Fampianarana mivavaka

81. rhaj0 ( 12/06/2017 00:18)
Miharena:
aza manao toy ny zazakely tsy mahita ny an-tendron'orona hoy aho Rhaj0. Tsy mahay manadihady ny fototry ny tranga

esy ee... peho @ izany ny Kristiana namanao ry Miharena aa... an-tapitrisany zareo no manana ny mitovitovy @ ireo sary ireo ao @ imazination (collective)-ny ao
82. Miharena ( 12/06/2017 05:19)

rhaj0:

Miharena:
aza manao toy ny zazakely tsy mahita ny an-tendron'orona hoy aho Rhaj0. Tsy mahay manadihady ny fototry ny tranga

esy ee... peho @ izany ny Kristiana namanao ry Miharena aa... an-tapitrisany zareo no manana ny mitovitovy @ ireo sary ireo ao @ imazination (collective)-ny ao

Valin'teny tsy dia mahomby indray no entinao Rhaj0!

Aoka aloha ajanona rehefa tsy voafehinao intsony ny tokony holazaina namana a!

Mivavaka ho anao hatrany aloha nefa mba tsy ho isan'izay tsy mino ny Mpahary. Sao tara loatra. Maro ireo vaolombelona vakio aloha vao miteny toy izao.
83. rhaj0 ( 12/06/2017 17:08)
Ilay tary nanao ireo sary ireo izao "vavolombelona" ry Miharena, ary tena napetrany an-tsary mihintsy ho ampitainy @ akoho sy ny vorona. katoa io koa izany ny sary an-tsainao (imagination) ao??

Ilazao i Tsaratsara fa tena mila apetrak'i Tsaratsara an-tsary koa hoe izao Jesosy "tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be"

Jereo ho'a youtube ato, eo @ 9:30 i Tsaratsara no mikatsetsoka...
https://youtu.be/03vDJastDL8
84. Miharena ( 13/06/2017 06:25)
Efa tsy mamaky ilay fizotran-kevitra intsony ianao Rhaj0 fa manao izay zavatra tsy hitranga akory.

Efa nitantara izy amin'izay hitany sy tsapany ary niainany.

Ny fanazavana manaraka raha ny tokony ho izy dia manamarina na mandiso amin'ny fomba mazava ny tranga fa tsy mibaikobaiko toy ny fanaon'ny olona mpimenomenona tsy hahitam-bokany.

Dia misarika anao aho Rhaj0 aloha handini-tena dia mba handefa hafatra manana lanjany kokoa fa tsy hanao toa io!
85. rhaj0 ( 13/06/2017 11:18)
Miharena:
Efa nitantara izy amin'izay hitany sy tsapany ary niainany.

i Tsaratsara no tian'i Miharena tenenina eto io an. hoe tena "vavolombeolon"i Jesosy" i Tsaratsara an...

Bravo Miharena aa... tena tsaratsara mihintsy ny revinao kah.. Ny olona toa an'i Tsaratsara no "vavolombelona" fanindrahindranao ao kay...
86. Miharena ( 14/06/2017 05:09)
Tsy dia mninrahindra olona fa manaraka ny fahamarinana
87. rhaj0 ( 14/06/2017 10:50)
'zafady fa dia hitsiko izany ee...
Bravo Miharena aa... tena tsaratsara mihintsy ny revinao kah.. Ny olona toa an'i Tsaratsara no "vavolombelona" arahinao @ fahamarinany ao kay...
88. Miharena ( 14/06/2017 10:57)

rhaj0:

'zafady fa dia hitsiko izany ee...
Bravo Miharena aa... tena tsaratsara mihintsy ny revinao kah.. Ny olona toa an'i Tsaratsara no "vavolombelona" arahinao @ fahamarinany ao kay...

Tsy fahamarinany fa fahamarinana ho an'ny olon-drehetra toy ny hoe 1+1=2

89. rhaj0 ( 14/06/2017 11:03)
hi hi hi... tatsy @ resaka Profeta TSaratsara, dia sirika i Miharena fa mpirevy an'ilay Profeta, satria hono, nahita Jesosy ilery, ary vavolombelona. Nivanaka h@ RBNIR, izay nanontany hoe, mpanaraka an'i Profeta Tsaratsara va re ianao ry Miharena.

Tonga saina ny anao lahy (sa vavy), ary dia manomboka mikisaka.. toa izao miara-mahita izao io izany ny fikisaky ny Miharena-Andrmntra/kipantson'Andrmntra..
f'angaha tsy mampome :-)
90. Miharena ( 14/06/2017 11:10)
Ianao Rhaj0 dia olona tsy mahay afa-tsy ny mitsikera nefa tsy manana tsoa-kevitra mazava akory amin'izany.

Raha miteny aho hoe izay lazain'i Tsaratsara dia izay fahamarinana nihatra taminy dia lazainao fa diso izany fa ny ao an-tsainao ihany no marina!!

Mahagaga!

Toy ny hoe niteny ny olona iray hoe 1+1=@ dia hoy ianao hoe an an an! tsy izany kah! izao ihany 1+1 mety ho 3 an! sns...
91. rhaj0 ( 14/06/2017 11:21)
esy e ry Miharena.. kibokiboin'ny inona ity i Miharena? :-)

Taiza aho no nilaza fa "diso" ny profeta Tsaratsara? Inty izao azany tena nangatahiko mba apetraka(o) an-tsary, satria mba nisy "vavolombelona" (atokisan'i Miharena) io:

Jesosy "tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be"
92. Miharena ( 15/06/2017 04:00)

Izay no hitany dia izay aloha!

Tsy afaka hihoatra izay hitany izay isika aloha!

Toy ny hoe teraka tao an-tranon'omby no nahatongavany teto an-tany roa ario taona mahery izay nef amety efa fantatry ny mpaminany tamin'izany fa ilay mamirapiratra no IZY fa tsy ilay teraka tao an-tranon'omby.

Inona moa no fantatsika amin'ny endrika ao an-danitra raha tsy misy milaza sy mitantara?

Io dia zava-misy aloha dia ekena.

Ny olana dia izay tsy manaiky izany dia efa jamba ara-tsaina aloha. Izany hoe ny sainy ihany no anapenany ny masony.
93. rhaj0 ( 15/06/2017 10:39)
rhaj0:
... apetraka(o) an-tsary, satria mba nisy "vavolombelona" (atokisan'i Miharena) io:

Jesosy "tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be"

Miharena:
Izay no hitany dia izay aloha! (..) Io dia zava-misy aloha dia ekena.

Ny olana dia izay tsy manaiky izany dia efa jamba ara-tsaina aloha. Izany hoe ny sainy ihany no anapenany ny masony.

wow... kay tena "mino" an'i Tsaratsara i Miharena ity...

(tena aoka aho hangina, fa tena aleo ny namanao (Kristiana) no hampahiratra an'i MIharena jamba ara-tsaina.
94. Miharena ( 17/06/2017 05:01)
Averina ihany,

Tsy finoana olona fa finoana ny Asan'Andriamanitra io!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2484