Ireo Fampanantenana nataon'Atra ho an'ny Mpino Azy

1. rhaj0 ( 31/05/2017 12:34)
Toa be dia be, hono, ny "fampanantenana" narangaranga ao @ Baiboly ao. Jereo ato ny lisitra
https://www.gotquestions.org/promises-of-God.html

Fa dia azo alamina dia asesy izany izy ireo.

Genesisy 12:
1 Hoy Iaveh tamin'i Abrama: Mialà amin'ny taninao sy amin'ny fianakavianao ary amin'ny tranon-drainao mba ho any amin'ny tany hasehoko anao. 2 Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. 3 Ho tonga fanasoavana hianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.



izany hoe, izay ekipan'i Abrahama IHANY izany no ampazahoany ee..
Satria izay "manozona anao hozoniko", hozy hono i Atra izay..
Oadray, kay Iaveh kay no miteny.. Baiboly katolikan'i Hery io notsindrohako io.
novalian'i Miharena ny 14/06/2017 11:06
2. rhaj0 ( 31/05/2017 12:43)
Dia io izao hoe, "Mialà .. amin'ny fianakavianao", koa raha tezitra @ izany ny dadan'i Abrahama, ka "manozona", fomban-tany io, satria ny Ankizy dia tokony foana hanabe voho ny tanin-drazzany, dia .. hihinan'ny tsakaokany eee... :-)
3. rhaj0 ( 31/05/2017 17:50)
Fa teo izany izay rehetra TSY ekipan'i Abrahama dia mihinan'ny tsakaokany.

Fa izao indray, izay "ekipaNY", nefa tsy mihaino AZY.. dia hihinan'ny tsakaokany koa.

Levirikosy 26:
13 Izaho no Iaveh Andriamanitrareo ... 14Fa raha tsy mihaino ahy kosa hianareo, ... 16 dia izao no hataoko aminareo: Hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo ... 18 Raha tsy mbola mihaino ahy amin'izany ihany hianareo, dia hofaiziko impito mihoatra izany, noho ny fahotanareo. 19 Horavako ny ... 21 Raha mandroso manohitra ahy ihany hianareo, fa tsy mety mihaino ahy, dia hokapohiko impito... 23 Rahefa voan'ireo sazy ireo hianareo, ka mbola tsy mety hanariko hianareo fa mandroso manohitra ahy ihany, 24 dia izaho kosa no handroso hamely anareo ...

Ary tsy misomonga Iaveh fa tena "hamely" an...
4. Miharena ( 01/06/2017 05:25)
Tsy misomonga IZY kah!

Mazava be ireo teny ireo.

Alaivo antsaina hoe Rhaj0 hono no IAVEH!

Dia mahay mizara tsara ny AIN-dRhaj0 ao anatin'ny voarin-dRhaj0.

Dia manao izay tsy mifanaraka amin'ny sitrapon-dRhaj0 ary ireo voary ireo ary mikorontam-belona tsy hita izay anaovana azy.

Tsy manana fahefana ve Rhaj0 hanao hoe
5. rhaj0 ( 01/06/2017 12:56)
Soatoavina samy manan'ny azy ee... ny anareo izany ry Miharena sy Iaveh, dia tena "rehefa tsy mihaino" anareo, in-3 ny fampitandremana teo, dia avy ianareo "hamely"...


Fa raha tia "hamely hamely" izany moa nareo, ao @ imagination-nareo ao, dia tairo azany eee... ary ataovy mafotafotaka be mihintsy eee... inona ny olana. :-)


Fa mba eritrereto kely ho'a ilay Levitikosy 26:13 teo, izay miresaka @ zanak'Israely ee.. hoe:
"Izaho no Iaveh Andriamanitrareo".

Izany hoe, misy Andriamanitra HAFA koa izany ho an'ireo TSY zanak'Israely. Fa i Iaveh dia Andriamanitry ny Israely IHANY.


Ka Andriamanitrao ve i Iaveh ry Miharena???
israeliana koa izany ianao ao io???
6. endriny ( 01/06/2017 13:28)
Teto Madagasikara izao dia nampanantena fiainam-baovao Atra, tamin'ny alalan'ny olony sy ny mpanompony mahatoky: "Iny lalan'iny"

Ary dia indreto eto isika mianakavy miara-misonenika amin'ny fampanantenana nataon'Atra.
7. Miharena ( 02/06/2017 04:14)

rhaj0:

Soatoavina samy manan'ny azy ee... ny anareo izany ry Miharena sy Iaveh, dia tena "rehefa tsy mihaino" anareo, in-3 ny fampitandremana teo, dia avy ianareo "hamely"...


Fa raha tia "hamely hamely" izany moa nareo, ao @ imagination-nareo ao, dia tairo azany eee... ary ataovy mafotafotaka be mihintsy eee... inona ny olana. :-)


Fa mba eritrereto kely ho'a ilay Levitikosy 26:13 teo, izay miresaka @ zanak'Israely ee.. hoe:
"Izaho no Iaveh Andriamanitrareo".

Izany hoe, misy Andriamanitra HAFA koa izany ho an'ireo TSY zanak'Israely. Fa i Iaveh dia Andriamanitry ny Israely IHANY.


Ka Andriamanitrao ve i Iaveh ry Miharena???
israeliana koa izany ianao ao io???


Ilay fanontaniana no diso fipetraka.

Jereo tsara ny Baiboly fa hoy IZY hoe any amparany any no androtsahaKO ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra.

Ohatra velona Jesosy naseho ho hitan;ny maro mba hihavanana AMINY MPAHARY.

Ny olana dia ity, ny otan'ny olona no efitra manasaraka azy amin'ny Mpahary azy.

Zava-misy sy mazava izany.

Io anefa tsy midika hoe tsy azon'ny Mpahary atao ny mijery ny voariny hoe manao ahoana avy. Ny toetry ny voariny mazava tsara fa hitany amin'ny antsipirihany. Ao ny mitodika amin'ny zava-poana, ao ny tia tena, ao ny tsy te-hifandray Aminy, ao ny manangona ho an'ny tenany fa tsy mamonjy ny tenany amin'ny fiombonana sy ny fahalalana ny fiainana mandrakizay sns...

Ka raha te-hampahafantatra AZY tanteraka IZY dia tsy maintsy mirotsaka amin'ny nofo rehetra sisa rehefa tsy misy manaily ilay fandefasana iraka. Dia eo amin;izay vao ho hita eo hoe mahatanty ve ireo olona (voariny) niamboho AZY ireo?

Raha ny fanontaniana hoe Jiosy ihany, betsaka ireo fijoroana milaza fa Jesoa, na Issa, na Yeshua no Mesia sy Mpanjaka voatendry hamonjena ny nofo rehetra. Ary tsy hilaza mihitsy ny Soratra Masina hoe hirotsaka ho amin'ny nofo rehetra raha misy fanavakavahana.
8. rhaj0 ( 02/06/2017 10:52)
Miharena:
Ary tsy hilaza mihitsy ny Soratra Masina hoe hirotsaka ho amin'ny nofo rehetra raha misy fanavakavahana.

Ameo toko aman'andininy hoe, taiza ny Baiboly no nilaza fa "hirotsaka ho amin'ny nofo rehetra" i Andrmntra?? (sa tsy izay ilay izy?)
9. Miharena ( 02/06/2017 11:51)

rhaj0:

Miharena:
Ary tsy hilaza mihitsy ny Soratra Masina hoe hirotsaka ho amin'ny nofo rehetra raha misy fanavakavahana.

Ameo toko aman'andininy hoe, taiza ny Baiboly no nilaza fa "hirotsaka ho amin'ny nofo rehetra" i Andrmntra?? (sa tsy izay ilay izy?)


Teny malaza io fa tsy dia mila tanisa foana akory ary tokony hianao mihitsy no manao izay hahitana azy ao anaty Baiboly.
10. rhaj0 ( 02/06/2017 12:15)
Hozy Ineny gogola rahefa nizaha "hirotsaka ho amin'ny nofo rehetra" aho:
Did you mean: "hirotaka ho amin'ny nofo rehetra"
No results found for "hirotsaka ho amin'ny nofo rehetra".


ka dia TSY ao @ Baiboly izany io, fa i Miharena no (toa) mamoromporona fotsiny ee..
11. endriny ( 02/06/2017 13:17)
Fa ilay fampanantenana omen'Atra amin'io tsy hoe fampanantenana mora azo na maimaim-poana, fa fampanantenana arahina vonoolona tsy hita popoka sy an'arivony avokoa.
12. rhaj0 ( 02/06/2017 17:04)
Ao @ ilay Genesisy 12:1 - 3 io izany no antsoina hoe Abrahamic Covenant, izay "fampanantenana" ho an'i Abrahama (sy ny zanak'isarely).

Fa nitohy ny tantara, ary dia atsy @ Exodosy 19 indray ilay antsoina hoe Mosaic Covenant, izay "fampanantenana" ho an'i MOsesy (sy ny zanak'isarely ihany indray).

Toa eo, raha ny fahtakarako azy, no miseho voalohany, sa miseho indray, ilay hoe, izay tsy manaraka ny reviNY dia ... araka ny filazan'i Endriny, dia "vono olona tsy hita popoka" no sandany.


Ny mampihomehy ahy kely @ Tantaran'i Mosesy ity, dia ... raha ny fahazoako azy, dia ..
- satria moa i Mosesy ihany no mitantara
- dia "namoronan'i Mosesy", sa mody atao azany hoe, "notaterin'i Mosesy" hoe,
Exodosy 19:21 ... rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra hankaty amin'ny Tompo mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy
satria ngo dia sirika fa resa-kehy izany Iaveh mikôzy avy @ io "faritra" io izany.

Dia ny mampihomehy ihany koa, dia nisy fotoana, ilay atao hoe "Kerobima" (Chérubin) no manakana "ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra ", fa eto izany, "teny mahery" taterin'i Mosesy (noforoniny tsotra fotsiny io) dia basy.
13. rhaj0 ( 02/06/2017 17:11)
Averiko kely:
- izay "mino AZY" nefa tsy manaraka ny reviNY dia ho voan'ny "vono olona tsy hita popoka"
- fa izay TSY mino AZY, na TSY vahoakaNY koa, dia tsy asiany indra-fo koa, mazava ho azy.
14. Miharena ( 03/06/2017 11:17)

rhaj0:

Averiko kely:
- izay "mino AZY" nefa tsy manaraka ny reviNY dia ho voan'ny "vono olona tsy hita popoka"
- fa izay TSY mino AZY, na TSY vahoakaNY koa, dia tsy asiany indra-fo koa, mazava ho azy.


Ny ataon'ny olona ihany no mamery azy.

Ity misy resaka nifanaovan'Andriamanitra tamin'ny olona ohatra: Deot 4:10-20

10 dia izay hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony et? amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
11 Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
12 Dia niteny taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
13 Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.
14 Ary izaho nodidian'i Jehovah tamin'izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
15 Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba;
16 fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17 na sarim-biby izay et? ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka,
18 na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany.
19 Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
20 Fa ianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao.


Tsotra dia tsotra ary mazava tsara hoe rehefa variana mijery kintana amam-bolana sy ny sarisarin-javatra dia voa mafy fa rehefa mihaino ILAY FEO dia mahazo fitahiana.

IZY miteny mazava amim-pitiavana fa tsy miteniteny foana akory.


15. rhaj0 ( 05/06/2017 15:21)
Miharena:
Ny ataon'ny olona ihany no mamery azy.


Fa ilay "ataon'ny olona" ve k'lou:
1- "plan'Andrmntra"?? (IZY no nandamina ny zava-drehetra)
2- sa, TSY "plan'Andrmntra"?? (sitra-pon'olona ihany izay ataony ao, TSY manaraka ilay planiNY)
3- Sa kosa, tena TSISY idiran'Andrmntra mihintsy izay "ataon'ny olona" sy "TSY ataon'ny olona" ao?? (IZY dia TSY mandamina n'inon'inona, TsISY planiNY izany, na marimarina koakoa, TSISY Atra izany)

Na ampatsotra azy, dia tena ameo ohatra @ izay ataoNAO ao, ka nilazanao Miharena fa, planiNY na TSY planiNY ny nataoNAO tao.
16. Miharena ( 06/06/2017 06:08)

rhaj0:

Miharena:
Ny ataon'ny olona ihany no mamery azy.


Fa ilay "ataon'ny olona" ve k'lou:
1- "plan'Andrmntra"?? (IZY no nandamina ny zava-drehetra)
2- sa, TSY "plan'Andrmntra"?? (sitra-pon'olona ihany izay ataony ao, TSY manaraka ilay planiNY)
3- Sa kosa, tena TSISY idiran'Andrmntra mihintsy izay "ataon'ny olona" sy "TSY ataon'ny olona" ao?? (IZY dia TSY mandamina n'inon'inona, TsISY planiNY izany, na marimarina koakoa, TSISY Atra izany)

Na ampatsotra azy, dia tena ameo ohatra @ izay ataoNAO ao, ka nilazanao Miharena fa, planiNY na TSY planiNY ny nataoNAO tao.


Tsara ny fifanakalozana ary mety hahazoana lesona tsara arakaraka ny fivoarany Rhaj0 fa misaotra anao amin;ny fanontaniana.

1- Ilay ataon'ny olona ve planin'Andriamanitra?

Tsia, hatramin'ny fotoana nahalavo azy nihainoany feo hafa dia tsy planin'Andriamanitra intsony no mihatra fa nosoritsoritiNY tsara ny hanjo ny olona izay nihaino feo hafa noho ny AZY. (Vakio ny Genesisy manotnolo).

2- Tsy planin'Andriamanitra ilay ataon'ny olona fa sitrapony ihany tsy manaraka ny planina

Eny, ho an'izay be hebohebo milaza ny tenany fa feno, dia ny sitrapony ihany no ataony ary tsy mihaino ny planin'Andriamanitra izy. Itony karazan'olona itony dia mifandray tsara amin'ny valim-panontaniana fahatelo ny momba azy;

3- Tsisy idiran'Andriamianitra mihitsy ny ataon'ny olona na marimarina kokoa tsisy Andriamanitra izany!!

Ity farany ity dia mazava tsara fa mihevitra ny tenany ho Andriamainitra ilay olona misaina toy izany satria rehefa tsisy Andriamianitra MPAHARY dia izay olona mihevitra fa tsy misy IZY no Andriamianitra izany. Satria tsy noforonina izy fa nisy ho azy namorona ny tenany.

Nefa mazava fa tsisy teto ambany masoandro no namorona ny tenany.

Mamaly ny Baiboly : Jaona 1: 1-3 : 1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]





17. rhaj0 ( 06/06/2017 10:37)
Miharena:
2- Tsy planin'Andriamanitra ilay ataon'ny olona fa sitrapony ihany tsy manaraka ny planina

Eny,

Iza no milaza aminao fa TSY "plan'Atra" ny TSY hanarahin'ilay olona ny sitrapoNY?

Hotry ny ireny milalao fanorona ireny. Ilay manao "vela" iny, dia i Atra izany io ilay mampihinam-bela. Dia ampihinanin'Atra tokoany izany ilay ranamana, sitrapony io hono, fa @ andro farany, pehan'Atra daholo ny vato, ary dia Atra no mandresy.

Fa jereo tsara @ io fampitaha io, fa ao anatin'ny plan'Atra, mampihinam-bela, ilay sitrapon'ilay resy, nihinana vela
18. Miharena ( 06/06/2017 10:57)
Hoatry ny hoe izay no fandraisanao azy.

Nefa aoka ho fantatra fa rehefa tsy mitodika fa lasa miamboho hatrany dia tsy mahazo MAZAVA.

Ny mpihirim-belona tsy ho afa-bela fa safidy ny azy.
19. rhaj0 ( 06/06/2017 11:08)
Ka "planin'Atra" daholo izany ilay izy, fa DISO ianao Miharena nikipantsipantsina hoe, "Eny, TSY plan'Atra ny sitrapon'olb."

Ianao Miharena anie tena mi-souzy an'Andtrmna mihintsy ho'a ee... ahoana no ahasahianao milaza fa TSY plan'Atra ny zava-mitranga? (dia ny fahatanterahan'ilay sitrapon'olb)?
20. Miharena ( 06/06/2017 11:36)

rhaj0:

Ka "planin'Atra" daholo izany ilay izy, fa DISO ianao Miharena nikipantsipantsina hoe, "Eny, TSY plan'Atra ny sitrapon'olb."

Ianao Miharena anie tena mi-souzy an'Andtrmna mihintsy ho'a ee... ahoana no ahasahianao milaza fa TSY plan'Atra ny zava-mitranga? (dia ny fahatanterahan'ilay sitrapon'olb)?


Hay ve ianao miaiky fa Andriamanitra tsy azo sous-estimena e!

Tsara izany rehefa miaiky ianao.

Fa ny mahavalalanina ny maro dia ianao sahy milaza fa Angano aza ny TeniNY koah!!

aza mivadibadika toa lela-may re namana Rhaj0 o!

Sa resaka tiana hateza ny anao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08