i Miharena sy ny profeta Tsaratsara

21. Miharena ( 21/06/2017 08:37)

rhaj0:

Ka i Miharena izany (efa) "mandinika izay notoriana" (n)ataon-dry Tsaratsara na koa i Tatandraza. Dia io TSY (sahy) manameloka io, na dia efa iaraha-mahita io azany fa gaigy be ny vokatr'ilay ... resa-Baiboly ataon-dry Tatandraza (sy ry Tsaratsara).

Ka fanontaniana: lazao eto hoe inona izany "fandinihina" nataonao ao izany ry Miharena?

(sa mbola adaladala koa io fanontaniana io?)

Ianao aloha no mandinika satria raha izaho no mamelabelatra dia lasa miteraka fanontaniana be dia be indray.

Ny vontoatin'ny toritenin'ireo olona ireo fotsiny dia hoe : Misy ny fiainana ankoatr'izao hitantsika izao ho an'ny zanak'olombelona ary io dia misy lafiny roa mazava tsara, dia ny Lanitra sy ny Helo. Misy mpanjaka roa karazana ao dia ny Mpanjaka Mandresy sy ilay Mpanjakazaka resy.

Dia rehefa tsy manailky ireo fahamarinana ireo ianao dia tsy misy varany ny fitohizam-panehoan-kevitra eto.
22. rhaj0 ( 21/06/2017 11:48)
k'efa hoe, TSY ho ahy irery izay resak'eto fa ho an'izay mandalo rehetra..

Fa raha ny fahitako azy, toa ny mahazatra, dia TSISY "fandinihana" izany no nataon'i Miharena, fa ilay "mino" (manaiky-tsisy-porofo) ao izy, dia rahefa mba hanontaniana dia TSISY lazaina... toa ny mahazatra.
23. Miharena ( 22/06/2017 04:11)

rhaj0:

k'efa hoe, TSY ho ahy irery izay resak'eto fa ho an'izay mandalo rehetra..

Fa raha ny fahitako azy, toa ny mahazatra, dia TSISY "fandinihana" izany no nataon'i Miharena, fa ilay "mino" (manaiky-tsisy-porofo) ao izy, dia rahefa mba hanontaniana dia TSISY lazaina... toa ny mahazatra.

Efa voafintina eo ambony i ony vontoatiny Rhaj0 fa vakio tsara!

Ny olana amin'izao fiainana izao dia tsy manaiky ny fiainana aorian'ny nofo itafiana ankehitriny ny olona, indrindra izay tsy mino ny voambara ao amin'ny Baiboly.

Dia rehefa misy manamarina fa misy fiainana ao ambadiky ny fahafatesana ary vavolombelona ireo olona ireo dia afokafokaina hoe tsisy izany fa imazinasion!

Dia izay hatrany no ataon'ny olona toa an'i Rhaj0 ohatra!

Alohan'ny hanohizana ny adihevitra, manaiky ve ianao fa mitohy ny fiainana aorian'ny fodiamandry?
24. tspoaeta ( 22/06/2017 06:01)
Raha araka ny fahalalako azy aloha dia 12 ihany ny apostoly. Fa i tsaratsara tokoa milaza fa apostoly koa, ary tsy izy ihany fa ilay ao @ radio 107.4 eto tana koa milaza fa apostoly.
Dia ahoana tokoa ireo ry Miharena?
25. Miharena ( 22/06/2017 06:28)

tspoaeta:

Raha araka ny fahalalako azy aloha dia 12 ihany ny apostoly. Fa i tsaratsara tokoa milaza fa apostoly koa, ary tsy izy ihany fa ilay ao @ radio 107.4 eto tana koa milaza fa apostoly.
Dia ahoana tokoa ireo ry Miharena?

Ny olona milaza azy ho Apostoly dia izay nisehoan'i Jesoa mivantana ary nahazo fampianarana mivantana avy any an-danitra na avy amin'i Jesoa Izay mitohy miresaka aminy avy.

I Paoly ohatra, tsy anisan'ny 12 lahy. Ny solon'i Jodasy Iskariota dia nofidiana.

Ny Loholona 24 ao anatin'ny bokin'ny Apokalypsy dia ny Patriarka 12 sy ny Apostoly 12 izay efa miara-miaina amin'i Jesoa any an-danitra.

Ny mpitory ankehitriny mitonona ho Apostoly dia izay nahazo iraka mivantana.

Na izany aza dia mila fantarina hatrany ny fanahy miasa ao amin'ny tsirairay hahafahana mamantatra hoe iraka avy aiza izy tsirairay avy, satria misy ny mamorona iraka ho an'ny tenany ihany indraindray.

26. tspoaeta ( 22/06/2017 08:56)
Ary tsy vitan'ny milaza ny tenany ho apostoly fotsiny ilay dahalo mody niova fo (tsaratsara), fa tena nilaza ny tenany ho jesosy mihintsy izy tao @ TV iray eto antananarivo.
Dia ahoana koa izany?
27. Miharena ( 22/06/2017 10:50)

tspoaeta:

Ary tsy vitan'ny milaza ny tenany ho apostoly fotsiny ilay dahalo mody niova fo (tsaratsara), fa tena nilaza ny tenany ho jesosy mihintsy izy tao @ TV iray eto antananarivo.
Dia ahoana koa izany?

sarotra tokoa ny fiheverana io filazana nataon'io namana io ho an'ny Kristianina amin'izao fotoana izao.

Mety mavesatra amin'ny maro tokoa io filazana io.

Ianao ohatra dia efa mametraka sahady fa dahalo mody miova fo izy.

Ka ny marina tsy tokony hitondra ny hevitsika manokana aloha isika mihaino ireny fijoroana isan-karazany ireny fa mandinika tsara.

Ny filatsahan'ny Fanahy Masina ohatra tamin'ny andron'ny Apostoly taloha dia tsy mampino ny olona nanatrika azy ireo.

Isika izay tsy manana fahalalana momba ny fitobian'ny fanahy hafa amin'ny olona iray koa dia tsy hanaiky fa misy izany.

Isika tsy manam-pahalalana amin'ny endriky ny olona rehefa tsy ilainy intsony ny vatany eto an-tany dia tsy hanaiky koa fa nihatra tamin'io namana io ilay tranga naha-fanahy niainan'ny tenany manokana. Mazava ohatra ny nolazainy hoe hay isika vatana roa fa tsy nofo fotsiny no vatana!!

Ka io fanambarana farany momba ny maha-fanahy no olona io no efa nototofan'ny fandavana ny Baiboly teo amin'ny olombelona sasany satria angamba tsy tian'ny mpanararaotra hahafantatra izany isika.

Dia miverina indray mandeha aho hoe ny fiainana ara-panahy azo tsapaina amin'izao fotoana izao no hahafahana mamantatra ny marina fa tsy tonga dia milaza fa tsy izy no lazain'ny olona tsirairay mijoro vavolombelona.
28. rhaj0 ( 22/06/2017 11:22)
Dia lazaiko anao ry Miharena, fa izaho koa dia nobitsihin'i Jesosy (toa i Tsaratsara sy Tatandraza).

Toy izao ny resakay mirahalahy; i Jesosy mihintsy io no miteny, ary tateriko ito:

"Mampalelo mihintsy i Miharena io. Izay mahay belazao rehetra izao, dia iankohofan"ilery. Ka latsaka anaty tsy-fahalalana lalina i Miharena io, ary dia tsy miasa mihintsy ilay sainy, fa miantsampitsampy @ izao (belazao) mazia-mirakla rehetra izao.

Fa mba ampirisiho kosany izy, na tantano mihitnsy azany, mba handalindalina ny fahalalana 2017 ee... Ny nampiresahina tao @ resa-Baiboly anie dia mifototra @ fahalalana-de-l'an-zero, ary dia io iaraha-mahita fa illogique-absurde-ridicule io.. ka izay tsinona no takatry ny olona-de-l'an-zero k'atao ahoana azany.

Fa ampio mba hivoatra dia mba miala @ io tsy-fahalalany io i Miharena eee...
"
29. Miharena ( 22/06/2017 11:48)

Tsy manaraka lojikan'ny Baiboly ianao matoa milaza io imazinasionao io Rhaj0.

Faminaniana ny zavatra ho avy faingana no ao.

Raha ilazana ianao hoe ny arivo taona dia indray andro amin'ny Tompo ary ny indray andro arivo taona amin'ny Tompo dia hiteny ianao hoe diso izany.

Nefa ny mpahay fizika aza dia miteny hoe azo atao ny manao fitsangatsanganana amin'ny fotoana ka raha mandeha hafainganana ambony dia ambony ny olona iray dia mety hahita ny namany ao anatin'ny indray andro aminy ho lasa antitra be efa niaina ampolo taona maromaro.

Ny fahajambana mety miseho dia mazava fa ny tsy fahaizana mamaky izay voarakitra sy izay iainan'ny hafa izay mitantara.

Ny masom-panahy jamba no tena fahajambana ary io no mitarika tsy fahatsilovan-tsaina. Ny olona mety hiteny amin'ny tenany hoe mahiratra nefa rehefa tsy mahalala ny momba ny zava-miafin'ny fanahy sy izay ampitain'ny Fanahy Masina dia naman'ny tsy mahalala na inona na inona.
30. rhaj0 ( 22/06/2017 13:25)
Miharena:
Tsy manaraka lojikan'ny Baiboly ianao matoa milaza io imazinasionao io Rhaj0.

K'efa hoe, i Jesosy mihintsy no mibitsika ahy. Dia sahinao ve ry Miharena ny manosi-boho-tanana ny nolazain'i Jesosy (tamiko)??? Dia lazainao fa "imazinasionko" io, fanefa efa lazaiko aminao Miharena, fa resaka mivantana nataon'i Jesosy (tamiko) ireo???

In-1 mandeha, dia hozy mihintsy ho'a Jesosy (tamiko) hoe:

"io Baiboly io, dia araka ny lojikan'olo-de-l'an-zero. Ka n'inon'inona lazaina na atao t@ olona-de-l'an-zero, dia naronjony @ fahalalany kely (de l'an zero). Dia izay no notantarainy noraketiny an-tsoratra tao @ io Baiboly io. "

Dia nanohy i Jesosy, ka hoe:

"Raha miasa kely fotsiny ny coco-nao, dia hahita fa, raha tarafina @ fahalalana-2017 izao ireo resa-Baiboly ireo, dia io sirika be fa illogique-absurde-ridicule io."
31. rhaj0 ( 22/06/2017 16:49)
Miharena:
... misy fiainana ao ambadiky ny fahafatesana ary vavolombelona ireo olona ireo...

hay va re ity no mahakoditra an'i Miharena, hany ka miantsampy sy manao fiki-maty @ izay mahay belazao ny anao lahy (sa vavy).

Fa ny @ io, dia hoy ny bitsik'i Jesosy (tamiko) :

"Ny @ fahafatesana, dia natahotra beuh tokoany koa ny olona-de-l'an-zero ee...

Ka t@ izany zahay tsy nahafantatra akoriny hoe, io Masoandro io anie ohatra ka hihodidina ny tany; ary tsy fantatray rahateo koa fa boribory io Tany io. Ka rahefa "mody ny masoandro", dia hotsahotsan'ny lasa any ambany tany izany, ka dia hotsahotsan'ny "maty" eee.. Nefa ny ampitso indray izy toa "velona" indray... "mipongatra" dia "miakatra any an-danitra"."

ka dia izay ny inspiraka t@ izany, izay no kisarisary mba azahoan-draolona ny fiainana, fa ny tahotra mantsy mandoza ihany, fa tsy mbola nisy ny couche t@ ireny.

Dia natao toatoa izany ny resaka ao @ baiboly io, hoe:
- "maty"
- "dia midina any @ tsy hitahita any"
- "dia miverina indray"
- "dia miakatra any an-danitra" eee.... "
"
32. tspoaeta ( 23/06/2017 18:55)
Fa lasa aiza Miharena teo? miverena eto ndray lo Miharena fa mbola otrany te hiomehy be ny tenanay zany a
33. MIharena ( 24/06/2017 06:06)
Tsy maha-koditra mihitsy ny fahafantarana ny fiainana aorian'ny fandaozana ny nofo fa efa niainan'my razambe isantokony aby.

Ny olana aminareo anie ry zalahy namana isany dia tsy ekenareo izay zava-mihatra amin'ny olona mijoro momba ny ara-panahy satria mihevitra angamba ianareo fa tsy misy fanahy ny olonmbelona.

Ny an'i Rhaj0 moa dia ireny fomban'ny olona milaza azy ho Kristianina izay tsy mifanaraka amin'ny fomba maha-Krisitianina ireny no mba hanamavoany sy handavany fa tena tsy misy Andriamanitra Mpahary!!

Sao dia mivaona tanteraka aza ianareo ry namana isany fa mba mandiniha tena ihany.

Ohatra iray mivaingana tsara io lazain'i Rhaj0 eo ambony io :angaha raha toa ka tsy mahafantatra fa boribory ny tany dia tsy hahafantatra fa nohariana ny olombelona?? Tena tsisy idirany mihitsy ilay adihevitra fa mifohaza aloha!

Raha misy ny mihomehy Tspoaeta dia izaho angamba aloha no tokony hihomehy amin'ny fahafohezam-pisainana eo aminareo namana ireo! Fa aoka tsy atao hoe izany no atao fa tsy mihomehy anareo aho fa malahelo hoe manan-tsaina ihany fa jamba!

Dia rehef ailazana fa jamba dia mampidingin-drambo, dia manao fara-hehy!!

Izany tokoa ve??
34. rhaj0 ( 04/07/2017 15:10)
Miharena:
Ny an'i Rhaj0 moa dia ireny fomban'ny olona milaza azy ho Kristianina izay tsy mifanaraka amin'ny fomba maha-Krisitianina ireny no mba hanamavoany sy handavany fa tena tsy misy Andriamanitra Mpahary!!

Izay ve no (mba) fazahoanao azy?? Sa "faniriana", dia "tere-ko-marina toa resa-baiboly" fotsiny ny anao??

Raha ny marina, dia tsoriko aminao ry Miharena fa ilay "finoana" mihintsy no TSY (misy dikany) amiko. Ka izay inoana sy ataon'ny Mpino, na Kristiana na hafa, na tena izy na maramara, dia... tena ivanitihako fotsiny.

Sa hoe, mba lazao sy velabelaro mazava eto azany hoe ry Miharena ity filazanao hoe, "fomban'olona milaza azy ho Kristiana", izay "manaraka tsara ireo fomba maha-Kristiana"??
35. RKjeanclaude ( 04/07/2017 19:23)
dia "tere-ko-marina toa resa-baiboly" fotsiiny!?
[/quote]

Ny baiboly aloha tsy teren-ko marina fa marina.

Ao anaty hetsika ara-nokleary, dia misy onja teraka (rayon beta, alpha,gamma), tsy hita maso ireny, tsy misy lanja, tsy re tsapa, saingy ekena(n'ny fizisiana). Tsy lazaina fa tere-ko marina fotsiny izany.
Ivelan'ny erana, dia mbola tsy nisy nahita, saingy lazaina fa foana, dia ekena(n'ny astrology).
Ny baiboly, maro voasoratra, no efa tanteraka sady mbola hita porofo ankehitriny, dia lazaina fa adala sy kentrina ny mbola manaiky azy. Lazaina tere-ko marina. Aza mitsara miangatra, rehefa tsy mamaky na tsy mandinika dia tokony tsy miteniteny foana.
36. RKjeanclaude ( 04/07/2017 19:23)

37. rhaj0 ( 04/07/2017 20:14)
RKjeanclaude:
Ao anaty hetsika ara-nokleary, dia misy onja teraka (rayon beta, alpha,gamma), tsy hita maso ireny, tsy misy lanja, tsy re tsapa, saingy ekena(n'ny fizisiana).

Dia tena TSY hainao mihintsy kosany ve ry RKjeanclaude, fa ny "tsy hita maso, tsy misy lanja, tsy re tsapa", dia satria... ny "masoNAO/fahatsapaNAO" no tsy alehany, fa ny fitaovana (hafa) dia "mahita/mahare/mahatsapa".

Ohatra ny Infra-red na koa ny ultra-violet ampatsotsotra ny resaka.

Sa "TSY misy" na "TSY marina" ireo IR sy UV ireo @ RKjeanclaude, satria TSy voasoratra tanaty Biboly?

Izao izao ny astronomie tena revo mihintsy, satria ny spektra infra-red sy ultra-violet sy x-ray dia "ahitana" zavatra be dia be "ao ambony ao".

Ary marihiko tsara fa "astronomie" no resaka fa tsy "astrologie", azony toa afangaronao ireo roa ireo.

Fa ny Baiboly "tere-ko marina".. Efa maro ny ohatra namena teto eee... h@ firafitry ny tontolo (ao @ Genesisy) ka h@ asan'i Jesoa (toa ny devoly @ kisoa) : dia mbola ho sahinao mihintsy ve ry RKjeanclaude ny mbola hilaza fa "tanteraka sady mbola hita porofo ankehitriny" izany??

(ataovy ao foana moa ho'a fa ihomehezan'ny Ankizy lava ao foana nareo eee...)

38. RKjeanclaude ( 05/07/2017 13:18)
"tanteraka sady mbola hita porofo ankehitriny" izany??
[/quote]

avadikao raha hafa ny raha ambarako, samy taratra ireo, fa ny taratra gama, beta, alpha: photoshop ngamba no efa nahita ireo.

Ny hita porofo mandraka ankehitriny dia maro. Aleo omeko kely ianao-- tsy asiako fanampiny na hanaiky ianao na tsia--: Ny Baiboly (bokin'i Daniel) dia nilaza fa hisy fanjakan-dehibe 4 hifandimby eto an-tany manomboka amin'ny fanjakana babyloniana(voalohany). Taorian'izany dia nisy ny Medy sy Persa(faharoa), avy eo nodimbiasin'ny grika(fahatelo), nofaranan'ny Roma(fahaefatra). Tsy nisy "empire" mandimby ireo intsony raha tsy lazainao indray angaha fa empire ny kristianisma, na ny islam, na europe, na US.... mba handisona hatrany ny baiboly.

39. RKjeanclaude ( 05/07/2017 13:19)

40. rhaj0 ( 05/07/2017 17:18)
RKjeanclaude:
Ny Baiboly (bokin'i Daniel) dia nilaza fa hisy fanjakan-dehibe 4 hifandimby eto an-tany...

Mampalahelo mihintsy rahefa eurocentric toa io ny fi(s)ainanao (ao anaty baiboly) ao. Koa na ilay an'ny Ejipsiana azany toa TSY takatrao akoriny, mainka fa ny any Sina sy Japana sy ny tao Afrika.

Eurocentric dada ka dada nefa ho Euro rahoviana? :-)

Fa (mety) marina ihany ny anao kah... Fanjakan-dehibe 4, dia ireo ihany no mahakasika izay resa-Baiboly ao.
Ary ny hafa TSY voakasiky ny Baiboly, dia TSY mahakasika ny fiainany koa izay resa-Baiboly any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1515