Prof Fesera sy Prof Feta

61. Miharena ( 07/09/2017 18:25)
Voalaza ao anaty Baiboly daholo na ny fanahy na ny matoatoa.

Fa ny olanao anie Rhaj0 mitsipaka otomatika fotsiny rehefa mba ilazan-javatra e!

Nefa misy fampianarana amin'ireo rehetra lazaina ireo.

Ny fanontaniana misy dikany kokoa izao dia hoe inona ary ireo matoatoa ireo? Aiza no iainany ary nahoana no voasarika hiaina amin'ny toerana tsy tokony hahitana azy izy ireo??
62. rhaj0 ( 10/09/2017 15:34)
Ka dia velabelaro eto azany ry Miharena sy RBNIR aa..
- Fanahy SY Matoutou..
- sa, Fanahy = Matoutou.

Dia mba tsipi-kevitra anareo: isaka ny mamaky toko aman'andinim-Baiboly ao, dia zahavo tsara ihany aloha ny dika-teny Anglisy/Frantsay orijinaly, satria rahefa nandika an'ireo ho'a i Andrianaivoravelona, dia nafangaroarony t@ "finoana-primitiva"-ny ny resaka, ary dia mivaralila ilay "voasoratra dia voasoratra".
(takatrareo tsara fa efa niezaka nanitsinitsy ny Katolika... nefa dia vao mainka sampona fa asa ho'a iza aby koa no gasy nanodikodina voambolana sy resa-Baiboly tao @ Katolika gasy tao eee...).

Dia ny finoana-primitiva an'i Andrianaivoravelona eo ihany, fa ny finoana-primitiva-nao Miharena koa ohatra avaho tsara.
63. RBNIR ( 11/09/2017 09:05)
rhaj0:

Ka dia velabelaro eto azany ry Miharena sy RBNIR aa..
- Fanahy SY Matoutou..
- sa, Fanahy = Matoutou.

Araka ny tenin'i Jesosy hoy aho dia tena misy ny matoto...

saingy hoy aho hoe tsy fanahin'ny olona ilay izy satria ny olona maty dia ...« Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. » (Mpitoriteny 9:5)
« Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy. » (Mpitoriteny 9:6)

ny olona maty dia tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro...

Iza ary ilay fanahy matoto???

« Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. » (2 Korintiana 11:14)


i satana no mahay mampiova ny endriny (tahaka an'ireo olona maty taloha) dia izy no mampitahotra ny olona manao matoto...
64. rhaj0 ( 11/09/2017 13:13)
RAha ny fahazoako azy izany, araka i RBNIR, dia ny "Matoutou" dia tsy inona fa ny Devoly mitafy ny hoditry ny zanak'ondry..

Niova endrika ho toatoa an'ilay "olona teo" i Devoly, ary io miseho io mihaohao io

TSISY idiran'ilay "olona teo" ilay "mihaoha io", ary TSY "fanahi"-n'ilay "olona teo" velively koa io "mihaohao io", fa dia i DEvoly fotsiny ihany, izay mety "maka tahaka" na hoe misoloky ho toatoa ilay "olona teo".

Fehiny (ara-RBNIR) : Matoutou = Devoly

IZay izany an?
65. rhaj0 ( 11/09/2017 13:47)
Dia ity izao toa azo ahitatra @ ilay olona voan'ny Schizo @ resaka atsy.

Ny olona voan'ny schizo, dia ... tena i Devoly koa no mikoraraika ao fa TSY ilay olona.

Sa tsy izay izy io ry RBNIR??

Izany no "ivavahana" azy, ary dia io ataon'ny Loterana/Protestanta/Katolika io. TSY mila fanafody na Siansa izany ny Schizo @ ... Kristiana "tena izy", fa vavaka dia basy.

Mampome mahonena anefa eto, fa @ resaka Schizo indray, I RBNIR dia misabaka dia lasa miantsampy any @ "mpanao fanafody" ihany.



Tena idiran-doza mihintsy i RBNIR ity... Asa fotsiny ho'a ny vavan-Jesosy reny ao, arak'ilay hoe:
"Ry Taranaka Tsy Mino Sy Ratsy Fanahy"
66. Miharena ( 11/09/2017 17:42)
Ny hanampiako ny fahazoana azy tsara dia ity: ny devoly dia miditra an-tsehatra ao anatin'ny olona velona ary rehefa maty io olona io dia azony atao ny miseho amin'ny endrik'io olona io.

Izany hoe mpampiatrano azy taloha ihany ilay olona dia azony atao ny miseho amin'ny endriny.

Ny tiana ambara amin'izay dia ilay fanahy dia afaka miantrano ao amin'ny olombelona. Toy ny Fanahy Masina ohatra dia miantrano ao anatin'ny Kristianina ary io no mampiteny azy sy manome ny toetra araka ny sitrapon'Andriamanitra azy.

Ny devoly indray koa dia manana ny fanahy izay afaka manao izay asa fidirana anatin'ny olona izay. Ka raha hazavaina ilay resaka pipan'i dadabe ntaolo tao an-trano dia isan'ny nifikitra tamin'io dadabe dia io no devoliny nitampify tao nampifikitra ny tenany tamin'ilay pipa dia niverina tamin'ilay pipa ilay matoatoa manana ny endriny rehefa aty aoriana.

Rehefa tsy olona tena olona izany no mitsangana fa aloka, dia matoatoa izay ka azo roahina amin'ny Anaran'i Jesoa.

67. rhaj0 ( 11/09/2017 22:33)
Raha ny fahazoako azy izany, arak'i Miharena, dia ny fanahin-devoly no miborotsaka lasa "alok'ilay olona". Ary eto akoriny azany, hozy Miharena, dia (afaka) "nitampify tao @ pipan'i Dadabe ny devoly".

Fehiny (ara-Miharena) : Matoutou = Fanahin-Devoly
Fehiny (ara-RBNIR) : Matoutou = Devoly

IZay izany an?
68. RBNIR ( 12/09/2017 04:56)

rhaj0:

RAha ny fahazoako azy izany, araka i RBNIR, dia ny "Matoutou" dia tsy inona fa ny Devoly mitafy ny hoditry ny zanak'ondry..

Niova endrika ho toatoa an'ilay "olona teo" i Devoly, ary io miseho io mihaohao io

TSISY idiran'ilay "olona teo" ilay "mihaoha io", ary TSY "fanahi"-n'ilay "olona teo" velively koa io "mihaohao io", fa dia i DEvoly fotsiny ihany, izay mety "maka tahaka" na hoe misoloky ho toatoa ilay "olona teo".

Fehiny (ara-RBNIR) : Matoutou = Devoly

IZay izany an?

Izay indrindra rhajo!!!
69. RBNIR ( 12/09/2017 04:57)
Fanitsiana kely fotsiny : araka ny baiboly io fa tsy hoe araka i RBNIR akory...
70. RBNIR ( 12/09/2017 05:01)

rhaj0:

Dia ity izao toa azo ahitatra @ ilay olona voan'ny Schizo @ resaka atsy.

Ny olona voan'ny schizo, dia ... tena i Devoly koa no mikoraraika ao fa TSY ilay olona.

Sa tsy izay izy io ry RBNIR??

Izany no "ivavahana" azy, ary dia io ataon'ny Loterana/Protestanta/Katolika io. TSY mila fanafody na Siansa izany ny Schizo @ ... Kristiana "tena izy", fa vavaka dia basy.

Mampome mahonena anefa eto, fa @ resaka Schizo indray, I RBNIR dia misabaka dia lasa miantsampy any @ "mpanao fanafody" ihany.



Tena idiran-doza mihintsy i RBNIR ity... Asa fotsiny ho'a ny vavan-Jesosy reny ao, arak'ilay hoe:
"Ry Taranaka Tsy Mino Sy Ratsy Fanahy"


Arakarak'ilay aretina io e! olona mitaraina marary nify v ohatra dia lazaina koa fa devoly mikiakiaka????

ny aretinify anie mety ho sitran'ny paracetamol e!!! diclofenac sns....ka io moa hoy aho......
71. rhaj0 ( 12/09/2017 16:40)
Ianao ho'a ry RBNIR aza misabaka toa io fa manompa Jesosy anie ianao eee...

IZY no nanome, IZY no manasitrana, IZY no maka, IZY no mankatsy mankaroa,
IZY daholo daholo.


Inona no maha-samy hafa ny paracetamol sy ny tapa-kazon'ny Razanao? Nefa raha vao misy mampiasa an'Ikelimadity dia iantsoanao sy halazanao @ Hrnrn fa (fanaf)ody-gasy.

Triple henatra ee...
- Ny an'ny Razanao arianao,
- nefa ny an'i Dieu Chrétien sabakanao koa,
- ary ilaozanao misavika Siansa (anti-christianisme)
72. RBNIR ( 13/09/2017 08:02)

rhaj0:

Ianao ho'a ry RBNIR aza misabaka toa io fa manompa Jesosy anie ianao eee...

IZY no nanome, IZY no manasitrana, IZY no maka, IZY no mankatsy mankaroa,
IZY daholo daholo.


Inona no maha-samy hafa ny paracetamol sy ny tapa-kazon'ny Razanao? Nefa raha vao misy mampiasa an'Ikelimadity dia iantsoanao sy halazanao @ Hrnrn fa (fanaf)ody-gasy.

Triple henatra ee...
- Ny an'ny Razanao arianao,
- nefa ny an'i Dieu Chrétien sabakanao koa,
- ary ilaozanao misavika Siansa (anti-christianisme)

Miankina amin'ilay tapakazo io rhajo a! izaho izao misotro tambavy satria fantatro tsara hoe inona ary koa hoe avy aiza....

Raha nohamasinina tany amin'ny masina kosa tsy hihinana mihitsy aho na dia fanafody aza....
73. RBNIR ( 13/09/2017 08:20)
rhaj0:

- ary ilaozanao misavika Siansa (anti-christianisme)

Kristianina tsy mahalala ny marina izany....

« Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. » (Matio 9:12)
« Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota » (Marka 2:17)
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; » (Lioka 5:31)


74. RBNIR ( 13/09/2017 08:26)
siansa no resahin'i Jesosy eo sa inona?? rehefa marary dia mila mpanao fanafody.....miverina intelo ary olona samihafa no manoratra azy...

« Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. » (Marka 13:28)


Araka ny hevitrao siansa io lazain'i JEsosy io sa inona??? raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.....Siansa izany sa inona???

Farany, « Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany. » (Apokalypsy 13:18)

Miresaka momba numérologie Jesosy eo mba hahafahana midechiffrer ny anaran'ilay Bibidia....
Numérologie kabalistik no resahiny eo satria numero kabalistik no nampiasain'ny Jiosy tamin'izany fotoana izany....

Araka ny hevitrao siansa izany sa?????
75. RBNIR ( 13/09/2017 08:57)
Diso ny fiheverana fa rehefa kristianina dia ovaina ho lasa bado....Au contraire, ny kristianina manana ny Fanahin'i Jehovah, manana ny fahalalana ambony noho ny hafa.....

Miala tsiny, izay no marina satria ny fahalalana avy amin'ny Fanahy Masina dia Fahalalana avy amin'Andriamanitra.....
76. rhaj0 ( 13/09/2017 11:16)
eny ho'a ee... savisaviho daholo na tambavy na paracetamol, na fanafody ho an'ny schizo.. fa ny "fampianaran'i JEsosy" nataony "par l'exemple" ary voatatitra ao @ Baiboly ao, aza asiana sira.

Ahoana tokoany moa no iheveranao ry RBNIR fa fotaka+rora dia hanasitrana Jamba? na tain-tsofina+rora manasitrana Moana-marenina??? raha tsy mitapy oooo ???

Ahoana no ireritreretanao ry RBNIR, na dia 1 minitra fotsiny azany, fa rehefa "anaovana teny mahery" sy "ngenongenona lavareny" dia sitrana ho azy eo ny Schizo, satria lasa ny Devoly ?? SAdy @ izay koa hono "mila kisoa" andefasana ilay Devoly.. raha tsy gaigy ooo ???


Fa tsara fa tohizo ry RBNIR aa... Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany :-)

77. RBNIR ( 13/09/2017 11:21)
Aza mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko hoy aho!!!

Misy fotoanany ny zavatra rehetra, raha sitrapon'Andriamanitra dia teny iray fotsiny dia mampisy ny tsy misy.....
78. rhaj0 ( 13/09/2017 12:14)
he he he... ka "tsy mampiteny" anao anie aho fa "manontany".
Efa natako ananki-3 foana ny baraingo fa tsy mahita mihintsy ve nareo ry RBNIR aa??? :-)

Ka ovaina indray izany ny fanontaniana ee..

1- TEna mino ve ianao ry RBNIR fa fotaka+rora dia hanasitrana Jamba? na tain-tsofina+rora manasitrana Moana-marenina??? Na mivavaka mafy dia maharoaka Devoly, izay alefa any @ kisoa???

2a- Tena manaiky ve ianao ry RBNIR, fa rahefa niaiky ireo MpianaNY fa TSy mahavita ny vitan'i JEsosy, dia novalian'i Jesosy toatoa ny hoe, satria TSY ampy finoana ianaore???

2b- TEna manaiky ve ianao, fa rahefa tsy nahasitrana iretsy MpianaNY, dia tezitrabe Jesosy, ary namely an'ilay hoe: "Ry TAranaka Tsy Mino Sy Ratsy FAnahy"

Ivereno ny (famakianao) Baiboly, fa tena ao daholo ireo. Ary raha tena fidèle sy fier @ finoanao ianao, dia tena aboakanao mazava eto ireo toko aman'andininy mitantara an'ireo.


Ary dia ho takatrao tsara ry RBNIR, fa ianao dia pire noho ireo Mpianatr'i JEsosy, fa ianao RBNIR dia mpihatsara velatsihy, misabaka, fa TSY mba mahatoky ny "fanasitranana à la Jesosy". Ny vava sy ny vavaka anefa tahak'n'inona.

Ka hiandrasana "fotoana" oviana vao "hahatoky ny (fanasitranana) ataon'Andriamanitra" ianao ry RBNIR???
(rahoviana no arianao any izay paracetamol sy tambavy ary fanafody ho an'ny schizo??)
79. RBNIR ( 13/09/2017 12:45)
Izay rehetra voasoratra dia inoko!
80. RBNIR ( 13/09/2017 12:46)
Fa averiko hatrany aza malady mitsara fa manana ny fotoanany Andriamanitra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2609