Maneho ny firaha-miory amin'ireo STK sy FJKM ao Soavinandriana

1. endriny ( 03/08/2017 04:27)
Mankahery ny fianakaviana sy ny mpiray fiangonana manontolo
novalian'i Miharena ny 17/10/2017 06:17
2. rhaj0 ( 03/08/2017 11:32)
Tsy arako tsara ity tantara (mampalahelo) ity.. Fa nandeha hanao karazan'ny "Tafika Masina" ve rizareo ireo, sa mba tafaray bus fotsiny, sa ...
3. RBNIR ( 03/08/2017 14:26)

endriny:

Mankahery ny fianakaviana sy ny mpiray fiangonana manontolo

Marina izany endriny, ny tenako koa dia torak'izany mirary fiononana amin'ny fianakaviana traboina rehetra....Ary mampahery mafy azireo ihany koa.....
4. RKjeanclaude ( 03/08/2017 18:41)

rhaj0:

Tsy arako tsara ity tantara (mampalahelo) ity.. Fa nandeha hanao karazan'ny "Tafika Masina" ve rizareo ireo, sa mba tafaray bus fotsiny, sa ...

hoatry ny hanao tafika masina, sa tsangatsangana, sa fivoariam-be!??. otrotrizay fotsiny no henoko.

Mampionona ny manaman-jo, sy mirary fahasalamana hoan'ny mitsabo, sady miarahaba tsy maty fo aman'aina.
5. rhaj0 ( 04/08/2017 02:15)
Ka hono ho'a ... aminareo Kristiana, misy idiran'Andrmntra ve ity raharaha ity?
6. RBNIR ( 04/08/2017 08:14)
Raha ny fahitako azy tsy noeritreretin'i endriny ho lasa ady hevitra ity lohahevitra iray ity rhajo!!
7. rhaj0 ( 04/08/2017 11:16)
Ny ahy indray dia, ny zava-mitranga (actualitEs) dia resahina mba hakana lesona @ fiainana foana, raha mbola azo atao. Indrindra @ raharaha sarotra toa izao. Satria mety tournant @ fi(s)ainana ilay izy. Eo mantsy no (mety) ieritreretana ny tena any @ lalina indrindra @ izay eritreretina ao.
8. RBNIR ( 04/08/2017 12:56)
eritrereto ary hoe raha mba sanatria moa ka ianao no tao dia ahoana? mety niantso an'i Jesosy ihany sa????
9. rhaj0 ( 04/08/2017 14:15)
i Mandela no ianarako ee... ampazahoy fanafody hoz'izy, fa tsisy dikany izany mivavabavaka izany.

Fa averiko ny fanontaninaa eee :

aminareo Kristiana, misy idiran'Andrmntra ve ity raharaha ity?
10. tspoaeta ( 08/08/2017 05:12)

endriny:

Mankahery ny fianakaviana sy ny mpiray fiangonana manontolo

Fa nga mo ts we nantsoin'ny ray nody any aminy ireny? Dia izany ve aminareo d ts ahafaly ny fianankaviana sy ny fiangonana?
11. tspoaeta ( 08/08/2017 07:09)

RBNIR:

eritrereto ary hoe raha mba sanatria moa ka ianao no tao dia ahoana? mety niantso an'i Jesosy ihany sa????

ahitsiko kely RBNIR. jesosy no niantso an'ireny tao ireny, fa ts we ireny no niantso an'i jesosy.
ary ra mb sanatria koa moa ka mba i RBNIR no mb nantsoin'i jesosy tahak'ireny de mba hanao ahoana re RBNIR e? ary hanao ahoana koa re ny fianankavian'i RBNIR sy ny fiangonana e?
12. RBNIR ( 08/08/2017 07:17)
rhaj0:

aminareo Kristiana, misy idiran'Andrmntra ve ity raharaha ity?

Indray mandeha dia nisy toe-javatra tahaka an'izao hitan'i Jesosy sy ireo mpianatra...

« Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny. » (Lioka 13:1)
« Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy? » (Lioka 13:2)
« Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. » (Lioka 13:3)

Nisy olona nitantara tamin'i Jesosy ny nanjo ireo Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny....

En ce même temps, quelques personnes qui se trouvaient là racontaient à Jésus ce qui était arrivé à des Galiléens dont Pilate avait mêlé le sang avec celui de leurs sacrifices.

Hoy i Jesosy hoe Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra ny rehetra?
Tsia hoy izaho aminareo fa raha tsy mibebaka ianareo dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra....

RAHA TSY MIBEBAKA IANAREO DIA HO RINGANA TAHAKA AZY KOA IANAREO REHETRA....

Hoy i Jesosy rhajo!!!
13. tspoaeta ( 08/08/2017 11:24)
ny tin'i RBNIR tenenina zany d we mpanota ireny niharan-doza ireny d naripaka, fa tsy we natsoin'ny jesosy hody any aminy
14. tspoaeta ( 08/08/2017 11:53)
tena mba mandiniha ihany RBNIR a. fa zany STK izany anie ka Sampana Tanora Kristiana e! ka maninona no lazainao fa naripaka fa mpanota?
15. RBNIR ( 08/08/2017 12:29)

tspoaeta:

tena mba mandiniha ihany RBNIR a. fa zany STK izany anie ka Sampana Tanora Kristiana e! ka maninona no lazainao fa naripaka fa mpanota?

mizara izay nolazain'i Jesosy aho!!! rehefa mahita otran'ireny hoy i Jesosy dia
1 aza mieritreritra hoe ireny no mpanota be miohatra ny sasany....TSIA hoy i Jesosy

2 misy lesona tokony hotsoahina rehefa mahita otran'ireny, RAHA TSY MIBEBAKA ny olona iray dia mety ho tratran'ireny koa....

Fanafody???? Mibebaha e! izay mibebaka izany tsy tokony ho tratran'ireny.....
16. tspoaeta ( 09/08/2017 02:21)
RBNIR:

RAHA TSY MIBEBAKA ny olona iray dia mety ho tratran'ireny koa....

Fanafody???? Mibebaha e! izay mibebaka izany tsy tokony ho tratran'ireny.....

Ka ireny aza olona mibebaka be daoly no tratra. Sady izay tena t@ fotoana nandehanany hanompo an'i jesosy mits. Fa d maninona loatra re no d ny olona mafana fo @ fanompoana an'i jesosy tahak'ireny no novonoin'i jesosy nataony lesona hoan'i RBNIR e?
17. RBNIR ( 09/08/2017 06:05)

Ny tenako aloha no hitako, hoy Jesosy amiko sy aminao ary ireo olona niresaka taminy ireo hoe ....raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra
18. tspoaeta ( 10/08/2017 04:35)
RBNIR:

Ny tenako aloha no hitako, hoy Jesosy amiko sy aminao ary ireo olona niresaka taminy ireo hoe ....raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra

Tsa mbl nisy jesosy niteny tamiko zany aloha na ny iray aza e! fa i RBNIR angamba n ntenenin'i jesosy we raha tsy mibebaka dia ho ringana tahaka ireny tanora kristiana ireny koa. izany hoe tena maditra be RBNIR matoa asainy mibebaka.
19. RBNIR ( 10/08/2017 10:38)
tspoaeta:

Tsa mbl nisy jesosy niteny tamiko zany aloha na ny iray aza e! fa i RBNIR angamba n ntenenin'i jesosy we raha tsy mibebaka dia ho ringana tahaka ireny tanora kristiana ireny koa. izany hoe tena maditra be RBNIR matoa asainy mibebaka.

Izany v ry tspoaeta??? Raha izaho ianao mba mieritreritra ihany satria hoy mantsy IZY hoe...
« Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay] » (Apok.3:19)

Mety efa niala taminao izany ny fitiavany matoa ianao tsy mba teneniny hoe mibebaha......

20. tspoaeta ( 11/08/2017 11:33)
RBNIR:

hoy mantsy IZY hoe...
« Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay] » (Apok.3:19)

Mety efa niala taminao izany ny fitiavany matoa ianao tsy mba teneniny hoe mibebaha......

Fananarana sy famaizana ve dia tena famonoana olona be mahatsiravina tahak'ireny? tena tsy navelany raha tsy maty ireo tanora "kristiana" mafana fo @ fanompoana an'a/tra. Tena habibiana loza be kosa izany e.

Matoa izay namono an'ireny tanora kristiana ireny tsy sahy miteny ahy dia mety matahotra ahy angamba izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5803