Naninona no tsy mba navotan'i Jesosy i Joany mpanao batisa?

1. endriny ( 07/07/2017 05:59)
Teo amin'ny tantaran'i Jesosy dia tonga foana i Jesosy nanavotra ireo olona tiany sy maminy.

Tsaroantsika tsara ny nanavotan'i Jesosy an'i Maria Madelena, ilay voaheloky ny olona ho faty tamin'ny fitoraham-bato: "Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy"

Tadidintsika ny namerenan'i Jesosy ny sofin'ilay miaramila nokapain'i Petera tamin'ny sabatra.

Ary tao ireo maty natsangany ho velona eny fa na dia ny efa namofona telo andro aza, ka anisan'ireo i Lazarosy sy ilay zanaka tokan'ilay mpanakarena.

Fa nahoana no navelan'i Jesosy nogadrain'i Heroda sy notapahin-doha ilay mpaminany farany nanao batisa azy?

Naninona raha napetany ohatran'ny sofin'ilay miaramila indray ny lohan'i Jaona Mpanao Batisa dia velona indray izy?

Sady ry zareo ange mpihavana e, zanak'olom-pirahavavy.
novalian'i endriny ny 03/08/2017 04:33
2. Miharena ( 07/07/2017 06:20)
Efa fantatr'i Jesosy fa IRAY ao amin'ny RAINY Joany mpanao Batisa dia tsy mila velomina ara-nofo intsony.

Ny antony nanaovana fananganana amin'ny maty na fahagagana dia fanehoam-pahefana amin'ny maha-Mpahary ny olombelona. Fampahafantarana fa IZY no manana ny FAHALALANA momba ny olomelona sy ny ainy sy ny Fanahiny ary ny momba azy rehetra mihoatra ny mpandinika (izay isika miara-midinika izao).
3. endriny ( 07/07/2017 06:24)
Miharena:

Ny antony nanaovana fananganana amin'ny maty na fahagagana dia fanehoam-pahefana amin'ny maha-Mpahary ny olombelona.


Fampisehoana ihany izany ny fananganana amin'ny maty?
4. Miharena ( 07/07/2017 06:31)
Mazava ho azy fa fampisehoana ! Fa fampisehoana FAHEFANA maha-Mpahary.
5. endriny ( 07/07/2017 06:53)
Herivelona Rasalama izany
6. endriny ( 03/08/2017 04:33)
Resaka fisehoana ho loham-pinoana no tantara nisy tamin'izany andro izany. Ingahy Jesosy dia naniry mafy mihintsy ny mba ho lasa mpitarika finoana teo amin'ny taniny. Mbola teo anefa ny zoky rahalahy natao hoe Joany Baptista ka tsy afaka nihoa-joky ny anao lahy. I Joany raha teo efa nanana mpianatra maro talohan'i Jesosy.

Ka rehefa nogadrain'i Heraoda i Joany, izay vao niakatra ny vaton'ny mpanaraka an'i Jesosy. Ka dia ho tombony ho an'i Jesosy aza ve raha niverina ho olona afaka indray i Joany?

Mety tsy nisy nahalala akory izany Jesosy izany raha mbola velona i Joany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0903