Prof Fesera sy Prof Feta

41. rhaj0 ( 30/08/2017 18:06)
Miharena:
Aza manao hoe tsy misy ny afo ary tsy mandoro satria ny saibenao dia afaka manafoana izany

hi hi hi... ka ny "saibenao" ry Miharena, ilay @ imazination-nao, no "mamoromporona afo mandoro".

Dia takatrao fa TSY mahakasika anay izany eee :-)


Rahefa maty izao, ka alevina, dia lasa lô ny vatana. Ianao ve ry Miharena tsy mba nandeha Famadihana dia tsy nahita aa?? Dia vatana efa lasa vovoka (cendres) iny ve dia mbola "hodoranao" ao @ imazination-nao ao???

TEna manavy 'nareo lehiroa aa... :-)
42. Miharena ( 30/08/2017 18:12)
Efa ilazana ianao fa tsy maty io fanahinao io rehefa rava ny nofonao eto antany.

Aza dia milza hoe imazinasion izany fa izany no namoronana anao io. Raha tsy izany no izy dia tsy nisy ny Baiboly ary tsy misy avokoa izao rehetra izao voambara fa noforonina tao anaty Baiboly io.

Aza manao an'Andriamanitra tsy misy e!
43. rhaj0 ( 30/08/2017 18:18)
Dia ahoana azany ilay "mandoro fanahy" ry Miharena aaa...

Dorana @ afokasoka ve, sa @ kitay??

RAhefa mifoka sigara, na rehefa mahandro sakafo izany dia mety mirehitra h@ "fanahy" raha tsy mahalala hoe, aiza ho aiza ilay "fanahy" miolotra @ vatanao ao an...
44. RBNIR ( 31/08/2017 06:47)
rhaj0:

Dia ahoana azany ilay "mandoro fanahy" ry Miharena aaa...

Izao no tenenin'ny baiboly mikasika an'io....

« Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo*.[*Gr. gehena] » (Matio 10:28)

Hoy ilay teny hoe aleo matahotra Izay MAHAY mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo...

Misy izany Anankiray mahay mahavery ny fanahin'ny olona sy ny tenan'ny olona ao amin'ny helo...

Tsy aiko raha efa nisy tratran'ny tahakan'izao....Matory ianao dia misy force tsy fantatra mangeja mafy anao....te hitroatra mafy hanohitra fa tsy afaka....

Mino aho fa tsy izaho irery no efa tratran'ny tahakan'izany....
45. Miharena ( 31/08/2017 10:45)

rhaj0:

Dia ahoana azany ilay "mandoro fanahy" ry Miharena aaa...

Dorana @ afokasoka ve, sa @ kitay??

RAhefa mifoka sigara, na rehefa mahandro sakafo izany dia mety mirehitra h@ "fanahy" raha tsy mahalala hoe, aiza ho aiza ilay "fanahy" miolotra @ vatanao ao an...


Iombonako manana ilay fanamarihana nataon'i RBNIR eo aloha io.

Fa tsy mitovy ny fampitahana ny afokasoka amin'ny resaka ara-panahy Rhaj0.

Raha alaina amin'ny ohatra tsotra dia tsotra dia izay manana fahefana mandrindra ny fiasan'ny saina sy ny taova isan-karazany hahafahana manefa izay zavatra tanterahin'ny olombelona tsirairay no fanahiny. Tsy hita maso nefa miasa amin'ny hita maso, dia ny nofo izany.

Rehefa miala io fanahy io dia izay hita ao amin'ny bokin'i Enoka (Henoch hoy ny vazaha) no mitranga ary nitranga tamin'ireo olona izay nodimandry nefa niverina maro ny zava-misy ao.

Ny nahazo ireny nodimandry naverina ireny dia nahita lafiny roa hatrany : ny fiainana mandrakizay ho an'io fanahy io sy ny fahoriana mandrakizay any amin'ny helo, ho an'io fanahy io ihany arakaraka ny fanapahan-kevitra ao amin'ny tontolon'ny fanahy ao.

Izay no zavamisy dia anjarantsika mitsakotsako hoe aiza no handeha rehefa avy eo!!
46. rhaj0 ( 31/08/2017 11:36)
Akanga aloha fa misy tsy mazava tsara amiko

_1_ Ny "Fanahy" ihany ve aloha no miakatra any an-Danitra sy midina any @ Helo ??

- Raha ny fahazoako azy, dia ENY: "fanahy" ihany no mivenjivenjy eran-Danitra sy eran-Kelo, fa ny nofo dia lasa vovoka, ary tavela ao ambany rangolahy.

- I RBNIR anefa milaza fa (mirakla) mahazo "vatana vaovao" HONO, rahefa miala ao ambany rangolahy ao ka handeha any @ ilay "Fitsarana Farany". Ary ilay akanjo robe-lava-fotsy efa voapasok'i RBNIR ao hono, dia hitafy izao "vatana vaovao"-ny izao, rahatrizay hiakatra any @ "Fitsara Farany" i RBNIR.

Fa mety marina ny an'i RBNIR. Satria ny ao @ imazination kolektiva, dia @ ilay "Fitsarana Farany", dia "hijoro" na "hipetraka" eo an-kavanana HONO i Jesosy. TAiza nisy "fanahy mijoro na mipetraka"?


Io no tonga @ fanontaniana faha-2

_2_ Izao "Fanahy" izao kay toatoa ny ahoana raha miolotra @ "Vatana"??

Etsy an-doha sa any am-paladia? manara-body hatrany anaty rano ka hatrany anaty afo? Izany hoe, izao "fanahy" izao dia tsy mahatsapa ny tsapan'ny vatana, tsy marary, tsy vizaka, ary TSY mipetraka na mitsangana fa mihaohao eo foana fotsiny? toa setro-tsigara?

Dia "manana endrika" koa va izao "fanahy" izao??

TAntarao hoe ny ao @ imazination-nao ny @ izany "fanahy" izany???
47. Miharena ( 31/08/2017 14:41)
Mba hampazava azy tsara angamba dia aleo aloha asiana ohatra hitako iray:

Raha nahita matoatoa aho Rhaj0 dia tsy nitanjaka izy fa nanao fitafiana soa aman-tsara fa ny vatany ara-nofo dia tsy mivaingana toy ny fahitantsika amin'ny olombelona.

Ny fanamarihana azo lazaina amin'izany dia ilay fanahy manana fahefana manao izay tiany hatao amin'ny vatana ara-panahy izay mitovy amin'ny endrik'olona ihany koa saingy hafa ny rafitra fisiany tsy toy ny ara-materialy mivaingana eto an-tany.

Erana hafa no iainany rehefa ivelan'ny vatana izy.

Nisy fijoroana izay nilazan'i Jesoa ny fanahin'ny olona izay mivenjivenjy ka ireo olona manonofy no nampahafantariny niaraka tamin'io olona nentiny nitsangantsangana mba hamonjy fanahin'olona io. Dia ireo vatana azontsika nofy no voambara fa fanahy tamin'izany.

Azo heverina fa io tokoa ny endrika azo rehefa mbola ao anaty vatana satria mbola mifikitra amin'ny tany fa rehefa any ankoatra kosa dia hafa.

Saingy ny olana kely dia mety mankany amin'ny tsy izy tampoka ilay fanahy rehefa tsy afaka miakatra any an-danitra any amin'my tokony halehany nanamboaran'Andriamanitra azy.

Ny Baiboly moa dia manome teny mihitsy hoe ianareo mihaino ny Devoly rainareo. Jesoa no niteny io ary tena zava-doza io fanambarany io satria izay tsy avotra no nanariny tamin'izany.
48. rhaj0 ( 05/09/2017 15:08)
Miharena:
... nahita matoatoa aho .. tsy nitanjaka izy fa nanao fitafiana soa aman-tsara fa ny vatany ara-nofo dia tsy mivaingana toy ny fahitantsika amin'ny olombelona.

Erana hafa no iainany rehefa ivelan'ny vatana izy.

Ianao irery ve no mahita (mi-imaziner) MATOATOA toa io,
- sa tena toa io mihntsy no voalazan'ny BAiboly? (ampazahoy toko aman'andininy ooo)
- na nisy pasitera/mopera belazao no nilaza anao izany (ampazahoy anarana ooo)
49. Miharena ( 05/09/2017 18:33)
Tsy fakana sary an-tsaina ny matoatoa fa hita maso soa aman-tsara.

Dia aza maka tohana any amin'i Pasitera sy Mopera fa izay voalaza dia zavamisy.
50. rhaj0 ( 05/09/2017 18:56)
Ndana re ry Miharena manao devoara, dia karohy tsara aloha ny resaka ghost ao anaty Baiboly alohan'ny hipetsipetsehana, na koa, halalino ny fampianaran'ny olomben'ny Kristianisma ny @ ghost, fa tena afangaroaronao giravy mihintsy izao "finoana primitiva"-nao Miharena irery ao izao, sy ny Finoana Kristiana.

(zahavo ao anaty Baiboly ao ny tantaran'i Saul/Samuel/Philistine sy The Woman)
51. Miharena ( 06/09/2017 07:41)
Aza olon-tsoratra re Rhaj0 fa matoatoa hitan'ny masoko roa no resahako aminao a!

Toy izany koa ireo matoatoa manao fiainana mifanindry eo amin'ny fiainantsika izay hita antoandro be nanahary izao a!

Tsy mila fandalinana ara-boky ny matoatoa fa misy aloha izy. Ny fanakilasiana azy isanisany indray dia azo raisina amin'ny fomba fiainany tsirairay fa ny fantatra dia tsy tokony ho eto amin'ny sehatra ambany no tokony hodian'ny fanahy iray fa any amin'ny Tompony. Saingy misy moa ireo izay tsy mino dia lasa any amin'ny tsy izy no alehany.
52. rhaj0 ( 06/09/2017 11:20)
rhaj0:
Ndana re ry Miharena manao devoara, dia karohy tsara aloha ny resaka ghost ao anaty Baiboly
Miharena:
Tsy mila fandalinana ara-boky ny matoatoa

hi hi hi.. izaho indray ve hi-contredire anao @ izany ry Miharena..
53. Miharena ( 06/09/2017 18:20)
Eny e! Tsy dia mampihomehy loatra ny fahaverezan'ny fanahy iray aloha e!

Asa rehefa tonga ny fotoana dia sanatria ve lasa matoatoa ny namana tsy mino rehetra dia tsy mbola hahatsiaro tena ihany na dia itoriana teny inarivony sy an'aliny aza.
54. rhaj0 ( 06/09/2017 19:05)
Halalino ho'a ny fandalinana nataon'ny namanao Kristiana (sasany), fa raha "mino matoaoa" ianao, dia TSY Kristiana "tena izy".

Mila mifanazava ianareo samy ianareo Kristiana izany..
Fa raha izaho, dia aoka aho aloha hihomehy :-)
55. RBNIR ( 07/09/2017 09:03)
rhaj0:

Halalino ho'a ny fandalinana nataon'ny namanao Kristiana (sasany), fa raha "mino matoaoa" ianao, dia TSY Kristiana "tena izy".

Diso izany, ny matotoa tokony hinoana satria hoy i Jesosy hoe...

« Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy. » (Lioka 24:37)
« Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo? » (Lioka 24:38)
« Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao. » (Lioka 24:39)
« Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony. » (Lioka 24:40)
« Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo? » (Lioka 24:41)
« Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono* Izy.[* Ampio hoe: sy tantely] » (Lioka 24:42)
« Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany. » (Lioka 24:43)
56. RBNIR ( 07/09/2017 10:04)
Hoy i Jesosy hoe ny matotoa tsy mba manana nofo sy taolana,

Dikany misy ny matotoa, fa saingy tsy manana nofo sy taolana,

Saingy izao, tsy fanahin'ny maty ny matotoa fa zavatra hafa mihitsy......
57. rhaj0 ( 07/09/2017 10:52)
Jereo tsara ny dika-teny frrrantsay sy angalisssy..

Luc 24:39 Voyez mes mains et mes pieds, c'est bien moi; touchez-moi et voyez: un esprit n'a ni chair ni os, comme vous voyez que j'ai...
Luke 24:39See my hands and my feet, that it is I myself. Touch me, and see. For a spirit does not have flesh and bones as you see that I have.”


hi hi hi... dia i Andrianaivoravelona izany no nampihidi-kizo anareo Kristiana gasy, ka ny fahalalany t@ 1800s sy ny finoany primitiva no naborotsany tao @ Baiboly, dia tafaraikitra tao @ "izay voasoratra dia voasoratra" tao.

Dia fanina mihintsy i Andrianaivoravelona sy ny Kristiana gasy eee...
- spirit = matoutou ???
- spirit = fanahy ???

58. RBNIR ( 07/09/2017 11:00)
hoy aho hoe tsy fanahin'ny OLONA MATY....fa izaho tsy niteny hoe tsy fanahy...

Misy fanahy hafa ange rhajo e!!!
59. RBNIR ( 07/09/2017 11:00)
tsy fanahin'olona fa fanahin'ny.....
60. rhaj0 ( 07/09/2017 12:18)
Ka "fanahy" sa "matoutou" no ao @ Baiboly (tsisy kilema) ry RBNIR aa ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3272