MBOLA BETSAKA IREO MISITERY TSY TAKATRY NY SAIN'NY ZANAK'OLOMBELONA

21. RBNIR ( 21/06/2017 15:57)
« Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany. » (Isaia 61:10)


Fitafiana = fahamarinana rhajo!!!

Vitao ny asan'ny Fahamarina = mampianatra ny olona ny fahamarinana rehetra ao amin'ny baiboly = mampitafy akanjo fotsy lava ny olona....
22. rhaj0 ( 21/06/2017 18:50)
Ity indray ilay toa an'i Strong3 taloha, vao mahita fa "vhv = fiangonana" in-1 mandeha, dia izay no atao fiki-maty isak'izay vaki-baiboly atao ao.
Eto indray izany, ny an-dRBNIR "Fitafiana = fahamarinana "

Koa maninona ho'a azany ny Kristiana namanao, tsy lahy tsy vavy, fa dia mipasoka itony robe-lava-fotsy eee? ianao koa anisany taloha?

Satria nandrasaonina izany zareo ry RbNIR, TSY mahita hoe "fahamarinana" no lazaina @ ilay "fitafiana", fa dia faly manao robe-fotsy-lava ao fotsiny..

Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany...
23. RBNIR ( 22/06/2017 06:06)

rhaj0:

Ity indray ilay toa an'i Strong3 taloha, vao mahita fa "vhv = fiangonana" in-1 mandeha, dia izay no atao fiki-maty isak'izay vaki-baiboly atao ao.
Eto indray izany, ny an-dRBNIR "Fitafiana = fahamarinana "

Koa maninona ho'a azany ny Kristiana namanao, tsy lahy tsy vavy, fa dia mipasoka itony robe-lava-fotsy eee? ianao koa anisany taloha?

Satria nandrasaonina izany zareo ry RbNIR, TSY mahita hoe "fahamarinana" no lazaina @ ilay "fitafiana", fa dia faly manao robe-fotsy-lava ao fotsiny..

Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany...

Tsy dia hoe nandrasaonina kosa rhajo a! fa izay ilay fomban'Andriamanitra misy ny olona havelany hahalala (dia ireny indray no mampahafantatra avy eo)...
24. RA TAN ( 22/06/2017 08:09)
TSY SAHY MITONONA NY ANARAN'NY MESIANY INTY JIOSY GASY IRAY(stahtam) IZAY MITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO SADY MANOHITRA MAFY AN'I YAHOSHUAH (YAHOSHUAH www.rtvyahoshuah.com )

Raha niresaka tamiko io stahtam io tao @ http://forum.serasera.org/forum/message/m55c1e708dc951/160 dia izao no hevi-dehibe nisongadina:


RA TAN:(01/12/2016 08:15)
“JODAISME” miady @ Yahoshuah sy ny mpianany
“JODAISME” tsy mino testameta vaovao
“JIOSY MPITANDRINA DIDY FOLO” miady @ YAHOSHUAH SY NY MPIANANY (ISAIA 66:5; ASA 4:17,18; 1TES 2:14-16). Ny jiosy mpitandrina didy folo dia soloin’ireto jiosy gasy ireto tena raha eto M/car…


STAHTAM:(02/12/2016 07:48)
…Ny Mesia inoako dia Jodaiste ka lojika be ny teninao. Yahoshuah dia tsy jodaiste, normal izany ny fifanoherana raha misy. “JODAISME tsy mino ny testameta vaovao” Ka taiza no nisy Jodaistes nanorina fampianarana t@ io? Ny Mesia inoako dia ny Lalàna sy ny Mpaminany sy ny Salamo no nataony fototry ny fampianarany sy notanterahiny fa tsy ny tantaran’ny testameta vaovao. …
… Raha ny testameta vaovao no lazainao fa filazantsara dia manamafy tsara mihintsy izany fa samy hafa ny baibolintsika. Hafa no nomena ny Jodaistes ary hafa ny anareo. Manamafy izany ny Salamo 147/19,20 satria ny Isiraeliana no voalaza eo. Ny testameta vaovao no anareo. Olona hafa taty aoriana no nanoratra ireny hianareo fa ilay ivavahanay sy ilay Mesia nirehiny kosa dia tsy mba nanome izany testameta vaovao izany hoanay. Izy sy ny mpianany dia tsy nanorina ny fiangonany t@ izay verset avy tao. …
“ROM 11:28 ra ny amin’ny filazantsara dia fahavalo ny jiosy noho ny aminareo”. Ary ilay olona niteny an’io verset io mba inona? …

RA TAN:(03/12/2016 10:39)
Teto aloha izany dia TENA NANAMBARA AMPAHIBEMASO IANAO, FA “TSY MINO NY TESTAMETA VAOVAO”IANAO; mazava hoazy fa nareo jiosy gasy rehetra dia tsy mino filazantsara daholo. Ary tena toherinareo à fomba rehetra mihintsy izany.
Mipetraka ary ny fanontaniana:
AIZA AO @ LALANA SY NY MPAMINANY ARY NO MISY AN’IZANY MESIA-NAREO IZANY???
FA NY MPAMINANY SY NY LALANA ARY NY SALAMO DIA EFA SAMY NANONDRO AN’I “YAHOSHUA”H DAHOLO: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”.
Ary aty @ testameta vaovao no fahatanterahan’izany rehetra izany.
Nolavinao anefa ny testameta vaovao, donc, NOLAVINAO NY TENIN’NY MPAMINANY ARY NY SALAMO. Noho izany, NOLAVINAO KOA NY TESTAMETA TALOHA: Tena ny BAIBOLY IRAY MANONTOLO MIHINTSY NO LAVINAO. …
Fa izahay mpanaradia an’I YAHOSHUAH kosa milaza fa MARINA DAHOLO NA NY TESTAMETA TALOHA NA NY TESTAMETA VAOVAO. Satria tenin’ny Dadanay izay any andanitra no ao; Izy no nanao an’ireo..


STAHTAM:(04/01/2017 07:05)
… porofoy amiko fa fahatanterahan’ny testameta taloha ny testameta vaovao (raha anisan’ny testameta vaovao ny bokin’i Matio) dia hanaiky aho fa MARINA ny teninao. …

RATAN: (10/01/2017 08:49)
I Moshè efa niteny hoe:
“DEO 18:15 Mpaminany avy aminao dia avy amin’ny rahalahinao tahaka ahy, no hatsangan’I Yahvah Andriamanitrao hoanao; izy no henoinareo”
Dia jereo ary ny mpaminany Israeliana fa samy nanondro an’I YAHOSHUAH daholo. Ary i YAHOSHUAH koa mbola nampahatsiahy an’izany; ka hoy Izy hoe: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”
- ATERAKY NY VIRIJINY IZY:
“ISAIA 7:14” tanteraka izany ao @ MAT 1:18-23

-TERAKA AO BETLEHEM IZY:
“MIKA 5:1” tanteraka izany ao @ MAT 2:1

-GENOCIDE ANA ZAZAKELY T@ ANDRONY:
"JER 31:15" tanteraka izany ao @ MAT 2:16-18

-TSY NOTAPAHINA NY TAOLANY:
"SAL 34:20" "EKS 12:46" tanteraka izany ao @ JAONA 19:31-33

-NILOKANA NY AKANJONY:
"SAL 22:18" tanteraka izany ao @ JAONA 19:24


T@ andron’I YAHOSHUAH no nahatanterahan’ireo tenin’ny mpaminany ireo; ary nohon’I YAHOSHUAH no anton’ireo teny ireo. Santionany fotsiny ireo, fa be dia be ao fa tsy ary ho voatantarako eto daholo.
Fanontaniana mipetraka @ stahtam izay mitsipaka ny TESTAMETA VAOVAO:
RAHOVIANA IREO TENIN’NY MPAMINANY IREO VAO HO TANTERAKA RAHA EFA NOLAVINAO NY TESTAMETA VAOVAO???
IZA ILAY MESIA ERITRERETINAO??? IZA NO ANARANY???
RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY???
Didin’I Yahvah A/tra mpamorona ny zava-drehetra ny tenin’ireo mpaminany israeliana ireo (DEO 18:18), ka izay tsy mino an’ireo tenin’ny mpaminany Israeliana ireo dia hotsarain’I Yahvah (DEO18:19). Dia miomana koa ianao ry stahtam fa hotsarain’I Yahvah tahaka an’ireo ELOHYM an’ny Egyptiana koa a (EKS 12:12).
NITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO IZAY FAHATANTERAHAN’NY TENIN’NY MPAMINANY IANAO, DIA MAZAVA HOAZY FA MITSIPAKA NY TENIN’NY MPAMINANY AO @ TESTAMETA TALOHA; DIA MAZAVA FA NY TESTAMETA TALOHA MIHINTSY NO TSIPAHINAO.
Porofon’izany ny fanitsahanao ny “DEO 30:11-13”; angalarinao ilay didy tsy natao hoanao dia entinao mandositra aty M/car.


STAHTAM:(16/01/2017 07:31)
… Ny kristy eritreretinao aza ange ka iomehezan’ny israeliana e! Taranaka haterak’I Davida no Mesia nolazain’ny faminaniana Israeliana. Ny anao anefa dia sady tsy taranak’I Davida no mbola avy @ fanahy koa. …

RA TAN: 19/01/2017 16:02)
… VALIO ALOHA IREO FANONTANIANA MAROBE MITAMBESATRA AMINAO EO AMBONY IREO:
- Rehefa nolavinao ny testameta vaovao izay fahatanterahan’ny tenin’ny mpaminany dia IZA NO ANARAN’IZANY MESIANAO IZANY????? Izay tsy ao anaty testameta vaovao mazava hoazy.
- Raha mbola mivingitra didy folo ihany ianao dia ATAONAO AHOANA NY TENIN’NY MPAMINANY ISRAELIANA IZAY MIFANIPAKA @ DIDY FOLO????
- Dia aza odina fanina ilay “DEO,30;11-13” a!! …


STAHTAM:(20/01/2017 07:49)
… Voasoratra ao anatin’ny testameta taloha @ teny hebreo ny Mesia inoako. Mbola tsy nosoratana akory io testameta vaovao-nareo io dia efa fantatry ny Israeliana izany. Tsy misy idiran’ny testameta vaovao @ izany … Ny anarany? Tsy yahoshuah (Anarana azo avy @ mathematique io yah+hoshuah=yahoshuah) fa Anarana hafa efa nambaran’ny mpaminany (israeliana) sy nosoratany tao anaty baiboly hebreo hatry ny ela. …

RA TAN:
TSY MILA RESAKA LAVA BE IZANY, FA TONGA DIA TONONY ETO NY ANARANY
Fa maninona ianao no tsy mahasahy mitonona ny anaran'ny mesia-nao ry stahtam a?



Mikasika ny anaran'A/tra Ray indray:
Niaiky i stahtam jiosy gasy mpitsipaka ny testameta vaovao sy ny baiboly rehetra fa ny Andriamanitr'i Samuelson edward "YAH" no nahary ny lanitra sy ny tany. Fa izy tsy sahy nanonona ny anaran'izay ivavahany.

stahtam: 15/06/2017 11:04:

Samy hafa ny ivavahantsika. Saro-piaro @ anarany Ilay ivavahan'ny Israeliana, ka ahoana moa no hilazako aminao ny anaran'Izay ivavahako?

"ilay YAH nivavahan’ny Israeliana fahiny" nolazainao io anefa no nahary ny lanitra sy ny tany aminay.


Efa t@ herintaona aho no niteny t@ stahtam hoe “YAH” no anaran’Ilay nahary ny zava-drehetra (tary @ publication nataon’i Rafieritreretana). YAH hoy aho no anarany, fa tsy izany ELOHYM izany; fa zavatra tsy misy dikany izany ELOHYM izany. Ny hoe ELOHYM, ANDRIAMANITRA, DIEU, GOD, … dia titre fotsiny fa tsy anarany.
Dia namaly i stahtam 10/11/2016 10:04 hoe:“na inona na inona Anarana apetrakao eo dia fahavalon’i Elohym satria ny hoe Elohym dia nolazainao fa tsy misy dikany”.

Izany hoe araka io tenin’i stahtam t@ herintaona io dia efa niteny izy fa “fahavalon’ilay ELOHYM ivavahany ilay YAH nahary ny lanitra sy ny tany nolazaiko”.
Fa gaga anefa aho fa heritaona aty aoriana indray i stahtam dia miaiky fa, YAH izay efa nolazainy fa fahavalon’ilay ELOHYM ivavahany no nahary ny lanitra sy ny tany; izany hoe ilay ELOHYM ivavahan’i stahtam tsy nahary ny lanitra sy ny tany. Fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe fa maninona raha vao niteny an’io Anarana marina YAH io ny ambasadaoran’i Yahoshuah t@ 2009 dia tonga dia niaiky ny fahamarinany ianao; ary maninona raha vao niteny an’io Anarana YAH io koa aho t@ herintaona dia maninona koa ianao raha niaiky avy hatrany? Fa maninona ianao no herintaona aty aoriana vao miaiky?
Ary rehefa niaiky ianao fa marina ny anay(YAH) dia diso izany ny anao mazava ho azy, ka aza miseho be vava intsony.

25. RBNIR ( 22/06/2017 09:38)
e! dia teha lohany mihitsy ianao ity amin'ity fanimbana lohahevitra ity RA TAN a!!!

(nefa rehefa atao dia......)

Mba hajao ihany re ny hafa RA TAN O!

« .... ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, » (1 Petera 3:15)



26. endriny ( 22/06/2017 14:52)
Vao ny TSARA sy ny RATSY fotsiny aza no takatry ny sain'ny zanak'olombelona rehefa avy nihinana paoma izy, dia efa nampivaralila sy nampihozongozona ny hevitr'Atra. Maika moa fa takatry ny sain'ny olom-belona daholo ny zavatra rehetra rehefa avy nisotro ny ranom-boaloboka izy. Angamba vao maika mirehitr'afobe io Atra io.
27. RA TAN ( 23/06/2017 03:27)

RBNIR:

e! dia teha lohany mihitsy ianao ity amin'ity fanimbana lohahevitra ity RA TAN a!!!

(nefa rehefa atao dia......)

Mba hajao ihany re ny hafa RA TAN O!

Ka tsy samy efa ato anaty lohahevitra "Finoana sy Fivavahana" ve isika izao.
Fa ny ahatongavako eto dia mandrava ny asan'ny devoly. Ka raha mahatsiaro voadona ianao dia mieritrereta.
28. RA TAN ( 23/06/2017 03:52)

endriny:

Vao ny TSARA sy ny RATSY fotsiny aza no takatry ny sain'ny zanak'olombelona rehefa avy nihinana paoma izy, dia efa nampivaralila sy nampihozongozona ny hevitr'Atra. Maika moa fa takatry ny sain'ny olom-belona daholo ny zavatra rehetra rehefa avy nisotro ny ranom-boaloboka izy. Angamba vao maika mirehitr'afobe io Atra io.

Ianareo sy ny a/trareo izay anjely nivadika namitaka an'i Adama sy Eva no mivaralila sy mihozongozona, fa tsy A/tra YAH mpamorona ny zava-drehetra.
Ary izahay zanak'A/tra manana ny Fanahy masina dia mandrava ny devoly.
"1KOR,2:15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona"
Hevitra avy @ devoly io tenenin'i endriny io!
29. RBNIR ( 23/06/2017 06:07)
RA TAN:

Ka tsy samy efa ato anaty lohahevitra "Finoana sy Fivavahana" ve isika izao.
Fa ny ahatongavako eto dia mandrava ny asan'ny devoly. Ka raha mahatsiaro voadona ianao dia mieritrereta.

Zany an! mba hajao ny hafa RA TAN an!! fantatrao tsara ny tiako ambara satria ianao indrindra no tena tsy mahazaka rehefa havoaka kely ilay resaka!!!
30. gasy1zay ( 23/06/2017 17:41)
Kristianina ve isika miresaka fivavahana eto fa ohatrany hafa be le hevitrareo? Inona no atokisanareo baiboly sa fampianaran'olombelona? Raha mbola anarana no hiadinareo hevitra dia mbola mandeha araka ny nofo ianareo, raha mbola tavela any @ lalana sy ny testamenta taloha ianaoreo dia tsy mbola miaina ny fanekena vaovao zay ao @ kristy.
31. endriny ( 24/06/2017 04:58)

RA TAN:

Ary izahay zanak'A/tra manana ny Fanahy masina dia mandrava ny devoly.


Fitaka be vava no ataonao, fa na Atra aza tsy naharava ny devoly sy Satana. Na Yahoshua aza mbola nandeha nidina nanao raharaham-pihavanana tamin'ny Helo vao nitsangana tamin'ny maty. 3 Andro be izao izy niady varotra tany amin'ny Helo ihany.

Lainga marivo tototra ihany koa ny anao satria: Ny Devoly nalana tao amin'ilay zatovo iray aza tsy nanaiky an'i Yahoshua raha tsy nafindra tamin'ny kisoa.

Fa ianao no tena mampihomehy: Yahoshua kanefa mbola miteny hoe Baiboly sy Jaona sy Korintianina ihany.
32. stahtam ( 27/06/2017 06:41)

[quote=gasy1zay]
Kristianina ve isika miresaka fivavahana eto fa ohatrany hafa be le hevitrareo? Inona no atokisanareo baiboly sa fampianaran'olombelona? Raha mbola anarana no hiadinareo hevitra dia mbola mandeha araka ny nofo ianareo, raha mbola tavela any @ lalana sy ny testamenta taloha ianaoreo dia tsy mbola miaina ny fanekena vaovao zay ao @ kristy.

[quote=stahtam]
satria ianao manontany ny finoan'izay miresaka eto dia valiako hoe: tsy kristiana avokoa ny miresaka eto. Izay no mahasamy hafa be ilay hevitra. Ny fototry ny olana dia voavaly ao anatin'ilay fanontanianao hoe:
- "Inona no atokisanareo baiboly sa fampianaran'olombelona?"
Rehefa valiana io dia tokony hazavaina tsara koa hoe: Baiboly inona no tokony hitokisana ho an'izay matoky baiboly? Ny baiboly mantsy misy ny atao hoe "original", mbola tsy niova ny voasoratra ao. Io ilay lalàna sy mpaminany ary salamo eefa natsidikao tetsy ambony. Misy kosa ny baiboly dikan-teny dia misy soratra samy hafa araka ny hevitry ny mpandika teny (ohatra: ny baiboly malagasy dia misy version telo farafahakeliny: protestanta, DIEM, katolika) ka izay iray finoana amin'ilay mpandika no mety hino izay voasoratra ao. Misy koa ny boky izay nosoratana taty aoriana, tahaka ny testamenta vaovao, izay be lainga voasoratra ao anatiny, ka tsy fantatro hoe: baiboly iza @ ireo no tianao hotondroina hoe baiboly. Sa hoe mety daholo koa izy rehetra.
- "Raha mbola anarana no hiadinareo hevitra dia mbola mandeha araka ny nofo ianareo, raha mbola tavela any @ lalana sy ny testamenta taloha ianaoreo dia tsy mbola miaina ny fanekena vaovao zay ao @ kristy"
Io izao dia hevitrao manokana (na hevitra nampidirina tao an-dohanao hatry ny fahakely ka tsy tokony hahagaga raha mitompo teny fantatra @ izany ianao). Ity misy extrait nalaiko miresaka io kristy lazainao io:
(F.D. Gearly, ao amin’ny boky The Interpreter Dictionary of the Bible, vol. 1 – pp. 571-572) - dikan-teny malalaka:
“Ny fomba nampiasana ilay teny hoe ‘kristiana’ izay hita in-telo ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ahitana fa io fiteny io tamin’izany fotoana izany no nentin’ireo “païens” niantsoana ny mpianatra” (Asa 11: 26). Hitantsika koa ao amin’ny boky nosoratan’i J.M. Robertson (Christianity and Mythology, p. 331) fa i ‘Osiris’ izay andriamanitry ny masoandron’i Egypta dia nohajaina tamin’ny anarana hoe ‘Christos’. Manaraka izany dia ilay tatitry nataon’i Emperora Hadrian nanao hoe: “Nisy Kristiana tany Egypta nivavaka tamin’i ‘Serapis’ ary izy ireo dia nanolotra ny tenany ho an’i ‘Serapis’ ary ireo dia milaza fa izy ireo no evekan’i Kristy” (Giles, Hebrew and Christian Records, vol. 2, p. 86). I ‘Serapis’ dia andriamanitry ny masoandro koa, ary izy no nanolo toerana an’i ‘Osiris’ tany Alexandrie. Noho izany, dia hitantsika fa ny teny hoe ‘Christos’ na ‘Christ’ no mora andresena lahatra ireo “païens” noho ny teny hoe “Mashiach”, indrindra noho izy ireo manohitra ny Jodaïsma.
Ka amiko izany dia tsy kristianisma mihitsy no foto-pinoan’ny mpianatry ny Mesia ary tsy kristiana velively ry zareo.
33. RBNIR ( 27/06/2017 13:14)
Rehefa baiboly dia tsy misy afaka disoina noho ity teny ity...

Mifameno ireo no tena marina, vakio tsara daholo ireo dikan-teny rehetra fa ho hitanao ny tena marina....
Haka ohatra iray mivaingana aho :

Heb.4:9
dikan-teny katolika malagasy : 9ka dia mbola misy andro fialan-tsasatra àry ho an'ny vahoakan'Andriamanitra. 10Satria izay miditra amin'ny fialan-tsasatr'Andriamanitra, dia tsy maintsy mitsahatra amin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny azy koa.

Eo dia miteny fotsiny ny teny hoe fialan-tsasatra...

dikan-teny protestanta malagasy Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.

Eo dia manomboka miditra ny teny hoe "sabata"

Dikan-teny diem : 9Koa dia mbola misy fitsaharana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra, amin'ny andro fahafito.

Eo dia notsindrina tsara fa "andro fahafito" ilay sabata fitsaharana resahina hoe mbola misy ho an'ny olon'Andriamanitra...

manamafy an'izany ny dikanteny katolika amin'ny teny angilisy : 9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

Betsaka no "diso hevitra" ankehitriny satria tsy nampahafantarina ny tena marina izireo dia tavela teo amin'ny dikanteny katolika malagasy na ny dikanteny protestanta malagasy dia lasa mandika araka ny heviny fotsiny ihany (io no maharatsy be ilay mihevitra hoe ny fihevitro dia hevitra avy amin'ny Fanahy Masina)

Soa ihany fa tonga i Jesosy nampianatra dia manoro ny marina rehetra ao amin'ny baiboly...



34. endriny ( 27/06/2017 14:02)

RBNIR:

Rehefa baiboly dia tsy misy afaka disoina noho ity teny ity...


Ohatran'ny vao tanikeheo maraina anefa ianao no nilaza fa hoe: "Fanoharana io nolazan'ny baiboly ao amin'ny toko sy andininy io fa tsy izay no tena izy"

Dia izao folak'andro izao ianao milaza fa tsy misy afaka disoina ny baiboly.

Dia rahalina izany inona indray? Sa hoe ny baiboly mampanonofy ny fara andro?
35. RBNIR ( 28/06/2017 04:51)
endriny:

Ohatran'ny vao tanikeheo maraina anefa ianao no nilaza fa hoe: "Fanoharana io nolazan'ny baiboly ao amin'ny toko sy andininy io fa tsy izay no tena izy"

Dia izao folak'andro izao ianao milaza fa tsy misy afaka disoina ny baiboly.

Dia rahalina izany inona indray? Sa hoe ny baiboly mampanonofy ny fara andro?

Mety ho diso fandray marina ianao izany ry endriny
36. calin.brandon ( 29/06/2017 12:47)
RBNIR >>>
Rhaj0 >>>

Miresaka ny fiakarana ho any an-danitra ianareo.
Ny Hindouisme no antokom-pivavahana tranainy indrindra. Ny Christianisme efa taty aoriana be vao nipoitra. Ny hindous dia efa nilaza betsaka momba io fiakarana io. Mino an'io koa ry zareo. Ary ny résurrection eo ihany, fa ny azy misy ny réincarnation ( izay misy any @ bouddhisme izay nipoitra taty aoriana ).
Ny Maya koa dia nino ny Ascension. Ary ny azy dia tsotra be : nasiany karazana aérodrome ao an-tampon'ny Cordillère des Andes, izay mbola hita ao ankehitriny, mba hahafahan'ireo avy any an-danitra mametraka ny fitaovana entiny sy hihondran'ny olona velona mba hiakatra.

Efa niteny aho tary ambadika tary fa misy hitoviany daholo ny fivavahana goavana rehetra. Tsy coïncidence intsony manko izany.
37. endriny ( 29/06/2017 14:30)

RBNIR:

Mety ho diso fandray marina ianao izany ry endriny


Hay! Aza fady ary koa!
38. rhaj0 ( 04/07/2017 13:49)

calin.brandon:
Miresaka ny fiakarana ho any an-danitra ianareo.
Ny Hindouisme no antokom-pivavahana tranainy indrindra. Ny Christianisme efa taty aoriana be vao nipoitra. Ny hindous dia efa nilaza betsaka momba io fiakarana io. Mino an'io koa ry zareo. Ary ny résurrection eo ihany, fa ny azy misy ny réincarnation ( izay misy any @ bouddhisme izay nipoitra taty aoriana ).
Ny Maya koa dia nino ny Ascension. Ary ny azy dia tsotra be : nasiany karazana aérodrome ao an-tampon'ny Cordillère des Andes, izay mbola hita ao ankehitriny, mba hahafahan'ireo avy any an-danitra mametraka ny fitaovana entiny sy hihondran'ny olona velona mba hiakatra.

Efa niteny aho tary ambadika tary fa misy hitoviany daholo ny fivavahana goavana rehetra. Tsy coïncidence intsony manko izany.

Ka ny Amerindiana (mety ny Maya anisany) hono, vao nahita ireo Eoropeana (ry Portuguese) manao akanjo vy, tonga dia koditra fa tena nidina an-tany tokoany izany ilay Ivavahana.

Dia aiza ny coincidence @ izany re ry Calin Brandon ??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0159