Apoaka lips

1. rhaj0 ( 18/07/2017 13:06)
Tena ity ny kisary maneho ny Baiboly ao @ Apoaka lips,
ary izao ilay imazination (kolektiva) ny @ "kintana miraraka" sy ny "bibidia".

... araka ny fahendren'ny razan'ny Kristiana gasy :-)

2. RBNIR ( 20/07/2017 05:07)
Ilay sary etsy ambony tsy misy toko sy andininy tena tsy afaka tsaraina na marina na diso
3. rhaj0 ( 20/07/2017 10:59)
Ka rahefa mamaky ny Apoakalipsa i RBNIR, dia hoe, ho "ratsy ny toetr'andro", ka dia io mandongilongy io ny rahona; dia hoe, "hisy kintana miraraka", dia io naseho io ny toatoa ny voatsinefy mirehitra miraraka toa avandra.

Dia hoe koa hoe, misy Bibidia, manana loha fito, ary nivoaka avy tany an-dranomasina ilay izy teo. Ka dia io ny sary ao @ imazination (kolektiva) eee...


Sa ao @ imazination-ndRBNIR ao, ilay kintana miraraka dia kely kokoa fa toa bibin-jiro? Dia ilay bibidia dia toa ny voay indray? Ka toa tsisy voay anie tany @ ireo nanao ny sary, dia ireo Kristiana tao Eoropa.


Ka dia kOpy ianao izany fa dia tena samy manana ny imazination-ny ity resa-Baiboly ity, ary ny imazination-n'ny hafa TSY mahakasika ny anao.

4. Miharena ( 22/07/2017 09:02)
Rehefa tsy mahay mamaky ny Fototra voalaza ao anaty baiboly dia samy manana ny imazinasion-ny aby.

Toa anao Rhaj0, tsy hihevitra mihitsy hoe misy sary miafina ao anatin'io Apokalypsa io.

Nefa miseho miharihary ilay fahatanterahany rehefa zohina ilay firenena mitondra ireo loham-biby isanisany ireo.

Azonao jerena sy dinihina ireo mariky ny firenena isan-tokony dia ho fantatrao hoe iza ireo mandrafitra ny bibidia.

Ny maha-firenena dia hajaina eo amin'ny firenena isan-tokony ary hitantsika ohatra fa misy ireo izay manao ny azy ho tigra, ny sasany liona sns..

Ny an'ny Malagasy nasaina nisafidy na koa noterena hanana dia io lohan'omby tsy manjary io no natao ho antsika hono. Dia io apetraka amin'ny vola sy ny marika lehibe eny amin'ny Lapam-panjakana io.

Ireo kintana miraraka ireo dia tsy kintana fa anjely sy olona mivari-lavo na nivadika tamin'Andriamanitra.

Raha niresaka Jehovah tamin'i Abrahama dia nilaza hoe jereo ny kintana eny ambony raha voaisanao, dia nilazany avy eo hoe : toy ireo ny taranakao.

Ny kintana eto dia ny maha-zanak'Andriamanitra ary fanoharana ny olona.

Mazava Lehibe no hitan'i Paoly rehefa niseho taminy i Jesoa. Kintana ihany koa izany.

Tsy imazinasion aby izany fa sehon-javatra tsy halalinin'ny miseho azy ho tsy mpino.
5. rhaj0 ( 23/07/2017 14:25)
DAnz be ilay fandrohizana ataon'i Miharena hoe, miresaka "kintana' i Abrahama, dia ilay "firesaka kintan'i Abrahama" izay koa no dikan'ny "kintana" ao @ Apokalipsia, ohatra.

hi hi hi... io ho'a toa ilay ranamana Strong3 teto ihany. Mbo hitan'ilery tamina tokom-Baiboly tany ho any hoe, "vehivavy = leglizy", ary dia, izay resaka "vehivavy" rehetra ao @ Baiboly dia nakapok'ilery ho resaka "Leglizy".

Fa dia aholakolano eo ny (teny sy ny dika-teny anaty) Baiboly ry Miharena aa...
Mety tsara io ... "ao @ imazination-nao" irery ao. :-)
6. Miharena ( 28/07/2017 03:25)
Fa ilay Rhaj0 rehefa dinihina dia tsy mamaky tsara izay voasoratra fa maka hevitra hafa hanoherana izay voalaza fotsiny.

Resaka marika entin'ny firenena no resahana dia izay fanoharana aty ambadika momba ny kintana no mahavaka azy hoe imazinasion hono.

Fa io resaka kintana io, fantatrao ve Rhaj0 fa io ianao io anie ka kintana iray. Ny fanahinao io anie ka mazava mihoatra ny hazavan'ny kintana tazanao eny andanitra!

Dia mety hanao fohy saina indray ianao izao hoe manonofy Miharena fa tsy mandalina ianao aloha vao miteny.
7. rhaj0 ( 28/07/2017 11:22)
Miharena:
fantatrao ve Rhaj0 fa io ianao io anie ka kintana iray

hheeee.... dia tena mila miani-kazo mihintsy aho izany vao hahatakatra ity "kintana" lazainao re ry Miharena.

Sa inona indray no "famaritana" ny hoe "kintana" ao @ diksionera-Miharena??
8. rhaj0 ( 28/07/2017 11:55)
Ity izao misy video, avy any Hawai (fa tsy moyen-orient). Tena mety iray @ ireo "kintana" ireo izany aho ry Miharena a???

Fa tena hotsahotsan'ny misy kintana miraraka ho'a... dia toa lasa mitefoka etsy @ ankavanana?
Ho avy eo koa izany i Bibidia?? Soa fa tonga ny maraina..




Fa eto indray ho'a tena hotsahotsan'ny galaxie mihintsy no midoboka ee...
Dia ilay misosa eny ambony rahona ee... hotsahotsan'io izany no hitan'i Jesosy mitaingina kalesa eny ambony rahona?? tsy mangatsiaka ve ho'a eny ambony rahona eny, ka mampivaingana ny lelo[size=6](-n'i Jesosy)[/size]??

9. Miharena ( 01/08/2017 10:00)
Rehefa ampahafantarina ny momba anao iray manontolo ianao dia izay vao afaka hikaza hoe toy ny inona.

Satria aoka ho fantatrao fa tsy ianao vatana be io akory no tena ianao ary tsy izay hitan'ny masom-batanao io akory no hitan'ny masom-panahinao.

Io moa tsy hita hazavaina raha tsy efa niharan'izany fahitana ara-panahy izany toa an'ireo Mpaminany maro nomena fahitana ireo.

Ho an'ny tsy mino dia izay hitan'ny masony no ataony hoe fahamarinana fa ho an'ny mino kosa dia izay ambadiky ny maso aza hitany.

Mazava ohatra ny fanahy ary manana fitafiana hafa tsy nozairin-tanana any amin'ny tontolo izay ampahalalaina azy rahatrizay.

Azonao alaina ohatra hoy aho tsy mitsahatra ny mamerina ireo vavolombelona mijoro mahalala izay nihatra taminy taorian'ny nialany aina avy ary ny antony namerenana azy avy teto ambonin;ny tany mba hitantara.
10. rhaj0 ( 01/08/2017 12:03)
Miharena:
Satria aoka ho fantatrao fa tsy ianao vatana be io akory no tena ianao ary tsy izay hitan'ny masom-batanao io akory no hitan'ny masom-panahinao.

Tantarao azany hoe, inona no hitan'izao "masom-panahinao" ao izao ry Miharena.

Qui se concoit bien, hono, s'enonce clairement.

Sa pli-vava fotsiny ny anao ry Miharena??
11. RBNIR ( 02/08/2017 07:11)
rhaj0:



Jesosy nanao prédiction pluie de meteorite (kintana sy tainkitana) tato....

« Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. » (Matio 24:29)


En s'approchant de nous, le trou noir commencerait par rencontrer le nuage d'Oort, une zone où les comètes s'accumulent. Cela projetterait violemment un grand nombre de ces astres vers la Terre et les autres planètes.

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Rehefa zohina ny prédiction nataony dia hisy trou noir iray ngezabe any aoriana any ho tafiditra ato amin'ity galaxie lactée ity ka io no handevona ny tany sy ny lanitra (planète sns.....)

Tsy hisy intsony ny galaxie lactée rehefa avy eo ...« Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. » (Lioka 21:33)


Ny porte de sortie moa hoy i Jesosy dia tany vaovao sy lanitra vaovao...« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apokalypsy 21:1)


Ny mahasamihafa an'io tany vaovao io tamin'ny taloha dia :
1 tsy hisy ranomasina intsony any....
2 tsy hisy masoandro intsony (tsy système solaire fa source d'energie hafa mihitsy no hamelona any)

« Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. » (Apokalypsy 22:5)

fampieritreretana: tany amin'ny taona 0 dia efa nisy nahafantatra ny momba ny trou noir (tsy nisy telescope, tsy nisy vidéo satéllite) sns.......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
12. rhaj0 ( 02/08/2017 10:12)
RBNIR:
ny kintana hiraraka avy any an-danitra

Ilay sonema ity ambany ity no maneho ilay "kintana miraraka" ry RBNIR aaa... Tsy hitanao io ve fa miraraka atsy atsimotsimo atsy ireo kintana?? Nisy nitselatra mihintsy izy teo.

Toatoa ny io no hitan'i Jesosy t@ fotoan'androny. T@ izany moa dia tsy fantatr'i Jesosy akory hoe, misy Kilimanjaro anie ao atsimotsimo ao, fa ny frontiere takatry ny hoza-dohan'i Jesosy dia i Soudan atsimo izao.

Ka rehefa raraka any Kilimanjaro ireo kintana, dia i Jesosy ao moyen-orient mbola mihevitra fa manam-potoana hanao planina ny @ Zerozalema vaovao.

13. RBNIR ( 02/08/2017 11:56)
mahafinaritra rehefa manaiky ianao fa ireo ilay "kintana" resahin'i Jesosy ry rhajo (fa tsy ry proxima sns tsy akory....)
14. rhaj0 ( 02/08/2017 19:41)
Ireo taitain-kazavana mangirangirana HOTRY NY "miraraka" any @ faravodilanitra ao atsimotsimo @ video ireo re ry RBNIR... raha @ Jesosy-de-l'an-zero ho'a, dia "miraraka" any @ Kilimanjaro izy ireo eee...

Ary ireo "mangirangirana" ireo re ry RBNIR dia ireo "kintana" ao @ La Voie Lactee (ao anatiny i Proxima) miampy izay galaxies hafa tandrifin'ny maso ao eee...

Dia inona no takatra sy novinaniana ary naminian'i Jesosy @ izany re ry RBNIR, fa ianao koa dia tena sirika be, fa dia obsédé ny hamanarina ny an'i Jesosy-de-l'an-zero bontolo fotsiny, dia mitsingotsaingoka izay voambolana sy anarana siantifika eo, nefa toa tsy azonao akoriny ny dikany eee..

Aoka re ry RBNIR...
15. RBNIR ( 03/08/2017 05:34)

rhaj0:

Ireo taitain-kazavana mangirangirana HOTRY NY "miraraka" any @ faravodilanitra ao atsimotsimo @ video ireo re ry RBNIR... raha @ Jesosy-de-l'an-zero ho'a, dia "miraraka" any @ Kilimanjaro izy ireo eee...

Ary ireo "mangirangirana" ireo re ry RBNIR dia ireo "kintana" ao @ La Voie Lactee (ao anatiny i Proxima) miampy izay galaxies hafa tandrifin'ny maso ao eee...

Dia inona no takatra sy novinaniana ary naminian'i Jesosy @ izany re ry RBNIR, fa ianao koa dia tena sirika be, fa dia obsédé ny hamanarina ny an'i Jesosy-de-l'an-zero bontolo fotsiny, dia mitsingotsaingoka izay voambolana sy anarana siantifika eo, nefa toa tsy azonao akoriny ny dikany eee..

Aoka re ry RBNIR...


Experience tsotra ity, anontanio ny zanakao na ny manondidina anao rehefa misy pluie de méteorite ianao

Valiny azo antoka à 99% dia hoe dia hoe étoiles ireny, na koa hoe kintana ireny...

Ny 1 % no mety hamaly hoe meteorita ireny....

Andramo ange e,

Sady ny voambolana kintana koa amin'ny teny malagasy malagasy dia hoe

Dikan'ny teny : kintana
1 a: Vaingan-javatra mirehitra mamirapiratra eny amin'ny habakabaka amin' ny alfna izay tsy tokony hafangaro amin'ny planeta, ka ny anavahana azy dia ny hazavany mihalontralo...

Ka samia mandray izay tandrifiny e,

Hoy ilay rohy ery ambony hoe rehefa tafiditra ao amin'ny "nuage d'Oort" toerana izay fitobian'ny comète ny trou noir anankiray hoy izy dia eo no hiraradraraka ireo kintana (tsy ety amin'ny tany ihany fa hatrany amin'ireo planèta manodidina ihany koa....

Hoy Jesosy hoe "ny kintana hiraraka".....

Ho an'ny manantsaina rehetra......Inona ankehitriny no hitan'ny manampahaizana fa mety hahavita mandevona galaxie anankiray????? Moa tsy trou noir ?????

Hoy i Jesosy hoe "Ny tany sy ny lanitra ho levona........" (galaxie lactée ange no resahiny amin'izany e!!!

Mbola ho entiko ny porofo hafa fa tena trou noir no resahin'i Jesosy eo....

16. MIharena ( 03/08/2017 06:00)

rhaj0:

Miharena:
Satria aoka ho fantatrao fa tsy ianao vatana be io akory no tena ianao ary tsy izay hitan'ny masom-batanao io akory no hitan'ny masom-panahinao.

Tantarao azany hoe, inona no hitan'izao "masom-panahinao" ao izao ry Miharena.

Qui se concoit bien, hono, s'enonce clairement.

Sa pli-vava fotsiny ny anao ry Miharena??


Ilay hoe qui se concoit bien s'enonce clairement aloha tsy tena mahalaza izay ambara satria raha tsy iainana tsy hay ny mamaritra ny vatana ara-panahy.

Maro ireo filazana ao anaty Baiboly ny momba ny hoe nentin'ny Fanahy izy ary nanehoana zava-mahagaga sy zava-miafina.

Ny tenako ohatra dia efa nentin'ny Fanahy ary nanehoana zavatra tsy heverin'ny saiko mihitsy. Dia izay vatana fanahy izay ihany no mahalala ary io no mampita amin'ny saibeko ara-batana ity hoe izao avy no zavatra hitako sy reko teo.

I Jehovah moa dia efa nampiteny ny mpaminany hoe any aoriana any dia hanonofy ny lahiantitrareo, sy ny hoe any aoriana any no handatsahaKO ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra.

Ka tsy ny tena no nanao conception dia tsy afaka mamaritra afatsy avy amin'ny zavatra tsapa.
17. rhaj0 ( 03/08/2017 11:30)
Miharena:
Ny tenako ohatra dia efa nentin'ny Fanahy ary nanehoana zavatra tsy heverin'ny saiko mihitsy.

Ampio antsipirihany kely hoe raha tsy mahadiso :-)
18. MIharena ( 03/08/2017 12:08)
Tsara ny liana satria mety hahazo anao koa izay nahazo ny tena.

Misy ohatra iray izay lazaiko ity: fohazin'ny Fanahy eo amin'ny torimaso ary itenenaNY. Hena mazava tsara ny teny toy ny avy ao am-po. Heno tsara ny fiadanana sy fahasambarana hitobian'Ny Fanahy. Heno tsara ihany koa ny fiaviaNY miditra ao anaty alohan'ny hitenenaNY sy hiasaNY.

Rehefa miasa IZY dia manana antony avokoa ny zava-drehetra ampanaoviNY ny tena.

Ny Soratra Masina izay ampamakiaNY ny tena, ny zava-miafin;ny Baiboly izay ampianariNY ny tena ka hahafahana mamakafaka sy mamaly ireny fanontaniana tsy hahitam-baliny teo aloha ireny.

Ny toerana aseho ny tena manoro ireo karazana sampy isan-tokony sy ireo toetra tsy manjary ataon'ny mpivavaka na ny olona tsy mivavaka. Ny zavatra tsy hitan'ny masoben'ny hafa nefa hitan'ny tena mandehandeha eny amin'ny arabe eny ary hanazavana amin'ny tena ny fisian'izany monde parallele izany.

Izay aloha no lazaina ambangovangony ary ireo rehetra ireo no nahafantarana fa ireo tranga mahazo ny namana Malagasy izay mifoha ary iresahan'i Jesoa ireo dia marina fa tsy foronin'ny tenabeny sy ny sabeny akory.

19. RBNIR ( 03/08/2017 12:11)
RBNIR:

Ho an'ny manantsaina rehetra......Inona ankehitriny no hitan'ny manampahaizana fa mety hahavita mandevona galaxie anankiray????? Moa tsy trou noir ?????

Ity izao manamarina an'io teneniko io....

Cette galaxie est en train de se faire détruire de l’intérieur par son trou noir supermassif


En savoir plus sur http://trustmyscience.com/galaxie-detruite-par-son-trou-noir-supermassif/#SuRe8GuP6zmpqgIj.99
20. RBNIR ( 03/08/2017 12:16)
Tsy niteniteny foana i Jesosy (tamin'ny 2000 taona lasa) raha niteny hoe

« Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. » (Mat.24:35)

Tena mety ho levona marina tokoa ity tany ity sy io lanitra hitantsika io...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0911