fahafahana vao làlana sa làlana vao fahafahana ara-Baiboly

1. rvnirina8 ( 05/07/2017 15:34)
Raha araka ny Baiboly,ahoana no hanazavana ny hoe "Fahafahana vao làlana sa làlana vao fahafahana - Hanomana lahatsoratra momba izany aho ka mila fanampiana avy aminareo namana rehetra. Misaotra indrindra.
novalian'i Miharena ny 19/08/2017 09:16
2. stahtam ( 06/07/2017 05:24)
Arakaraka ny mpampianatra (anao) izay maharesy lahatra anao ihany io ka! Raha hamoaka boky ianao dia mety ho:
- Thèse anaovana mémoire izany, na
- Hamidy
Arakaraka ny tanjona indray ny zavatra hosoratanao ao. Te-hahazo mention ve sa te-hahalafo betsaka ohatra.
Ny tena (mety ho) fanampiana azoko omena dia:
- Ny fototra no zava-dehibe fa tsy ny ravina ety ambony; baiboly inona no ekenao fa marina, sa izay voasoratra dia marina avokoa ? Ahoana ny tantaran'ny fanoratana (sy fandikana) ireo ? Nahoana no nisy boky noraisina nefa nisy navela ? Azo antoka hahazoana fahafahana ve ireo efa voasoratra ireo ?...
3. rvnirina8 ( 06/07/2017 06:07)

stahtam:

Misaotra Stahtam noho ny valinteninao - Tsia tsy hamoaka boky hamidy aho akory fa lahatsoratra famaranana taom-pianarana fotsiny ihany, marina hoe misy ny tanjona, fa ny tanjona lehibe indrindra dia ny ahafahako mizara amin'ny manodidina ahy, ny Soratra Masina. Tena manampy ahy tokoa ireo fanontaniana napetrakao ireo, ary tena mila mandinika sy mamakafaka tokoa vao manoratra. Ezahiko aloha ny mamaly ireo fanontanianao ireo fa tena mety azo atao fampidirana mihitsy. Misaotra indrindra
4. RKjeanclaude ( 06/07/2017 13:33)
Raha mitovitovy ny hoe fitsahatana sy fahafahana, dia hoy ny voasoratra:" anontanio ny LALA(NA)-masaka hatry ny ela, iny no hizory, dia hahita fitsaharana(FAHAFAHANA) hoan 'ny fanihinareo ianareo". Avelao raha tsy mety aminao.
5. Miharena ( 07/07/2017 06:01)
Raha mamakafaka ny Soratra Masina ianao dia ny fahalalana ny Lalana no manome fahafahana.

Miendrika fitaovana ny Lalana ary ny voafaritra hoe Lalana dia ilay nolazain'i Jesoa hoe Izaho ny Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Maninona moa no Lalana mo voalohany voalaza eto? Ny Lalana aloha,vao Fahamarinana, vao Fiainana. Ireo roa farany ireo dia midika Fahafahana.

Azonao atao amin'izay ny fanadihadiana ny tantara rehetra hatrany amin'ny Testamenta Taloha ka hatramin'ny Testamenta vaovao miainga avy amin'io hevitra fototra io.
6. rvnirina8 ( 07/07/2017 09:28)

RKjeanclaude:

Raha mitovitovy ny hoe fitsahatana sy fahafahana, dia hoy ny voasoratra:" anontanio ny LALA(NA)-masaka hatry ny ela, iny no hizory, dia hahita fitsaharana(FAHAFAHANA) hoan 'ny fanihinareo ianareo". Avelao raha tsy mety aminao.

Misaotra indrindra, mety amiko avokoa ny valinteny k, azoko hakana hevitra daholo izany rehetra zany, fa mankasitraka indrindra
7. rvnirina8 ( 07/07/2017 09:31)

Miharena:

Raha mamakafaka ny Soratra Masina ianao dia ny fahalalana ny Lalana no manome fahafahana.

Miendrika fitaovana ny Lalana ary ny voafaritra hoe Lalana dia ilay nolazain'i Jesoa hoe Izaho ny Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Maninona moa no Lalana mo voalohany voalaza eto? Ny Lalana aloha,vao Fahamarinana, vao Fiainana. Ireo roa farany ireo dia midika Fahafahana.

Azonao atao amin'izay ny fanadihadiana ny tantara rehetra hatrany amin'ny Testamenta Taloha ka hatramin'ny Testamenta vaovao miainga avy amin'io hevitra fototra io.

Lalàna aloha no izy, izany hoe loi fa tsy làlana - azafady fa mety izaho no diso tsindrim-peo - kanefa misy hevitra nampitainao ao, ka dia misaotra anao. Tena manampy ahy betsaka daholo ny hevitra omenareo. Tahianny Tompo daholo.
8. bor2lais ( 07/07/2017 10:52)
Izao no mba fahitako azy (fomba fijery Kristiana iray) ry rvnirina8 :

Ilay fahafahana dia tsy midika fa afaka manao izay tiana atao akory (izay no nahalavo an'i Adama sy Eva ohatra, na nahalavo ny zanaky isiraely tany an'efitra rehefa nafahana tany egypta) dia nasiana ny aro-fanina na lalàna. Eto izany dia ny fahafahana vao ny lalàna.
Ny olana indray dia te-ihoa-pefy (sy tia andrakandrana) foana raolombelona (fa maninona no rarana ? sns), izany hoe sarotra aminy ny maharaka ilay lalàna ... izay no (isan'ny) asehon'ny Testamenta Taloha : Andriamanitra miantso an-draolombelona saingy raolombelona tsy mety fa mitsoaka Azy foana ...

Dia nalefaNY ny Zanany Lahitokana "ialoha làlana" na "hitari-dàlana" ny mpitsoaka na mpandositra mba hiverenan'izy ireo amin'Andriamanitra (Ray) indray : Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalaNY.
Izy no banjinina sy arahina fa tsy ny fefy (lalàna) intsony no jerena dia tafaverina amin'ny fahafahana ao amin'ny Ray indray ! ... Izay no (isan'ny) asehon'ny Testamenta Vaovao !

Hevitra mba zaraina ny ahy iny fa avereno aty amiko ihany raha tsy mety ! :-)

Farany : ilay famonjena resahin'ny Kristiana dia famonjena ara-panahy (mba ahazo ny fiainana mandrakizay) fa tsy ara-nofo akory. Ka sarotra ho an'izay milaza fa tsy manaraka "Ilay làlana sy fahamarinana ary fiainana" ny ahazo an'izany resaka izany !
9. rhaj0 ( 07/07/2017 15:26)
bor2lais:
ilay famonjena resahin'ny Kristiana dia famonjena ara-panahy (mba ahazo ny fiainana mandrakizay) fa tsy ara-nofo akory.

Raha ampifandraisana @ lay resaka "vavaka" izany ity "famonjena" ity, dia ... tena "mivavabava-poana" daholo izay "mangataka" famonjena "ara-nofo" (na marary, na manambady na misakafo na mianatra na miasa..).

Fa ny hany "ivavahana" (angatahana) dia ny ... "fiainana mandrakizay".

izay ve k'lou izay izy??

10. Miharena ( 08/07/2017 08:51)
Ilay tsindrimpeo tokoa no nandraisako ilay valinteny teo ambony io.

Fa raha lazaina indray fa lalana fitsipika no lazaintsika dia ny fahafahana sy ny fitsipika dia miara-dalana satria tsy afaka atao aloha sy aoriana ireo.

Raha asiana filaharany indray ireo dia ilaina aloha ny mamaritra ny fototry ny fisehoan'izy tsirairay:

- Ny fahafahana : endrika roa no miteraka io teny io (1) Afaka noho ny fananana fitaovana enti-manatanteraka na manova toe-javatra iray hivoatra amin'ny toe-javatra hafa noho ny teo aloha; (2) Afaka rehefa nisy toe-javatra nangeja tsy manan-kery intsony.Ilay geja eto dia vokatry ny fivoarana.

- Ny lalana indray dia manana endrika roa ihany koa (1) Misy lalanany ny fivoaran'ny voary. Io voalohany io dia vokatry ny famoronana azy avy, izany hoe efa manana fitaovana enti-mivoatra efa ao anatiny izy. ny (2) Ny lalana dia namboarina arakaraka ny toe-java-misy hiampitana amin'ny toe-javatra iray. Ity faharoa ity dia tsy nipoitra raha tsy efa nisy traikefa niainana aloha.

Raha ireo no jerena dia mitovy ihany ny loharanony ary mifanindrandalana ny Fahafahana sy ny lalana.

Rehefa mandeha amin'ny endrika ratsy ny fahafahana dia mahatonga ny famoronana llalana hahafahana mivoatra amin;ny endrika tsara. Rehefa halalinina indray anefa dia misy lalanany ny fahafahana.

Raha io farany io no zohina dia ny lalana no mampivoatra ilay fahafahana.

Miara-miasa ireo roa ireo raha ny marina fa tsy misy aloha sy aoriana. Ny marina dia ao anatin'ny fahafahana ny lalana. Ny lalana no manome hery ny fahafahana. Ny fahafahana dia endrika ary ny lalana dia fitaovana.
11. rhaj0 ( 11/07/2017 15:43)
bor2lais:
ilay famonjena resahin'ny Kristiana dia famonjena ara-panahy (mba ahazo ny fiainana mandrakizay) fa tsy ara-nofo akory.

rhaj0:
Raha ampifandraisana @ lay resaka "vavaka" izany ity "famonjena" ity, dia ... tena "mivavabava-poana" daholo izay "mangataka" famonjena "ara-nofo" (na marary, na manambady na misakafo na mianatra na miasa..).

Fa ny hany "ivavahana" (angatahana) dia ny ... "fiainana mandrakizay".

Anpiako kely, araka ny filazan'i Bor2lais azy...

Dia izay manaraka "Ilay làlana sy fahamarinana ary fiainana" ara-nofo, na eto an-tany, ireo izany no hahazo ny "fiainana mandrakizay" ara-panahy, izay TSY eto an-tany.

izay ve k'lou ilay izy??
12. Miharena ( 12/07/2017 06:20)
Tsy hoe mandray tsy rasina aho aloha mitsaingoka ilay resak'i Rhaj0 fa mety manampy na mamery ilay lohahevitra ny fidiran'ity resaka ataony eo ambony ity.

Ny nofo dia nofo. Ny fanahy dia fanahy. Ny fifandraisany no mila mazava tsara.

Ny fanahy no fototra maneho izay tanterahan'ny nofo. Raha oharina amin'ny orinasa dia ny fanahy no drafi-panorenana ary ny nofo no orinasa manatanteraka iilay drafitra hivoarany eo amin;ny fiaraha-monina iorenany.

Raha tsy misy nofo, dia tsy misy iasan'ny Fanahy ary raha tsy misy fanahy dia tsy misy fahatanterahana.

Ny fanatanterahana indray dia mila jerena tsara hoe mandeha amin'ny ratsy sa mandeha amin'ny tsara. Io no manatonga ny fikolokoloana ny fanahy mba tsy hahatonga ilay faharatsiana hotanterahan'ny nofo.

13. rhaj0 ( 12/07/2017 17:04)
Miharena:
Raha tsy misy nofo, dia tsy misy iasan'ny Fanahy

RAha tsy diso aho, ilay tanjona ho an'ilay "Fanahy", @ Kristiana, dia ny hiakarany any an-danitra (fiainana mandrakizay).

Ka toa milaza izany i Miharena fa misy "nofo" koa tafakatra any @ "fiainana mandrakizay", satria, raha tsy izany dia tsy misy iasan'ny Fanahy (dogman'i Miharena io)..

Fanefa... f'angaha ilay "nofo" tsy tavela atsy ambany rangolahy???
14. rhaj0 ( 13/07/2017 14:39)
Raha ny fahatakarako azy, dia mino toa an'i RBNIR koa izany i Miharena fa miakatra any an-danitra ny "nofo" (mba hiasan'ny fanahy hono). I RBNIR ao izao efa mipasoka ny akanjo-lava-robe-fotsy.

Dia nefany ho'a.. tsy mba nanao famadihana va re ianareo roaroa ireo, dia nahita fa efa lasa vovoka ilay nofo eee???

Ny an'i Jesosy anie, ny vatany dia tsy tavela tao @ ilay fasana eee... Izany no mbola "hiasan'ny fanahin'i Jesosy" satria mbola any ny "nofony".
15. Miharena ( 14/07/2017 04:23)

Henoy tsara ny fijoroana vavolombelona nataon'i Tsaratsara dia fantatrao hoe mankaiza io nofo io.

Ny niainany dia hoe rehefa mody amin'ny vatana vaovao dia levona io nofo ilaozana io ka asa hoe aiza no mifanipaka amin'ny resaka eto.

Vatana ara-nofo mivadika vatana ara-panahy izay vatana ihany koa manana fahatsapana ary mahaleotena isam-batan'olona iasan'ny Fanahy tsy manan-kilema intsony ho an'izay mahazo ny fiainana mandrakizay.
16. rhaj0 ( 14/07/2017 14:41)
Miharena:
Henoy tsara ny fijoroana vavolombelona nataon'i Tsaratsara

O ry namana Kristiana (normalement constitué-e) eto @ serasera. Mbo ampio sy toroy kely hoe i Miharena, izay havanareo ao @ Tompo, fa tena voambakan'ny Profeta Tsaratsara tsaratsara ao izy, ka tena mahonena.
17. rhaj0 ( 17/07/2017 18:57)
Sirika i Miharena..

http://ledaily.mg/apostoly-tsara-tsara-pretendu-gourou-des-hommes-politiques/
Depuis deux ans, Mandalaky Remboany, à l’état civil et Apostoly Tsara Tsara, pour ses disciples, est devenu célèbre. On dit qu’il serait le « gourou » de quelques grands personnages politiques – dont le président de la Transition Andry Rajoelina et le Président de la délégation spéciale (PDS) de la Commune urbaine d’Antananarivo (CUA), Ny Hasina Andriamanjato

hi hi hi... ngo dia TGVistes azany ilay Miharena ity...
O ry vahoaka eee.. homboy i Miharena fa TGViste ee... :-)

[size=8]http://ledaily.mg/rajoelina-apres-la-transition-une-nouvelle-page-mais-une-histoire-suivre
http://ledaily.mg/ny-hasina-andriamanjato-pds-touche-par-la-grace-divine[/size]
18. Miharena ( 01/08/2017 10:31)
Hay ve nmisy an'ity resaka ity ato Rhaj0 e!

Efa nisy fanaraha-maso lalina momba io fitrangan'ny Apostoly io taona maromaro lasa raha toa ka tianao ho fantatra.

Niainga tany amin'ny fotoana nidiran'ny Filazan-tsara teto Madagasikara izy io ary tranga tsy nampoizin'ny mpanao politika tamin'izany andro izany hisy eto Madagasikara, dia ny fisian'ny asan'i Jesoa mivantana tamin'ny Malagasy ary mbola mitohy hatranmin'izao fotoana izao.

Betsaka ireo olona velon'aina ankehitriny no manana io fifandraisana tsy tapaka io.

Ka raha toa ka ny filazan'ny tsy mpino no hanaovanao fanilihana ny zava-misy dia diso ianao.

Raha manaraka tsara an'Itompokolahy Pasitera Andriamanjato ianao dia nisy fanambarana efa nataony ampolo taonany lasa ny amin'ny fahazoana fahitana ny zavatra hisy momba ny fahatongavan'ny Tompo hiasa eto amintsika eto Madagasikara ka izao vanim-potoana izao no tena havaivay izany.

Tsy resaka Gourou izy ity satria tena fitoriana mivantana avy any Ambony.

Andron'ny fampahalalana izao ny momba antsika olombelona sy momba an'i Jesoa ary Jehovah Ray ka asa aloha fa izay aloha no izy ary tsy afaka rarana amin'ny fomba fihevitsika na ny mpanao fanadihadiana ivekan;ny ara-panahy ny tranga misy.

19. rhaj0 ( 01/08/2017 12:16)
Miharena:
Betsaka ireo olona velon'aina ankehitriny no manana io fifandraisana tsy tapaka io. ... Tsy resaka Gourou izy ity satria tena fitoriana mivantana avy any Ambony.

ya ya... Izay no "nampinoana" anao Miharena ao, dia izay no "averimberinao" eto koa. Angaha raha "averimberina" eo io dia lasa marina ho azy eo??

Maninona tsy averinao Miharena eto ilay fitantaran'i TSaratsara azy, @ ilay hoe, "Jesosy bogosy nidina avy tao @ tafo fanitso, ary nanasitrana ny cancer-n'i Tsaratsara"???

Dia mbola manao antso avo ny Kristiana namana hafa, tsara sitra-po, mba hanokatra ny "masom-panahin'i Miharena", fa dia tena voajono ary voasolokin-dry mpitono-tena ho Apostaoly izy ee..

20. RKjeanclaude ( 01/08/2017 20:07)
hi.....hii.....hi....ha...ha.....ha...hoo...ho......hi. Tapa-tsinay be izaho. Aleo sokafanao ihany aloha fa tsy hita(ko)nay izay hevitra a! hhhhh.....hiii......hi......hi......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1863