.. Rahatrizay tonga saina ny Dieu Chrétien, izay ianao Miharena vao ho tonga saina koa izany eee..

Kely sisa fa ho avy izay andro izay, hozy RBNIR eee :-)
63. Miharena ( 15/09/2017 04:12)
Efa mivaona ny lohahevitra fa alefaso any amin'ny lohahevitra hafa.

Jerena eto raha mifoha ilay Rhaj0 na manoratsora-poana hatrany.
64. rhaj0 ( 15/09/2017 12:47)
tohizako indra yity...
rhaj0:
Fa ny tiako resahina, dia ny Fitiavana, araky notoriana tao @ Tempoly Hindou io teo. Ny takatro t@ tori-teny dia:
1- ny fototry ny Fitiavana (Hindou) dia ny Fahalalana.

1a- Mila mahalala ny tenanao aloha ianao

Ilay "filaminan'ny tenanao sy ianao" dia 1-ara-batana, 2-ara-fiaina, 3-ara-tsaina sy ara-po, ary ... 4-ara-panahy (méditation). Rakofan'ny Yoga daholo ireo.

1a.1- mila milamina (confortable sy à l'aise) @ tenanao ianao, @ fipetraka isan-karazany (dans toutes positions) ...

1a.2- mila mahafehy tsara ny fiaina (respiration) koa izany ianao ... Arahina @ ilay fitempon'ny fiaina, dia eritreretina ny vatana... Ny ifantohana, rahefa miaina milamina io, dia ny ampi-relaxe ilay vatana sy rantsambatana (sy ny hozatra...).

... dia ho moramora kokoa ny manao méditation @ fipetraka relax isan-karazany, miaraka amina fiaina milamina: izay ny tanjona farany.

1a.3- mila mahafehy tsara ny saina/fo izany ianao.
Ilay saina sy fo mantsy dia tena mandehandeha, ary indraidray dia misamboaravoara rahefa misy olana na tsy fahampiana iny ao ny fi(s)ainana.

Ka rehefa injay milamina ny fiaina sy vatana, dia afaka mifantoka @ io saina/fo io indray izany.

Koa izay voaeritreritra/voatsapan'ny fo/saina ao izany dia
- hoe, "ekena" (reconnaitre et accepter) ny fisehony sy fiantraikany eo. Dingana voalohany @ ivoarana io
- dia hoe, ezahina "tsindriana" na koa "ahilika" ity eritreritra/fahatsapana, indrindra ireo miiba. Fa koa, na miabo azany ny ao an-tsaina eo, dia ianarana koa ny amehezana ilay saina tsy handehandeha fa mba hikalamina.
- ilay fifantohana @ fiaina/vatana koa no azo ampiasaina "anilihana" ilay eritreritra mandehandeha

Eto izany raha efa voafehy tsara ny (fipetraky ny) vatana, sy ny fiaina milamina, ary rehefa kalamina ko ny fo sy sainaa, dia ... sahala @ ireny zazakely sambatra handeha hatory iny ianao eo izany.

Ka raha iverenana @ lohahevitra: iza no tsy tia zazakely sambatra handeha hatory iny rey olona aa??? Raha toa izay ianao, dia
- hainao, fantatrao ny tenanao, anananao ny fahalalana (mamehy) ny tenanao (vatana/fiaina/fo/saina) ho tonga @ io seho (etat) io
- ary dia ho tianao ny tenanao.
65. Miharena ( 15/09/2017 19:30)
Eto mba mazava ilay hevitra fa mitohy amin'ny lohahevitra.

Ka raha azoko tsara dia fifehezantena no ataon'ny Hindoue fa tsy misy finoana ao na iray aza.
66. rhaj0 ( 18/09/2017 11:09)
Ity indray aloha dia TSY ho takatry Miharena mihintsy na averina im-100 azany. Dia tena coincé mihintsy ny coco-ny eee... :-)

izao indray azany ampieritreretana an'i MIharena ee..

Hitanao rahefa mankany @ Tempoly ny HIndu, dia maka paozi-na yoga daholo ny "Mpino", ary ireo tena mahay azy, dia toa "zazakely sambatra handeha hatory iny", hany ka tonga ao aminy tsy nantsoina ry Ganesh sy Vishnu (meditasiO hozy sareraka)

Hitanao rehefa mankany @ Fiangonana ny Kristiana, dia ... mifampijerijery lamaody k'lou.. fa ny tena mahay azy, dia "mandohalika mikimpy mafy toa constipé" ary tena "toy ny rà ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin'ny tany" (Lioka 22:44)


ka ahoana... inona ny idiran'ny "fifehezan-tena" @ "finoana" ry MIharena??


Dia tandremo ho'a sao misavisavika ny "fifehezan-tena hindu" voaresaka io ambony io, fa raha manao io ianao MIharena, dia tonga dia tongavan'i Ganesh sy Vishnu ao ianao:
- Ganesh sy VIshnu dia "tonga tsy nantsoina" rahefa mi-yoga ianao...
- TSy mba sahala @ Jesosy izay "tonga tahaka ny mpangalatra" rahefa mandohalika constipé ianao..
67. Miharena ( 18/09/2017 14:44)
Ny tohin-kevitra ihany aloha no hita eto fa ny resaka fitiavana sy ny fivavahana ary ny finoana dia efa lasa mivaona indray.

Tsy resaka hoe tsy trakatra izay resaka lazainao fa possession Ganesh sy Vishnu izany kay ny anao kohh.

Tsy hita izay hidirany amin'ny fitiavana, fivavahana/finoana

68. rhaj0 ( 18/09/2017 15:02)
hi hi hi... mikorontana mihintsy ny coco-kelin'i Miharena. Toa te-mba ho "zazakely sambatra handeha hatory iny" nedala, satria i Jesosy koa mba tia zaza ihany mantsy. Takatr'i Miharena fa toa mety tokoany izany fampianarana Hindu izany, nefa indray, matahotra nedala fa ngo dia ho "tonga tsy nantsoina" eo i Ganesh sy Vishnu.

Ka dia anao ny safidy ry Miharena aa... eritrereto tsara aho fa:
- ny "tonga tsy nantsoina", matetika, dia tonga amim-pitiavana. I Ganesh sy Vishnu izao tia ny "zazakely sambatra handeha hatory iny" dia tonga
- ny "tonga tahaka ny mpangalatra" indray, dia matetika loatra, tonga hanimba sy hamotika amin-tsain-dratsiny. Izay ilay hahatongavan'i JEsosy izy teo oo??


Dia rahefa miasa eo ihany ny coco-kelin'i Miharena, dia tonga saina nedala hoe, tena "zéro manatody" marina anie izany resa-Baiboly izany
- tsy vitan'ny TSISY n'inon'inona, TSISY torolalana mba manampy ny hampasambatra toa "zazakely sambatra handeha hatory iny"
- fa aiza nama koa, ny fanoharana mba atolotry ny Baiboly, na akoriny aza i Jesosy en personne, dia hoe "tonga tahaka ny mpangalatra".. ntsss... mba mitaiza na mampianatra ve ianao ry Miharena dia ohatra fanoharana toa izany no mba tsetsatsetsahinareo aaa?? raha tsy kondrana koa ho tara @ izany resaka izany...
69. Miharena ( 19/09/2017 13:38)
Aza maniratsira satria tsy nisy tonga tamin'ny sain-dratsy teo na dia kely aza fa ny hanasitrana ny marary sy ratsy fanahy mila avotana no natao.

Ataovy ara-Baiboly raha nisy fanirian-dratsy ny nanomezana ireo anatra marobe ao ireo aloha.

Ary lazao koa fa raha misy milaza hoe tsora-kazo no ampiasaina hanitsiana dia ataovy koa hoe adala ny mpitaiza anao ka na manaotao foana toa ny inona aza fa tsy mahatsiaro tena mihitsy dia tsy azo kapohina hahalala hoe tsy mety anie io ataonao io Rhaj0.

Ataovy ihany !

Rehefa anarina hoe tsy mety io Ganesh sy Vishnu io dia ataovy ihany.

Ny fanoharana dia fitaizana mahafa-po azo ianarana tsara sy hanitsiana ny tena fa ianao no mety tsy dia kopy araka ny fitenin'ny tanora.
70. rhaj0 ( 19/09/2017 14:19)
Miharena:
tsy nisy tonga tamin'ny sain-dratsy teo na dia kely aza fa ny hanasitrana ny marary sy ratsy fanahy mila avotana no natao.

Aboahy eto indray azany ry Miharena ilay toko aman'andininy nilazan'i JEsosy ny fahatongavana "tahaka ny mpangalatra", dia iaraha-mahita eto raha resaka "hanasitrana ny marary sy ratsy fanahy" araka ny fiolazanao Miharena no ahatongavana "tahaka ny mpangalatra".
71. Miharena ( 19/09/2017 14:34)
Izay tsy miomana no ahatongavana tahaka ny mpangalatra.

Ny mihevitra fa tsy misy mijery sy mitsara ny ataony.

Ny mihevitra fa tsy misy fiainana aorian'ny fandaozany ny tany.

Ireo aloha fa tsy ilaina akory ny manao toko sy andininy eto satria amin'ny andro fitsarana no isian'io tranga io.

Tsy efa isan'ny fahatongavana ve ohatra izao fotoana izao izay ahitana ireo efa adala tsy mahalala izay hahaverezan'ny fanahiny? Efa anarina fa eeee! Tenenina foana fa eeee!

Dia miala ilany amin'ny hoe tsisy Andriamanitra Mpahary sy ny Iraka hamonjy fa akimpy ny maso, moa va tsy toy ireny aostrisy manitrika ny lohany anaty fasika dia hoe tsy hitan'ny olona hono ny vatabeny!!

Tsy ny fitenenana hoe tsy misy Jesoa no tsy hampisy AZY satria IZY efa teo hatrizay. Na koa hoe fitenenana ho anaty imazinasion ny olona no mampisy AZY no hahafoana ho azy AZY.

Aza manonofy! Mifohaza ho'aho Rhaj0!
72. rhaj0 ( 19/09/2017 14:42)
Aiza ilay toko aman'andininy ry Miharena aa... Inona ny resaka (contexte) tao:
- "hanasitrana ny marary sy ratsy fanahy", araka ny filazanao Miharena be lazao taloha teo,
- sa indray, ho an'ny "mihevitra fa tsy misy mijery sy mitsara ny ataony", araka ny filazanao Miharena be lazao io indray.

inona tsara ilay fahatongavana "tahaka ny mpangalatra" araka ny sora-Baiboly, fa tsy izay tiatianao tenintenenina avy eny ambony alitara eny dia mety daholo ee...

Fa tohizo foana ho'a io fanaonao io ry Miharena aaa... tsingologolohy dia avilambilano ho araka ny saim-pantatrao TSY ampy finoana io Baiboly io..
Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany.. avelao ianao Miharena ho hitan'ny havanao (Kristiana) ao... Dia ataonao fa TSY hitaNY angaha ianao sy ny fomba ratsinao io :-)
73. Miharena ( 19/09/2017 14:47)
Ny conteksta izany anie efa fantatra hatramin'ny namoronana izao tontolo izao sy ny namadihana ny marina mba handainga daholo ny olombelona tsy hahalala na inona na inona afa-tsy ny kibony e!

Dia mba anarina dia milaza fa TSY IZY IO MPANANATRA IO.

Dia milaza ILAY MPANANATRA HOE HO AVY TOY NY MPANGALATRA AZA AHO IZANY rehefa avy nanome lesona be dia be taminareo ka izay tsy mahay lesona dia ho voasazy.

Dia hoy ilay mpahay sy matsilo saina sady filozofa hoe : imazinasion-nao izany Jesoa ah! Tsisy idirako!!

Sa ahoana hoy Rhaj0?
74. rhaj0 ( 19/09/2017 15:12)
Aiza ilay toko aman'andininy ry Miharena aa..

Sa tonga saina ianao Miharena fa mpanao belazao, satria TSISY ifandraisany mihintsy
- izay nolazainao teo ny @ "tonga tahaka ny mpangalatra"
- sy ny resa-Baiboly ny @ "tonga tahaka ny mpangalatra" ??

Tsara rahefa tonga saina kah..
Ary efa hay tsara koa izao ny fihetsik'i Miharena rehefa "tonga saina" izy... araka ny nolazain'i Endriny in-1 mandeha hoe, manao lalalalalalala.. = resaka tsisy lohany tsisy volony ary tsisy ifandraisan'izay resaka eto, ary tsy mamaly resak'olona
75. Miharena ( 19/09/2017 17:15)
Valio aloha ilay fanontaniana hisian'ny fitohizan-kevitra.

Miala ilany an!
76. rhaj0 ( 22/09/2017 14:14)
Efa nakisako ity ry Miharena aa... Fa rahefa mba hanontaniana ry MIharena, ohatra hoe "Aiza ilay toko aman'andininy" dia manao bemarenina.. Nefa raha hanitrikitrika ry MIharena hoe "Valio aloha ilay fanontaniana" dia tsisy henatra. Nefa efa betsaka ihany izay voavaly @ resak'i Miharena izay, natomboko @ quote mihintsy. Fa izay moa ny toetran'i Miharena (Kristiana) ka dia... avelao izy ho hitan'ny havany ao.

Ka fanontaniana (kidala) inona indray no mbola tsy voavaly azany ry MIharena aa..
77. Miharena ( 22/09/2017 19:21)
Okay e!

Ianao anie no tena manao bontolon-kevitra dia mba hahitsy e! Aza miala ilany hoy aho teo!

Dia aleo any amin'ilay tohin-dresaka ary no jerena indray hoe mandeha tsara ve ilay rohin-kevitra sa ho very anjavony fotsiny satria misy mitady hanao bemarenina tsy ny fanontaniana no valiana fa miala ilany foana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2441