FIANGONANA FARANY

1. RBNIR ( 19/07/2017 10:13)
Raha nanangana ilay fiangonana voalohany i Jesosy dia izao no nolazainy

« Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jaona 10:16)

Ity vala ity hoy ny teniny, tsy 2 na telo na marobe fa ITY VALA ITY = VALA TOKANA....

Iray ny fiangonana natsangan'i Jesosy ary io fiangona iray io no niraisan'ny rehetra tany amboalohany fa tsy nisy fiangonana maro akory...

Any amparany any dia mbola hiverina indray io Vala tokana io ka fantaro ary hoe manao ahoana no tokony ho toetran'io fiangonana farany io....

novalian'i RBNIR ny 21/07/2017 10:54
2. RBNIR ( 19/07/2017 10:13)
3. RBNIR ( 19/07/2017 10:14)
4. Felantsoa14 ( 20/07/2017 18:56)
efa previsible ny fisarasarahan'ny fiangonana ary izany no nahatonga an'i Kristy hivavaka araka ny Jaona toko faha-17 iray manontolo satria efa nisy tsy fitovizan-kevitra ny Apostoly. Alalino io vavaka io fa endriky ny interpretation an'ny finoana ataon'ny mpianatra ka mahatonga tsy fitoviam-pijery.

Tsy ny hamantatra ny fiangonana farany angamba no tena important fa hoe manaraka ny didin'Andriamanitra sy ny didin'i Jesoa ve ireo fiangonana ? Raha eny, dia ho iray ihany ny fiangonana saingy misy efitrano maromaro fotsiny, raha tsy manaraka ireo ny fiangonana dia tsy ilay ao anaty trano tokana izany izy fa any ivelany.

5. lahindroy ( 21/07/2017 10:49)

[quote=RBNIR]
Raha nanangana ilay fiangonana voalohany i Jesosy dia izao no nolazainy

« Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jaona 10:16)

Miarahaba antsika rehetra indray fa efa ela ela aho no tsy nandalo teto

fanontaniana tsotra no hapetrako :
taiza ho aiza moa ary hoviana i Jesoa no nanangana an'io fiangonana volohany io ?
fiangonana kristiana ve izy io ?
misaotra

6. RBNIR ( 21/07/2017 10:54)

lahindroy:

Faly misera lahindroy, elaela izy izany namana!

Teto Izy no nanangana ilay fiangonana...« Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. » (Mat.16:18)
Mazava loatra mbola tao amin'ny faritanin'ny Jiosy Izy tamin'io fotoana io..

Ie fiangonana kristiana ilay izy (ny teny hoe kristiana mantsy dia hita ao anaty testameta vaovao)..« Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana. » (Asan'ny Apostoly 26:28)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7315