Salama daholo tompoko.. Lehilahy 27 zaho no manora...

1. Lesakely ( 27/05/2017 17:16)
Salama daholo tompoko..
Lehilahy 27 zaho no manoratra!!! Manana olontiana aho ary tsy avelan'ny ray amandreniko miaraka izahay satria dia irony olona mainty ireny no renin'io sakaizako io ary ngita volo! ny rainy kosa dia fotsy fa ngita volo ihany koa! Ilay sakaizako kosa dia tena fotsy fa ngita volo!!6 taona zay no niarahanay! vao tapabolana zay no nilazako tamin'io olontiako io fa ts maazo miaraka izahay satria hoy ny ray amandreniko hoe tsy mitovy firazanana sy saranga!!efa ela nefa zany olana izany no nokoboniko ho ahy irery.... mba mila fanampiana fa vaky ny lohako!! zahay mo dia karazanolona fotsy sady tsotra volo!!!,

inona no tokony hataoko???
Mety hiteraka tsotra volo ihany ve zahay raha mivady fa raha ny fanapahakevitro dia tsy hiemotra aho kanefa matahotra sao hatositosiky ny fianakaviko ny zanako any aoriana

fa ny tena fanontanina mamaky ny lohako ihany koa dia ilay olontiako sa ny ray amandreniko???Tiako ny olontiako kanefa tsy misy ray amandreny manolobato mafana izany koa !!! misaotra ho an'izay mamaly !!
2. rhaj0 ( 29/05/2017 12:07)
Ny fiarahan'olon-droa dia, raha ny fahitako azy, dia voafetran'ny consanguinité. Ary ny fiarahan'olon-droa dia izay ifanarahan'izy roaroa irery, tsisy an-tery. Izany aloha izao no soatoavina ankehitrio.

Ny @ RaR-nao indray, dia ampatsiahivo aminy kely ao k'lou hoe, mba ahoana no nahatonga ny "nivadian-drizareo" tao fahiny?
Ngo dia taon-dasa tsy tsaroana ny azy ireo, fa mety zareo koa, nentin'ny fifankatiavana fa tsy izany "firazanana/saranga/..." izany.
3. magali628 ( 01/06/2017 21:47)
mila mifampresak alu enw & le ol'tinw f sao enw n sah manohitra ny RADnw f iz kosa mbol tsy sah ka mety anenina ref ao afara.
saingy rah tu ka efa sam vonona ary ko oe tsy misy olana be loatr eo @nw sy ny RADn'le ol'tinw (mino ah f mety ef tsinjon'iz 'reo 'lay olana) de miankina @nareo 2 kel ian io
tsarovy f mahery ny fitiavana ary tsy misy zany fifankatiavana tsy mandalo sedra zany f arakarak'n mah'mafy n sedra n ahatsapana ny mah'mafy orina ny fitiavana ka rah' ts rava @zay izy de tsy u ravan'ino2na.
@le oe mety iteraka ngita.... atôk gasy fôn na ngita na olioly n tso-bolo!
miankina @ze allèle dominant fôna io r'se a! zay le atao oe génétique.
4. endriny ( 02/06/2017 05:03)
Salama Tompoko.

Ny zavatra tsara faritana angamba dia tsara ny hoe manambady ny olona tian'ny tena sy tia ny tena.

Mahafinaritra ny hoe manambady olona mitovy saranga amin'ny tena, satria voninahitra an-tsobika hono tsy atao am-patambary. Eto anefa dia misy fahadisoana matetika, satria ny saranga sy ny voninahitra tsy mifandraika amin'ny resaka volon-koditra sy karazam-bolo: tsy izay rehetra mainty na ngitavolo akory dia andevo daholo, na izay malama volo sy mazava hoditra dia hova sy andriana daholo.

Maro ny olona fotsy sy malama volo no andevo, sy tsy vitsy ny olona mainty sy ngitavolo no taranak'andriamanjaka.

Fa dia miankina tamin'ny tantara sy ny tetiarana.

Fa ianao koa mety misalasala amin'ny fitiavanao ilay olona noho ianareo niaraka efa ela loatra, dia mety ity resaka firazanana ity no hitanao hanamafisan-tsaina mba ialana aminy angamba.

Raha izay dia tsy omena tsiny ianao fa i Printsy Ratsimamanga ve andeha hanambady an-dRavao sondenda. Naleony nanambady vazaha tsy hairazana fa vazaha koa.
5. hadji ( 10/06/2017 08:08)
tsy ny ray aman dreninao no hiaraka aminy mandrakizay fa ianao nefa indraindray koa ny anatry ny ray aman-dreny marina tena latsaka ankaterena marina ianao fa ho eto am pisainana sy amin'ny finoana satria iray ihany no lalana tsy maintsy hizoranao koa dia mahereza fa raha anjaranao izy dia tanteraka soa ny anareo roa
6. Ajnal ( 13/07/2017 07:34)


  • Tsy misy toy ny fifampiresahana @ olondehibe uo ry se a

7. heriy ( 28/08/2017 04:08)
mis ren tn fad-ndrazn k sarotr n mandik az?sw mants iharn ozna!rh safidim-ponao d ts hsrk @n nf met hu hisehoanjavatr enw rh mkir?mhrz e!!
8. mirananirina ( 16/09/2017 15:48)
Rehefa tianao izy dia tsy hitako izay olana fa hiaraho foana izy. Samy olombelona izao koa hifanavakavaka. Nanana sipa aho voaloham -pitiavako, nosakanana izahay tsy hiaraka fa hoe izy avy any Ambohimalaza dia olona avy any ihany tokony ho vadiny. Tsy voasaraka mihitsy anefa izahay raha tsy nalefa tany andafy ilay bandy. Mitady ahy foana io bandy io h@ izao na efa ela be aty aoriana aza. Izaho efa nanadino azy tanteraka fa izy tsia satria tena norarana mafy mihitsy manko t@ izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3064