Aza mitaraina na mimenomenona

1. rhaj0 ( 14/07/2017 15:11)
Revy vaovao an'i Fransisy.. Toa tena mba reviko kosa eee :-)

http://www.lapresse.ca/actualites/insolite/201707/14/01-5116119-interdit-de-se-plaindre-mot-dordre-accroche-sur-la-porte-du-pape.php

«Interdit de se plaindre!»: les visiteurs du pape François sont avertis...
En plus petites lettres sur la pancarte adoptée par François, les visiteurs apprennent que ceux qui ne respectent pas ce mot d'ordre «sont sujets à un syndrome de victimisation avec abaissement notable de la bonne humeur et de la capacité à résoudre ses problèmes». Le texte recommande de «se concentrer sur ses propres potentialités et non sur ses propres limites» en concluant «arrête de te plaindre et agis pour changer ta vie en mieux!».



Ka dia ... (tokony) vita hatreo izany ny "lamentation" lavarenibe an..
ary tokony arodana akory ilay "mur des lamentations" izay ivavahan'ireo Mpino.
novalian'i rhaj0 ny 25/08/2017 20:27
2. rhaj0 ( 17/07/2017 18:36)
Kay tao @ Baiboly (hono) ity no nohitarin'i Fransisy

Filipiana 2:14:
Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra..

Koa na h@ ny "miresaka @ atheista" eto izany dia tena aza mba "mianjonanjona sy misalasala" ee.. :-)
3. rhaj0 ( 17/07/2017 18:40)
Dia ampiako kely.. ilay "syndrome de victimisation" resahin'i Fransisy @ sora-madinika ao ambaravarany io, dia raha ny fahazoako azy, dia manondro koa ilay reflexe-n'ny Kristiana (sasany) hoe, "enjehina" hono zareo ao io eee... mba tsy ilazana hoe "folie de la persécution" ity manjo ireto mpinobe.
4. Miharena ( 19/08/2017 09:27)
Tsy resaka folie de la persécution io fa efa hita miharihary hoe misy persécution.

Ohatra akaiky kely: Rhaj0 = persécuteur des chrétiens!
5. rhaj0 ( 20/08/2017 23:21)
hi hi hi... Izaho vendrana mampiresaka vendrana eto @ serasera ve no hotsahotsan'ny tena an... nataok'ty ianao Miharena belazao avy eny ambony alitara no tena an...
6. Miharena ( 21/08/2017 04:16)
Aminao moa vendrana daholo ny olombelona ary ianao ao anatiny!!

Manatona fiangonana hositranin'i Jesoa fa efa mivika izany rangahy Rhaj0!

Tena matotra io toro-hevitro io fa sao ataonao vazivazy an!
7. rhaj0 ( 21/08/2017 12:14)
hi hi hi.. Ka ianao Miharena ve, ao anatin'izao fiangonanao izao, dia efa "sitrana"??
RAha ny firesakao eto io k'lou dia ... :-)
8. Miharena ( 22/08/2017 11:02)
Mety mieritreritra ianao fa salama nefa marary rehefa manomboka mitsivalana amin'ny fisian'Andriamantira Mpahary aloha.

Azonao jerena ny fiaimpiainan'ny olona athee rehetra rehetra raha manaraka ny tokony ho izy aloha.

Ny tiana lazaina dia hoe mila izy aloha maka tsirairay ny voalaza ao anaty Baiboly dia manamporofo fa tsy misy izay voambara ao ary tsy misy fivainganany amin;ny fiainan'ny olona.

Rehefa mahavita io ianao ohatra dia azo lazaina fa salama saina sy fanahy.

Fa tsy hoe rehefa miteny ilay mpanao fizika dia diso izay ambaran'ny Baiboly dia teboka eo ny fanaporofoanao.
9. rhaj0 ( 22/08/2017 11:42)
Miharena:
Azonao jerena ny fiaimpiainan'ny olona athee rehetra rehetra raha manaraka ny tokony ho izy aloha.

Efa notaterin'Ineny Gogola io, fa mila mitsikaroka kely ianao ry Miharena, fa raha sesefako salanisa eto toa tsy hanaiky mihntsy (satria tsy ao anaty Baiboly ny resaka)

Zahavo hoe:
- ampahafirin'ny olona aty Zamerika ohatra no kristiana(theista)/atheista
- dia ampahafirin'ireo no
--- any ampigadrana
--- any @ Oniversitia.
10. Miharena ( 22/08/2017 12:13)
Tsy ny resaka ampahafiriny no mahavaly ny fanontaniana.

Ny mahavaly ny fanontaniana kokoa dia ny Baiboly ihany. Ilay ampahafiriny manko dia mazava ao fa betsaka no ho lavo sy ho voafitaka, na ny mino aza!

Ka tsy efa mitranga ve izany izao aminao? Ny ataondraGoogla anie dia manaraka fotsiny ny firehana misy fa tsy afaka manova na inona na inona.

Tsy afaka manome fiainana.
11. rhaj0 ( 22/08/2017 12:44)
Manontany ny Theista Miharena, hoe "jerena ny fiaimpiainan'ny olona athee".. dia valiany izy ihany hoe, "Ny mahavaly ny fanontaniana kokoa dia ny Baiboly"..

F'angaha nisy Athee rey olona tanaty BAiboly aaa???

Theista (monotheista sy polytheista) daholo ny tao, satria izay no mba zakan'ny hoza-dohan'ny moyen-orient-de-l'an-zero.. sy Miharena-2017.
12. Miharena ( 23/08/2017 19:01)
Rehefa tsy mazava aminao ilay valinteny eo ambony dia aza volena fanontaniana tsy mifanaraka toy ny hoe tsy nisy athee tanaty Baiboly.

Valio hoe ny ateista toa anao ve manana io aina ao aminao io ho azy satria ateista? Dia aiza ho aiza no misy manambara fa manome fiainana ary fiainana be dia be? Tsy ao anaty Baiboly ve? Sa ny hafa koa manao izany?

Vao nijery fijoroan'ny mpamosavy iray aho : Nilaza izy fa natory fito andro tanaty fasana niaraka tamin;ny rahalahiny ary ny fanimpitony dia nahita an'i Satana tapany olona, tapany voay. Nilaza taminy Satana tamin'izay fa tsy ho faty izy ireo fa ho lavitra azy ny fahafatesana.
Kinanjo matin'ny polisy ny rahalahiny taorian'ny fanafihana nataon-dreo.

Io dia midika hoe mpamitaka ilay nampanantena fiainana azy.

Fa hafa indray ny ao anaty Baiboly, atsangany aza ny maty sasantsasany tao. Dia io ilay hoe manome fiainana ary mahalala ny tsiambaratelon'ny aina fa tsy ireo be saina nefa ny sainy aza tsy heveriny fa nisy fototra vao ao aminy ao.

Sa ny ateista Rhaj0 tsisy saina??? sady tsisy aina??? Valio ampahatsorana fa aza mamoron-dainga indray eto. Sao dia ataon'ny olona ho ambasadaoron'ilay iraika lahy nampanantena fahavelomana eo ambony io.
13. rhaj0 ( 24/08/2017 02:01)
Hozy Miharena hoe, "jerena ny fiaimpiainan'ny olona athee ... ao anaty Baiboly", nefa TSISY Athée ao anaty Baiboly.
[size=6](tsy manaiky ho vendrana diso mihintsy ry Miharena, fa tsy maninona fa avelao hipetraka an-tsoratra mazava eo io ho an'Ifara sy Idimby ny tori-tenin'i Miharena kipantsin'Atra ee... )[/size]


Fa ianao aloha ry Miharena, raha "mino" fa ny Andrmntra ao @ imazination-NAO ao izao no "manome aina"
- ahy (Atheista)
- na koa ny Sinoa sy Karana sy Zaponey ary ny Aborizena any Aostralia sy Amazonia ary Afrika
- na koa ny Ntaolo sy ny sivilizasiona talohabe toa ny Maya na ny Sumeriana

Ary raha "mino" koa ianao Miharena hoe, izao Andrmntra ao @ imazination-NAO koa no "manome aina"
- ny biby sy ny insectes
- na hatramin'ny Dinaozoro azany

... dia ao ianao izany ee... Dia rahefa ao ihany ny imazination-nao, dia mba asaivo ameNY "fahendrena" tsy ifamonovono ireo "nameny aina" ireo.. Afaka ny ho vegetariana daholo hoe h@ liona ka h@ virus
14. Miharena ( 25/08/2017 19:17)
Aza boriborina imazinasion ho'aho ny resaka rehefa tsy manan=kambara hanaborikena resaka ianao Rhaj0 a!

Mba valio tsara ilay fanontaniana hoe avy aiza io aina ao aminao io. Ataovy mazava fa aza miolakolaka.

Sa moa ny ateista tsy manana tohan-kevitra minitsy fa miolakolaka toy ny menarana no fanaony satria te-hanaporofo izy fa izao firehan-kevitra ateista izao no tena izy dia zavatra hafa hatrany ny valiny???

(tsy manaiky ho vendrana diso mihintsy ry Rhaj0, fa tsy maninona fa avelao hipetraka an-tsoratra mazava eo io ho an'Ifara sy Idimby ny tori-tenin'i Rhaj0 kipantsin'Ateista ee... )
15. rhaj0 ( 25/08/2017 20:27)
Miharena:
avy aiza io aina ao aminao io. Ataovy mazava fa aza miolakolaka.

TSy "miolakolaka" ve ilay hoe, rahefa mba nanontaniana ry Miharena, dia valiany boraingina hoe, "hanontanio IZY".


Fa efa nazavaina foana teto ny Siansa, fa tsy mety miditra ny coco-n-dry Miharena moa, ka dia... ireto azany misy indices ee..

- Rien ne se perd, rien...
- Work in progress works...
- Tsy mamoromporona mpamorona...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1353