Aleo angamba afindrako eto ny mikasika ny Lioka 13. 3

1. endriny ( 15/08/2017 11:58)
« Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. » (Lioka 13:3)

Ka ny fanontaniako amintsika izany dia izao: Mpanota sy tsy nibebaka izany ry Jesosy sy ny mpianany satria dia naringan'ny Jiosy sy ny Raomanina? Sa hoe tsy azo ampiharina amin-dry zareo ity zavatra nambarany ity?
novalian'i endriny ny 27/09/2017 04:06
2. RBNIR ( 15/08/2017 16:10)
Misy karazany ny olona voaringana anaty baiboly, misy ireo ringana noho ny fanarahana ny fahamarinana, misy kosa ireo voaringana noho ny tsy fanarahana ny fahamarinana
3. rhaj0 ( 15/08/2017 17:26)
Ka i Andtrmna daholo azany ve ry RBNIR no "nandringana" ireo "nanaraka ny fahamarinana" SY ireo "TSY nanaraka ny fahamarinana"???

IZany hoe:
- nirahin'Andrmntra ireo Jiosy sy Romana "handringana" an'i Jesosy sy ny mpianany
- nirahin'Andtrmna ireo Anjely "handringana" ireo Kristiana tsy mibebaka...

IZay ve??
4. tspoaeta ( 16/08/2017 05:48)

endriny:

Ka ny fanontaniako amintsika izany dia izao: Mpanota sy tsy nibebaka izany ry Jesosy sy ny mpianany satria dia naringan'ny Jiosy sy ny Raomanina?

Ilay tra-doza tany ankazobe aza ripaka nefa tena mpibebaka be ka mainka fa ireo zay mpanota sy tsy mibebaka. Fa angaha moa tsy mpianatr'i jesosy ireny tany ankazobe ireny aminao?
5. tspoaeta ( 16/08/2017 05:54)

rhaj0:

Ka i Andtrmna daholo azany ve ry RBNIR no "nandringana" ireo "nanaraka ny fahamarinana" SY ireo "TSY nanaraka ny fahamarinana"???

IZany hoe:
- nirahin'Andrmntra ireo Jiosy sy Romana "handringana" an'i Jesosy sy ny mpianany
- nirahin'Andtrmna ireo Anjely "handringana" ireo Kristiana tsy mibebaka...

IZay ve??

I jesosy = a/tra. Dia izany hoe namono tena izany jesosy @ RBNIR
6. RBNIR ( 16/08/2017 06:46)
rhaj0:

Ka i Andtrmna daholo azany ve ry RBNIR no "nandringana" ireo "nanaraka ny fahamarinana" SY ireo "TSY nanaraka ny fahamarinana"???

IZany hoe:
- nirahin'Andrmntra ireo Jiosy sy Romana "handringana" an'i Jesosy sy ny mpianany
- nirahin'Andtrmna ireo Anjely "handringana" ireo Kristiana tsy mibebaka...

IZay ve??


Izao no voasoratra any amin'ny 1 petera any...

« Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo; » (1 Petera 3:14)

Izao indray kosa ny voasoratra any amin'ny bokin'ny apokalipsy...

« Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao; » (Apokalypsy 16:5)
« fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany. » (Apokalypsy 16:6)


Araka ny hevitrao rhajo, iza no voalaza eo amin'io teny io fa nandatsaka ny ran'ny olona masina sy ireo mpaminany (mpanaraka ny atao hoe fahamarinana)???
7. RBNIR ( 16/08/2017 06:47)
tspoaeta:

I jesosy = a/tra. Dia izany hoe namono tena izany jesosy @ RBNIR

Io koa fa tratran'ilay aretina iray mpahazo an'i rhajo (mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko)
8. rhaj0 ( 16/08/2017 12:10)
RBNIR:
iza no voalaza eo amin'io teny io fa nandatsaka ny ran'ny olona masina sy ireo mpaminany (mpanaraka ny atao hoe fahamarinana)

T@ Jesosy teny @ hazo fijaliana tokoany, dia raha ny kely fantatro, dia ARAKA NY LALANA nisy tao moyen-orient-de-l'an-zero, dia, voatondro fa nandika lalAna i Jesosy.

Nefa moa, tsisy avocat mahay mba niaro azy, sady Jesosy koa moa toa tsy (nahay) niaro-tena, na hoe, mety tena efa suicidaire izany izy ohatra, na koa, asa... nanantena pere noel na pere noah hanala azy avy eny ambony hazo (mazia-mirakla), dia navelany ny fizotran'ny Fitsarana hamono azy tao eee...

Dia ireo "mpaminany" hafa koa, raha ny kely takatro, dia NANDIKA LALANA nisy tao moyen-orient-de-l'an-zero, ary dia voasazy @ maha-mendrika zy tao.

Ka TSY i Andmntra izany no "nandringana" ny "nanao ny fahamarinana ara-baiboly fa tsy ara-piaraha-monina-de-l'an-zero, ka dia "ringana" araka ny lalana velona t@ izany izany ireto olony e...

raha ny marina, dia tena TSISY IDIRAN'ANDRMTNRA mihitnsy izany rehtra izany.
9. RBNIR ( 16/08/2017 13:26)
rhaj0:

T@ Jesosy teny @ hazo fijaliana tokoany, dia raha ny kely fantatro, dia ARAKA NY LALANA nisy tao moyen-orient-de-l'an-zero, dia, voatondro fa nandika lalAna i Jesosy.

Raha marina izany dia tsy niteny an'ity i pilato sady tsy nanasa tanana izy...

« Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako. » (Lioka 23:22)

Jereo tsara fa efa fanintelony i pilato no namerina fa hoe "tsy hitako izay helony...."
10. rhaj0 ( 16/08/2017 15:15)
Ka izay ny fiaraha-monina-moyen-orient-de-l'an-zero, dia rahefa tsy manaja ny lalam-piarahaa-monina ianao, na Jesosy ianao na Jesira na Jesakay, dia io iharan'ny FITSARAM-BAHOAKA io ee...

Fa eto no hoe, raha "nisy" izany Andtmrna mahavita mazia-mirakla izany, dia nety tonga teo izany Izy, nanidina sahala @ Spiderman, dia noraofiny i Jesoy ho afaky ny lalam-piaraha-monina fitsaram-bahoaka eee... I Jesosy rahateo toa efa nibaradaka dia niantso vonjy sy nanantena mazia-mirakla, fa TSISY eee...

io ho'a raha ny marina, dia tena TSISY IDIRAN'ANDRMTNRA mihitnsy izany rehtra izany eee...

Na ny marimarina kokoa: tena TSISY Andrmntra izany fa ny imazination no mamokatra beuh...
11. RBNIR ( 17/08/2017 08:06)
rhaj0:

io ho'a raha ny marina, dia tena TSISY IDIRAN'ANDRMTNRA mihitnsy izany rehtra izany eee...

Na ny marimarina kokoa: tena TSISY Andrmntra izany fa ny imazination no mamokatra beuh...

Raha ny momba ny "tsy maintsy nahafatesan'i JEsosy manokana aloha dia ity"....

« Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo. » (Matio 16:21)
« Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany! » (Matio 16:22)

Izany hoe drafitra efa napetraka fa tsy maintsy ho faty IZY....

Petera moa (mitovy hevitra amin'ny olona toa anao izao) dia nilaza hoe Sanatria aminao izany, nefa hoy i Jesosy taminy....

« Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. » (Matio 16:23)
« Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. » (Matio 16:24)


Fa maninona no tsy maintsy nandalo fahafatesana i Jesosy????

Valiny???

Hanaporofoina amin'ny olona fa tena misy ilay fitsanganana amin'ny maty....

« Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny. » (Lioka 24:1)
« Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana. » (Lioka 24:2)
« Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo. » (Lioka 24:3)
« Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra. » (Lioka 24:4)
« Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? » (Lioka 24:5)
« Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: » (Lioka 24:6)

« Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola taty aminareo ihany Aho. » (Jaona 16:4)

Maninona no tsy maintsy noporofoina fa tena misy ny fitsanganana amin'ny maty???

« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Korintiana 15:14)
« Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. » (1 Korintiana 15:15)
« Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:16)

Koa averiko aminao hatrany, matoa aho milaza hoe tena misy kristy dia tena misy Izy, ary tahaka ny firesahantsika izao no firesahany amin'ny olona izay tiany horesahina.....

Averiko tsara amin'izay olona tiany horesahina (fa tsy ny olona rehetra akory).....

Ity nisy iray henoy izy....





Araka ny hevitrao...Ny fahafatesan'i Kristy v misy idiran'Andriamanitra sa tsia?????



12. RBNIR ( 17/08/2017 08:22)
Raha fantatry ny devoly io drafitra nataon'Andriamanitra io dia tsy ho novonoiny ho faty i Kristy....


« ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. » (1 Korintiana 2:8)
13. tspoaeta ( 17/08/2017 13:31)
za alo ts hamaky an'io gazetibe an'i RBNIR io e. k'rats voasazy aho k hamaky an'io
14. rhaj0 ( 17/08/2017 14:58)
RBNIR:
... drafitra efa napetraka fa tsy maintsy ho faty IZY.... Hanaporofoina amin'ny olona fa tena misy ilay fitsanganana amin'ny maty....

Teoria (na imazination) anao RBNIR IRERY ao izany..
Ny ato @ imazination-ko (irery) ato indray, dia:

1- K'efa fantatr'i Jesosy fa mandika lalAna izy @ izay ataony ao, ary efa tsinjony fa ho hiharan'ny FITSARAM-BAHOAKA Izy, na Jesosy na Jesira na Jesakay ho'a no anarany.
Dia rehefa samy maty ihany, dia mba ... maty en beauté izany ny mba revirevin'i Jesosy ee...

2- Ilay "hanaporofoina" indray.. maninona no belazao be @ ilay hoe "sambatra izay mino nefa tsy nahita" atsy ambadibadika azy, dia eto anefa, asaina "mahita" indray izanny ny olona???
15. Miharena ( 17/08/2017 17:27)

rhaj0:

RBNIR:
... drafitra efa napetraka fa tsy maintsy ho faty IZY.... Hanaporofoina amin'ny olona fa tena misy ilay fitsanganana amin'ny maty....

Teoria (na imazination) anao RBNIR IRERY ao izany..
Ny ato @ imazination-ko (irery) ato indray, dia:

1- K'efa fantatr'i Jesosy fa mandika lalAna izy @ izay ataony ao, ary efa tsinjony fa ho hiharan'ny FITSARAM-BAHOAKA Izy, na Jesosy na Jesira na Jesakay ho'a no anarany.
Dia rehefa samy maty ihany, dia mba ... maty en beauté izany ny mba revirevin'i Jesosy ee...

2- Ilay "hanaporofoina" indray.. maninona no belazao be @ ilay hoe "sambatra izay mino nefa tsy nahita" atsy ambadibadika azy, dia eto anefa, asaina "mahita" indray izanny ny olona???



Mba handray anjara kely aho eto aloha Rhaj0 sy RBNIR

Io indray ianao sy imazinasion nao Rhaj0 rehefa tsy mahita havaly an!!

Mba hovay indra yilay diska fa efa goaka namana a!!

Raha ny marina manko tsy imazinasio-ko na imazinasion'i RBNIR no voambara eo ambony fa teny ao anaty Baiboly.

Ka manana ianao fahatsorana aloha rehefa miresaka fa manjary miteniteny foana ny farany ..!
16. rhaj0 ( 17/08/2017 18:06)
Dia tena tsy hitanao ve ry Miharena, fa ao anaty Baiboly ao, dia "fitsaram-bahoaka" no nahavoa an'i Jesosy?? Tsy i Pilato no nanindry fa ny "fitsaram-bahoaka".

17. Miharena ( 17/08/2017 18:20)
Mazava be fa fitsaram-bahoaka ary politika no nihatra teo.

Mazava izany satria fantatra fa vahoaka mpihodina tsy mahalala izay zava-miafin'ny Fiainana fa mpandray an-tendrony daholo.

Dia io no nihatra ary efa fantatra fa hihatra ho an'izay voairaka avy any an-danitra na avy any Amin'Ilay Mpamorona.

Ka ilay vahoaka sasany aza (Pilato sy ny tariny) efa tsy mino ny fisian'izany Jehovah izany tamin'io koh.

Aiza moa no tsy ho feno ny fepetra namonoana Azy??!
18. rhaj0 ( 17/08/2017 18:34)
Miharena:
Mazava be fa fitsaram-bahoaka ary politika no nihatra teo.

Nataok'ty fa "plan'Atra" no "nihatra" teo. Sa "plan'Atra" ny "fitsaram-bahoaka" ???

Mba sampona kosa ianareo lehiroa aa...
19. Miharena ( 17/08/2017 18:45)
Hihihi ! Tsy sampona io Rhaj0 a!

Mazava be io. Tsy resaka planina io fa zavatra hihatra efa voambara tao anaty Baiboly.

Io ilay hoe vao tsy miteny akory dia efa fantatra fa izay no hitranga saingy tamin'ity dia nosoratana tany aloha be tany fa hihatra rehefa ho tonga tokoa Ilay Iraka.

Mampahatsiahy ny nahazo ny Titanic tamin;ny 1912 ity tantara ity. Nanoratra efa tamin'ny taona 1898 tany i Robertson ary nataony hoe futility ilay tantarany ka nilazany fa rendrika ny sambo Titan izay faran'izay raitra.

Dia nitranga ilay Titanic taty aoriana ary iceberg koa no nahavita azy teo.

Ny marina dia vakiana fotsiny ilay zava-nihatra tamin'i Jesoa satria efa fantatra fa mafy hatoka no hanarina sy ampianarina.



20. gasy1zay ( 17/08/2017 21:50)
ô ry RBNIR!!! Inona re ty lazainao ry rahalahy? Ny nafahatesan'i Jesoa Kristy dia nisolo voina antsika mba tsy ho faty noho ny fahotantsika isika :" zay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny ràny" , "dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin’ ny fahatezerana ho avy"

Hoy Paoly : Fa natolotro anareo ho isan’ ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina

ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ ny tenany teo ambonin’ ny hazo, mba ho faty ny amin’ ny ota isika, fa ho velona ny amin’ ny fahamarinana;

ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’ izao tontolo izao koa.

Tena malahelo ao RBNIR mahita anao mivavaka be nefa tsy mahafantatra akory ny antony nanoloran'i Jesoa Kristy ny ainy teo @ hazo fijaliana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7527