Aleo angamba afindrako eto ny mikasika ny Lioka 13. 3

81. Miharena ( 18/09/2017 15:36)
Tsy resako io fa resak'i Paoly no milaza sy mananatra ny olona izay mahazo fanomezam-pahasoavana hanao faminaniana tamin'io fotoan'andro nanoratany io. Ataoko fa mety amin'ny fotoana rehetra ny teny toy ireny hanaovan'ny Tompon'ny teny famantarana ny momba AZY.

Izay aloha ilay diksionera.

Fa io resaka Lioka 13:3 io dia mampitandrina ary na dia efa tamin'izany fotoan'andro izany aza dia mbola mihatra hatramin'izao itenenantsika izao.

Dia toy izany aby ireo Teny ao anaty Baiboly ireo izay milaza fa na dia ho levona aza izao rehetra izao, ny Tenin'Andriamanitra tsy ho levona mandra-pahatanterak'izy rehetra.

Mety azo raisina ilay resak'i Endriny hoe tsy misy intsony ny mpaminany fa na izany aza ny tena marina dia misy ny Iraka maro manambara ny fahatanterahan'ny faminaniana. Ka mety ho izay no lazain'i Paoly.
82. rhaj0 ( 18/09/2017 15:59)
Manaiky matoa tsy ... mamaly izany i Miharena, fa ny "faminaniana" dia ATAO-n'ilay Olona ao.. HONO. Satria izay koa hozy i Saoly lasa Paoly ao @ Romana.

Nataok'ty hoe, i Atra no "mibitsika", na hoe "mahare feo" ilay Olona...

Izany hoe,
- TSY ilay Olona no "manao" ilay "faminaniana" (araka ny resak'i Paoly ao @ Romana),
- fa ilay "resaka" no tonga misisika ao @ ilay Olona, izay mamerina ny resaka, kipantsina, fotsiny fa TSY manao resaka


Ka ianao Miharena, izay nihambo ho "kipantsin'Atra", moa va ny resaka ataonao (eto) dia:
- i Atra no tompon'ny resaka, fa ianao mpamerina fotsiny, sa
- ianao no tompon'ny resaka, satria ianao no "manao ny resaka"???
83. Miharena ( 18/09/2017 17:10)
Mpamerina fotsiny aho raha ny marina fa ny olana anie ho aho, rehefa misy mpamerina dia tsy eken'ny olona tsy mandinika tsara hoe izany no izy e!

Na ny mamaky Baiboly aza moa tsy ataony satria hono hoe tsy misy izao niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany izao fa notefitefena arak'izay nitiavana azy ilay Baiboly misy.

Ny mpaminany sandoka no manefitefy izay tiany aparitaka amin'olona raha ny marina.

Ny tena mpaminany anie raha zohina izany dia ireo izay manaiky hampita izay voalaza aminy na hampilazaina azy avy amin'ny vavan'ny Tompon'ny teny.

Ka ireo karazana ireo dia misy mandrak'ankehitriny fa raha tsy izay no izy dia tsy velona Andriamanitra sy Jesoa fa matory nandritra ny 2000 taona latsaka ary tsy mitaiza ny olona.

84. rhaj0 ( 18/09/2017 17:51)
Saoly lasa Paoly:
Romana 12:6 ... raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;

Miharena manipaka an'i Paoly:
Ny tena mpaminany anie raha zohina izany dia ireo izay manaiky hampita izay voalaza aminy

Bravo Miharena... Firo any @ izay izao fampianaran'i Saoly lasa Paoly ao izao izany ee... :-)
Dia ireo rehetra miambo ho "mpaminany" ankehitrio, ry TSaratsara mbamin-dry Mailhol sy Hrnrn-dRBNIR, dia zohio tsara raha "mampita" na "manao" koa. Raha be kibo izy (na lasa mpanankarena tampoka tao), dia nitelin-kafatra izany, raha tsara indrindra, na namoromporona tao, raha ny tena izy.
85. Miharena ( 19/09/2017 03:21)
Matetika tokoa ny olons dia lavon'ny fijerena hoe manan-karena niandalana ny fiangonana isan-tokony dia milaza fa tsy araka ny finoana intsony ireny.

Ireo mpanao jery bontolo tsy mahalala afa-tsy vola no maha-rangahy, izany hoe mpanao sampy ny vola aman-karena fa tsy te-hahalala an'Andriamanitra no mpanao kiana toy izany.

Asa hoe sao hisy handrombaka ny hareny angaha sy ny toy ny hoe miady amin'ilay fiangonana satria lasa tao ny havany izay nety nanampy azy taloha dia vao lasa olon'ny finoana dia lasa adidy any am-piangonana daholo no betsaka fa kely sisa nipitsika tany aminy.

Fialonana diso toerana no mahatonga ny olona manao io filazalazana toa anao io Rhaj0.
86. rhaj0 ( 19/09/2017 13:00)
Miharena:
Fialonana diso toerana no mahatonga ny olona manao io filazalazana toa anao io Rhaj0.

Izao ve no tori-teny fataon-dry Miharena iarovany ny fanambakana fataon-dry TSaratsara mbamin-dry Mailhol sy Hrnrn-dRBNIR??

HOno ho'a ry namana (Kristiana) eraky ny serasera.. maharesy lahatra anareo ve izany??
87. Miharena ( 19/09/2017 13:43)
Ny olanao anie Rhaj0 dia rehefa iresahana fa manana fomba fijery mirona any amin'ny zava-poana dia mihevitra fa manana ny marina ka tsy tokony hotsikeraina amin'izany e!

Tsy ny vola sy harena voangona no vontoatin'ny fivavahana sy fitaizam-panahy fa fahasitranana sy fiadanana ary fiainana mandrakizay.

Izay miadana am-po dia afaka manana amby hozaraina amin'ny fiangonana hanaovana ireo adidy maro iraisana.

Dia rehefa misy miray hina toy izany dia tsatsoin'ny hafa bemaso sy mararin-karena dia io fomba io no mandehandeha eran'ny seraserany hanatsatsoany ny fivavahana izay masina eo anatrehan'izay manao izany.

Mety tsy manan-kasina harovana mihitsy moa ireny ateista ireny angamba fa efa tsisy fanahy hotezaina rahateo koh!

Sa hoe aaa !
88. rhaj0 ( 19/09/2017 14:21)
Miharena:
Fialonana diso toerana no mahatonga ny olona manao io filazalazana toa anao io Rhaj0.
(..)
Tsy ny vola sy harena voangona no vontoatin'ny fivavahana sy fitaizam-panahy fa fahasitranana sy fiadanana ary fiainana mandrakizay.

Izao ve no tori-teny fataon-dry Miharena iarovany ny fanambakana fataon-dry TSaratsara mbamin-dry Mailhol sy Hrnrn-dRBNIR??

HOno ho'a ry namana (Kristiana) eraky ny serasera.. maharesy lahatra anareo ve izany??
89. Miharena ( 19/09/2017 14:49)
Aza maka namana rehefa milaza fa tsy Kristianina aloha e!

Tsy aleo ve aloha ianao mivavaka vao manontany toa io Rhaj0?
90. rhaj0 ( 19/09/2017 15:18)
Bravo MIharena... sirika ny toetrany..
Hay va re raha tsy "mivavaka aloha" tsy mba "namana" amin-dry Miharena..

ARy raha TSY "mivavavaka" toa anao "mivavaka @ Tsaratsara" ve ilay Kristiana dia mboa TSY namanao ihany? Sa ...
91. Miharena ( 19/09/2017 17:09)
Ilay maka tohan-kevitra no tiana lazaina eto. Maninona moa no maka tohan-kevitra avy amin'ny Kristianina ianao rehefa miziriziry manaratsy Kristianina?

Mba asio fiheverana aloha.

Tsy milaza izany hoe tsy naman'ny Kristianina ianao satria olombelona mitovy ihany isika fa ilay efitra ara-tsaina atsanganao no tena raharaha eto.
92. rhaj0 ( 19/09/2017 20:22)
Miharena:
Fialonana diso toerana no mahatonga ny olona manao io filazalazana toa anao io Rhaj0.
(..)
Tsy ny vola sy harena voangona no vontoatin'ny fivavahana sy fitaizam-panahy fa fahasitranana sy fiadanana ary fiainana mandrakizay.

rhaj0:
Izao ve no tori-teny fataon-dry Miharena iarovany ny fanambakana fataon-dry TSaratsara mbamin-dry Mailhol sy Hrnrn-dRBNIR??

HOno ho'a ry namana (Kristiana) eraky ny serasera.. maharesy lahatra anareo ve izany??

Miharena:
Aza maka namana rehefa milaza fa tsy Kristianina aloha e! Tsy aleo ve aloha ianao mivavaka vao manontany toa io Rhaj0?

Ilay maka tohan-kevitra no tiana lazaina eto

he he he... asa ahoana no (mba) famaly sy famakin-dry Miharena resaka.
Nanontany tsotra fotsiny aho hoe, "maharesy lahatra anareo ve izany"..
Raha Eny ny valiny dia tsara, raha Tsia dia tsara koa.

Fa dia ao ianao sy ny sain-dratsinao izany ry Miharena aa.. Ny Kristiana namano azany moa tsy mandraharaha.. ka dia...
Voninahitr'Atra daholo ny anao izany eee :-)
93. Miharena ( 19/09/2017 23:58)
Mihorohoro Rhaj0 satria mihevitra fa manana namana rehefa manao firehana manohitra sy tsy manana sehon-kevitra mazava. Ahoana tokoa moa no hiheveran'ny olona anao aloha hatramin'izao e!

Mba mijoroa hoe vavolombelona fa tsy misy ny Mpahary aloha e! Tsy niteny IZY, Ny teny dia niforomporona ho azy fa tsisy tompony sns...

Aza avily ny resaka fa tonga dia hitsio tsara sady aza maka referansy gogola fa izay ao anaty tsinaimaintinao ao aloha no tiana ho fantatra dia ataovy matotra fa tsy izao imazinasio izao foana no tatatataina lava eto.

94. rhaj0 ( 22/09/2017 16:28)
hi hi hi ... ka ny antso na fanontaniana ataoko eto anie efa namboariko tsara ry MIharena ee :-)
Hoe, misy "namana" "Kristiana" "tsara sitra-po" ve eto..

Ka rahefa tsisy mamaly dia, avy ny fanontaniana manaraka
- ny "namana" ve no tsy misy eto
- sa, ny "Kristiana" no tsy te-hamaly
- sa ny "tsara sitra-po" no tsisy
- sa ny "namana" "Kristiana" no tsisy
- sa ny "Kristiana" "tsara sitra-po" no tsisy
- sa ...

Dia efa kOpy ny "namana" "Kristiana" "tsara sitra-po" ary dia vao mainka izy tsy miresaka eto eee..
araka ny efa nanampoizako azy :-)
95. Miharena ( 22/09/2017 19:25)
Raha hoe tsara sitrapo, dia izay mamaly anao sy mananatra anao eto Rhaj0 no tsara sitrapo.

Fa ianao moa mba anontaniana zavatra tsotra dia miala ilany.

Izany ve no toetran'ny ateista kay!

Toy ny bibilava miala ilany rehefa mba anontaniana.

Dia tratra indray ianao eto izao, tsy mamaly ilay fanontaniako fa zavatra hafa indray no lazaina.
96. endriny ( 27/09/2017 04:06)
Angaha ny bibilava misy ilany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5634