Genesisy (Jenezy) toko-2

1. endriny ( 01/06/2017 13:11)
Tapany voalohany araka ny rohy Baiboly Malagasy en Ligne

1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
2 Ary tamin’ ny andro fahafito dia vitan’ Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ ny andro fahafito Izy tamin’ ny asany rehetra izay efa nataony.
3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’ izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ ny nanaovany azy.


Teto izany dia nitsahatra Atra tamin'ny andro faha-7. Ary dia nitahy sy namasinin'Atra io andro faha-7 io.

Nitahy sy nanamasina ny andro faha-7 Atra?

Raha dinihiko amin'ny saiko adala io dia hoe: Nikolokolo ny andro faha-7 Atra, ary nanamasina an'io andro faha-7 ohatran'ny manamasina vato izany eto, fa ny andro indray no namasinina.
novalian'i MIharena ny 24/06/2017 04:59
2. rhaj0 ( 01/06/2017 13:36)
hotry ny saro-takarina ilay resak'i Genesisy 2 fa mihodikodiina..

Jereo @ saina tsy miangatr anie ee.. Iza @ saina salama no hiteny hoe:
"vitany ny asa efa nataony" ???

Io ilay nahavaky vava an'i Endriny in-1 mandeha hoe, nahazo divay indray angamba i Mosesy, fa dia mihodikodina toa tandrimo ny resaka eee...


Fa nozohiko ny teny anglisy, ngo dia i Andrianaivoravelona indray no nanondrana :

Genese 2:1 Thus the heavens and the earth were completed in all their vast array.
2 By the seventh day God had finished the work he had been doing; so on the seventh day he rested from all his work. 3 Then God blessed the seventh day and made it holy, because on it he rested from all the work of creating that he had done.


Raha izaho no mandika an'io, dia
- TSY hoe : "vitany ny asa efa nataony"
- FA hoe : "vitany ny asa izay nataony"

an an... sa moa "izay voasoratra dia voasoratra"...


Fa dia tena mila misotro divay koa aho izany vao ho azoko koa ny hoe, maninona maninona ny mitahy sy manamasina, maninona maninona i Atra sy ny Andro faha-7... :-)
3. endriny ( 02/06/2017 05:22)
Nitsodrano ny andro faha7 Atra ary nataony masina io andro io. Izay izany fa tsy hoe namasininy io andro io akory.
4. Miharena ( 02/06/2017 06:13)
Mazava tsara fa misaotra e!
5. endriny ( 02/06/2017 13:13)
Raha raisintsika izany ny andininy faha 3 manao hoe: "Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’ izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ ny nanaovany azy".

Teo izany dia vita ny famoronana rehetra. Ka hatramin'izay ka hatramin'izao ve tsy nisy fiforonana zavatra vaovao mihintsy teto an-tany?

Saingy ara-tantara moa dia vao tamin'ny 6.000 taona lasa izany no namoron'Atra ny olom-belona

Mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy iny.
6. rhaj0 ( 02/06/2017 14:11)
Raha ny fahazoako azy izany, dia t@ vao noforonina i Raoul I, tao @ Toko 1, dia ny nolazain'Atra azy, dia ny "miteraha sy anjakao". Ka iliay "pli-vava" hoe, "ny Raoul (rehetra) dia noforonin'Atra" izany TSY mitombona, fa ny andro faha-6 marina no faran'ny "fiforonana", ary ny olb rehetra taty aoriana dia "noterahana", ary noterahan'olona, fa tsy "noforonin'Atra" izany intsony eee..

Fa avy eo indray, nasiana ity hoe "nateraka indray" rahefa avy atao batisa hono. Ka dia lasa "zanak'Atra" (fa tsy noterahan-dRaR intsony) indray izany i Raoul, na izay te-hino an'izany...

Dia io izany @ Kristiana ilay hoe, tsy quoi raha manary ny RaR i Raoul, fa ny tokony ataony dia ny manaraka ny Ray eee...
i Jesosy mihintsy no nanome ohatra, fa rahefa mba nanontany azy ny reniny, dia nobatiany hoe, "mbo zovy koa izato ianao"...

Mba tsetsatsetsa tsy aritra koa ny ahy iny.
(fa dia tohizo ny milamina-dia-misesy an'ity Baiboly ity ee.. ahitana tsara ny fandehany)
7. Miharena ( 03/06/2017 09:59)
Aoka alamina ary!

Ny olona aloha dia efa fantatra fa natao singa roa aloha hahafahany mitombo taranaka avy eo. Drafitra iray ihany no ananan'ny olon-drehetra matoa izy afaka mitombo taranaka miteraka olona fa tsy lasa gidro na lasa voalavo.

Dia inona moa no mahatonga ilay fiheverana hoe tsy IZY no namorona ireo teraka??

Ny momba ny hoe : raha zohina ny tantara dia lavo ilay olona aloha. Mila avazina indray vao mahazo ilay endrika voalohany tiana napetraka taminy hatrizay.

8. rhaj0 ( 06/06/2017 20:19)
Miharena:
Dia inona moa no mahatonga ilay fiheverana hoe tsy IZY no namorona ireo teraka??

Hozy ny Rakibolan'i Hery
Mamorona = Mampisy, manao amin'ny tsy misy: Andriananahary no namorona an'izao tontolo izao.

Ka manao @ siperima sy oviola, koa "mamorona, manao @ tsy misy" ahoana ny iza ry Miharena aaa???

Sa io indray ny diksionera-Miharena fa manana famaritana manokana ny @ izany hoe "namorona"?

Entre-pa fa ao @ Rakibolana Malagasy, dia Andriananahary no "namorona", fa tsy izany Andriamanitra izany, na hoe i Yaveh... Ilay Andriamanitra mantsy @ io dia Andriana+manitra, dia fati-na mpanjaka, hozy Farimamy.

Miharena:
Ny momba ny hoe : raha zohina ny tantara dia lavo ilay olona aloha. Mila avazina indray vao mahazo ilay endrika voalohany tiana napetraka taminy hatrizay.

TEna mba tsy alehany koa izany ilay Designer k'nouh... nataok'ty omniscient omnipotent.

Raha ny marina ho'a, dia ilay olombe no nivaralila tao, dia tiany ho fafana ny hadalany, dia mody hoe... Dia inona fa izay avy koa no naverin'izao adala sy hendry rehetra izao.

i Tsaratsara ho'a izao dahalo taloha. Dia tiany ho fafana ny hadalany. Dia hoe "nateraka indray".

Na koa, ilay olombe taloha no nivaralila. Ary dia hitabe fa nanoratsora-poana, resaka tsisy mitombona. Ary dia nanapa-kevitra ny olombe taty aoriana fa tena mila "avaozina" ilay resa-kehy taloha, dia io no mba hitany, "nateraka indray".

Dia mino daholo tokoany ny trondroo sy ny gana h@ izao 2017 izao..
9. Miharena ( 07/06/2017 04:57)
Avereno vakiana tsara ny laha-kevitrao Rhaj0 fa tena tsy misy laoniny sy vodiny mihitsy anie eh!

Alefanao amin'ny foto-kevitra angano izay ataonao kolontsaina raiki-tapisaka ilay izy.

MIhodinkodina amin'ny sain-jaza loatra angamba ianao ity fa ts ymatotra mihitsy!

Tsy jerenao izay ambarako sy ambaran'ny mpijoro Vavolombelona fa tonga dia fafanao amin'ny hoe angano eh! fanarotsaronana hadalana eh!

Raha hiteny aho hoe tena ambany fomba faneho hevitra ianao dia hiteny hoe adala aho o!?
10. rhaj0 ( 07/06/2017 12:30)
- Ny resaka angano tary, roritin'i Miharena aty.. (ivereno ireo ambony ireo raha misy teny hoe "angano" na ny pitiny azany)
- Dia resaka Genesisy no eto, namoronana ny tontolo hono, nefa lazain'i Miharena fa misy "Vavolombelona".

tena hotsahotsan'ny surmené izany ianao ry Miharena, fa makà saina kely aloha ee.. :-)
11. Miharena ( 08/06/2017 04:35)

rhaj0:

- Ny resaka angano tary, roritin'i Miharena aty.. (ivereno ireo ambony ireo raha misy teny hoe "angano" na ny pitiny azany)
- Dia resaka Genesisy no eto, namoronana ny tontolo hono, nefa lazain'i Miharena fa misy "Vavolombelona".

tena hotsahotsan'ny surmené izany ianao ry Miharena, fa makà saina kely aloha ee.. :-)


Ny Vavolombelona no manoratra izay ambaran'Ilay Omnipotent/Omnipresent na Andriamanitra Mpahary. raha tsy izay no izy tsy nahita Baiboly izany ianao aloha. Tsy nahita koa fahagagana!

Dia araho aloha ireo fijoroana maro fa ianao manana aterineto ihany. Be dia be ao amin'ny youtube ao! Dia avy eo manome tsiny fa tsy ny Baiboly no roridroritina eo nefa ny fahalalanao mbola bitika!
12. RBNIR ( 08/06/2017 08:33)
Miharena:

Be dia be ao amin'ny youtube ao! Dia avy eo manome tsiny fa tsy ny Baiboly no roridroritina eo nefa ny fahalalanao mbola bitika!

Sambany aho nahita an'i miharena niteny tahakan'io,
Aza mora tezitra moa e! i rhajo ange efa fantatra fa (sady mpisintona lakilosy) no provocateur mahay e!!

Saingy tsy mandaitra aty intsony ireny rhajo a!!!
13. Miharena ( 08/06/2017 09:06)

RBNIR:

Miharena:

Be dia be ao amin'ny youtube ao! Dia avy eo manome tsiny fa tsy ny Baiboly no roridroritina eo nefa ny fahalalanao mbola bitika!

Sambany aho nahita an'i miharena niteny tahakan'io,
Aza mora tezitra moa e! i rhajo ange efa fantatra fa (sady mpisintona lakilosy) no provocateur mahay e!!

Saingy tsy mandaitra aty intsony ireny rhajo a!!!


Efa fantatro io RBNIR a!

Isika Malagasy efa vita vaksiny amin'io ary tsy dia hoe tezitra fa mahay mandinika ihany amin'ireny teny manindrona ireny. Manam-paharetana isika raha ny marina!

Fa rehefa Rhaj0 anie no mahazo ireny teny ireny, mitsiky ihany izy e!

Io ilay hoe Tsiky dia ampy e!
14. rhaj0 ( 08/06/2017 12:13)
rhaj0:
- Dia resaka Genesisy no eto, namoronana ny tontolo hono, nefa lazain'i Miharena fa misy "Vavolombelona".

Miharena:
Ny Vavolombelona no manoratra izay ambaran'Ilay Omnipotent/Omnipresent na Andriamanitra Mpahary.

Ndao azany hohalalinina kely ny @ Genesisy ee...

1- Iza hoe ry Miharena no "nanoratra" an'io Genesisy io ?? Taiza ary t@ taona oviana ??
2- Aiza ho aiza, na hoe @ ahoana, ary iza ilay "Vavolombelona" ?? Dia inona no "hita sy reny" ??

Genesisy toko 1 sy 2 no resaka an.
15. Miharena ( 08/06/2017 13:20)
Tsy azo atao araka ny toko singanina ny fandalinana Baiboly namana Rhaj0 fa izy iray manontolo a!

Dia manaraka lojika tsara amin;ny famakiana azy iray manontolo isika!
16. rhaj0 ( 08/06/2017 13:29)
Toa tsy hainao akoriny zavatra vakianao ao izany ry Miharena...

--- i Mosesy no nametraka an-tsoratra ny "resaka reny t@ Andmntra" (hono izany) tao anatin'ny bokin'i Genesisy
--- dia i Paoly ohatra koa no nametraka an-tsoratra ny "resaka reny t@ Andmntra" (hono izany) tao anatin'ny bokin'i Korintiana ohatra

Fa imaginer-o anie hoe, ahoana no nitantaran'i Andrmntra t@ Mosesy ny "namoronany izao tontolo izao" ee... Hoe... indray harivariva izay, dia nahare siosio lavabe i Mosesy, ary dia noraisiny ny penina sy taratasy, ary natontany teo izay reny rehetra teo.

Ooops... kay mbola tsisy penina sy taratasy t@ andron'i Mosesy.
17. Miharena ( 08/06/2017 14:16)
Efa fantatra ny soratra voarakitra ao fa tsy handaniana andro hotakarina lavitra izany fa izay voasoratra dia voasoratra ao!

Ny zavatra tsy azo lavina fotsiny dia hoe izay lojikantsika olombelona tsy lojikan'Andriamanitra Mpahary satria hafa mihitsy ny rafitra ananaNY raha oharina amin'ny olombelona izay noforoniNY.

Toy izany koe, ny lojikaNY tsy hitovy amin'ny lojikantsika rehefa mamorona ireo karazan-javamananaina isan-karazany IZY ary ireo erana ametrahaNY azy aby.

tsy takatrao izany dia notsorina aloha ny fanambarana ny fiandohana tamin'i Mosesy.

Raha te-hahafantatra ny fiandohana ianao dia IZY anontanio mivantana fa tsy izaho!
18. rhaj0 ( 08/06/2017 15:43)
Eny azany.. Nanontany AZY aho, tena vao izao isika miteny izao mihitnsy, dia namaly ahy IZY, ary hoz'IZY (ato @ imagination-ko ato) hoe :

Bitsik'Andrmntra tamiko:
ilay resaka voatatitr'i Mosesy ao anaty Baiboly, dia ... araka ny fazahoan'i Mosesy azy, fa aza raisina ara-baki-tena, h@ point sy virgule.

Ny fahalalana (niveau de connaissance) an'i Mosesy, t@ izany androny izany, dia tena kely dia kely. Tsy fantany akoriny hoe, boribory anie io planeta Latera io. Tsy fantany akoriny ny fisian'i Aostralia sy Amazonia; koa na Kilimandjaro azany tsy fantany fa ao atsimo keliny ao.

Koa n'inon'inona lazaiKO an'i Mosesy, dia ... navilambilany ary izany dia mitaratra ny (TSY)-fahalalany.

Fa dia hadinoy io BAiboly sy Genesisy io.



Ka ahoana aloha azany no andraisanao an'io hafatr'Andmntra tamiko io ry Miharena???
19. Miharena ( 12/06/2017 04:30)

rhaj0:

Eny azany.. Nanontany AZY aho, tena vao izao isika miteny izao mihitnsy, dia namaly ahy IZY, ary hoz'IZY (ato @ imagination-ko ato) hoe :

Bitsik'Andrmntra tamiko:
ilay resaka voatatitr'i Mosesy ao anaty Baiboly, dia ... araka ny fazahoan'i Mosesy azy, fa aza raisina ara-baki-tena, h@ point sy virgule.

Ny fahalalana (niveau de connaissance) an'i Mosesy, t@ izany androny izany, dia tena kely dia kely. Tsy fantany akoriny hoe, boribory anie io planeta Latera io. Tsy fantany akoriny ny fisian'i Aostralia sy Amazonia; koa na Kilimandjaro azany tsy fantany fa ao atsimo keliny ao.

Koa n'inon'inona lazaiKO an'i Mosesy, dia ... navilambilany ary izany dia mitaratra ny (TSY)-fahalalany.

Fa dia hadinoy io BAiboly sy Genesisy io.



Ka ahoana aloha azany no andraisanao an'io hafatr'Andmntra tamiko io ry Miharena???



Ny antony tsy mampifanena na tys mampifameno akory ny resatsika eto dia ny momba ny zavatra voasoratra.

Mazava ao anatin'ny hafatra azon'i Mosesy fa momba ny fifampitondrana eo amin'ny samy olombelona no resahana ao fa tsy ny planeta sy galaksia akory!

Aza afangaro!

Raha mamaky Baiboly ianao dia fitanisana fahendrena sy tantara no ao. Misy ny tantara nihatra teo amin'ny sehatry ny famoronana sy ny fahalavoana taorian'ny fikomiana.

Ny fanomezana ny didy fifampitondran'ny olombelona sy ny fampahatsiarovana hoe tokony hitodika amin'ny Mpahary raha te-hanana fiainana satria IZY no mahay ny zava-drehetra talohan'ny velona rehetra.

Dia mba raiso tsara amin'izay lalana izay aloha vao mamaly fa tsy mitanisa izao zavatra efa fantatra eto ambany masoandro entina manohitra fa hoe tsy misy IZY!!!?
20. rhaj0 ( 12/06/2017 16:53)
Miharena:
Raha mamaky Baiboly ianao dia fitanisana fahendrena sy tantara no ao.

inty ve kaotina ho "fahendrena" be ry Miharena, sa mba pli-vava (toa ny mahazatra) fotsiny ny anao?
Lioka 14:26:
Raha misy manatona ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin'ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro.

Ka nanantona AZY ianao ry Miharena, dia te-ho "mpianaNY", sa... dia nodikainao fotsiny io "Tenin'Andrmntra" io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2716