Famonjena

1. tealala ( 06/07/2017 05:34)
Inona ity famonjena dradradraina ity kay?
Hovonjena amin'ny inona?
Inona no antony fototr'ilay famonjena?
novalian'i tealala ny 07/08/2017 14:25
2. RBNIR ( 06/07/2017 07:00)
1 « Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:5)

Ny atao hoe famonjena dia fanesorana ny OTA ao anatin'ny olona iray....Ny olona voavonjy dia olona tsy misy ota (tsy manota) tsy mahay manota...

2 « Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota. » (Romana 7:14)
« Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko. » (Romana 7:15)
« Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna. » (Romana 7:16)
« Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko. » (Romana 7:17)
« Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. » (Romana 7:18)
« Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. » (Romana 7:19)
« Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. » (Romana 7:20)
« Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho*, dia ato amiko ihany ny ratsy. [* Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina] » (Romana 7:21)

Ny olona na dia manana fikasana tsara hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra (lalàna sy didy) aza dia voasakana noho ny fanandevozan'ny ota azy.

Valin'ilay fanontaniana faharoa :
Hovonjena amin'ilay fanandevozan'ny ota izay manakana ny olona tsy hahavita ny sitrapon'Andriamaintra

3 Inona no antony fototr'ilay famonjena? fitiavan'Andriamanitra ny olona mba hananan'ny olona indray fanantenana ny amin'ny fiainana mandrakizay

« Fa toy izao no nitiavan Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jaona 3:16)
3. tealala ( 06/07/2017 09:08)
Fa inona avy ilay ota ary?
4. RBNIR ( 06/07/2017 09:51)
tealala:

Fa inona avy ilay ota ary?

« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jaona 3:4)

OTA = fandikana ny lalàn'Andriamanitra
5. tealala ( 06/07/2017 10:16)

RBNIR:

tealala:

Fa inona avy ilay ota ary?

« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jaona 3:4)

OTA = fandikana ny lalàn'Andriamanitra

Nareo ane zany manota lalandava amin'ny fandikan'dalàna e :D
6. tealala ( 06/07/2017 10:20)
Ny lalàna rehetra manko efa natao reforme daholo ho anareo.
miainga amin'ny famorana katrany amin'ny fanompina andriamanitra anaky 3
7. RBNIR ( 06/07/2017 10:21)
tsy asiana adi hevitra fa finoana io ry tealala !!! ny ota iniana atao no mahafaty, fa raha ota tsy nahy tsy mahafaty!!!
8. tealala ( 06/07/2017 10:22)
Manompo andriamanitra 3 satria misy intermediaire hoe i Jesosy manala fahotana dia hivavahana
9. RBNIR ( 06/07/2017 10:31)
tealala:

Ny lalàna rehetra manko efa natao reforme daholo ho anareo.
miainga amin'ny famorana katrany amin'ny fanompina andriamanitra anaky 3

Ilay izy koa mila ianarana satria misy ny lalàna efa tsy tandremana intsony satria efa vitan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana (ohatra ny lalàm-pisoronana rehetra efa tsy atao intsony)

Ny mpisorona eto an-tany tsinona dia tsy misy intsony fa Iray ihany no mpisorona dia i Kristy irery ihany

« Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao", » (Hebreo 10:8)
« dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. » (Hebreo 10:9)
« Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha. » (Hebreo 10:10)
« Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; » (Hebreo 10:11)
« fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay] » (Hebreo 10:12)

Indray mandeha ihany ny fisoronana dia ilay efa vita teo amin'ny hazo fijaliana....

10. tealala ( 06/07/2017 10:33)

RBNIR:

tsy asiana adi hevitra fa finoana io ry tealala !!! ny ota iniana atao no mahafaty, fa raha ota tsy nahy tsy mahafaty!!!

Marivo be izany famalianao ahy izany a
Raha ohatra izany ka mihinana sakafo misy poizna ianao ka fantatrao hoe misy poizna io fa hoaninao ihany dia maty ianao, fa raha toa kosa ka tsy fantatrao hoe nisy poizina ilay sakafo dia velona tsara ianao?
11. RBNIR ( 06/07/2017 10:36)
« Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. [* Na: azo olan-tanana amin'izay fahadisoana aza] » (Galatiana 6:1)
12. tealala ( 06/07/2017 10:37)

RBNIR:

Ilay izy koa mila ianarana satria misy ny lalàna efa tsy tandremana intsony satria efa vitan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana (ohatra ny lalàm-pisoronana rehetra efa tsy atao intsony)

Ny mpisorona eto an-tany tsinona dia tsy misy intsony fa Iray ihany no mpisorona dia i Kristy irery ihany

« Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao", » (Hebreo 10:8)
« dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. » (Hebreo 10:9)
« Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha. » (Hebreo 10:10)
« Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; » (Hebreo 10:11)
« fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay] » (Hebreo 10:12)

Indray mandeha ihany ny fisoronana dia ilay efa vita teo amin'ny hazo fijaliana....



izany hoe andriamanitra ihany no nanao fanatitra ho antsika nanao sorona ho antsika hamafana ny otantsika?
Dia inona izany no vokany aveo afaka ve ny ota?
Tsy misy ota intsony izany isika izay mino azy?
13. RBNIR ( 06/07/2017 10:37)

tealala:

Manompo andriamanitra 3 satria misy intermediaire hoe i Jesosy manala fahotana dia hivavahana


Mbola tsy vita ilay fanazava atsy....
14. RBNIR ( 06/07/2017 10:40)
tealala:


RBNIR:

Ilay izy koa mila ianarana satria misy ny lalàna efa tsy tandremana intsony satria efa vitan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana (ohatra ny lalàm-pisoronana rehetra efa tsy atao intsony)

Ny mpisorona eto an-tany tsinona dia tsy misy intsony fa Iray ihany no mpisorona dia i Kristy irery ihany

« Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao", » (Hebreo 10:8)
« dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. » (Hebreo 10:9)
« Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha. » (Hebreo 10:10)
« Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; » (Hebreo 10:11)
« fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay] » (Hebreo 10:12)

Indray mandeha ihany ny fisoronana dia ilay efa vita teo amin'ny hazo fijaliana....



izany hoe andriamanitra ihany no nanao fanatitra ho antsika nanao sorona ho antsika hamafana ny otantsika?
Dia inona izany no vokany aveo afaka ve ny ota?
Tsy misy ota intsony izany isika izay mino azy?

Raha mahafantatra ny marina dia ho afaka tanteraka....« ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. » (Jaona 8:32)


Vitao ny asan'ny fahamarinana = hampahafantatra ny olona rehetra ny fahamarinana ao anatin'ny baiboly
15. tealala ( 06/07/2017 10:44)
« Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany."
Tsy azoko, izany hoe na za aza izany dia afaka manala ny fahotan'olona hafa?
16. tealala ( 06/07/2017 11:33)
Dia anareo ve ry RBNIR izany aminareo tsy mba manota izany ?
17. RA TAN ( 06/07/2017 11:59)
"1JAONA,3:5 Fantantsika fa Yahoshuah no naseho hanaisotra ny ota, ary tsy misy ota ao aminy. 6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota, izay rehetra manota dia tsy nahita na mahalala Azy".

Jereo ane ny mpivavaka @ JESOSY rehetra manerantany fa samy milaza fa MPANOTA daholo na dia efa mivavaka aza.

=> Sady tsy mahita an'A/tra izany ny jesosista no sady tsy mahalala an'A/tra. Iza zany iny JESOSY hitan-dry zareo iny sady fantany iny???

Valiny:
"1JAONA,3:8 Izay rehetra manota dia avy amin'ny devoly,"
=> DEVOLY ilay ZEUS ZEZO JESOSY.

Donc, Fanodikodinana tenin'A/tra io ataon'i RBNIR io raha mba mampiasa versets izy; satria A/tra aza tsy fantatr'i RBNIR ka ahoana moa no ahafantarany ny tenin'A/tra?
18. tealala ( 06/07/2017 12:07)
i RBNIR a, sokafy indray alo ilay compte elakim16 iny mba ampafana ny ady hevitra eto e
19. RBNIR ( 06/07/2017 15:18)

tealala:

i RBNIR a, sokafy indray alo ilay compte elakim16 iny mba ampafana ny ady hevitra eto e

Tsy fombako ny manova pseudo eto namana, ary raha ny marina mbola tsy niova aho na dia indray mandeha aza...

Voasolokin-dry zalahy mpanovaova pseudo ngamba ianao!!!
20. RBNIR ( 06/07/2017 15:27)

tealala:

« Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany."
Tsy azoko, izany hoe na za aza izany dia afaka manala ny fahotan'olona hafa?

Izay manota tsy nahy dia lavo, mila atsangana mba tsy hitoetra ao amin'ny fahalavoana ao foana......

Hatsangana amin'ny fahamorana izy hoy ny tenin'Andriamanitra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9479