Ny niavinTSIKA Malagasy (2)

1. rhaj0 ( 19/07/2017 13:58)
Efa noresahina teto ihany...


Ny niavinTSIKA Malagasy:
1- http://www.techno-science.net/?onglet=news&news=15344
les ancêtres des malgaches seraient les [size=18]Banjar[/size], un peuple qui vit dans le sud-est de l'île de Bornéo.

2. http://now.howstuffworks.com/2016/07/05/australasian-settlers-madagascar-identified-crops
seeds of Austronesian origin from the 8th and 10th centuries CE were concentrated on Madagascar


Fa dia nohamafisin'ny Mpikaroka, vao androany indray, fa dia ...

3. https://www.genomeweb.com/genetic-research/genomic-analysis-sheds-light-diversity-malagasy-people-madagascar
On average, the researchers reported that the Malagasy population is about 60 percent African, 36 percent East Asian, and 4 percent West Eurasian. (..) each of the Malagasy genetic groups has the same origin and all diverge from southern Borneo and Bantu populations. The researchers dated the split between the Borneo and Malagasy populations to have occurred some 2,000 years to 3,000 years ago and the split between Bantu and Malagasy people took place about 1,500 years ago.


novalian'i rhaj0 ny 05/10/2017 12:35
2. RBNIR ( 19/07/2017 14:11)

fa mahavaka ihany kosa aloha ilay cognats malgache-hebreux ato an!!!

https://fr.wikipedia.org/wiki/Migrations_juives_%C3%A0_Madagascar

Singaniko manokana : Sabotsy / Shabbah

mila ekena ihany koa fa tena misy amintsika eto taranaka jiosy....tsy azo lavina izany....mety ho metisse, mety koa anefa tena ligné pure mihitsy....Tsy azo lavina izany....
3. rhaj0 ( 19/07/2017 14:59)
Hozy ilay wiki-nao teo, ary iombonako hevitra, hoe:
Les preuves scientifiques irréfutables (archéologiques, génétiques, historiques) de ces allégations restent encore à produire (notamment à travers des articles scientifiques avec comité de lecture)

Ka tsy izay Belazao (manana paikabe miafina) manitrikitrika miarkaa amina vavabe fa tsy amina porofo (siantifika) izao no inoan-teny, ary mampiankofo amin-java-tsy hay ao tokoany (dia hoe Jiosy eee... Hebreo eee... Jentilisa eee...).


Fa mazava ho azy fa
1- (mety) misy ny mifindra-monina, na Jiosy-ray-reny izy, na Frantsay-ray-reny. Tsikaritro ohatra i Habib, izay lasa i Rabiby ary nahatonga ny tanana Ambohitrabiby, dia Arabo (toa moslimo)
2- dia ireo, na Sinoa koa io na Karana ohatra, no nifandamory niaraka t@ efa teto an-toerana (dia ny zana-Banjar)..


Fa ivereno ny fikarohana farany io: nojereny ny ADN-n'ny olona, manerana an'i Dago, ary dia...
each of the Malagasy genetic groups has the same origin and all diverge from southern Borneo and Bantu populations
[size=15]
Misy ADN-na BANJAR daholo isikana.
[/size]


4. rhaj0 ( 19/07/2017 17:43)
Ampiako kely..
- Rahefa misy mitory izany, ka hoe, "Jiosy hono ny Gasy", na hoe "Hebreo" na hoe "Jentilisa",
- dia ... afaka miteny tsara koa ny St-mariens hoe "Frantsay ny gasy".


Dia ...
- rahefa hozy ilay Belazao hoe"Jiosy ny Gasy", koa ndao hiankohoka any @ Mur des Lamentations,
- dia afaka miteny koa ny St-mariens hoe, ndao atao prefecture frrancaize toa an'i Mayotte ny Ile Ste-Marie.


Fa ...
- raha miambo dia manandra-tena fa Jiosy ihany moa ianao, dia 'ndana azany mankany Israely.. hihomehezan'ny (tena) Jiosy anao,
- toa ireo gasy metisse-frantsay, ka petak'orona sy ngita volo ihany ohatra, dia hihomehezan'ny Bordelais sy RBRetoNs ary Marine Le Pen fotsiny :-)



5. RBNIR ( 20/07/2017 05:07)
Tsy hidirako ilay resaka fitoriana, fa ny fantatro aloha dia tena misy ny fikambanana jiosy eto madagasikara ary tena misy jiosy avy any Israely ao anatin'izy ireny,

Tsy adala akory ireny olona avy any ivelany ireny fa matoa izy mankasitra dia nisy porofo tao izay...

Ny lohahevitra moa dia hoe ny niavintsika malagasy, dia io omeko io koa misy souche Jiosy koa ny sasany (fa tsy ny rehetra akory)

Izay no marina...
6. rhaj0 ( 20/07/2017 11:03)
RBNIR:
io omeko io koa misy souche Jiosy koa ny sasany (fa tsy ny rehetra akory)

Dia miombon-kevitra aminao ao eto.

Ary ahoana kosa ho'a ry RBNIR ilay hoe, taranaky ny foko faha-13 (daholo) hono ny Gasy??

Ilay foko faha-13 de l'an zero @ io tao moyen-orient. Nefa io takatrao mazavabe io izany, fa :
"the split between the Borneo and Malagasy populations to have occurred some 2,000 years to 3,000 years ago"
== ny razaNTSIKA Malagasy, t@ 2000 na 3000 taona lasana tany dia TANY BORNEO
7. Felantsoa14 ( 20/07/2017 18:48)
marina fa manitikitika ny fiaviantsika saingy amiko, important tokoa ve ny mahalala izany ? Misy fiainanao eo, misy ny mifindra monina any @ faritra, misy any ivelan'i Madagasikara, arakaraka ny tontolo iainanao dia mety miova ny fisainanao, ny fombanao, etc...

Amiko na Jiosy aho na sinoa na vazaha, hampiova inona @ fiainako izany ? Maro ny fifindrana monina eran-tany ary izany no niteraka firenena marobe sy fiteny maro ary variation-na langue (portugais europeana sy breziliana, espagnol européana sy amerika atsimo, ny anglisy any europe sy ny anglisy tany Australie sy any @ firenena maro hafa)

Angamba juste "masturbation intellectuelle" sisa no ikarohana ny origine fa eto an-tany tsy misy manana origine fixe izany. Avy @ fifindra-monina no nisiantsika mianakavy
8. rhaj0 ( 20/07/2017 21:44)
Felantsoa14:
Amiko na Jiosy aho na sinoa na vazaha, hampiova inona @ fiainako izany ?

Eny tokoany.. na iza na iza, na aiza na aiza, dia samy mifoha-mianatra-miasa-milalao-misakafo-matory daholo ihany. F'izany hoe, rahefa vita ireo, dia ... hi hi hi ... lasa manita-kevitra manao "masturbation" (intellectuelle) ... :-)

Fa raha ny fahazoako azy aloha, dia ireo mitomany ho Jiosy, na koa Hebreo na Jentilisa, dia ... misy "tsy ampy" ao @ fiainany, ary mihevitra izy fa raha "Jiosy, na koa Hebreo na Jentilisa" izy, dia izay no mameno ilay "tsy ampy" ao aminy ao.

Koa "tsy ampy" inona zareo ireny hoz'enao?... Samia mamisavisa.
9. lahindroy ( 21/07/2017 10:44)
dia faly miarahaba ny rehetra indray na dia efa volana maro aza tsy teto
fanamarihana vitsy fotsiny no tiako ho soritana :

-ny asa-pikarohana akory tsy voatery hoe miainga amina filana amin'ny fiainana an-davanandro (fitadiavam-bola , sakafo...) fa matetika ateraky hetaheta-pahalalana izay tsy voatery hanana'ny rehetra
ny olona aman-tapitrisany niara-niaina tamin-dry Giordano Bruno na ry Galileo ohatra dia tahakan'ireo namana eo ambony izay ny ho hanina androany aloha no zava-dehibe , ka tsy nivaky loha amin'izay mety misy any an-danitra any :
na misy tontolo hafa aman'etsiny any na koa ny tany no miodina ny masoandro ...kanefa izy roalahy ireo , noho io hetaheta-pahalalana io , dia ny iray nodoran'ny mpino kristiana velona tao Roma , ny faharoa kosa voatery niaiky fa vinavina-piasana fotsiny ny fanambarany mba tsy ...voadoro velona koa
ary mbola mitohy manome ny aingam-panahy ny mpanao fikarohana siantifika maro izany hetaheta-pahalalana izany ka mahatonga azy hikaroka foana :
ny tantaran'ny zanak'olombelona , ny biby ...ny fiforonan'ny vondron-kintana ...

etsy ankilany izany dia tiako no manasoritra fa mbola somary sarotra amin'ny sasantsasany amintsika ny porofo entin'ny fikarohana siantifika (fitilina ara-jenetika , fikarohana arkeolojika..) sy ny fiheverana fa misy ny zavatra iray (maha jiosy fihaviana ny Malagasy ohatra) satria efa misy sy fantany vondrona sy olona manambara an'izany ; tsy voatery hoe ho diso akory ilay fanambarana fa mitaky kosa POROFO mafy orina tahakan'ny voka-pikarohana mahakasika ny fihaviana avy any Asia atsimo-antsinana sy ny fihaviana bantu
10. Calinbrandon ( 21/07/2017 15:20)
1- Ny fahafantaranao hoe avy aiza ianao, dia hahafantaranao koa hoe ho aiza ianao. Tsy resaka masturbation intellectuelle izany, fa fahalalana ny tantara sy resaka kolontsaina.

2- Hatrizay dia ny matanjaka hatrany no manoratra sy manao ny Tantara. Ny malagasy tsy dia nanoratra fa ny lovan-tsofina no azy. Ary ny tandrefana no nilaza ary nanoratra fa avy any Indonésie ny malagasy. Ny sasany nilaza fa Bantou koa hono.

3- Dia nanao analyse d'ADN ny tandrefana ary nilaza tokoa fa mitovy ny génome-n'ny malagasy sy ny génome-n'ny olona sasantsasany any Indonésie.

4- Izany valin'ny fitiana ny ADN izany anefa dia tsy ahazoana milaza velively fa avy any ny Malagasy. Ny mifanohitra amin'izany no lojika sy marina kokoa satria ny malagasy rehetra dia mitovy génome amin'ny indoneziana sasantsasany. Izany hoe, ireto sasantsasany ireto dia avy aty Madagasikara ny fiaviany.

5- Raha toa ka avy any Indonésie ny malagasy, dia tokony ho hita any ny fototry ny tenintsika (lafiny linguistique pure). Tsy izany anefa no zava-misy. Misy teny vitsivitsy itovizana, saingy teny fotsiny ihany ireo fa tsy fehezanteny. Midika sahady izany fa hadinon'ireo olona nandeha tany ny teniny (hany ka teny vitsivitsy sisa no tavela ankehitriny). Na koa tsy nahatohitra ny tompon-tany ny mpihavy ka tsy maintsy nanary ny teniny (intégration sociale), ary ireo teny tsy nananan'ny tompon-tany no tavela.

6- Raha tsy hita any Indonésie ary ny fototry ny teny malagasy, aleo jerena vetivety ny fomba amam-panao. Tsy hita any Indonésie ny ankamaroan'ny fomba malagasy : ny famorana, ny mpitomany (nisy teto Imerina sy tany amin'ny faritra hafa, ary mbola tazonin'ny Betsileo mandraka ankehitriny rehefa misy manjo), ny famadihana, ny famonosam-paty, ny vady loloa (ny vadin-joky kiloloan-jandry fa tsy kilalaon-jandry) izay hitantsika ao amin'ny Genesisy, ny trano mitodika andrefana, ny loham-pandriana mianavaratra foana na miatsinanana rehefa matory, fa tsy sanatria mianatsimo loha na miankandrefan-doha), ny firafitry ny ati-fasana, ny taom-baovao izay mifanandrify amin'ny Volasira (volana Mars eo ho eo amin'ny alimanaka gregoriana, hoy ny Antemoro Anakara), ny misasa rehefa avy mandevina, ...sy ny sisa...

7- Avy aiza ary ny malagasy ? Mba hahalalana izany dia tsy maintsy MIROSO (avy amin'ny teny chaldéen hoe "merosh") isika ary MIHETSIKA (fototeny= "etsy" izay midika hoe en mouvement amin'ny teny hebreo tranainy + KA izay tovana assyro-chaldéen sy babylonien) mba hitady ny tantarantsika hatramin'ny fahagola (faha-gola = faha-gull = faha-exil / gull = teny arameana tranainy sy hebreo tranainy).

8- Mba ho fantatsika koa hoe maninona isika no niteny foana teto Imerina an'ity fehezanteny ity ohatra : "Alasora mpangalatra akoho". Io dia fehezanteny arameana sy assyriana ary tena io fahazoantsika azy io mihitsy no dikany. Nisy tanàna natao hoe Al-Assur tany, ary nisy mpangaltra akoho ry zareo tao. Hany ka lasa oha-pitenenana ary tonga taty Madagasikara.

9- Ny KA, TRA, NA amin'ny fitsipi-pitenenana Malagasy dia tovana assyro-babyloniana ary mitovy ny fampiasantsika azy. Ny fitsipi-pitenenana malagasy sy ny foto-teny dia tsy hita any Indonésie. Ny malagasy no nisy nifindra tany Indonésie fa tsy ny Indoneziana no nankaty. Ary tsy Bantou koa ny Malagasy.

10- Hoy Iaba tamin'izahay mbola kely hoe : tandremo tsara ny tantaranao ary asandrato ny maha-Malagasy anao. Ny teny hoe "Iaba"na "Aba" dia nampiasain'ny faritra rehetra eto Madagasikara, na afovoan-tany io na tany amin'ny faritra. Ny dikan'ny hoe Aba na Iaba dia Dada (avy amin'ny teny anglisy hoe Dad) na pàpa (avy amin'ny teny frantsay hoe Papa) na Ray no dikany. Tsy teny Indoneziana na Bantou io fa teny hebreo.
11. Miharena ( 22/07/2017 08:29)
Raha zohina izay voalaza rehetra na ADN na fombafomba dia iray ihany ny Malagasy fa tsy samy hafa.

Fa raha toa ka Kaldeana, Asyriana no fomba fiteny mifandraika amin'ny fitsipi-pitenenana Malagasy dia tokony hisy fanadihadiana ao hoe nisy fifandraisana ara-tserasera ireo sa tena ny teny Malagasy no nindramin'ireo?

Raha ataontsika manko fa Banjar tokoa no itovizan'ny Malagasy rehetra, dia io izany no Fototra fa tsy misy hafa. Dia io fiavian'ny Banjar io no tokony hojerena vao miteny hoe inona ny Gasy.

Raha Baiboly no jerena dia hita hoe nisy ireo firenena nirihariha tamin;ny Jiosy toy ny Kaldeana sy ny Asyriana izay mety nampisy ny fomba fiteny ifangaroana.

Fa raha tena hijery hoe ahoana marina no tena fototra dia eo amin;ny fanononana andro no tokony hojerena.

Al ahad, al atsenaim, Telat, Al arba, Al hamesh, Yoman, Sabath.

Ilay Zoma hoe Yoman dia mety ahafahana manatsoaka ilay teny hoe fiomanana satria ny Yoman no fiomanana hidirana amin'ny Sabath.

Eo koa ny hoe fiavian'ny teny hoe Malagasy :

Malagasy = Malah : mpiantsambo, Gaz : namakivaky ranomasina, hita dia nanjavona avy amin'ny teny someriana : Malah = masiatsiaka

Ny toetra dia hita eo koa : hita olona sahisahy izany Malah izany. Sahisahy satria sahy mifindra monina mamakivaky ranomasim-be.

Manana fomba famadihana, izay itovizany ao anaty Baiboly izay nisian'ny olona te-hanosotra menaka ny vata mangatsiakan'i Jesoa.

Ny sorona atolotra eny an-tendrombohitra. Raha manao izany dia miantso an'Andriamanitra sy ny Razana.

Ka rehefa zohina dia tsy hoe Belazao ireo fa mitovy. Ny ADN mitovy, ny fomba mitovy fa tsy misy sahy milaza ireo mpandinika ivekan'ny tena Malagasy hoe Jiosy ny Gasy afa-tsy ireo Malagasy mahatana ny lovan-tsofina fahagola ihany no mahita hoe Jiosy izy.
12. rhaj0 ( 23/07/2017 18:25)
Ny fikarohana ny mba ahafantarana "ny niavianTSIKA Malagasy" angaha moa rey olona, tsy toa ny hoe, fikarohana ny mba ahafantarana hoe iza tsara moa ny rainao ao, ohatra. Satria ahiahiana ny maha-rainao ny rainao ao, azony mety hoe, nangala-pihinana ny reninao tao.

Dia inona no ataonao ahalalana ny marina?

1-- moa ve, hamadibadika ny "anaranao" ianao, ka hoe, tena tsisy adi-hevitra fa zanak'i Rajaona i Razanadrajaona?

2-- moa ve, hihaino ny "fiteninao" ianao, dia hoe, tena bada-lela tahaka an-dRajaona ilaikely, na dia blond aux yeux bleux ianao io fa tsy ngita volo sy petak'orona toa an-dRajaona?

3-- na koa, moa ve, jerijerenao ny "fombafomba" (amam-panao) na "toetoetra" ananan-dRajaona, dia tena hoe, ohatra hoe, toa tiatia toaka tahaka an-drainy mihintsy izy izany, dia izay ve no maha-zana-dRajaona anao, dia inonao tokoany?

4-- sa ve, mihaino ny fianakams sy fiaraha-monina ianao, na hoe mihaino ny "lovan-tsofina", dia ireo no atokisanao fa mahalala, ka rehefa mijoro ho vavolombelona ireo, hoe, tena zana-dRajaona ianao, dia inonao tokoany?

5-- na koa, mifikitra @ izay "boky ofisialy" ao ianao, izay "nanoratra" (dia voasoratra) fa hoe, tena zana-dRajaona ianao, dia inonao tokoany?

6-- ...


99-- Sa, ... lasa ianao mba manao test-na zenetika??


Raha mi-zenetika ianao, dia ivereno dia eritrereto tsara azany ny vokatra:
each of the Malagasy genetic groups has the same origin and all diverge from southern Borneo and Bantu populations.

[size=15]Misy ADN-na BANJAR daholo isikana... [/size]
fa kosa, tsisy pur (vokatry ny inceste), ary dia metisy isan-karazany: mety hisy ny metisy Jiosy/Hebreo/Moslimo/Frantsay/Sinoa/Karana/Kanadiana...

Dia ohatra hoe, raha te-hitomany ho Kanadiana ianao, dia
- tsy vitavitan'ny pensée mazika-mirakla io,
- ka hoe, rahefa averimberinao hoe izay (no tianao ho) ianao,
- na rahefa aholakolanao na dika-teny na zava-misy,
dia "mino" ianao fa mety ho azy eo foana io...
dia aza gaga raha ivanitihan'olona ianao eee :-)
13. Miharena ( 25/07/2017 15:48)
Ilay izy tsy hoe mampivanitika olona fa mety ianao ihany Rhaj0 no mivanitika amin'izany satria fantatra fa hafakely ny fomba familivilianao io hevitrao io mba hanoherana ny lazain'ny rehetra eto.
14. rhaj0 ( 25/07/2017 18:14)
hi hi hi...
- ka tsy mahare ny kimokimon'ny Ankizy atsy ambany alitara izany i Miharena (sy Calin),
- rehefa milingilingy mitory teny etsy ambony alitara,
- mba manadihady ny "fiavian'ny rainy" hono,
- nefa manorin-dresaka amina "fanolakolanana-tsilalao-teny",
- mifototra ny resany amina "kifombafomba",
- mino anjambany an-na "lovan-tsofina",
- sy manao fikitr'adala amina "boky-tokana",
- fa tsy mba mampiorina ny fi(s)ainany @ siansa (zenetika),
- hanamafisana fa (tsy) nangala-pihinana ny renin'i Miharena (sy Calin)
:-)

hi hi hi... azo atao hira io ry Miharena (sy Calin) aaa... :-)
15. calin.brandon ( 26/07/2017 05:55)
Rhaj0 >>>

Ny zavatra tsy hainao tsy ho takatrao, satria manana foto-pisainana obtus ianao. Hita be io amin'ny fanehoan-kevitra ataonao hatrary ambadika ary.
Ny dikan'ny voambolana hoe "siansa" aza tsy takatrao an ! Mamerena aloha Filozofia tary amin'ny kilasy ambany tary.

Manana fisainana tsy te-ho gisitra izany ianao, hany ka tsy maintsy miteny na dia tsy misy fotony aza. Olona manana complexe ianao araka ny asehonao eo fanehoanao hevitra.
Olona mizahozaho koa angamba eo anivon'ny fiaraha-monina. Hany ka mandray am-bolony ny voalazan'ny vazaha sy ny internet na dia hita fa maimbo aza no atolotra eny matetika.
Satria izay aminao no atao hoe "siansa".

Raha vitanao dia mba ataovy thèse hoe ny hevi-dravina avoakanao, dia tohano ato amin'ny Oniversite de Trois-Rivières hoe ho jerena ny fahamarinany ?
16. rhaj0 ( 26/07/2017 11:13)
O ry Calin.. miresaka "ny niaviaNTSIKA malagasy" no ataonao, sa miresaka ny "amiko"?

(entre-pa fa ao Trois-Rivieres ao, ny hoe "calin" dia ompa toa ny hoe "legona")
17. Calinbrandon ( 26/07/2017 12:54)

rhaj0:

hi hi hi...
- ka tsy mahare ny kimokimon'ny Ankizy atsy ambany alitara izany i Miharena (sy Calin),
- rehefa milingilingy mitory teny etsy ambony alitara,
- mba manadihady ny "fiavian'ny rainy" hono,
- nefa manorin-dresaka amina "fanolakolanana-tsilalao-teny",
- mifototra ny resany amina "kifombafomba",
- mino anjambany an-na "lovan-tsofina",
- sy manao fikitr'adala amina "boky-tokana",
- fa tsy mba mampiorina ny fi(s)ainany @ siansa (zenetika),
- hanamafisana fa (tsy) nangala-pihinana ny renin'i Miharena (sy Calin)
:-)

hi hi hi... azo atao hira io ry Miharena (sy Calin) aaa... :-)


Mamaly anao toy io fomba famalinao io mihitsy aho. Hay tsy tianao ilay fombanao.
18. rhaj0 ( 26/07/2017 13:03)
Câline... Izaho manao parallel @ resaka "ny niavianTSIKA Malagasy" sy ny resaka (hipaotetika) "ny niavian'i C&M". Kaomparaison n'est pas raizon, nefa eo no azahoana itaratarafana valin-teny @ (fomba) fanadihadiana "ny niavianTSIKA Malagasy".

Fa I Calin indray dia miresaka, et je cite, ny "foto-pisainana obtus... tsy takatrao.. gisitra... tsy misy fotony... Olona manana complexe... mizahozaho... Trois-Rivières..."

Diso aho hono izany, ary dia voninahitra hatrany ho an'i Caline sy Andrmntra hono izany eee....
19. calin.brandon ( 27/07/2017 05:30)

rhaj0:

Câline... Izaho manao parallel @ resaka "ny niavianTSIKA Malagasy" sy ny resaka (hipaotetika) "ny niavian'i C&M". Kaomparaison n'est pas raizon, nefa eo no azahoana itaratarafana valin-teny @ (fomba) fanadihadiana "ny niavianTSIKA Malagasy".

Fa I Calin indray dia miresaka, et je cite, ny "foto-pisainana obtus... tsy takatrao.. gisitra... tsy misy fotony... Olona manana complexe... mizahozaho... Trois-Rivières..."

Diso aho hono izany, ary dia voninahitra hatrany ho an'i Caline sy Andrmntra hono izany eee....


Ny fomba famalianao dia mbola manambara fa marina ny voalazako.
Mahagaga fa dia maro ny olona tahaka anao ety amin'ny internet. Manao izay hitarihana ny resaka hidina hatrany. Toetra tsy mamokatra io ary tsy mitondra mankaiza e !
20. rhaj0 ( 27/07/2017 12:16)
calin.brandon:
Manao izay hitarihana ny resaka hidina hatrany.

hi hi hi ... rahefa TSY "miakatra" (any an-danitry ny Kristiana) ny resaka amin-dry Calin dia TSY resaka hono no dikan'izany, ary di io krizy be io i Rakrisy :-)

Dia ao ianao izany eee...

Izaho indray dia efa ela no @ ilay revin'ny tanora (1999), ka hoe:
Atsipinay 'le Kaozy, (Tsy) Mihaino Ianao Dia Tsara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7448