Aza dia mandainga eo re ry bor2lais sy miharena a!!!

1. rhaj0 ( 23/06/2017 12:27)
I RBNIR no niteny an'io lohateny io, ary dia nakisako manokana eto mihintsy ity, fa tena ZAVA-DEHIBE loatrany, mba TSY ho very, ho an'i Fara sy i Dimby izay mandalo eto.

Inty ny resak'i Bor2lais orijinaly,
teto...
bor2lais - 22/06/2017 14:57:
bor2lais no miresaka eto @ ity serasera ity, ny heviny no zarainy. Raha tsy mety amina(re)o dia avereno aty, fa raha misy azo raisina ka mety mahasoa kosa dia tsy bor2lais no omem-boninahitra fa Ilay nibitsika (nanoro izany) tao aminy fa i bor2lais dia fitaovana fotsiny ihany !

Inty ny reak'i Miharena orijinaly, tato...
Miharena - 30/05/2017 19:49:
Ilay bitsika dia hoe : IANAO NO IZAHO satria nataoNY Fitaovana aho na fantsona itenenaNY.

Ka dia ireo nataoko anaty cadre ireo eee...

Bor2lais mahare bitsik'Andrmntra:
- bor2lais no miresaka
- fa Ilay nibitsika tao aminy (i Andrmntra io)
- bor2lais dia fitaovana (an'i Andmntra) fotsiny ihany

Miharena nahare bitsik'Andrmntra:
i Miharena no Andriamanitra
i Miharena dia fitaovana na fantsona itenenan'i Andriamanitra

Ireo indray k'lou dia ho ataoko dridran-gilo eto eee... satria mivaralila miteniteny foana eo foana ry Bor2lais sy Miharena, ary dia ho atao hitan'ny havany eo i ... Andmntra-mpibitsibitsika :-)
... ambara-pilevim-belona an-dry Miharena sy Bor2lais.. any paradisa...
f'aza miala mitsoaka ry Miharena sy Bor2lais an... vao mainka henatra bevata raha mitsoaka eto :-)
novalian'i tspoaeta ny 18/07/2017 04:57
2. rhaj0 ( 23/06/2017 14:16)
RBNIR:
ay v e!!! ka raha izany kosa kay izireo izany tsy nilaza hoe noresahin'i Jesosy mivantana fa i rhajo no manana ny interpretationy manokana koa...

Z'afady kely ry RBNIR fa mba vahabahao kely ny affirmation gratohitanao.

Rahefa hozy i Bor2lais ve hoe: "Ilay nibitsika (nanoro izany) tao aminy"
dia sahinao ve ny hilaza fa TSY midika toa izao izany,
- i Andmntra no nibitsika an'i Bor2lais, ary nanoro an'i Bor2lais
- dia izay nobitsihana sy natoron'i Andmntra izay no averin'i Bor2lais resahina.

Ka izany ve tsy midika hoe, ny resak'i Bor2lais dia (avy t@) bitsik'Andrmntra"???

Ary ilay "bitsik'Andmntra" dia resaka mivantana nataon'i Andmntra na Jesosy an'i Bor2lais.

Dia torak'izay ihany koa ny an'i Miharena.

Rahefa hoz'i Miharena hoe: "Ilay bitsika dia hoe : IANAO NO IZAHO"

Mibitsika @ Miharena hono i Andmntra, ka dia miresaka mivantana @ Andmntra na Jesosy izany i Miharena, hono.

Dia nampian'i Miharena hoe: "nataoNY Fitaovana aho na fantsona itenenaNY"

Ka izany ve tsy midika hoe, ny resak'i Miharena dia (avy t@) bitsik'Andrmntra"???

3. MIharena ( 24/06/2017 04:57)

rhaj0:

Azo tazonina hatramin'ny farany ireo fanamarihana ireo Rhaj0 a!

Hoy ny iftenenana hoe ny voany no hamantarana ny hazo.

Ny olan'i Rhaj0 dia io voalazan'i RBNIR io hoe Rhaj0 indray no manao interpretaion amin'ny heviny samirery ny fahamarinana mihatra amin'ny Kristianina mijoro vaolombelona.

Toy ny miteny hoe rehefa niteny Jesoa hoe : Izaho sy ny Ray dia Iray ihany, na hoy i Paoly hoe Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiko, dia tsy eken'ny sain-dRhaj0 mihitsy izany fa lazainy fa angano.

Dia na arivo aman'alina aza no miteny hoe nisehoan'ny Fahasoavan'Andriamanitra sy Jesoa izahay dia ny azy ihany no marina hoe imazinasion daholy izany..
4. rhaj0 ( 24/06/2017 11:55)
Ivereno vakiana ny soratro eo ambony io ry Miharena, fa teto aloha aho dia TSY niteny mihintsy hoe, kely ny fitombenan'ny resak'i Miharena sy Bor2lais, fa nanavoitra tsara ny resaka eto fotsiny aho.

Fa i Miharena moa kaodikaody, satria sampona be, rahefa hoe, samy nobitsihan'izao Andrmntra izao hono i Miharena sy Bor2lais ohatra, nefa dia resaka mifanipaka atsimo sy avaratra no arosonareo, ary dia io mifandrori-bolo toa Kristiana miady lova (fanjakan'Andmntra) io foana ianareo...

i RBNIR izao mba hendry, tsy mitompo teny sy mitompo tena hoe, "mahare bitsika", satria i RBNIR mba honnete ihany, ary TSY mahare n'inon'inona mihintsy, fa i Hrnrn no mampiresaka azy ny fandehan'ny abobo ao. Nefa dia lasa rangaranga (@ n'a pas) io ny namana, fa hoe, raha i Bor2lais sy Miharena mahare bitsika, hono, dia ahoana koa azany izy RBNIR tsy mba mahare, nefa anie efa mba manitrikitrika mivavaka mafibe ihany i RBNIR...

:-)
[size=8](mba haka vakansy kely fa aoriana indray maresaka eee...)[/size]
5. RBNIR ( 26/06/2017 09:09)
Tena tsara ihany ny namerenanao an'ity eto ry rhajo!!!
Misy tokoa ireo olona izay diso hevitra mikasika azy io...

Mifampiresaka mivantana amin'i Jesosy = I Jesosy sy ianao dia samy eo ary samy miresaka fa tsy hoe mandeha sens unique ilay izy....
6. Miharena ( 27/06/2017 05:17)

rhaj0:

Ivereno vakiana ny soratro eo ambony io ry Miharena, fa teto aloha aho dia TSY niteny mihintsy hoe, kely ny fitombenan'ny resak'i Miharena sy Bor2lais, fa nanavoitra tsara ny resaka eto fotsiny aho.

Fa i Miharena moa kaodikaody, satria sampona be, rahefa hoe, samy nobitsihan'izao Andrmntra izao hono i Miharena sy Bor2lais ohatra, nefa dia resaka mifanipaka atsimo sy avaratra no arosonareo, ary dia io mifandrori-bolo toa Kristiana miady lova (fanjakan'Andmntra) io foana ianareo...

i RBNIR izao mba hendry, tsy mitompo teny sy mitompo tena hoe, "mahare bitsika", satria i RBNIR mba honnete ihany, ary TSY mahare n'inon'inona mihintsy, fa i Hrnrn no mampiresaka azy ny fandehan'ny abobo ao. Nefa dia lasa rangaranga (@ n'a pas) io ny namana, fa hoe, raha i Bor2lais sy Miharena mahare bitsika, hono, dia ahoana koa azany izy RBNIR tsy mba mahare, nefa anie efa mba manitrikitrika mivavaka mafibe ihany i RBNIR...

:-)
[size=8](mba haka vakansy kely fa aoriana indray maresaka eee...)[/size]

Tsy resaka fahakaodina ilay izy Rhaj0 fa ianao izao dia mazava be hoe tsy manana afa-tsy ny adi-hevitra eo amin'ny samy Kristianina no mba lesona azonao izany, dia io ihany no mba ahitrikitrikao eto. Ny lesona momba ny zava-miafina ao an-danitra sy momba an'Andriamanitra tsy mba misy antony aminao.

Nefa na hiolaka ho vy ianao na hiolaka ho vato, ny zavamisy zavamisy ihany.

Toy ny tsy handavana fa misy ny Kristianina miady fahamarinana mba hanamarinana ny tenany sy ny firehany avy!!

Na misy aza ny fomba fijery samihafa tsy mampiova ny MISY izany.

Toy ny hoe : misy ny masoandro ary samy mianto azy amin'ny fiteniny avy fa ny langage-ny olona toa an'i Rhaj0 dia hoe miady ireo fa tsy miantso ny masoandro amin'ny fomba oniversaly angamba!! Na koa hoe, satria tsy misy anarana iray ilay masoandro dia zava-tsy misy izany io.

Ohatra tsotra io. aloha.

Fa raha ampitahaina amin;ny tranga dia toy ny hoe rehefa misy miteny hoe misy ny ratsy, dia heverin'IRhaj0 fa imazination izany fa tsy hitany eny rehetra eny. Toy izany koa, na an-tapitrisany aza no miteny hoe misy Jesosy, Misy Andriamantira dia izy sy ny tariny manao hoe tsy misy izany fa imazinasion.

Raha diso ireo dia ahitsio tsara aloha aho rehefa avy miverina vakansy Rhaj0.

7. tspoaeta ( 27/06/2017 05:52)
Miharena:

...Ny lesona momba ny zava-miafina ao an-danitra sy ny momba an'Adriamanitra tsy mba misy antony aminao. ...
...Raha diso ireo dia ahitsio tsara aloha aho ...

Efa olna firy izay no nanitsy anao teto, fa ianao mits no tsy andairany. Kanefa ianao izao eto tena mamato-tena mihintsy.
8. endriny ( 28/06/2017 14:22)
Aza dia mandainga eo re ry bor2lais sy miharena a!!!

Aza fady! Somary manahirana kely ilay lohahevitra satria tonga dia ilay olona no votoatin-kevitra fa tsy ilay hevitra vohiziny.

Fa tokony natao hoe: "Diso ireto hevitra ireto". Dia tany anatiny tany isika vao nanao famintinana hoe : "Nandainga kay ry borborlais sy ry...

Mba manitsy aho na izaho koa aza mety nanao izany
9. Miharena ( 29/06/2017 05:19)

tspoaeta:

Miharena:

...Ny lesona momba ny zava-miafina ao an-danitra sy ny momba an'Adriamanitra tsy mba misy antony aminao. ...
...Raha diso ireo dia ahitsio tsara aloha aho ...

Efa olna firy izay no nanitsy anao teto, fa ianao mits no tsy andairany. Kanefa ianao izao eto tena mamato-tena mihintsy.

Aiza ho aiza aloha ilay resahanao hoe olona firy manitsy izany tspoaeta
10. tspoaeta ( 29/06/2017 05:46)
Miharena:

Aiza ho aiza aloha ilay resahanao hoe olona firy manitsy izany tspoaeta

teto @ finoana sy fivavahana izany. efa ahitsin-dry rhajo sy ra tan sns enao fa eee! ts tonga saina mits fa ambany b le fsainana
11. Miharena ( 29/06/2017 10:25)

tspoaeta:

Miharena:

Aiza ho aiza aloha ilay resahanao hoe olona firy manitsy izany tspoaeta

teto @ finoana sy fivavahana izany. efa ahitsin-dry rhajo sy ra tan sns enao fa eee! ts tonga saina mits fa ambany b le fsainana

Ianao no mahita mibirioka ka mba ilazao hoe aiza ilay mibirioka aloha ahitana azy hoe hahitsy.

Ny olana anie dia manana fomba fijery tiany voizina RA-TAN.

Rhaj0 indray manana ny fomba fijeriny koa.

Ka aiza ho aiza no hahafahan'ireo manitsy ahy ohatra? Sa ianao Tspoaeta nahitsin-dry zalahy ireo dia lasa manana fomba fisainana ambony be!?
12. endriny ( 03/07/2017 13:33)

Miharena:

Ny olana anie dia manana fomba fijery tiany voizina RA-TAN.

Rhaj0 indray manana ny fomba fijeriny koa.

Ka aiza ho aiza no hahafahan'ireo manitsy ahy ohatra? Sa ianao Tspoaeta nahitsin-dry zalahy ireo dia lasa manana fomba fisainana ambony be!?

O ry Miharena! Fanehoan-kevitra ange no atao eto e. Ka raha mivohy ny heviny eto izy ireo. Aleo izy hivohy, fa voankazo an'ala io. Moa koa, tsy hoe rehefa mivohy hevitra eto izy dia tsy maintsy valiana na raisina foana akory. Fa matoa isika mandray ilay izy sy mifantoka amin'ilay izy dia satria isika voasarika.
13. rhaj0 ( 04/07/2017 12:18)
endriny:
Aza dia mandainga eo re ry bor2lais sy miharena a!!!

Aza fady! Somary manahirana kely ilay lohahevitra satria tonga dia ilay olona no votoatin-kevitra fa tsy ilay hevitra vohiziny.

Fa tokony natao hoe: "Diso ireto hevitra ireto". Dia tany anatiny tany isika vao nanao famintinana hoe : "Nandainga kay ry borborlais sy ry...

Mba manitsy aho na izaho koa aza mety nanao izany

:-) Ka ry "borborlais" anie ka ny "hevitra vohiziny" toa bor(i)bor(y), ka dia mba tena aleo mihtinsy ilery atao vedette ao @ lohahevitra ee...

Fa marina fa (mety) tsy mety izany.. nefa ve, voninahitra io ry borborlais aa :-)
14. Miharena ( 07/07/2017 05:31)

endriny:

Miharena:

Ny olana anie dia manana fomba fijery tiany voizina RA-TAN.

Rhaj0 indray manana ny fomba fijeriny koa.

Ka aiza ho aiza no hahafahan'ireo manitsy ahy ohatra? Sa ianao Tspoaeta nahitsin-dry zalahy ireo dia lasa manana fomba fisainana ambony be!?

O ry Miharena! Fanehoan-kevitra ange no atao eto e. Ka raha mivohy ny heviny eto izy ireo. Aleo izy hivohy, fa voankazo an'ala io. Moa koa, tsy hoe rehefa mivohy hevitra eto izy dia tsy maintsy valiana na raisina foana akory. Fa matoa isika mandray ilay izy sy mifantoka amin'ilay izy dia satria isika voasarika.

Tsy dia ilay hoe voasariky ny hevitra no tiana ahatongavana amin'ny fifanakalozan-kevitra fa ny fahitana fa misy sombiny tsy feno entin'ny namana misera dia ezahana fenoina hahazoana fiombonana.

Asa aloha na mahatsapa ianao na tsia fa izay olona mihevitra fa diso avokoa ny lazain'ny hafa dia karazan'olona tsy manana saina sy fo mivelatra sy mahatsapa erana tsy misy fetra.

Ka raha toa ianao miresaka amiko Miharena, dia aleo aloha manana io erana tsy misy fetra io vao manankiana.
15. Tsihoarandaza ( 13/07/2017 13:28)
Manandra-tena izy manabaibaty ny hafa
haveriny ho foka ny hevitrao raha vao tsy mitovy aminy
Izy tsy miahotra manao izay handratra anao @ fomba fiteniny sy ny ohatra entiny
fa hianao kosa misaina manao izay tsy handratrana ny hafa @ fomba fiteny azy (satria tsy fombanao izany)
Tsy hahitsy mihitsy hono ny olona toy izany raha tsy Ilay Mahery Indrindra no mamaky ady aminy satria fa.......sanatria azy ny hilavo lefona hoe resy na hanaiky fa marina tokoa ny anao...satria iz ty adi-hevitra dia izy mahay mandresy lahatra no ohatra ny hoe mandresy vonjy maika aloha ato
Ny marina aminao azony lavina satria tsy mitovy intsony ny mari-drefy ampiasaina (Halosiniasao sy finoana) satria fa izy andevozin'ny porofo sy ny siansa ianao kosa tsy miraika @ze porofo tsy fitondra filaminana fa herisetra indray aza no mety ho vokany (io ilay vokatry ny fanandrantan-tena satria izahay be fahalalana, ampy porofo) lalany iny de hafa koa ny lalanao.

Samia mahereza dia enga anie hotombo sy hihahery hatrany ny Fanahy mibitsika sy mandrisika ao anatintsika mpandray anjara @ adi-hevitra tsirairay :-)
16. rhaj0 ( 13/07/2017 14:31)
Tsihoarandaza:
Tsy hahitsy mihitsy hono ny olona toy izany raha tsy Ilay Mahery Indrindra no mamaky ady aminy

Tairo ao izany ilay "Ilay Mahery...mamaky ady aminy" ao @ imazination-nao ao ry Tsihoarandaza aa...
Ataovy mafotaka mihitsny :-)
17. Tsihoarandaza ( 17/07/2017 19:31)
rhaj0:

Tairo ao izany ilay "Ilay Mahery...mamaky ady aminy" ao @ imazination-nao ao ry Tsihoarandaza aa...
Ataovy mafotaka mihitsny

Mba efa betsaka ihany ny Olo-manga sy Olo-malaza no nanizingizina fa tsa misy izany Izany Mahery Indrindra izany,tsy nandindondindona ny nofiny akory aza ny fahamarinany na ny tena fisian'Izany.Fa izireo indray aveo no aty aoriana no manamarina fa misy ary tena misy Izay Nampisy ny lanitra sy ny tany ery tena marina ny Baiboly.

ny aizina avy @ tsy fisian'ny fahazavana
ny hatsiaka avy @ tsy fisian'ny hafanana
ary le oe Ataovy mafotaka mihitsny?:

Ataovy mafotaka mihitsny :-) ........tena avy @ tsy fahampiana fandinihana

Mazotoa aby
18. tspoaeta ( 18/07/2017 04:57)
Tsihoarandaza:

Manandra-tena izy manabaibaty ny hafa
haveriny ho foka ny hevitrao raha vao tsy mitovy aminy
Izy tsy miahotra manao izay handratra anao @ fomba fiteniny sy ny ohatra entiny
fa hianao kosa misaina manao izay tsy handratrana ny hafa @ fomba fiteny azy ...sanatria azy ny hilavo lefona hoe resy ... fa izy andevozin'ny porofo sy ny siansa ianao kosa tsy miraika @ze porofo tsy fitondra filaminana ... (io ilay vokatry ny fanandrantan-tena satria izahay be fahalalana, ampy porofo)

"C'est toujours la verité qui blaisse".
Hevitra maro mifanipaka no mifandondona eto ka ze osa sady tsis porofo tsmaints potika.
Dia aza mitongilana maka an'ilay tsis porofo, fa ilay marina mandratra iny no raiso. Fa raha ts zay d akipio ny maso d ndana milevimbelona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2603