i Miharena sy ny profeta Tsaratsara

1. rhaj0 ( 08/06/2017 16:00)
Tena nanaovako ezaka manokana mihitnsy, fa dia aleo aloha aravina eto mihintsy ireto resaka ireto ngo dia very...

rhaj0:
Toatoa ny ahoana izao Andrmntra "mivaingana sy tsapa" hitanao ao izao???

Miharena:
Efa voalaza io valiny io. Fa ny nasaina nahita maso aloha dia Tsaratsara.

eraky ny youtube:
i Profeta Tsaratsara izao ho'a nilaza fa nahita an'i Jesosy "tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be"
Jereo youtube ato, eo @ 9:30... https://youtu.be/03vDJastDL8

Miharena sy ny fitrotrony an'i Profeta Tsaratsara:
Ny vatana anan'i Tsaratsara rehefa nalain'i Jesoa hiakatra izy, iny no vatana fanahintsika ary io aza no mapiaina antsika izany satria napetraka ilay vatana nofo rehefa niakatra niaraka tamin'u Jesoa. Vatana tsara be koa anie izany ny an'i Tsaratsara e! raha azoko tsara.

Tsy Tsaratsara irery no nisehoan'izany fa tao i Paoly, tao i Nenilava, tao Tatandrazam tao Mama Vao sns...

Miharena sy ny fitrotrony an'i Profeta Tsaratsara:
2) Namory olona Tsaratsara hanao fampihavanam-pirenena. Natao ny fombafomba, nifandray tanana ny olona natao solon'ny filoham-pirenena 5. Niantso ny avy any Ambony Tsaratsara! nihorohoro saika tsy voatazona ilay iraika lahy tamin'ny seza iray. Olona maro no nahita zava-miafina tsy mbola fahitany hatrizay. Niteny tamin'ny fitenin'ny Lanitra Tsaratsara taimn'izay.

Miharena nahare bitsik'Andrmntra:
i Miharena no Andriamanitra
i Miharena dia fitaovana na fantsona itenenan'i Andriamanitr
a

Tsara ho Fantatra:
Tena miombo-kevitra, miombom-po sy saina i Miharena sy ny Profeta Tsaratsara.

Dia tena aoka aho hangina, fa aleo ny Kristiana namanao eto no hanoro anao ry Miharena, @ ity fitiavanao an'i Profeta Tsaratsara.

(hi hi hi.. maty pasipaoro i Miharena... marina mafy moa.... :-)
novalian'i rhaj0 ny 11/07/2017 11:24
2. Miharena ( 08/06/2017 16:54)
Ny fahagagana sy tranga azo vakiana sy ahitana porofo tsy manipaka izany ny Krisitianina.

Manamarina no ataony.

Fa ianao moa Atheista ka tsy mahay izay atao hoe Fanahy miasa sy Andriamanitra miasa izany.

Ary tsy efa isan'ny manao fifanakalozan'olona roa ve isika izao? Ny iray marenina sy jamba, dia milaza ny tenany hoe izy hono no mahiratra nefa tsy afaka manazava akory ireo tranga misy rehetra avelabelatra eto fa manao hoe imagination hono!!

Dia maka angano etsy sy eroa entina manamarina amin'ny imagination-ny (mahiratra kah!)

3. Miharena ( 10/06/2017 05:32)
Aoka aloha hazava fa tsy Profeta izy io araka ny filazany.

Mba hajao ny olona Rhaj0 fa aza dia manao tsinontsinona toa io ianao an!

Ovay ilay loha-hevitra mba tsy hitohizany amin'io aloha!
4. rhaj0 ( 12/06/2017 20:53)
OK... (mety) marina ny anao ry Miharena. Toa Apaostaoly tokoany i Tsaratsara, ny filazany ny tenany, fa tsy Profeta.

Nefa anie, rahefa jerena ny famaritana, dia
apostolate = a religious leader.
prophet = a person regarded as an inspired teacher or proclaimer of the will of God.

Toa TSY "leader" fotsiny kosany Ilery, fa tena toa ilay "person proclaimer of the will of God" io eee...

Voninahitra amena ny Kristiana ve atao an-tsobika sa am-panta-bary ry Miharena aaa..

Sa mahamenatra indray raha antsoina hoe Profeta i Tsaratsara??

Danz ihany ilay system Finoana na ny Kristianisma an... izay mahay belazao savony vava izany,
- tonga dia iankohofan'ny namany..
- Tsy mila diplaoma na fanadinana io..
- Ny traikefa azany tena tsy rahirahiana (dahalo ilery taloha)
5. Miharena ( 13/06/2017 05:54)

Ny marina dia iray ihany: Izay manaiky fa voary dia azon'ny Moahary iasana.

Tsy mila diplaona io ary tsy mila fahaizana fa ny Mpahary manome betsaka rehefa mangataka Aminy.

Ny olana anie dia ireo olona milaza fa tsy Kristianina no mitsara avy hatrany fa ny mpitarika no tompoin'nu mpanaraka e! Diso io satria ny olona itoriana dia resy lahatra aloha vao miara-manohana ny mpitarika iray na fiangonana iray. Iray ihany no tanjona ho an'izy rehetra dia ny hitory ny Fiainana mandrakizay ho an'ny rehetra ao amin'i Jesoa Kristy.
6. RBNIR ( 13/06/2017 09:38)
Fa miharena izany miaraka amin'ny apostoly tsaratsara v sa ahoana? tsy azoko tsara...
7. Miharena ( 13/06/2017 10:04)

RBNIR:

Fa miharena izany miaraka amin'ny apostoly tsaratsara v sa ahoana? tsy azoko tsara...

Miaraka amin'i Jesoa Kristy aho kah!

Manaraka ny Asa izay tontosaiNY eny rehetra eny dia mizara!
8. rhaj0 ( 13/06/2017 12:34)
Iverenako kely ity
rhaj0:
Danz ihany ilay system Finoana na ny Kristianisma an... izay mahay belazao savony vava izany,
- tonga dia iankohofan'ny namany..
- Tsy mila diplaoma na fanadinana io..
- Ny traikefa azany tena tsy rahirahiana (dahalo ilery taloha)

Tena rahefa mandinika, dia tena aleo kosany indray izany ny systeme Katolika, mba misy ambaratongam-pahalalana sy ambaratongam-pahefana, misy fampianarana sns... toa izay ity "izay mahay belazao savony vava izany tonga dia iankohofan'ny namany."

Na dia misy tsininy ihany azany ny rafitra katolika, araka ny sirika @ io afera-na "pretra (sasany) mpanolana ankizy" io:
- tsisy transparence, mangarahara, fa mifanafin-keloka ao daholo
- tsisy redevabilité, fa lazaina fa i Jesosy ihany no mahalala izay eo
- tsisy remise en question izay natao sy fomba fanao ao
- tsisy demokrasia...

Fa @ ireo tsinin'ny RAfitra Katolika ireo, ny an-dry "izay mahay belazao savony vava izany tonga dia iankohofan'ny namany" vao maika pire, satria dia tena Itsimahalalaafatsynysaimpantany ireto.

Giravy an..
9. Miharena ( 14/06/2017 05:05)
Miverina indray anie ilay fitsarana ny Kristianina fa tsy manome hevitra mazava ianao Rhaj0

Raha ny marina dia manambara ny momba ny olombelona sy ny fahariana ny Baiboly.

Ny fanontaniana mihatra eto dia hoe voamarina sa tsia izay voalaza ao eo amin'ny fiainana andavanandro? Mihatra ve izany mandrak'ankehitriny sa efa lany andro mijanona ho tantara fotsiny?

Ohatra : fananganana ny maty, fanasitranana marary, fihaonan'Andriamanitra sy Jesoa amin'ny olombelona mivantana, fanamarinana ny Teniny ho an'ny nofo rehetra avy AMINY.

Rehefa ivelan'ireo ny adihevitrea dia mihodinkodina toy ny tandrimo eto ary asa hoe iza no ho fanina voalohany amintsika Rhaj0 amin'izay fomba tsy mahavaly fanontaniana fa manamboatra adihevitra mibilabila tsisy vontoatiny isaky ny mamaly izay.

Satria Rhaj0 Itsimahalalaafatsynysaimpantany!
10. rhaj0 ( 14/06/2017 10:56)
Miharena:
Ny fanontaniana mihatra eto dia hoe voamarina sa tsia izay voalaza ao eo amin'ny fiainana andavanandro? Mihatra ve izany mandrak'ankehitriny sa efa lany andro mijanona ho tantara fotsiny?

Ohatra : fananganana ny maty, fanasitranana marary, fihaonan'Andriamanitra sy Jesoa amin'ny olombelona mivantana, fanamarinana ny Teniny ho an'ny nofo rehetra avy AMINY.

Eny azany ee... Ka araka ny nolazaina teo, dia "Ny olona toa an'i Tsaratsara no "vavolombelona" arahin'i Miharena @ fahamarinany", ka dia, tena mba mijoroa eto hoe ry Miharena, dia mba tantarao @ antsipiriany eto ny nataon'i Apaostaoly Tsaratsara ny @ ireo ohatra tanisainao:
- fananganana ny maty,
- fanasitranana marary,
- fihaonan'Andriamanitra sy Jesoa amin'ny olombelona mivantana,
- fanamarinana ny Teniny ho an'ny nofo rehetra avy AMINY.

Sa, araka ny filazanao Miharena azy, dia "tantara fotsiny" ary TSY "voamarina" DAHOLO ireo?
11. Miharena ( 14/06/2017 11:00)
Efa voamarina ireo ka tsy tokony hotantarain'olon-kafa afa-tsy izy ihany. Dia araho izay tantarainy aloha dia alalino vao miresaka indray isika angamba momba izay.
12. rhaj0 ( 14/06/2017 11:06)
okey dokey... fehiny:
an-kolaka izany, dia (toa ny) milaza i Miharena, fa ny Apaositaoly TSaratsara, dia nahavita:
- fananganana ny maty,
- fanasitranana marary,
- fihaonan'Andriamanitra sy Jesoa amin'ny.

Efa voamarina ireo ka tsy tokony hotantarain'olon-kafa, hozy i Miharena
13. Miharena ( 14/06/2017 11:14)
Ingahy an-kolaka indray no niresaka amiko eto fa tsy olona tsotra sy mazava.

Izany hoe efa fantatra mialoha ilay valin-teny satria miverimberina amin'ny valin-teny misesisesy etsy sy eroa!

Sao dia mihodinkodina ianao aloha e!

Efa nohainoanao ve aloha ireo tantara nolazainy?

Ny olana fotsiny dia hoe rehefa manao ny tenany ho atheista ny olona dia tsy mamaky izay tsy tian'ny sofiny ho re angamba!
14. rhaj0 ( 14/06/2017 11:48)
Hay t@ ilay youtube teo, dia "nitantara" ny Profeta Tsaratsara, fa "efa ho fatin'ny cancer" izy, noho ny nataony @ naha-dahalo azy, fa tena, "nidinan'i Jesosy avy tao @ tafo fanitso tao", ary dia .. "sitrana" ny anao lahy.

Sady efa saika fananganana ny maty izany ity, noa mbola koa "fanasitranana marary"

Ary "vavolombelona" i Miharena ... sa tsia??

"vavolombelona" i Miharena satria mahita tsara an'i Tsaratsara mbola velona ary mitodra "fanamarinana ny Teniny ho an'ny nofo" hono.

tena vrai 'le Miharena sy Tsaratsara ireto :-)
15. Miharena ( 15/06/2017 04:03)
Izay ahay vao manomboka miresaka milamina kokoa Rhaj0.

Ny olana fotsiny afangaro vazivazy ilay izy.

Ho an'ny olona manam-paharetana indray tsy dia voarebirebin'ny vazivazy.
16. rhaj0 ( 15/06/2017 10:41)
rhaj0:
Hay t@ ilay youtube teo, dia "nitantara" ny Profeta Tsaratsara, fa "efa ho fatin'ny cancer" izy, noho ny nataony @ naha-dahalo azy, fa tena, "nidinan'i Jesosy avy tao @ tafo fanitso tao", ary dia .. "sitrana" ny anao lahy.
(..)
Ary "vavolombelona" i Miharena ...

Miharena:
Izay ahay...

wow... kay tena "mino" an'i Tsaratsara i Miharena ity...

(tena aoka aho hangina, fa tena aleo ny namanao (Kristiana) no hampahiratra an'i MIharena jamba ara-tsaina.
17. Miharena ( 17/06/2017 04:55)
Rhaj0,

Izy ity tsy finoana olona fa finoana ny Asan'Andriamanitra sy Jesoa Kristy amin'ny fandinihana ny zava-drehetra!

Ny aoka hifantoka ao amintsika olombelona fa isika dia napetraka tamin'ny tontolo iray efa vita rafitra tamin'ny fanorenana avy amin'ny Mpahary.

Izy irery ihany no afaka mampianatra ny voariny ny tokony hataony.

Mamoha olona IZY tsy hinohino foana dia izay no nahatonga ny Baiboly.

Ny tokony hojerentsika izao dia hoe marina ara-Baiboly ve izay zava-nitranga isan-tokony avy?

Dia afaka manaraka ianao momba izay laha-kevitra izay vao manakiana ary koa mametraka ny tenanao hoe mitombina sa olona jamba ara-tsaina!!
18. rhaj0 ( 20/06/2017 11:14)
Ary ahoana indray i Tatandraza ry Miharena??

Toa mitovy paika @ Tsaratsara ihany izy io, samy dahalo niova fo, dia tena samy malama vava mandraviravy resa-Baiboly, ary maninzingizina @ "teny mahery" fa, araka ny finoan-dry Miharena, dia "marina ara-Baiboly" ny resakany sy ny ataony ao.

Ato ny tantara..
http://www.lexpressmada.com/blog/actualites/abus-sexuels-la-foule-brule-le-temple-de-marc-tatandraza/

Dia mitovy @ ilay resaka teo hoe, ario ny RaR sy vady sy mpiray tam-po, HOZY JESOSY, raha te-ho mpianany. Dia izao ny vokany:

Aveuglées par les prêches du pasteur et de ses templiers, des femmes ont quitté leurs époux et fait donation de leurs biens, en se remettant aux versets bibliques, et aux pseudo-commandements invoqués par les prêcheurs.

Dia ahoana no hitompoanao teny eto ry Miharena, fa rehefa i Tsaratsara, na koa hoe, rahefa ianao Miharena no manitrikitrika baiboly dia manja, fa rahefa i Tatandraza dia fosika??
19. Miharena ( 20/06/2017 12:16)

Ny azo raisina amin'ny tantara nitranga tamin'ireo olona tanisaina ireo, na io Tsaratsara, na io Tatandraza, na io Mama Hova, na io Nenilava sns... dia zava-misy aloha.

Ny fanadihadiana no hamantarana hoe marina sa diso ny hafatra na fahitana azon'izy ireo avy.

Ny olana dia ity fotsiny: ny tena tsy eken'ny sain'ny maro dia rehefa misy miteny hoe tsy tsara ireny karazan-kaingo ataon'ny vehivavy ireny, na koa ireo karazana faharatsiana mamatotra toy ny toaka, ny sigara, sns... dia lasa manaratsy ireo olona mitory aty aoriana ireo ny efa zatra mitana fahazaran-dratsy nefa mivavaka.

Tsy dia ny resaka malama vava no mahatonga ny olona mitory fa misy hery manosika azy hitory mihitsy.

Ny tokony hataoanao Rhaj0 dia ny mandinika izay toriany aloha fa tsy manao resaka tsy misy laoniny sy vodiny amin'ny fanontaniana adaladala.

Ny olana fotsiny dia rehefa manda ny zava-nitranga dia efa anisan'ny efa handa ankitsirano fotsiny na anjambany fotsiny. Ka asa na izay aloha no hataonao na tsia.

Raha tsia moa dia azo tohizana ny adihevitra fa saingy tokony hifantoka amin'ny zava-boalazan'ireo olona mitory ireo.
20. rhaj0 ( 20/06/2017 12:48)
Ka i Miharena izany (efa) "mandinika izay notoriana" (n)ataon-dry Tsaratsara na koa i Tatandraza. Dia io TSY (sahy) manameloka io, na dia efa iaraha-mahita io azany fa gaigy be ny vokatr'ilay ... resa-Baiboly ataon-dry Tatandraza (sy ry Tsaratsara).

Ka fanontaniana: lazao eto hoe inona izany "fandinihina" nataonao ao izany ry Miharena?

(sa mbola adaladala koa io fanontaniana io?)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.086