FANTATRAO V IZAO TENY IZAO (SY NY TENA HEVINY MARINA)?

61. RBNIR ( 27/06/2017 10:24)
Ahoana ilay hoe Fanahy Masina manoro mivantana Miharena???
62. gasy1zay ( 27/06/2017 18:49)

RBNIR:

Amin'ny teny frantsay dia nampiasa fotoana ho avy i Jesosy : (sera) prêchée izany hoe mbola ho avy ilay fotoana raha miohatra amin'ny fotoana nitenenany,

Isika anefa dia samy mahafantatra tsara fa ankehitriny aiza moa no tany mbola tsy nandre ny fitoriana ny baiboly???

Moa v tsy tokony efa mba tonga efa ela ny farany???

Mpandainga v i Jesosy???? nahoana no mbola tsy tonga foana ilay farany???

Ny valiny dia izao "ity filazantsara...ity" hoy Izy....Izany hoe tsy hafa fa ilay notoriany fahiny no hotoriana indray vao ho tonga ny farany....

Io filazantsara io dia nolazainy hoe « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)


Io ilay fampianarana avy any amin'Andriamanitra mivantana...Na ilay lazaina hoe fampianarana tsy misy kilema....

Ireo apostoly no nampianarany azy io fahiny,

Indrisy rehefa lasa ireo apostoly, dia very koa ilay fampianarana,

Samy nandray araka izay saim-patany avy ireo mpivavaka nifandimby ary raha ny marina dia very tanteraka ilay fampianarana....

Tsy misy mahafantatra intsony ilay izy ankehitriny, (afatsy i Jesosy irery ihany)....

Ny famerenana ny fitorina an'io fampianarana tsy misy kilema io anefa no andrasana dia vao ho tonga ny farany....

Mila miverina indray i Jesosy mampianatra izay vao ho tonga ny farany satria Izy irery sisa no mahafantatra sy mahay an'io fampianarana tsy misy kilema io...


Misy olona anankiray ity milaza fa nampianariny mivantna an'ilay fampianarana tsy misy kilema (izaho manokana tsy nahita na dia kely aza nahafahana nilaza fa mpandainga izy satria namaky baiboly aho nanamarina ny fampianarany)....



Ianao koa dia asaiko mba hanaraka izany ary mandraisa baiboly hanamarinana izay lazainy....

Fampieritrerena, hoy IZY hoe ny fitoriana indray an'io fampianarana tsy misy kilema io no manamarika fa ho tonga ny farany kao dia SAMIA RE MIOMANA DAHOLO E!!


Ilay fitoriana resahan'i Jesoa eto anie RBNIR dia mitranga mandritra ny 7 taona misy ilay fahoriana lehibe ( 7 année de tribulation) ary raha kristianina voavonjy ianao dia anisan'ireo "enlevé" fa tsy ianao no hitory ilay fitoriana lehibe
63. RBNIR ( 28/06/2017 05:14)
gasy1zay:

Ilay fitoriana resahan'i Jesoa eto anie RBNIR dia mitranga mandritra ny 7 taona misy ilay fahoriana lehibe ( 7 année de tribulation) ary raha kristianina voavonjy ianao dia anisan'ireo "enlevé" fa tsy ianao no hitory ilay fitoriana lehibe


Vakio ato fa ilay 2ème Evènement ato no ambarako gasy1zay...

http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94

2EME EVENEMENTS = ILAY FITORIANA LEHIBE FARANY.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.343