Ny niavinTSIKA Malagasy (2)

21. Miharena ( 27/07/2017 14:05)
Ny foto-pisainan'i Rhaj0 rehefa nohadihadiako dia mamaritra ny namana rehetra mosera eto hoe mino boky na manohana hevi-diso hatrany.

Fa izy izany no tena mahitahita fa ny rehetra dia manao kisarisarintsaina avokoa rehefa maneho hevitra eto.

Asa aloha raha manaily izay izy aloha.

Ny foto-pisainany faharoa dia ilay mamaky izay lazain'ny mpandinika izay mba manoratra hevitra momba ny sehatra iray nefa misy fetrany ny fahalalana itompoany teny ary tsy azy akory aza io hevitra tohanany io fa an'olona.

Ka asa aloha fa dia izay no fahitako azy.

Fa efa hitako eto hoe hamaly bontana izy izao fa jereo eo ange eh!
22. rhaj0 ( 27/07/2017 17:18)
hi hi hi ... maninona moa ry Miharena sy Calin raha amoronareo lohahevitra mazava mihintsy hoe "Ny foto-pisainan'i Rhaj0", dia any isika miresaka??

Mino nefa aho fa ny mpandalo eto dia tsy mandraharaha izay ny amiko, fa ny miresaka no aleha eto.

Fa ny an-dry Miharena sy Calin moa... rahefa tsy mahazaka resaka zareo, dia ny mpiresaka no resahiny.

Nefa anie, izaho angaha ao anaty Baiboly ee :-)
23. Miharena ( 27/07/2017 18:22)
Hitako eo hoy ilay jamba fa hamaly Rhaj0!

Fa mba manana ihany fahalalam-pomba rehefa miresaka.

Misy fanontaniana kely ity: Fa nisy naninona anao aloha ilay Baiboly sy izay voambara ao no dia tena efa raiki-tapisaka aminao io fomba fiteny hoatry ny olona leo izay miresaka izay ao anatiny ao izany nefa dia tena manohy resaka eto amin'ny loha-hevitra momba ny Finoana eto hatrany?!
24. rhaj0 ( 27/07/2017 19:39)
Miharena:
Fa nisy naninona anao aloha ilay Baiboly ... nefa dia tena manohy resaka eto amin'ny loha-hevitra momba ny Finoana eto hatrany?!

Ka hoe "mampivanitika" gilady ahy ny Baiboly.. sy ny miresaka eto. :-)

Dia averiko indray koa, fa ngo dia heverinao Miharena fa any ampiangonanareo azany "ny loha-hevitra momba ny Finoana eto" ... dia mihevitra ianao sy Calin fa any "ambany alitara" ny hafa rehetra, izaho anisany, ary tsy mba "mampiakatra" ny inona indray moa izy teo?

Fa hotry ny miverina foana ilay ankolaka te-hanilika eee... sa tsy izay no tadiavinao ry Miharena: ny tsy hiresahako eto intsony?? hi hi hi.. ka lahatr'Andmntra ange hono ny ... "iresahako eto" eee..
Ianao izany anie ry Miharena toa mitady hanohitra ny nalahatr'Andrmntra eee... :-)
25. Miharena ( 28/07/2017 02:35)
Raha azoko tsara ilay valinteny dia izao izany :

Efa fantatr'Andriamanitra tokoa hoe Rhaj0 dia nateraka hanohitra fa tsisy ny Mpamorona izao rehetra izao ary tsy azo iresahana Izy io.
26. rhaj0 ( 28/07/2017 03:00)
Miharena:
Efa fantatr'Andriamanitra tokoa hoe Rhaj0 dia nateraka hanohitra...

Ka izao anie natao batisa t@ mbola kely ee... Dia nateraka ho atao batisa aho izany. Ary tanteraka io.

Ary tonga dia (tokony) avotra koa aho izany (theoriquement) :-)


Fa i Andrmntra [size=6](ao @ imazination-n'i Miharena)[/size] mihintsy no nampalasa ahy ho Atheista, ary manosika ahy hiresaka eto @ serasera eto e... Aiza nama koa, isan'andro aho dia hotry ny asaiNY miresaka eto!!... loz'ty...
27. Miharena ( 28/07/2017 03:15)
Efa hita mihitsy tokoa aloha hoe tena mbola mitady ny Fotony ny olona toa an-dRhaj0 dia tsy afaka eto e!

Fa izao an! rehefa misera eto hatrany ka mamaky tsara izay voalaza rehetra, indrindra fa misy tenin'Andriamanitra mitsipika matetika eny dia lasa iasan'ireny Teny ireny ianao dia hifoha ihany fa tsy hatory ao anatin'ny ranitsain'ny hafa tatatatainao fa tsy ny mahafantatra fa matoa manana ranitsaina madio dia avy amin'Andriamanitra izay miasa ao anatinao izay.

Dia mazotoa manaraka e! ny Teny manko miasa any amin'ny amparahatoka any ary miasa amin'ny fanahy indrindra indrindra ka mahatonga ilay sintona mahery tsy hahafahanao miala amin'ity serasera mikasika ny Finoana ity.
28. calin.brandon ( 28/07/2017 05:46)

rhaj0:

hi hi hi ... maninona moa ry Miharena sy Calin raha amoronareo lohahevitra mazava mihintsy hoe "Ny foto-pisainan'i Rhaj0", dia any isika miresaka??

Mino nefa aho fa ny mpandalo eto dia tsy mandraharaha izay ny amiko, fa ny miresaka no aleha eto.

Fa ny an-dry Miharena sy Calin moa... rahefa tsy mahazaka resaka zareo, dia ny mpiresaka no resahiny.

Nefa anie, izaho angaha ao anaty Baiboly ee :-)


Manahirana marina ny miresaka amin'ny adala toa an-dry Rhaj0.
Tena tsy fantany mihitsy fa mijotso midina hatrany ny kalitaon'ny resaka mba ataony ety.
Nefa koa mety ho paik'adin'ny mpisera ihany : avela hamaly bontana sy hiteniteny foana araka ny saim-pantany ry Rhaj0, dia avela hidina any ambany any ary tsy hakarina intsony.
29. rhaj0 ( 28/07/2017 11:17)
calin.brandon:
Tena tsy fantany mihitsy fa mijotso midina hatrany ny kalitaon'ny resaka mba ataony ety.
Nefa koa mety ho paik'adin'ny mpisera ihany : avela hamaly bontana sy hiteniteny foana araka ny saim-pantany ry Rhaj0, dia avela hidina any ambany any ary tsy hakarina intsony.

Esy e ry Calin... tsy mety manonga (any an-danitra) ny "kalitaon'ny resaka" eto an...
Toa tsy takatr'i Calin ny hoe sarcasm :-)

Manao plagiat ny (fi)resaky ny Kristiana re aho ee... Fa raha lazain'i Calin fa "adala".. Câline!... :-)
- ka tena "izaho" no adala?
- nefa, izaho toa conscient tsara, maka tahaka ny (fi)resaky ny Kristiana
- ka sao ny Kristiana no fetapetahin'i Calin ho "adala" eto izany??

Aza mameli-tena re ry Calin aaa....
30. Miharena ( 29/07/2017 06:33)
Mba hampiakatra ilay ady hevitra, aleo aloha mba hanontaniana an-dRhaj0 ilay resaka atheista.

Atheista moa izany midika hoe misy tovana -ista ao anatiny ao. Izany hoe teny famaritana ireo manana firehana fa tsisy Andriamanitra na ny Mpamorona izao tontolo izao. Dia tonga ho azy avy amin'ny kasinga ny zava-drehetra. Fa tsy manontany izy ireo ve hoe nahoana ny kasinga madinika indrindra toy ny atoma aza dia manana endrika nanamboarana azy izay tsy azo heverina raha tsy misy mpamorona ao ambadik'izany? Koa satria ny olombelona mahay mahazo an-tsaina ny firindran'ireny kasinga bitika indrindra ka hatramin'ny vaventy indrindra ireny, avy aiza ary ilay olombelona raha izany ary iza no nanome azy ranitsaina ?

Dia izay no valian'ny Baiboly amintsika sady ihany koa misy ireo vavolombelona izay nahita sy niresaka tami'ny Mpahary mba tsy hahavery hevitra ny olombelona hitady Azy ao anaty erana sy rindran-damina ao amin'ny singa izay voary ihany.
31. rhaj0 ( 31/07/2017 11:41)
Miharena:
Atheista moa izany midika hoe misy tovana -ista ao anatiny ao. Izany hoe..

Aleo tapahiko eto i Belazao-de-Miharena, fa toa hotry ny lasa indray ilay mitsotsotsotso mamelabelatra ny Diksionera-Miharena-ny ity... nefa tena "mampijotso" ny resaka eto izany.


hozy Ineny Gogola hoe, ny fazahoan'ny daholobe ny teny, dia:

atheism : disbelief or lacks belief in the existence of God or gods.
theism : belief in the existence of a god or gods.
monotheism : belief in the existence of one God.
polytheism : belief in or worship of more than one god.
suffix -ist : a person, one who does an action... artist, linguist, pianist


32. rhaj0 ( 31/07/2017 13:15)
Miharena:
nahoana ny kasinga madinika indrindra toy ny atoma aza dia manana endrika nanamboarana azy izay tsy azo heverina raha tsy misy mpamorona ao ambadik'izany?

"Ianao" Miharena no raikitra dia tavela @ ity "tsy azo heverina raha tsy misy mpamorona" ity. Mila mifoha ianao, fa TSY (mihevitra) toa anao daholo ho'a ny olona ee...

Efa im-10 kely nandalo teto ity sarimihetsika ity, fa dia diniho tsara indray ho'a, hoe, ny aiza ho aiza no "tsy takan'ny hoza-dohanao Miharena, hany ka mivarina ianao "mamorona Mpamorona"??..
Ohatra: "mba takatrao" ve fa TSY ilaina ny "mamorona Mpamorona-paoma"? na koa hoe, Mpamorona-paiso"... indrindra moa ny hoe Mpamorona-olombelona"??


33. rhaj0 ( 31/07/2017 16:35)
rhaj0:
atheism : disbelief or lacks belief in the existence of God or gods.
theism : belief in the existence of a god or gods.
monotheism : belief in the existence of one God.
polytheism : belief in or worship of more than one god.
suffix -ist : a person, one who does an action... artist, linguist, pianist

Dia vinavinao @ izany ity..



- Ka hoe, mba misy firy % @ olona eran-tany no "religious person".
- Dia io nefa, firy % @ ireo "religious person" ireo no Kristiana.
- ary firy % @ ireo "Kristiana" ireo no "tena izy".
- ary firy % @ ireo "tena izy" ireo no lasa any Paradisa (144.000).
- ary firy % @ ireo "lasa any Paradisa" ireo no miaina @ izao fotoana izao.

hi hi hi... f'angaha tsy mihena toa fen'antitra ny lasantsinao ao ry Miharena aa... na hanorana na hanavandra na hanavaratra ao ianao dia ... hi hi hi... mampihomehy fotsiny ilay imazination-nao eee :-)
34. RKjeanclaude ( 01/08/2017 09:37)
salama daholo!
misy teboka vitsy mba tiako marihina kely:
- komparezo (genetika )no niandohan'ny resaka, avy eo komparezo ne pa rezo; sa rezo aloha dia avy lasa tsy rezo????
35. Miharena ( 01/08/2017 09:43)
Tsy ny isa na statistika no hanafoana fa misy ny Mpamorona Rhaj0 a! ianao ve tena mihevitra fa na ny atao hoe fisainana aza dia efa zavatra tsy azo heverina raha tsy noforonina?

Ary ny famakiana izay rehetra mitranga sy izay rehetra hafatra mirindra vokatr'izany fisainana izany dia tsy zavatra nipoitra hoazy toy ny firehan'ny atheista!?

Tsy resaka imazinasion ny fahalalana fa misy ny fanasitranana mivantana avy amin'ny Mpahary izao rehetra izao. Azo hadihadiana ireo vavolombelona maro. Mama Hova ohatra anankiray.

Fa ny anao moa Rhaj0 rehefa manao statistika ny olona hoe betsaka kokoa hono no ateista noho ny Kristianina dia manaporofo izany fa manana ny marina ny ateista.

Sao atao hoe adala ianao dia tezitra fa toy ny milaza hoe rehefa miteny ny filohan'ny bado hoe be dia be izahay no mivarimbarina any amin'ny foto-pisainana bado dia izy no marina fa rehefa miteny ny iray amin'olombelona hoe izao no atao hoe fahendrena dia tsy izy izy izay fa adala!!

Mba misaina namana fa aza mampihomehy a!
36. RKjeanclaude ( 01/08/2017 09:47)
- raha voa resaka famoronana sy Andriamanitra indray dia betsaka ny tsy hovoavaly eo (araka ny lohahevitra tany aloha ihany) ka tsy maintsy hiandrasana ny zaza any aoriana.
-izay lazain'ny gogla sy aterneto tsy voatery ho marina, na dia tsy voatery diso aza. fa ny kely karan-doha no tonga dia mino izay lazainy rehetra ao.
- ny voakapirohana taloha misy disoan'ny ankehitriny, ka ny ankehitrny koa iza no mahalala na mety ho abobo koa.
Mino aho fa hainareo vakiana ireo na avy aiza ny fiavianareo na avy aiza a!
parantezy kely: izaho avy any vakinankaratra, kelikely maso, mety dorizina zapone zany. mihidy ny parantezy.
37. Miharena ( 01/08/2017 10:07)
Raha avy any Vakinankaratra ianao RKjeanclaude dia mety mahafantatra ireo olona mpitankazomanga ao Ankaratra ao.

Ny Raiamandreny ao dia milaza mazava fa ao ny Rain'ny olombelona rehetra maneran-tany no afaka mihaona amin'ny voariny ka ireo izay nahazo antso amin;y fisoronana no afaka miahy ny olona izay mangata-pitahiana sy mangataka fanadiovana ara-panahy.

Hafa indray ity resaka ataoko eto ity fa mety hifandray amin'ny fiavian'ny Malagasy ihany angamba rehefa tena tohizana ary miangavy ny namana izay manana fahalalana momba ireny Doany ireny mba hijery momba izay lafiny izay.

Tsy hoe mamorona aho fa izay ren'ny sofiko sy notantarain'ny raiamandreny eny an-toerana no mba tanterina eto.

38. rhaj0 ( 01/08/2017 12:00)
Miharena:
misy ireo vavolombelona izay nahita sy niresaka tami'ny Mpahary ... misy ny fanasitranana mivantana avy amin'ny Mpahary izao rehetra izao. Azo hadihadiana ireo vavolombelona maro... (......) ireny Doany ireny...

Akanga aloha fa raha hitarinao @ "Doany" ny resaka, dia toa ampitovianao lasitra izany...

1- ny "vavolombelon'i Jesosy" ao anaty baiboly, izay nahita ny Moana Marenina nositranin'i Jesosy t@ tain-tsofina+rora, ary tsy mivavaka mino afa-tsy @ izao Andmntra (an'ny Jiosy) izao

2- ny gasy izay vavolombelon'ny tsihaitsihay dia mba mamariparitra eo, miaraka @ ravin-kazo sy tapa-kazony ary ny tso-drano izay (tsy) manasitrana ny Moana Marenina, ary mino ny Zanahary sy mahalala an-dRahisa zanak'i Ramariama.

Fa dia halalino tsara ao, fa izaho indray ve hi-contredire anao @ izany :-)


RKjeanclaude:
ny voakapirohana taloha misy disoan'ny ankehitriny, ka ny ankehitrny koa iza no mahalala na mety ho abobo koa.

Manjabe mihintsy rahefa mahatsapa an'izay i RKjeanclaude kah...

Fa dia araho ny "voka-pikarohana" fa manana saina koa ianao hamerina handalina sy hanatsoaka ny fahamarinany eee... Dia rahefa TSY takatra dia.. atokiso ho'a fa ny Ankizy any aoriana no hanazava anao an'ilay izy, rahefa antitra konka iny ianao :-)

39. RKjeanclaude ( 01/08/2017 19:13)
ny ankizy koa ange hahita zavatra betsaka fa tsy hahavaliny n'inona n'inona e. tsy maintsy ny petrak'hevitry ny fauteuil roulant ihany no mbola ho "petrak'heviny" fa tsy afaka ny hi konfirme.

( mety ho izay marina no mampirediredy ilay rangaha iny a! tsy zakan'ny sainy ilay paralize dia ny Mpahary no lazainy tsy misy. Ary rhajo ity koa ary sao dia mba..... aoka ihany)
40. RKjeanclaude ( 01/08/2017 19:24)
miharena a! tsy mbola nankany @izany mpitan-kazomanga nalehanao izany aho, sady tsy mila ho any koa. Mpahary tokana no inoako dia ilay ninoan'ny olona t@ l'an zero, satria manan-kery (amiko)hatrizao ny teniny no sady marina (amiko) hatramin'ny l'an mbola hifandimby.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2977