Famonjena

221. tealala ( 07/08/2017 14:25)

RBNIR:

« Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza. » (Romana 2:25)
« Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza? » (Romana 2:26)
« Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao? » (Romana 2:27)
« Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; » (Romana 2:28)
« fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » (Romana 2:29)


Omeko fahalalana kely ianao momba ny famorana izay tsy takatry ny fampianarana maro kilemanao ry RBNIR
Ny famorana : fifanekena nataon'Andriamanitra tsy mety rava ary hatao ety ivelany io tsy hatao amin'ny fo io aloha iny efa resaka hafa iny.
Hatao ny famorana rehefa andro faha-8 : midika inona ny andro fahavalo ao anaty Jenezy?
Midika fiainanana mandrakizay
famorana izany dia lalàna araky ny fomba nanaovan'i Abrahama azy ary mihatra mandrakizay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1045