MBOLA BETSAKA IREO MISITERY TSY TAKATRY NY SAIN'NY ZANAK'OLOMBELONA

1. RBNIR ( 20/06/2017 07:44)
http://www.futura-sciences.com/sciences/actualites/espace-ver-redescend-iss-deux-tetes-mystere-scientifique-67698/#xtor=EREC-49-%5BACQ%5D-20170620-%5BACTU-Un-ver-redescend-de-l-ISS-avec-deux-tetes-:-un-mystere-scientifique%5D

Ka raha nampianatra i Jesosy hoe :
« Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, » (1 Kor.15:51)
« fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Kor.15:52)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Kor.15:53)
« Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] » (1 Kor.15:54)
« Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14). » (1 Kor.15:55)

Nahoana isika no tsy mino???
novalian'i rhaj0 ny 04/07/2017 13:49
2. RA TAN ( 20/06/2017 08:43)
YAHOSHUAH irery no anaran'ilay zanak'A/tra mpamonjy, ary tsy azo ovana ny anarany na aiza na aiza eto ambonin'ny tany (ASA,4:12). Io ilay anarana mahafeno ny fepetra rehetra nambaran'ny soratra masina (JAONA,4:22 JAONA,17:11 MAT,1:21 FIL,2:9 ASA,10:43 ...)

Izay rehetra miaraka @ YAHOSHUAH irery no manana ny fanahy masina (JAONA,16:13 dia tsy manota (1JAONA,3:5,6,9); olo-masina (1JAONA,6:11).

Nolona miaraka @ YAHOSHUAH no araka ny Fanahin'A/tra.
"1KOR,2:15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona"

www.rtvyahoshuah.com
3. RBNIR ( 20/06/2017 08:50)
Mba ento eto hoy aho ho hitan'ny olona rehetra ilay baiboly original nahitanareo an'io Anarana io RA TAN, atsy ambadika atsy mantsy ianao dia toa milaza fa tena efa nahita ary namaky io baiboly original io
4. stahtam ( 20/06/2017 11:45)
Ho an-dRA TAN:
1°) Ny soratra mantsina dia manao hoe" Tamin'ny voalohany Yahoshuah nahary ny lanitra sy ny tany"(Herilanto 7:7-7) ka izay miaraka @ YAHOSHUAH irery no manana ny fanahy mantsina (JAONA,16:13 dia tsy manota (1JAONA,3:5,6,9) fa MANDAINGA; olo-maNTsina (1JAONA,6:11).

2°) "Nolona miaraka @ YAHOSHUAH no araka ny Fanahin'A/tra".
- Marina be io, miaraka tsara ireo (Yahoshuah sy Andriamanitra); saingy... raha ny Israeliana no anaovanao publicité eto hanaraka an'ireo dia ANDRASO eo i Paoly!
3°) "1KOR,2:15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona"
- Kanefa mahagaga fa mbola tsy mety FANTATRAREO mihitsy hatr@ izao ny anaran'ilay mpaminany nilaza ny Matio 2/23. Zavatra rehetra a zavatra rehetra! Tokonana tsy afaka ka rindrina no anihina!
Izao na ilay anarana kely mba fantatra tao anaty baiboly aza dia mbola tratra indray hoe nosandohana fotsiny (t@ 2009) fa tsy haina(re)o akory ny tena marina aminy!
5. Elanelana ( 20/06/2017 11:53)
Na inona anarana lazainao fa marina,raha tsy tompon'ny sabata sady tsy nandeha araka ny nanoratana Azy tao @ lalàn'i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny Salamo dia tsy Izy.
6. Miharena ( 20/06/2017 12:18)
Salama,

Simba ilay lohahevitra raha vao miditra ilay ady anarana!

Mba mahatsiaro tena ve ianareo manohy manoratra eto sa ahoana marina?!
7. stahtam ( 20/06/2017 12:52)

[quote=Miharena]
Salama,

Simba ilay lohahevitra raha vao miditra ilay ady anarana!

Mba mahatsiaro tena ve ianareo manohy manoratra eto sa ahoana marina?!

[quote=stahtam]
Hazavao misimisy na teneno mivantana ny lohahevitra tsy tianao horesahina satria fivavahana sy finoana no resaka eto.
Ny anarana dia fototry ny famonjena. Ny bokinareo kristiana aza ange ka milaza ny Matio 7/21 e! Ka ianao indray ity no toa mitady hamaritra ambony ihany izay tokony sy tsy tokony horesahina. Aleo àry ilay nampiditra ny lohahevitra aloha hiteny hoe simba ny "thème" ry zalahy fa izao sy izao ihany resahina a! na... aza miresaka an'izao sy izao, dia mazava ny resaka.
8. stahtam ( 20/06/2017 12:57)
Fanampiny ho an'i Miharena: ka na ilay lohahevitra aza, ve tsy efa hitanao hoe mivaralila? Asa raha hitanao ny hitako, fa rah ny fahalalàko azy dia i Paoly "ilay apostolin'ny jentilisa" no miteny any @ bokin'ny korintiana fa ilay jesosinareo io toa any @ Matio-Asan'ny Apostoly ihany no ahitako ny resany ka asa izay nampiditra io filazana hafahafa eo ambony io
9. RBNIR ( 20/06/2017 13:07)

Miharena:

Salama,

Simba ilay lohahevitra raha vao miditra ilay ady anarana!

Mba mahatsiaro tena ve ianareo manohy manoratra eto sa ahoana marina?!

Marina ilay fanamarihana Miharena,

Mila mba mianatra mifantoka amin'ny lohahevitra ihany marina tokoa isika mpisera eto an!!!
10. RBNIR ( 20/06/2017 13:10)
Ity koa izao ohatra mbola mahatonga saina ny manampahaizana (TROU NOIR) niforona nefa tsy nandalo phase supernovae...

http://www.futura-sciences.com/sciences/actualites/hubble-hubble-aurait-observe-naissance-trou-noir-64311/#xtor=EREC-49-%5BACQ%5D-20160920-%5BACTU-Hubble-aurait-observe-la-naissance-d-un-trou-noir%5D
11. RBNIR ( 20/06/2017 13:18)
Raha izany no izy mbola tsy afaka mitoky amin'ny theorie ankehitriny isika fa tokony mbola apetraka amin'ny mahatheorie azy daholo ihany aloha ny zavatra rehetra...

Dia asaiko ianao hitodika ka hijery ny fomba handravana izao tontolo izao (araka ny voalazan'i Jesosy....


http://www.futura-sciences.com/sciences/actualites/hubble-hubble-aurait-observe-naissance-trou-noir-64311/#xtor=EREC-49-%5BACQ%5D-20160920-%5BACTU-Hubble-aurait-observe-la-naissance-d-un-trou-noir%5D

Amin'ny ankapobeny dia scenario trou noir iray tafiditra ato amin'ny galaxie lactée no tantarain'i Jesosy ao!!!


http://forum.serasera.org/forum/message/m56a8c87ee9a9b/200
12. rhaj0 ( 20/06/2017 15:08)
hi hi hi... naverin'i RBNIR indray ny resaka redirediny @ hoe, Jesosy mahay trou noir.. Efa hoe, na i Kilimanjaro azany TSY takatr'i Jesosy akoriny fa hoe, ao atsimotsimony ao.

Fa inty izao misy takatry ny sain'olbln eee..
http://www.lapresse.ca/sciences/astronomie-et-espace/201706/19/01-5108934-decouverte-de-10-nouvelles-exoplanetes-potentiellement-habitables.php

Hoe 10-nouvelles-exoplanetes-potentiellement-habitables.. Ka hihazakazaka ho any va re ianao ry RBNIR?? hi hi hi.. tsy vita tongotra io RBNIR aaa... ary TSY vitan'ny "vavaka" koa, na koa "imagination" mazia-mirakla, ka dia hoe, ho avy indray i Jesosy sy ny kalesany tarihin-tsoavaly, ary hijapy i RBNIR, sy ny akanjo-fotsy-lava-tsara-pasoka, dia hoe ho entin'i Jesosy misavoana eny @ rahona ho tonga any??? :-)
13. RBNIR ( 21/06/2017 07:37)
rhaj0:

Hoe 10-nouvelles-exoplanetes-potentiellement-habitables.. Ka hihazakazaka ho any va re ianao ry RBNIR??

Tena aleoko ihany ilay nampanantenainy ahy rhajo!!! (ny antsika mbola teoria daholo aloha hatreto )...
« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apok.21:1)
« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apok.21:2)

Tany vaovao + lanitra vaovao

Ny tanana (= trano, lalana sns...) tsy atao tanana fa Ilay Andriamanitra no manao azy ary dia mamatambonona ianao (io ilay atao hoe Jerosalema vaovao....

« Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. » (Apok.22:5)

Tsy misy alina intsony any amin'io tany vaovao io fa andro mandrakizay, dia tsy misy masoandro (étoile) intsony fa IZY (ILAY MAHARITRA MANDRAKIZAY) no hanazava any....

Izany hoe tsy système solaire ilay izy (système solaire tsy manana fahataperana satria ny soleil na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho faty ihany) fa dia IZY no hanazava ,

« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. ..... » (Eks.3:14)

Azoko antoka fa ny fiainana ao amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao dia ho mandrakizay marina tokoa.....






14. rhaj0 ( 21/06/2017 11:45)
RBNIR:
Tena aleoko ihany ilay nampanantenainy ahy rhajo!!!
Tany vaovao + lanitra vaovao

ka toa TSY hainao tsara akory anie izao "nampanantenaina" anao ao izao ry RBNIR ee...

Efa sirika be anie, ary ianao ihany no nilaza an'io, fa i RBNIR dia mipasoka izao robe-lava-fotsy ao izao.. F'angaha hono tsy ny "fanahy" fotsiny no "miakatra", koa ampiankanjoana robe ahoana??
15. RBNIR ( 21/06/2017 12:06)
rhaj0:

Efa sirika be anie, ary ianao ihany no nilaza an'io, fa i RBNIR dia mipasoka izao robe-lava-fotsy ao izao.. F'angaha hono tsy ny "fanahy" fotsiny no "miakatra", koa ampiankanjoana robe ahoana??

Izay ilay ataoko hoe tsy aho mihitsy ianao,
tsy mamaky anga ianao ery ambony????

« Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, » (1 Kor.15:51)
« fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Kor.15:52)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Kor.15:53)
« Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] » (1 Kor.15:54)
« Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14). » (1 Kor.15:55)

Tsy hoe fanahy no miakatra any fa fanahy manana "vatana vaovao" tsy mety lo intsony....
16. rhaj0 ( 21/06/2017 12:20)
Ka ilay "vatana vaovao" izany, toatoa ilay "vatanao" t@ zazakely, sa ilay vatanao efa antitra ao io?
Dia ny vatan'ilay vadinao, atao hoe, sanatria maty tanora Ivadinao, dia hiaraka izany ianareo any @ ilay "tanana vaovao", izy amina vatana (vaovao) fony tanora, ianao amina vatana (vaovao) efa konka?

hi hi hi.. aholakolano ao ny imazination ry RBNIR aa... Mety foana io :-)


Dia ilay "tanana vaovao" koa moa, tena volamena vatosoa moa izy teo ooo??... fanaka bois de rose?? Fa ny anao (Kristiana) izany tsisy oasis, toa ny an'ny Silamo (izay nivavaka t@ Andrmntr'i Abrahama koa), ary tsisy "virijiny".

Tsy ampy kely ny imazination-nao (Kristiana) raha izany ry RBNIR... voan'ny SIlamo nareo @ io :-)
17. RBNIR ( 21/06/2017 12:59)
« Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5). » (Marka 12:19)
« Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba. » (Marka 12:20)
« Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa. » (Marka 12:21)
« Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. » (Marka 12:22)
« Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy? » (Marka 12:23)
« Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo? » (Marka 12:24)
« Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy. » (Marka 12:25)
18. rhaj0 ( 21/06/2017 13:40)
okey dokey... lapabe izany ny ao an-danitra (vaovao) ao fa TSISY mifanambady.. izay no tian'i RBNIR lazaina eto an..

hi hi hi.. aiza moa i RBNIR no tsy maikabe ny handeha ho any.. :-)


Sady mifanentana tsara @ ny an'ny Silamo (izay mivavaka @ Andrmntr'i Abrahama) koa izy izany an..


vazivazy ireo ry RBNIR, fa serieux : tena mino ianao RBNIR izany fa, ny "vatanao" (izay lasa vaovao satria TSY mety lO intsony) dia hiakatra quelque part??
miaraka @ ilay "fanahinao tonta ao io" izay fonosin'ity hoe "vatanao vaovao" ??

Dia mbola mila ilay robe-lava-fotsy-tsara-pasoka ity "vatanao vaovao" ity ry RBNIR??
Ny an'i Jesosy @ io anefa, salaka fotsiny no voarambin'ny tanany tany teny @ hazo fijaliana... Sa nivimbina robe-lava-fotsy-tsara-pasoka ho an'i Jesosy koa i Maria no maty izy taty aoriana??


hi hi hi... tsy hitanao mahafinaritra be ve izany imazination izany?? :-)
19. RBNIR ( 21/06/2017 14:46)
Itony izao ohatra fitafina (akanjo ho ianao mila diovina (na fotsina))

« Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. » (Jakoba 4:8)

Olona manana fo madio dia afaka lazaina fa manana akanjo fotsy....ary afaka manantena fa handova ilay tany vaovao izy hahita an'Andriamanitra...

« Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, » (Matio 5:8)
20. rhaj0 ( 21/06/2017 15:51)
hay ve lasa (na ahodina) parabaolina indray ilay izy ry RBNIR aaa... nefa tena ny fahatsiarovako azy, dia niresaka ny la-robe-fotsy-pasohina mihintsy i RBNIR in-1 mandeha, hoe efa vonona eo akaikin'ny valizy ny azy, raha njay Jesosy tamy ambony kalesany (sahala @ mpangalatra manao latsak'alina).

dia hay va re ny fotsy = madio ho an-dry RBNIR eee... asa ho'a izany rahoviana ry RBNIR no mba "hadio" eee...


Mbo sampona ny imazination-nao (imaziner-ko ato) ry RBNIR eeee.. :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1332