Ny tanjon'A/tra @ zanak'olombelona

21. RA TAN ( 01/06/2017 09:15)
stahtam:

Hoy Ilay Rainay: "Aza ampianao ny teny..." Fa ilay fivavahana naorin'i episcopo kosa nanampy ny teny araka ireo teny vao niamppy aty @ bokin'ny Matio, Marka, Lioka,... sy ny an'i Paoly. Dia manohitra ny tenin'ny Rainay izany ny fivavahanareo. Ny Mesia inoako dia tsy mba nanorina fampianarana t@ ireo boky ireo

Aiza ho aiza ao @ BOKY FARIMAMY no misy an'izany tenin'ny rainareo izany?
Fa ny tenin'ANDRIAMANITRA nambara t@ zanak'Israely nasaina notandremany dia ao @ BAIBOLY manao hoe:
"DEO,4:1Ary ankehitriny ry Israely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay hampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka handova ny tany izay homen'i Yahvah Andriamanitry ny razanareo anareo. 2Aza anampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo"

Mazava be eo fa ny Israeliana no nasainy nitandrina ilay didy.

Ary ny "DEO,30:11-13" dia milaza fa tsy azo tandremana ivelan'ny tany israel izany didy izany.

Mazava fa i stahtam izay gasy mitomany ho jiosy dia mpangalatra ny didy nomena ny jiosy ka mitondra an'izany aty M/car.
Sady nanampy ingahy stahtam no nanaisotra.
Toheriny daholo ireny soratra masina ireny, satria MPANOHITRA BAIBOLY izy
22. endriny ( 01/06/2017 12:39)

Miharena:

IZY RAY ihany anie no milaza AZY ho Mandrakizay.

Hofaty tokoa ianareo hoy izy raha mihinana ny hazo eo afovoan'ny saha.

Midika hoe tsy maty ianareo raha tsy mihinana ny hazo eo afovoan'ny saha.

Izay izany no nahafaty ny olom-belona: "Nihinana ny voankazo teo afovoan'ny saha". Ary mba hono ho'a maninona no mety koa ny saka sy ny kisoa ary ny voninkazo sy ny hazo?

Miharena:

Ka aiza ho aiza amin'izany ny fanampian'ilay bibilava anao?

Izany hoe kihon-dalana nampisaraka ilay nihainoana ny bibilava.

Dia misy kihon-dalana hihaonana indray rehefa nomena ny Baiboly.

Omena torolalana mazava raha te-hiverina fa tsy hihaino ny fahaizan'ilay bibilava e!

Aoka aloha hazava fa tsy nahalala ny ratsy sy ny tsara isika raha tsy nisy ilay bibilava. Izao aho izao lasa mahalala hoe inona no zavakinendrin'ny fiangonana?

Dia raha tsy nisy ny biblava ihany koa tsy nahalala nikilaoty I Adama sy Eva. Isika izany izao mety mbola samy niboridana daholo ao anaty taxibe.
23. Miharena ( 02/06/2017 04:25)

endriny:

Maty izay mandalo eto amin'ny planeta rehefa tonga ny fetr'andro satria izay no ao anatin'ny programa nahazo azy aby taorian'ny fihodinana.

Raha milaza ianao hoe nitanjaka raha tsy nisy an'i bibilava, angaha Adama izay noforonina araka ny endrik'Andriamanitra nitanjaka tamin;ny fiandohany? Andriamanitra anie izany mitanjaka raha azoko tsara ny lojikanao e! Ilay endrika voalohany no tiany hananan'ny olombelona matoa IZY naniraka ny Zanany ho fitaratra.

Efa misy ireo nantsoina, nanehoana ny fiainana aorian'ny fahafatesana, nalefa hijoro vaolombelona ary mitantara fa tsy maty ny zavamanan'aina any an-danitra.
24. endriny ( 02/06/2017 05:12)
Aza mampivanika re ry Miharena a. Fa i Edena dia eto an-tany ihany any @ ilany atsinanana araka ny Genesisy. Ka tsy maty izany ny biby sy ny hazo any Sina ve?

Fa maninona rehefa mandalo eto @ planeta tany no maty, Ka Angaha moa tsy teto ihany no namoronana ireo rehetra ireo ary i Adama sy Eva ihany no nihinana ny paoma kanefa hatram' trondro lasa maty daholo.

Sao diso aza io baiboly io?
25. Miharena ( 02/06/2017 05:29)

Aza mampivanika endriny a!

Aza niondrika eto antany eto raha hiresaka Andriamanitra satria ao anaty Baiboly fantatrao tsara fa misy ny Anjely. Nilaza Jesoa hoe tsy eto amin'izao tontolo eto izao IZY fa avy any ambony.

Rehefa hiondrika ianao dia mihondreha mitady AZY ao amin'ny tany izay voary ihany koa.

Ka ity tsy resaka voary fa resaka fanahy izay mampihetsika azy ka aza afangaro ny ao anatin'ny sainao ao!
26. rhaj0 ( 02/06/2017 11:11)
endriny:
Ka tsy maty izany ny biby sy ny hazo any Sina ve?

Miharena:
Ka ity tsy resaka voary fa resaka fanahy izay mampihetsika azy..

Hay va re "manam-panahy mampihetsika azy" koa ny biby @ Miharena ee...
(izaho indray ve hi-contredire anao @ izany)
27. Miharena ( 02/06/2017 11:48)

rhaj0:

endriny:
Ka tsy maty izany ny biby sy ny hazo any Sina ve?

Miharena:
Ka ity tsy resaka voary fa resaka fanahy izay mampihetsika azy..

Hay va re "manam-panahy mampihetsika azy" koa ny biby @ Miharena ee...
(izaho indray ve hi-contredire anao @ izany)

Aza mamorona ny zavatra tsy nolazaina
28. rhaj0 ( 02/06/2017 12:15)
i Endriny efa mamerina ny fanontaniana mazava tsara, hoe "i Adama sy Eva ihany no nihinana ny paoma kanefa hatram' trondro lasa maty daholo", dia novalian'i Miharena (pli-vava) hoe "fanahy".

Sa ahoana azany ny (hanajana) valin-teny @ Endriny ry Miharena aa... sa tsy hainao izay?
29. stahtam ( 02/06/2017 12:29)

[quote=RA TAN]
...
[quote=stahtam]
Hay natao gras indray ilay fomba fanoratra? Asio émoticônes fa azo atao koa ireny e!
1°) "Mazava be eo fa ny Israeliana no nasainy nitandrina ilay didy"
Efa mba novakianao ve ny hoe "lalàna iray ihany...na vahiny na tompon-tany" ka israeliana (irery) ahoana? Torah efa lazainao fa "rava" ve no mba ianaranao interpréter-na? Mitonantonana!
2°) "Ary ny "DEO,30:11-13" dia milaza fa tsy azo tandremana ivelan'ny tany israel izany didy izany"
DEO aiza indray no milaza izany ? sao dia boky FARY MAMY kosa àry no vakianao ? Sa EKS 12/12 indray no averinao eto ? (mdr tanteraka)
3°) Mazava fa i stahtam izay gasy mitomany ho jiosy dia mpangalatra ny didy nomena ny jiosy ka mitondra an'izany aty M/car.
Fantaro aloha ny atao hoe Jiosy, fa miteniteny foana. Dia farafaharatsiny mba mamaky ny Isaia 56/6 (na dia tsy izy rehetra aza) aloha vao misokatra ny vava, fa vao boky Farimamy iray iny ve no nomeko dia mampirediredy anao tahaka izao ? mainka raha miampy indray ny porofo ?
4°) "Sady nanampy ingahy stahtam no nanaisotra
Toheriny daholo ireny soratra masina ireny, satria MPANOHITRA BAIBOLY izy"
Efa no-proposer-ko an'ingahy MINDAOZY ny tohin'ity resakao farany ity, ka ahoana sahy ve sa hamilivily resaka toa ny mahazatra indray?
30. endriny ( 02/06/2017 13:07)

Miharena:

Aza niondrika eto antany eto raha hiresaka Andriamanitra satria ao anaty Baiboly fantatrao tsara fa misy ny Anjely. Nilaza Jesoa hoe tsy eto amin'izao tontolo eto izao IZY fa avy any ambony.

Izany a. Ireto aza misy lesona omeko anao

1) Haintsika ve ny vavaka nampianarin'i Jesosy: "Ety an-tany tahaka ny any an-danitra"?

2) Genesisy 1; 2: "Ary tamin'ny voalohany tsy nisy endrika ny tany, fa ny fanahin'Atra no nisonenika teny ambony rano" (fa tsy hoe tany an-danitra akory

Ka tsy hiondrika amin'ny ahoana aza raha hiresaka an'Atra? Fa angaha tsy dia ny eto an-tany no fanomanana ny fiainana mandrakizay moa?

Ianao ihany no manohitra ny fomba fijerinao
31. Miharena ( 03/06/2017 11:23)

Vavaka mazava io hoe hotanterahina ny sitrapony ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Ka ilay miondrika amin'ny tany angaha no tiany lazaina amin'io?

Tsy hitako izay mifanohitra amin'izany.

Mba matotra rehefa maneho hevitra fa tsy mitsipaka lava izay marina lazaina eto.
32. RA TAN ( 14/06/2017 05:04)
stahtam:

farafaharatsiny mba mamaky ny Isaia 56/6 (na dia tsy izy rehetra aza) aloha vao misokatra ny vava, fa vao boky Farimamy iray iny ve no nomeko dia mampirediredy anao tahaka izao ?

Ra vao boky farimamy aloha dia tena tsis valeur aminay izany e, fa boky angano izany.
Fa ra vao ny soratra masina ao @ baiboly no mba kitikitihan'intony JIOSY GASY mpanitsaka baiboly intony dia tsy maintsy mitsangana ny tenanay miaro.
Efa resaka tany aloha koa io ISAIA,56:6 mba ataonao fialana io, fa ts maninona averina eto indray izany.
Tohizo eo @ andininy 7, fa misy fanatitra sy sorona atao any @ tendrombohitra masina any israel io vao mety.
Ka izay indrindra no itenenako hoe: "lasa ianao mody any israel any", fa mandika lalàna ra aty m/car ianao no mitonantonana.
Sady ny israeliana izao efa hanamboatra ny tempolin'ny jerosalema; dia manangona 4 euro/personne. Mba efa nandoa an'izany koa ve ianareo jiosy gasy? Fa io koa n ahafantarana fa tsy jiosy nareo fa mpisandoka.
33. stahtam ( 14/06/2017 06:40)
1°) "Ra vao boky farimamy aloha dia tena tsis valeur aminay izany e, fa boky angano izany."
Valiny: Ka tratra @ io ny abobo afafinareo dia rariny raha odianareo tsy hita io ka! Normal beuh izany! Asa raha mbola ho sahinareo koa ny hilaza fa tsy nanonona an'io Andriamanitra io izany ny malagasy talohan'ny baiboly satria hoy ianareo hoe: Andriana + Hanitra nosoratan'i Paoly no niavian'io anarana io. Izany hoe i Paoly izany no nahay teny gasy namorona hoe andriana + manitra=andriamanitra. Bravo Paul!!!! Mahatsiaro fahafinaretana mihitsy aho rehefa misy lainga mitsinkafona tahaka izao. Mba henjana kosa ireo misionera vazaha nahita sy nampiasa an'io voambolana io an! Bravo RA TAN a!
2°) a- "Fa ra vao ny soratra masina ao @ baiboly no mba kitikitihan'intony JIOSY GASY mpanitsaka baiboly intony"
Valiny: "Jiosy gasy e! mpanitsaka baiboly e! tsy mino ny filazantsara e!". Rediredy tahaka izany ve no hahaafaka ny lainganao eto? Raha mbola misy ankoatra izany aza dia entaniko ianao mba hamoaka azy mba hivanitihana.
b- "dia tsy maintsy mitsangana ny tenanay miaro"
Valiny: Ilay Eks 12/12 ve izany no itsangananao harovana sa ilay Matio 2/23 sa ny Matio 23/1? mampalahelo mantsy fa toa tsy mba arovanao mihitsy ireo versets mahantra ireo!
3°) "Efa resaka tany aloha koa io ISAIA,56:6 mba ataonao fialana io, fa ts maninona averina eto indray izany. Tohizo eo @ andininy 7, fa misy fanatitra sy sorona atao any @ tendrombohitra masina any israel io vao mety."
Valiny: Izany hoe tsy voavalinao aloha izany ilay andininy 6. Dia tena TOHIZANA koa ilay andininy 7 fa tsy ajanona an-tenantenany tahaka io fombanao io.
a- And 7: "Dia HO entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; mba hainao ve hoe rahoviana io HO io no ho tanteraka (daty omena)? Tsy hainao izany e! 04 mars angamba no daty homenao eo.
b- ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny TRANOKO hatao hoe TRANO FIVAVAHANA ho an'ny FIRENENA REHETRA.
- Tafiditra ao anatin'ny hoe "firenena rehetra" ve ny jentilisa (hafa firenena)? Ary ianareo ve mba hanatanteraka an'io?
- izany hoe mbola HITANDRINA ny SABATA sy ny LALAN'I MOSESY izany ny FIRENENA REHETRA hivavaka ao @ TRANONY. Ary ianareo mba aiza no hivavaka? any an-tendrombohitr'Ambohidrapeto? sa any an-tranon'i Davida kely?
- Dia inona no lalàna hotandremanareo? lalàn'i Yahoshuah ilay nahary ny tany sy ny lanitra ve sa lalàn'i Jesosy fanekena vaovao?
4°) "Ka izay indrindra no itenenako hoe: "lasa ianao mody any israel any", fa mandika lalàna ra aty m/car ianao no mitonantonana"
Valiny: Raha voavalinao tsara tsy miolakolaka ilay 3°) a- io ambony io dia afaka ianao. Fa raha sanatria tsy izay dia eeeeh!! mifatotra indray e!
5°) "Sady ny israeliana izao efa hanamboatra ny tempolin'ny jerosalema; dia manangona 4 euro/personne"
Valiny: Hoy ianao: "Ra vao boky farimamy aloha dia tena tsis valeur aminay izany e, fa boky angano izany.". Dia hoy kosa aho hoe " "Ra vao internet aloha dia tena tsis valeur aminay izany e, fa angano izany." Fa raha baiboly (indrindra fa ny faminaniana izay natokana ho an'ny israeliana) kosa no mba ivarotanareo sakabeloha @ olona eto dia avy aho @ angady sy ny harona
6°) "Mba efa nandoa an'izany koa ve ianareo jiosy gasy? Fa io koa n ahafantarana fa tsy jiosy nareo fa mpisandoka"
Ity affirmation-nao farany ity no ahatratrarana fa sady mpamitaka ianareo no fitahina. Mihambo tsy tia "documents" nefa mitoky @ internet! Mihambo tsy tia maimbo nefa misaron-doha mivalana.
Samy tsy misy hainao na ny atao hoe jiosy na ny atao hoe tempoly na ny atao hoe fivavahan'ny jiosy ka ihomehezan'ny tompony fotsiny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2498