Apoaka lips

21. Calinbrandon ( 03/08/2017 12:18)
Apoaka lips ?
Fa molotra aiza no misy apoaka ?
22. rhaj0 ( 03/08/2017 12:34)
MIharena:
Misy ohatra iray izay lazaiko ity: fohazin'ny Fanahy eo amin'ny torimaso ary itenenaNY. Hena mazava tsara ny teny toy ny avy ao am-po. Heno tsara ny fiadanana sy fahasambarana hitobian'Ny Fanahy. Heno tsara ihany koa ny fiaviaNY miditra ao anaty alohan'ny hitenenaNY sy hiasaNY.

Rehefa miasa IZY dia manana antony avokoa ny zava-drehetra ampanaoviNY ny tena.

Ny Soratra Masina izay ampamakiaNY ny tena, ny zava-miafin;ny Baiboly izay ampianariNY ny tena ka hahafahana mamakafaka sy mamaly ireny fanontaniana tsy hahitam-baliny teo aloha ireny.

Ny toerana aseho ny tena manoro ireo karazana sampy isan-tokony sy ireo toetra tsy manjary ataon'ny mpivavaka na ny olona tsy mivavaka...

RAha resa-Baiboly aloha no anamarinanao ny "masom-panahy", dia .. tsisy adi-hevitra io fa izay no inoanao ao, dia izay izany.

MIharena:
Ny zavatra tsy hitan'ny masoben'ny hafa nefa hitan'ny tena mandehandeha eny amin'ny arabe eny ary hanazavana amin'ny tena ny fisian'izany monde parallele izany.

TEna ampio antsipiriany hoe ity, raha tsy mahadiso. Asio resaka mivaingana (concret), ohatra na seho iray. Ohatra hoe, toatoa ny ahoana ilay izy izany androany.
23. RBNIR ( 03/08/2017 14:22)
Hitantsika teo fa ny kintana miraraka dia anisan'ny vokatry ny trou noir iray tafiditra ato amin'ny galaxie lactée rehefa tafiditra ao amin'ilay atao hoe nuage d'Oort izay toerana fitobian'ny comète izy io...

Inona ary ireo porofo hafa notenin'i Jesosy manambara fa "trou noir" marina no ho entin'Andriamanitra hamotehina izao tontolo izao ????

1 .....ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. » (Matio 24:29) misy hery eny amin'ny lanitra eny mitazona ny zavatra rehetra tsy hihetsika amin'ny toerana misy azy ankehitriny sy araka ny ahitantsika azy izao....

Rehefa tonga ny trou noir iray dia iny hery iny mihitsy no hozogozoniny voalohany, (sitominy ((aspireny)) daholo hiala amin'ny toerany ny zavatra rehetra ka handeha hanantona azy , na planèta , na étoile, na astres, n'inona n'inona......

Hovohozongozona mafy araka izany ny herin'io lanitra io....

2- Hotohizana raha sitrapon'Andriamanitra.......

24. rhaj0 ( 03/08/2017 17:27)
RBNIR:
...misy hery eny amin'ny lanitra eny mitazona ny zavatra rehetra tsy hihetsika amin'ny toerana misy azy ...

Efa noresahinao t@ Ankizy ve ity ry RBNIR, sa tena mba averimberinao lava eto foana fotsiny, hi-tester-nao ny haben'ny fitombenany? :-)

Esy e... f'ngaha izy ity ry RBNIR asiana "pensée magique", dia averimberina amina lamentation, dia itsindrohana resa-Baiboly, dia ho marina ho azy eo, ka hoe:
... dia "voatazona tsy hihetsika" ireo bolonganabe miritarita eraky ny tontolo ireo?


Mbo hainao ve ry RBNIR ny fandehan'ny hetsiky ny tontolo? Mbo hainao ve ny hafainganam-pandehan'ireo bolonganabe, na planeta na kintana na galaksia, eraky ny tontolo ireo?

Ohatra hozy Ineny Gogola:
As schoolchildren, we learn that the earth is moving about our sun in a very nearly circular orbit. It covers this route at a speed of nearly 30 kilometers per second.


Dia hita mihintsy ianao ry RBNIR fa mi-raisonne hotr'i Jesosy de l'an zero, TSY mahatakatra ny fandehan-javatra "ao ambony ao", fa miteniteny foana, dia manambaka izay te-hino azy ao.

Dia rahefa lazaina fa ihomehezan'ny schoolchildren lava ao anie ianao RBNIR lehilalehibe ao io, dia .. hotry ny izaho indray ho'a no Irainizeloza ee...

25. RBNIR ( 04/08/2017 05:25)
rhaj0:

RBNIR:
...misy hery eny amin'ny lanitra eny mitazona ny zavatra rehetra tsy hihetsika amin'ny toerana misy azy ...

Efa noresahinao t@ Ankizy ve ity ry RBNIR, sa tena mba averimberinao lava eto foana fotsiny, hi-tester-nao ny haben'ny fitombenany? :-)

Esy e... f'ngaha izy ity ry RBNIR asiana "pensée magique", dia averimberina amina lamentation, dia itsindrohana resa-Baiboly, dia ho marina ho azy eo, ka hoe:
... dia "voatazona tsy hihetsika" ireo bolonganabe miritarita eraky ny tontolo ireo?


Mbo hainao ve ry RBNIR ny fandehan'ny hetsiky ny tontolo? Mbo hainao ve ny hafainganam-pandehan'ireo bolonganabe, na planeta na kintana na galaksia, eraky ny tontolo ireo?

Ohatra hozy Ineny Gogola:
As schoolchildren, we learn that the earth is moving about our sun in a very nearly circular orbit. It covers this route at a speed of nearly 30 kilometers per second.


Dia hita mihintsy ianao ry RBNIR fa mi-raisonne hotr'i Jesosy de l'an zero, TSY mahatakatra ny fandehan-javatra "ao ambony ao", fa miteniteny foana, dia manambaka izay te-hino azy ao.

Dia rahefa lazaina fa ihomehezan'ny schoolchildren lava ao anie ianao RBNIR lehilalehibe ao io, dia .. hotry ny izaho indray ho'a no Irainizeloza ee...




Ity hery anankiray ity izao anisany ho voahozongozona amin'izany fotoana izany....

Interview : la gravitation, cette force mystérieuse La gravitation est une interaction physique causant l’attraction des corps sous l’effet de leur masse. C’est elle qui nous retient sur Terre, nous empêchant de nous envoler dans l’espace. Dans le cadre de sa série de vidéos Questions d’experts, sur la physique et l’astrophysique, l’éditeur De Boeck a interrogé José-Philippe Pérez, professeur à l’université de Toulouse, afin qu'il nous en dise plus sur cette force banale mais mystérieuse.

http://www.futura-sciences.com/sciences/definitions/physique-gravitation-3573/

Hahita sambo hanidina ianao amin'izany fotoana izany.........

Tsy io ihany fa mbola misy hery hafa koa hovoaozongozona....
26. RBNIR ( 04/08/2017 05:27)
"force mystérieuse" hoy ny manampahaizana (fa tsy hoy i RBNIR)....."

Hoy i Jesosy hoe "ny herin'ny lanitra hozongozonina".....
27. RBNIR ( 04/08/2017 05:34)
RBNIR:
...misy hery eny amin'ny lanitra eny mitazona ny zavatra rehetra tsy hihetsika amin'ny toerana misy azy ...


Inona moa no diso amin'io ry rhajo, (ezahako tsorina ilay izy ho azon'ny mpamaky eto)

Inona izao no mahasamihafa an'io lazaiko io amin'ity teny ato ity La gravitation maintient les planètes en orbite autour du Soleil. (Échelle non respectée.)

Source https://fr.wikipedia.org/wiki/Gravitation

Io gravitation io mihitsy ange no anisany ho hozongozonin'ilay trou noir rehefa tafiditra ato amin'ny galaxie lactée izy e!!!.....
28. RBNIR ( 04/08/2017 06:55)
Porofo hafa izay manamarina fa trou noir no nambaran'i Jesosy fa handevonana ny galaxie lactée..

« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Petera 3:10)

1- ny lanitra ho lasa amin'ny firimorimoana mafy : ho aspiren'ilay (sintonin'ilay) trou noir ireo rehetra sendra azy dia iny no ho hita ety an-tany hirimorimo mafy hirohotra hankao amin'ilay trou noir

2 ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Petera 3:10)

Rehefa manakaiky ny tany ny trou noir anankiray dia hisy super volcan vokatrny ny horohoronany mafy dia mafy (hisy afo hivoaka any anaty tany any dia iny no handoro sy handevona ny tany sy ny asa rehefa natao teo amboniny...

Quand la Terre serait assez proche, son atmosphère elle-même serait arrachée par le trou noir, avant qu'il n'avale la planète entière, morceau par morceau. Un cataclysme qui provoquerait de terribles tremblements de terre et l'apparition de super-volcans.

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Voamarina ihany koa izany ara-baiboly « Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apokalypsy 16:18)


horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. »

Vokatr'io horohorotany mafy io dia izao....« Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany. » (Apokalypsy 16:19)
« Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. » (Apokalypsy 16:20)


Io horohorontany io no anisan'ny loza farany indrindra hiseho ho ny tenin'Andriamanitra dia ho VITA amin'izany ny tantaran'ity tany ity.....

« ......dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita. » (Apokalypsy 16:17)
29. RBNIR ( 04/08/2017 06:58)
Ahoana ary no fomba hilazan'ny baiboly ilay trou noir??? voasoratra ao v izy io sa???

Hotohizana raha sitrapon'Andriamanitra
30. RBNIR ( 04/08/2017 10:49)
Raha ny baiboly aloha dia tsy manoratra ny teny hoe trou noir...Io rahateo dia teny nipoitra taty aoriana ela be,

Fa inona kosa ary no voasoratra....« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14)

Ny fahafatesana sy ny fiaina-tsi-hita hatsy any amin'ny farihy afo....

Farihy Afo no voalaza ao anaty baiboly, inona no mifandraika amin'io farihy afo io ankehitriny???



Ny trou noir en activité dia manana endrika "farihy afo" amin'ny ankapobeny ...

Inona ny tiany tenenina amin'ilay fahafatesana sy fianan-tsi-hita izay lazaina fa hatsipy ao amin'ny farihy afo io???

1 Ny fiaina-tsi-hita dia tsy inona fa ny helo ihany raha ny baiboly no vakiana ary tsy inona akory izy io fa ilay afo ao anaty tany ao ihany,

« Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy. » (Nom.16:33)
« Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra aza. » (Deo.32:22)
« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lio.16:23)

Ankehitriny dia voamarina koa fa ny fiaina-tsi-hita na helo dia tena ao anaty tany ao marina tokoa....

http://rustyjames.canalblog.com/archives/2010/12/25/19966322.html

https://vimeo.com/145457780

2 ny hoe fahafatesana kosa tsy inona akory fa ity tany izay feno fahafatesana misy antsika ity...

Ny fahafatesana + fiana-tsi-hita araka izany dia = globe terrestre (tany feno fahafatesana + enfer ilay ao anatiny ao)

Ny globe terrestre araka izany dia atsipy any anaty farihy afo (trou noir)

ity misy sary iray maneho fa raha misy trou noir tafiditra manakaiky ny tany dia possible fa io globe terrestre io dia hovoateliny marina tokoa


http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html

Ka ilay farihy afo na afobe ao anaty baiboly dia tsy inona fa trou noir ngeza be iray ho avy hitelina ny tany sy ireo zavatra rehetra ato amin'ity galaxie lactée ity.....
31. rhaj0 ( 04/08/2017 11:20)
RBNIR:
RBNIR:
...misy hery eny amin'ny lanitra eny mitazona ny zavatra rehetra tsy hihetsika amin'ny toerana misy azy ...

(..)
Inona izao no mahasamihafa an'io lazaiko io amin'ity teny ato ity La gravitation maintient les planètes en orbite autour du Soleil. (Échelle non respectée.)

Io gravitation io mihitsy ange no anisany ho hozongozonin'ilay trou noir rehefa tafiditra ato amin'ny galaxie lactée izy e!!!.....

MIsy nianatra Fizika ve eto @ serasera eto, sady Kristiana tsara sitra-po, ka afaka mba manazava ny Fizika fototra @ RBNIR??
32. RBNIR ( 04/08/2017 12:18)
Tsy maninona rhajo a! enga anie ka tsy ho tara ianao vao hibebaka e!!!

Tsy maintsy ho avy ilay trou noir handrava ity galaxie lactée ity, ary izaho ankehitriny resy lahatra fa na ry zareo firenena matanjaka aza dia efa mahatsinjo izany satria tsy ho ela izy io no ho avy....

Izay no anton'ny projet eny amin'ny planète mars ankehitriny satria mihevitra izireo fa épargné ny planète mars amin'izany fotoana izany......

Saingy indrisy, hoy Jesosy hoe ny tany sy ny lanitra ho levona, tsy hisy tavela eo na iray aza fa samy ho levona daholo raha mbola ato amin'ity galaxie lacté ity.....

Fampieritreretana, maninona no handositra any amin'ny mars?????

Valiny???? satria ny planeta mars dia lavitra kokoa ny masoandro raha miohatra amin'ny tany.....

Avy ao amin'ny masoandro no hiatomboka ny fandravana, hikisaka moramora hanatona ny tany sns......
33. RBNIR ( 04/08/2017 13:59)
Hoy i Jesosy hoe ....

« Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. » (Matio 24:29)

1 Hohamaizinina ny masoandro (hotaperina ny androny)
2 Ny volana tsy hazava (vokatr'ilay masoandro maizina)
3 Kintana hiraraka, vokatry ny trou noir tafiditra ao amin'ny nuage d'Oort (tadidio fa io nuage d'Oort io dia manodidina ny masoandro ankehitriny....)
4 Ny herin'ny lanitra hozogongozonina vokatr'ilay trou noir hatrany
34. rhaj0 ( 04/08/2017 14:34)
rhaj0:
MIsy nianatra Fizika ve eto @ serasera eto, sady Kristiana tsara sitra-po, ka afaka mba manazava ny Fizika fototra @ RBNIR??

Tena tsisy namana namaly ny antso avo k'le...

- Tena tsisy ve ny Kristiana nianatra Fizika?.. tsy mino aho hoe tsisy izany eto.
- Ka tena tsisy izany ny (Kristiana) "tsara sitra-po"? .. tena mino aho fa tena na ny Kristiana namanao azany ry RBNIR dia manongo-tena fotsiny ao, dia aleony tsy mikOzy.

Fa dia averimbereno ary velabelaro eto izany ry RBNIR ity "fahalalanao (Fizika)" aaa... tsindrotsindrohy eny ny piesi-na puzzle, trou noir, Oort, gravitation, Mars, Masoandro sns.. dia atambatambaro eo, fa rahefa "tahian'Andtrmna" ve ianao tsy ahatafavoaka kisary "marina-ara-Baiboly" eo foana..
35. RBNIR ( 04/08/2017 15:48)
rhaj0:

rhaj0:
MIsy nianatra Fizika ve eto @ serasera eto, sady Kristiana tsara sitra-po, ka afaka mba manazava ny Fizika fototra @ RBNIR??

Tena tsisy namana namaly ny antso avo k'le...

- Tena tsisy ve ny Kristiana nianatra Fizika?.. tsy mino aho hoe tsisy izany eto.
- Ka tena tsisy izany ny (Kristiana) "tsara sitra-po"? .. tena mino aho fa tena na ny Kristiana namanao azany ry RBNIR dia manongo-tena fotsiny ao, dia aleony tsy mikOzy.

Fa dia averimbereno ary velabelaro eto izany ry RBNIR ity "fahalalanao (Fizika)" aaa... tsindrotsindrohy eny ny piesi-na puzzle, trou noir, Oort, gravitation, Mars, Masoandro sns.. dia atambatambaro eo, fa rahefa "tahian'Andtrmna" ve ianao tsy ahatafavoaka kisary "marina-ara-Baiboly" eo foana..

Izao ary ry rhajo!!! ahoana ny hevitrao amin'ity olona iray ity???

http://www.agoravox.tv/tribune-libre/article/nassim-haramein-la-bombe-du-champ-43925
36. RBNIR ( 04/08/2017 16:12)
- Soit la communauté scientifique n’est composée que de bouffons depuis un siècle

- Soit il existe une direction occulte de la communauté qui engage délibérement l’humanité dans une fausse direction en plaçant dans ses rouages des incompétants (théorie défendue par Jean-Pierre Petit).

Tsy izay lazain'ny manampahaizana rehetra akory dia voatery ho marina avokoa na dia miray saina amin'izany aza izy rehetra..........
37. rhaj0 ( 04/08/2017 16:31)
Asa ahoana indray izao ny fandraisanao RBNIR an'io "piesi-na puzzle" iray io. Tonga dia akapoka ho araka ny revin-Jesosy sy ny "kintana-miraraka" ihany indray ve?


Ny mpikaroka isan'isany dia samy mandalina sy mandroso izay teoriany eo. Araka ny "lohahevitra Prof Fesera" itsy ambony, dia ny aroson'ny tsirairay dia MILA reproduiser-n'ny namany, izay vao miara-manaiky ny kaomionitia siantifika fa mitombona (valide) ilay izy.

Rahefa TSY mbola "miara-manaiky ny kaomionitia siantifika", dia mbola "work in progress" izany.

Ny hoe mi-"remettre en cause les équations d'Einstein" dia tsy vaovao, ary tsy izany no principal argument banjinina.

Raha ny (tokony) izy, dia ny fikarohana siantifika, indrindra ny recherches fondamentales toa itony, dia TSISY "interets" manokana afa-tsy ny itomboan'ny fahalalan-draolona.

Fa izany hoe, tsisy tonga lafatra @ ity fiainana ity, ary dia misy ihany ny mpikaroka siantista voaronjon'ny "interets 3V", ary lasa manao revi-na vendeur/commerce, na koa lobbyist/politique.


Fa ilay "miara-manaiky ny kaomionitia siantifika" ihany ifotorana eee... Ary mba site officiel jerena fa tsy izao mameno bande passante izao. Dia io ho'a:

1- izay misy eo dia mila fahatokisana an'IREO "zaodahy mahay manefy". Fa misy no efa nekena (valide) ary efa nampiasaina sy namokaram-bokatra.

2- nefa koa, tazomina an-tsaina foana ihany fa "work in progress" ity fiainana ity, ka mety hivoatra izay fahalalana ananan-draolona eo, toa ny fivoaran-draOlombelona eo ihany.
38. Miharena ( 05/08/2017 16:55)
Ny olana amin'ny resaka kaomonitia anie dia izay zavatra dinihin'ny olombelona momba ny zavaboary sy ny tranga miaraka aminy no dinihiny ka manjary tsy ampu satria tsy ho vita ny mandalina izay zavaboary hatrizay namoronana azy izay sy ny fivoarany hatramin'izao.

Ny momba ny finoana indray dia izay azo avy amin'ny Mpahary no dinihina ary ahitana fa misy ireo faminaniana izay tanteraka arakaraka ny vanim-potoana izay hisehoany avy.

Ka lasa adihevitra manao boribory vetaveta ny manome lanja ny siansa raha tsy hoe angaha ka siansa ara-panahy sy ara-pamoronana mihitsy no halalinina.

Ny olana dia ity fotsiny hoe izay minia tonga dia mandraikitra ny fiheverany fa tsy misy Mpamorona izao tontolo izao dia efa mapikatso sahady ny fanohizana ny fifanakalozana aminy satria mandrindrina ny sainy amin'ny fiheverany samirery izy amin'izay fotoana izay.
39. rhaj0 ( 05/08/2017 22:04)
Miharena:
siansa ara-panahy sy ara-pamoronana

efa manao an'io re ny fanatiques ao Zamerika ao ee.. Fa hihomehezan'ny olona fotsiny..

Fa mila mitandrina ihany na izany azany ny olona, fa misimisy ihany no voarebirebin-dreo an. Ny loza izao dia i Betsy DeVos dia toa isan'ny "mino" an'izany. I DeVos no minisitry ny fampianarana ao Bekintana ao. Mody hoe amena "choix" hono ny mpianatra (sy RaR-ny), nefa choix @ ilay "siansa ara-panahy" no tanjony.

Fa izay "mahalala" an'io moa, dia
- raha bekintana izy, dia mitsangam-bolo
- raha tsy bekintana izy, dia .. mikimokimo ambadika hoe, dia ho dondrona ao izany ny zana-bekintana.

Izay mpiavy ao bekintana ao, sinoa/karana/japs/koerana/arabo/latino, dia mianatra mafy Siansa daholo. Ny eny @ 3eme cycle, dia zara raha ahitana bekintana-ray-sy-reny. Dia soa koa fa ny Eoropeana tsy mba @ izany.

Enga anie ny gasy tsy ho voarebireby @ izany koa.

(izay no mbola hanontaniako indray hoe, ngo dia manana fahefana (politika) ry Miharena itony, ka hidiran-doza ao ny firenena!!)

40. RBNIR ( 07/08/2017 05:22)
rhaj0:

Fa ilay "miara-manaiky ny kaomionitia siantifika" ihany ifotorana eee... Ary mba site officiel jerena fa tsy izao mameno bande passante izao. Dia io ho'a:

Io no problema manakona ny mason'ny manatsaina rehetra ankehitriny....

Manao tsinontsinona ny sasany nefa hoy i Jesosy hoe....« Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Matio 11:25)


Tsy aleo v zaza madinika nefa mahiratra toy izany manantsaina sy hendry nefa jamba????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3592