Ny niavinTSIKA Malagasy (2)

121. rhaj0 ( 21/09/2017 17:54)
Ry Miharena mantsy dia "mino" fa hoe, avy ao @ Saha Edenan'i Adama sy Eva daholo raolombelona, ka dia "misy itovizavizany" @ Hebreo daholo : ao ny fototra.
Ny Saha Edena @ io ao atsimotsimon'i Baghdad.

Dia nefa hono ho'a
- ny Sinoa hono rahefa mahita ny Ecossais ohatra, mena volo sy maintso maso, dia mihevitra fa ireny no .. devoly-sinoa
- ny Maya indray, rahefa nahita ny Espaniola nanao akanjom-by, dia noheveriny fa Atra-mayan

- i MIharena (kristiana) indray rahefa nahita ny sarin'i Saoly lasa Paoly hono, dia nihoraka hoe...
Neny aa... toa jejo lava roby ho'a ianao, nefa toa sola misy volombava indray ee :-)

122. Miharena ( 22/09/2017 05:15)

endriny:


Miharena:

Ny Antemoro dia manana ny Baiboly Hebreo ary mamaky soa aman-tsara izany.


Ito indray i Miharena sy ny laingany, vao oviana no mamorina Mantasoa dia izao indray lazaina fa Baiboly Hebreo any amin'ny Antemoro, kanefa ny sorabe Arabo fa tsy Hebreo.

Tena tsy mampaninona mihintsy ilay mandainga masina ao amin'ny tompo e!



Tsy sorabe no ao aloha araka ny fanadihadiana nataon'ny Mpitandrina mpikaroka.

Marina dia marina ny fahaizana sorabe teto, izay lova avy amin'ny arabo ary mbola nampianarina ny zanaka Malagasy tamin'ny taona 1900 ka hatramin'ny taona 1950 tany ho any. Ny rafi-pampianarana napetraky ny Frantsay aza no nametraka io sorabe io hotohizana satria talohan'ny faha-panjaka Radama I no sorabe no nifanakalozana hatramin'ny nanapahana hevitra fa ny soratra ampiasain'ny tandrefana no raisina hampianarana eto Madagasikara.

Fa izany eo ihany fa efa nolazaina teto ny momba ny fanadihadiana nataon'i Pasitora Tolotra momba ny fiavian'ny Malagasy izay tena nilazany fa Hebreo ny Malagasy. Izy io dia tsy mba teto Madagasikara no tena nianatra sy nandalina fa tany Alemaina tany araka ny filazany.

Ny fandehanany tany amin'ny faritry ny Antemoro iny no nanambarany ny fahaizan'ireo olona ireo Hebreo ary ireo mihitsy no nilaza taminy fa Hebreo izy ireo.

Izay aloha ka asa hoe iza no mandainga.

123. rhaj0 ( 22/09/2017 16:48)
Nitetitety interenetitety aho, dia siriko fa.. kay ry monarsista no manisisisika ity hoe, Jiosy na Hebreo ny "(andriana) gasy" io.. ary dia hitan'ny olona fa complexe tsy hay hazavaina ny manetsika azy ao. Izany pasitera Tolotra Ratefy izany no bebeloha amin'azy ao.. Ary tsaroako fa misy Ratefy izay koa no mpivohy ilay Feon'ny Merina (FNM), izay monarsista sa moa andrianista be t@ fotoanany.. sa moa anarana tanim-boanjo?

Ka handany andro sy rora @ monarsisita (andrian-dreraka hono) ve ianao ry Endriny??
124. Miharena ( 22/09/2017 19:31)
Raha tena tsy manana fanavakavahana ianao Rhaj0 fa mba mato-pisaina dia tsy hanao io resaka monarsista sy resaka -ista rehetra izao fa ny zavatra voambara no anaovana tsikera.

Lasa henjik'olona indray ny anao eto.

Ny ateista izay heverinao horaisina modely aza efa tsy fidiny ny hampahatsiahivana azy hoe tsy mety sady tsy manana porofo akory ianao mitsipaka ny Mpahary.

Ny Mpahary mahay ny olona nofidiaNY hitondra ny fahamarinana sy hizara ho an'ny zanak'olombelona rehetra. Dia io no lazaina aminao sy Endriny eto aloha.
125. rhaj0 ( 22/09/2017 22:17)
Entre-pa fa maninona k'lou no dia lasa "Mpahary" no fiantson'i Miharena an'Andrmntra ee???
126. Miharena ( 25/09/2017 19:14)
Mazava tsara, Mpahary no hevitra omen'ny olombelona rehetra AZY.

Izay miady anarana dia diso hevitra.

Izay mihevitra fa tsy misy IZY Mpahary dia diso hevitra.
127. rhaj0 ( 25/09/2017 19:46)
Zanahary izany kay no ivavahan'i Miharena eto indray.. hay va re.
128. Calinbrandon ( 26/09/2017 13:15)
Rhaj0 >>> "Ka handany andro sy rora @ monarsisita (andrian-dreraka hono) ve ianao ry
Endriny??"

Efa nilaza aho tary aloha tary fa mila mianatra sy mikaroka Rhaj0 ary aza mianona amin'ny internet fa mandehana mikaroka any am-potony.
Manjary miteniteny foana sy manaotao foana. Tsy hainao tokoa ny atao hoe : Andriana.

Ary mahazendana fa ny lohahevitra mba ho entinao ety amin'ny forum dia resaka natao handanian'andro. Ohatra ny olona tsy misy atao angamba ianao io k'ty.

Aleo manaja tena miala amin'itony karazana forum itony fa ratsy.

129. rhaj0 ( 26/09/2017 15:55)
hi hi hi.. "nandany andro" teto @ forum i Calin, saingy, indrisy ry tava-tsosisy hozy ny fiteny, fa voatsindrona tao @ maha-monarsisita azy i Calin, dia niboaka tsy nantsoina :-)
130. Miharena ( 26/09/2017 16:10)
Mety mihevitra tokoa izao Rhaj0 fa malalaka fomba fijery sy fieritreretana saingy hita amin'ny firesany fa diso indray izy milaza izao Zanahary (ataony hoe anarana) izao.

Ny Malagasy raha miteny hoe Zanahary dia ny Mpahary izay aloha.

Fa Rhaj0 moa dia manana izay fomba fijery marivo salosana izay nefa tsy miaiky izy.
131. rhaj0 ( 26/09/2017 16:39)
Ka... Zanahary (izay Mpahary) izany kay no ivavahan'i Miharena eto indray.. hay va re.
132. Miharena ( 26/09/2017 18:28)
Hoatry ny te-hanontany ihany aho hoe ahoan'ny olona tsy mivavaka toa an-dRhaj0 inona moa ny fivavahan'ny mpivavaka?

Rehefa tsy mivavaka dia tokony akombona ny vava fa asa ho'aho hoe inona loatra no tiana hahatongavana.

Raha toa ka hoe hiteny ny olona tsy hivavaka no tianao ahatongavana dia sasa-poana satria ny olona fantany tsara IZAY ivavahany.

Fa ny tsy mivavaka moa miveinjivenjy eny no mba hainy ka sao dia dinika fivenjivenjena ary ity ataon-dRhaj0 eto ity?!!
133. rhaj0 ( 26/09/2017 18:53)
Ahoana ry Miharena no anakombonana ny vava raha toa ka mivaninika be nahoana rahefa mampiresaka an'i Miharena eto :-)

Fa ho an'ny fahiratan'ny tsilo-tsainao Miharena manokana, izay moa no filazanao azy, dia averiko azany ny efa nolazaiko teto foana:
Ny resaka eto dia ny mampiomana ahy sy manamora ny resaka ho atao @ Ankizy any aoriana.
Dia tena (hiaraka) hivanitika gilady mihintsy indray izany any aoriana any ee :-)

Fa izao koa e... Isaoranao Miharena ihany ho'a aho any aoriana any, rahefa rahatrizay miha-lehibe ianao, ka tonga saina fa, kay ny resaka izay ataonao Miharena eto ireo dia tena.. n'importe koi... ho vaka ihany aloha ny sainao, hoe, ahoana koa azany ilay Miharena kely no elabe vao nampiasa coco comme il faut, ka nampivoaka azy @ ity box-kelin'ny finoanoam-poana ity.
Fa dia efa lazaiko mialoha ry Miharena: fa dia tsisy fisaorana eee... :-)
134. Miharena ( 26/09/2017 19:31)
Fa mihevitra moa izany Rhaj0 fa manana saina efa matotra hono e!

Izany hoe IZAY Fahefana Lehibe porofoiko eto hoe ambonin'ny olombelona rehetra dia zistoara amin'Ingahibeloha Rhaj0.

Eny e! Spesialista ianao e! Ny fiheveranao heverinao fa lehibe noho ny Mpahary anao!!

Asa hoa i dadaen'i Rhaj0 raha mahita izao sehonkevitra arosony eto izao raha mba miteny hoe fa zanak'iza koa moa ledala io fa toa maniratsira!!
135. rhaj0 ( 26/09/2017 19:56)
hi hi hi... "maniratsira" an'i Miharena hono aho :-)

Fa averiko ihany fa toa tsy miditra tsara @ Miharena ilay izy:
izao ho'a e... Isaoranao Miharena ihany ho'a aho any aoriana any, rahefa rahatrizay miha-lehibe ianao, ka tonga saina fa, kay ny resaka izay ataonao Miharena eto ireo dia tena.. n'importe koi... ho vaka ihany aloha ny sainao, hoe, ahoana koa azany ilay Miharena kely no elabe vao nampiasa coco comme il faut, ka nampivoaka azy @ ity box-kelin'ny finoanoam-poana ity.
Fa dia efa lazaiko mialoha ry Miharena: fa dia tsisy fisaorana eee...
136. endriny ( 27/09/2017 04:00)
Mba manaitra maraina koa ry Miharena sy ry Rhaj0.

Iza indray izao izany Mpahary sy Zanahary izany? Mba andefaso ny sary tapany sy ny kaopia nahaterahany izahay ahalalanay azy marina fa misy izy
137. Miharena ( 29/09/2017 19:22)
Tsy box kely ny finoana Kristianina miankina amin'ny Mpahary izao tontolo izao. Izy no loharano nipoirana ka ahoana moa no maha-kely AZY?

Raha ny finoana no kely dia kely ny Mpahary ary tsy mahalala izay ataon'i Rhaj0 sy endriny akory.

Nefa dia hitaNY tsara izay ataonareo hatramin'ny mbola nitorontoronana anareo tao an-kibo ka mandra-podimandrinareo.

Aza manao an'Andriamanitra tsy misy.
138. Calinbrandon ( 02/10/2017 05:46)

rhaj0:

Efa noresahina teto ihany...


Ny niavinTSIKA Malagasy:
1- http://www.techno-science.net/?onglet=news&news=15344
les ancêtres des malgaches seraient les [size=18]Banjar[/size], un peuple qui vit dans le sud-est de l'île de Bornéo.

2. http://now.howstuffworks.com/2016/07/05/australasian-settlers-madagascar-identified-crops
seeds of Austronesian origin from the 8th and 10th centuries CE were concentrated on Madagascar


Fa dia nohamafisin'ny Mpikaroka, vao androany indray, fa dia ...

3. https://www.genomeweb.com/genetic-research/genomic-analysis-sheds-light-diversity-malagasy-people-madagascar
On average, the researchers reported that the Malagasy population is about 60 percent African, 36 percent East Asian, and 4 percent West Eurasian. (..) each of the Malagasy genetic groups has the same origin and all diverge from southern Borneo and Bantu populations. The researchers dated the split between the Borneo and Malagasy populations to have occurred some 2,000 years to 3,000 years ago and the split between Bantu and Malagasy people took place about 1,500 years ago.





Ka efa hoe ny Malagasy avy aty no nandeha tany Indonésie fa tsy ny mifanohitra amin'izany. Manaporofo izany ny ADN resahanao sy ny teny sisa tavela any ary ny fomba sisa tavela any. Resaka Sociologie io ary méthodo scientifique no ampiasaina. Fa ianao oa aza mionona fotsiny amin'izay voalazan'ny vazaha ao amin'ny internet fa mba mikaroha koa toy ny olona manan-tsaina. Efa tenenina fa e e e.
Ary ny razan-drangahy irery koa ny Banjar.
139. Miharena ( 02/10/2017 07:55)
Manamafy ny resak'i Calinbrandon aho aloha hoe marina mihitsy ilay sociologie scientifique io.

Izaho aza lasa manao koa hoe te-hanohana ny hevitr'i Xhi sy Ma manao hoe avy amin'ny Malagasy no niandihan'izao olombelona rehetra izao.

Ahoana tokoa moa no ahitana Afrikana, Asiatika ary Eoropeana ny Malagasy? tsy midika ve izany fa Malagasy vao mandeha amin'ireo race miha-pure ireo?

Izany hoe ny Malagasy no loharano nipoiran'ny olombelona rehetra.

Efa nilaza ihany aho hoe misy raiamandreny be taloha ireny ao Ankaratra ao milaza fa ao amin'io toerana io no misy ny raiamandrenin'ny olombelona rehetra. Ary tsy resaka honohono fa miseho amin'ireo mpitankazomanga ao ny Fanahy milaza izany. Tokony hasiana fanadihadiana lalina kokoa io fa asa hoe efa nisy ve ny mpandinika fiaraha-monina nanao fijarohana tao?

140. rhaj0 ( 02/10/2017 12:28)
ndrekaiky ooo.. tena sahala resaka-na zaza eny @ garabola ity rediredin-dry Calin sy Miharena ireto. Tsy mba hoe resaka Harry Potter-n'ny vantovantony akoriny, fa tena resaka petit lutins eny @ garabola. Dia asa ho'a ireo Kristiana tsara sitra-po eto dia mba mijery lelo an-kandrin-dry Calin sy Miharena. Fa dia ao nareo izany hitan'ny havanareo ao ee..

Dia eny azany ry izy mi-tsam fa dia.. gasy izany no nipoiran'ny olb rehetra.. i Dago no centre du monde.. dia i Calin no chevalier noble be ao, ary i Miharena no Monsieur la Marquise :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8444