Fampianarana mivavaka

1. rhaj0 ( 23/05/2017 16:46)
Toa izao izany no nanjo ireo "tompo-tany" taty Kanada, rahefa "nampianarina ivavaka" zareo.

http://www.myrobust.com/websites/trcinstitution/File/Reports/Survivors_Speak_English_Web.pdf
The partnership with the churches remained in place until 1969 and, although most of the
schools had closed by the 1980s, the last federally supported residential schools remained
in operation until the late 1990s.

Izany hoe, raha misy teny @ garabola ianao mamaky resaka eto io, talohan'ny 1969, dia tena mitovitovy taona aminao izao izany ireo "tompo-tany nampianarina ivavaka" ireo. Fa ireto izany aty Kanada, fa ianao ao Dago.

Fa ny an-dreo moa, efa miezaka ny "hiala" @ "ilay izy" zareo, ary nasiana ny "Vérité et réconciliation" eraky Kanada efa ho am-polo taona faramparany teo, amoahana ny marina, ary dia nialan-tsiny ny tompon'andraikim-panjakana Kanadiana. Ny Leglizy kosa, na koa i Vatican, raha ny fahalalako azy, dia mbola mihoalahoala ary tsy mety miala tsiny h@ izao.

Fa ny an'ny gasy ho'a dia .. tena (vao mainka) mbola rebika ao mihintsy kosa ny sasany ee...

'ngaha tsy mampalelo.
novalian'i Miharena ny 17/06/2017 05:01
2. rhaj0 ( 23/05/2017 18:21)
i Vatican irery izany sisa no TSY "nifona/niala-tsiny", fa ny protestanta (1986/1998) sy ny Governemanta kanadiana (2008) dia efa niala tsiny daholo, ary io efa am-polo taonany io izany.

Ity kosa aloha dia tena aoka (ataoko) ho fanta-poko fanta-pirenena eee... Asa ho'a fa dia maninona loatra.

http://www.myrobust.com/websites/trcinstitution/File/Reports/Volume_6_Reconciliation_English_Web.pdf
In Canada, for more than a century, thousands of First Nations, Inuit, and Métis
children were subjected to spiritual, emotional, physical, and sexual abuse in Catholicrun
residential schools
. Other than a small private audience with Pope Benedict XVI
in 2009, the Vatican has remained silent on the Roman Catholic Church’s involvement
in the Canadian residential school system. During the Commission’s hearings, many
Survivors told us that they knew that the Pope had apologized to Survivors of Catholicrun
schools in Ireland. They wondered why no similar apology had been extended to
them. They said, “I did not hear the Pope say to me, ‘I am sorry.’ Those words are very
important to me ... but he didn’t say that to the First Nations people.”
42

Giravy an... mihizingizina henjana be mihitnsy i Fransoa ..
TSOTRA anefa anie ny resaka ee... sa FADY ny miala tsiny @ Katolika????

3. endriny ( 24/05/2017 04:16)
IO ange ilay ilazako hoe ny Kristianina ve tena miaina araka ny hafatr'i Jesosy sa izay mahatsaratsara sya ahazoana tombony fotsiny e

Araka ny efa nambarako ilay hoe: 'Maninona isika raha mifona amin'ny olona nanaovantsika ratsy aloha vao mankany am-piangonana, mifona amin'Atra?" Izay mantsy no hafatr'i Jesosy.

Ohatran'ilay hoe : "Anantony vato fikosoham-bary izay manafitohina ny madinika"

Fa io moa paikady maloton'ny fiangonana ka akory atao. Arotsahy ny rakitra!
4. rhaj0 ( 24/05/2017 11:43)
Fa "Fampianarana mivavaka" moa ny lohahevitra, ary dia aleo apetraka eto izany ny fomba "Fampianarana mivavaka" natao t@ ireto olona ireto.

Jereo atsy @ pejy 85
http://www.myrobust.com/websites/trcinstitution/File/Reports/Survivors_Speak_English_Web.pdf
Geraldine Archie said that at the residential school she attended,
they made us pray from morning until night, and we used to pray when we got up in the morning, and pray before we ate breakfast, and then pray again before we went and started class, and pray again when we went home, went downstairs for lunch, and prayed again to go to afternoon class, and then prayed again before supper, prayed again before bedtime. I was always kneeling down and I developed calluses on my knees.

Ka io ho'a mba itaratarafana hoe, toatoa izay koa ve ny nanjo ny Malagasy.. Tsarovy tsara fa mitovitovy taona amintsika izao ireo olona ireo, na mety Izokibe ao, na Idafara sy Inenifara tao.

Dia io izao dia ihomehezana sisa, fa toa tsy hay akory inona ity atao izany, fa ny "mandohalika" no zava-dehibe.

Nefa ho'a, averiko foana, fa ny gasy tena mbola (vao mainka) roboka, raha toa kosa ka ireto olona ireto kosa tena mba miezaka ny "hiala @ ilay izy".
5. RBNIR ( 25/05/2017 02:16)
Alohan'ny hivavahanao aloha dia fantaro mihitsy hoe inona no tokony hivavahana?
« Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jaona 3:16)

Ny antony hivavahana dia tokana : mba hananana fiainana mandrakizay (Vie éternelle)...

Vie sans fin après la mort....

Rehefa fantatrao izay antony izay dia apetraho indray kosa ny fanontaniana hoe Iza marina ary Ilay Andriamanitra tokony harahanao ary ahoana marina no fomba fanarahana Azy?
6. endriny ( 25/05/2017 04:11)
Ka raha ny fiainana mandrakizay no antony ivavahana, maninona moa no mbola miady mafy ho velona eto an-tany fa tsy tonga dia ny lalana migodana mankany no aleha e?

Ny mivavaka dia ny Minho i a manokana ny ventso sy ny faniriana tiana ho tanteraka.

Fampatsiahivana: Ny vavaka nampianarin'ilay Kristy dia hoe ety an-tany tahaka ny any andanitra
7. Miharena ( 25/05/2017 08:39)

endriny:

Ka raha ny fiainana mandrakizay no antony ivavahana, maninona moa no mbola miady mafy ho velona eto an-tany fa tsy tonga dia ny lalana migodana mankany no aleha e?

Ny mivavaka dia ny Minho i a manokana ny ventso sy ny faniriana tiana ho tanteraka.

Fampatsiahivana: Ny vavaka nampianarin'ilay Kristy dia hoe ety an-tany tahaka ny any andanitra

Matoa isika eto ambonin'ny tany dia mila mianatra ary ampianarina tsy hifikitra amin'ny tany mandalo. Dia araraoty dieny mbola eto mba ho heniky ny Fahalalana ny Vontoatin'ny AINA nomena antsika hitondra izany tsy hisy kilema eo anatrehan'ny MPANOME izany e!
8. rhaj0 ( 25/05/2017 12:56)
Ireo Amerindiana no "nampianarina ivavaka" @ ireo rohy eo ambony ireo. Izay ilay resaka.

Ka hono ho'a ry Miharena, "mino" marimarina ve ianao, fa ireo Amerindiana ireo dia .. "mino" toa anao koa, fa hoe izao Andmntra (anao) izao no "MPANOME" azy???

Asa aloha izay "fandinihanao" na "fahalalanao" ao ry Miharena, fa raha ny fahitako azy, dia :
i Grand Manitou no "TOMPONY", tompon'ny zava-drehetra, @ Amerindiana .
Fa ilay Andmntra (anao ao) izao indray moa dia tsy inona fa, ilay nampianarin'ny Leglizy, ary nosesefany (an-keriny) t@ ireto zaza Amerindiana ireto mba inoany.

(io ilay hoe, "nampandohalihana" maraina-sy-hariva ilay zaza Amerindiana, mba "ivavaka" hono, hany ka dia nisy kitro mihintsy h@ lohalikany.)
9. Miharena ( 25/05/2017 13:25)
Raha ny hevitrao indray rhaj0 dia mazava fa fombafomban'olona no entinao ampanekena ny zava-misy marina.

Efa fahagola no nisy ny fivavahana. Tamin'ny fotoana nisarahan'ny olombelona tamin'ny Mpamorona azy no nanomboka izany.

Aza mivoana amin'ny Baiboly fa manjary very e!
10. rhaj0 ( 25/05/2017 13:37)
Ary ianao izany koa ry Miharena dia toa pire noho ireo reliziozy nanao fanerena ireto zaza amerindiana.

mahavariana ahy mihintsy, fa ianao izao mety voan'io fanerena io koa, dia nefa ho'a
- ny amerindiana miezaka ny "hiala @ ilay izy"
- ianao ity maka tahaka "manao fanerena" koa, ka hoe, "Aza mivoana amin'ny Baiboly"

mandinihi-tena ihany fa toa "very" mihintsy anie ianao izany ry Miharena eee... :-)
11. Miharena ( 26/05/2017 04:41)

rhaj0:

Efa fantatra ny firehan-kevitrao amin'ny fomba fanehoan-kevitra eto.

Fa izaho manana adidy koa hilaza ny marina.

Mba te-hanontany aho hoe mba atory ahy hoe rhaj0 ny tsy mahavery tianao ambara?
12. rhaj0 ( 26/05/2017 13:20)
Miharena:
Mba te-hanontany aho hoe mba atory ahy hoe rhaj0 ny tsy mahavery tianao ambara?

@ io rohy io, dia mitantara ireo Amerindiana izay "very", ary potika mihintsy ny fi(s)ainany, noho ny antony fantatrao ihany. Ary dia miezaka mafy ny hiharina zareo izao.. mba "TSY ho very" intsony izany eee..

Izay iliay hoe, mba mivoatra any @ ilay "TSY mahavery" izany eee...

Ka dia ampirisihiko mafy ianao mba hamaky ny tantaram-piainana nolalovan'ireto olona.
http://www.myrobust.com/websites/trcinstitution/File/Reports/Survivors_Speak_English_Web.pdf

Tena vavolombelona ary tena zavatra niainana ireo notantaraina ao @ io rakitra io ambony io. Ary tsarovy hatrany, fa olona, mety mitovy taona aminao, na ny zokinao, na koa @ Idafara na Inenifara zareo ireo.

Azo ifampizarana eto ilay "fampianarana mivavaka" nahazo ireto olona. Dia tarafo @ izay ny anao, na ny an'ny gasy (kristiana) @ ankapobeny.
13. rhaj0 ( 26/05/2017 14:25)
izao izany ny "fampianarana mivavaka" eee..

Geraldine Archie said that at the residential school she attended,
they made us pray from morning until night, (..) and then prayed again before supper, prayed again before bedtime. I was always kneeling down and I developed calluses on my knees.

== Hoe tena misy kitro mihintsy ilay lohalika fa mandohalika foana.
hi hi hi.. ahatsiarovako an'i Irakiraka. Io izao tian'i Irakiraka mihintsy hoe, feno kitro ny lohalikany, dia mariky ny fitiavany an'i Jesosy.. :-)

Fa lasa "mahay" kosa hono izany eee..

Victoria Boucher-Grant recalled that at the Fort William, Ontario, school, “I learned a
lot about the Catholic church. I learned how to pray. I learned how to, this became a way of life, kneeling on my knees, and praying to, to some, some God that made me feel guilty because I was, I was not a very clean person.” She also said that when they bathed, the students were told not to look at themselves. “So, we had this big guilt thing about our own bodies.”

== Dia rahefa "mahay" dia io lasa ... Menatra ny tenany ilay Mpivavaka.

Ka toatoa izany koe ve ny manjo ny Gasy nampianarina nivavaka, toa izany koa ve ianao ao ry Miharena: "menatra ny tenanao", sa ...
14. rhaj0 ( 26/05/2017 17:31)
Fa jereo anie ny "fahaizana" azon'ireto olona, rahefa avy (noterena) tao @ "Fampianarana mivavaka" tao zareo ee...

Rita Carpenter recalled how, when she lived at a hostel in Inuvik,
we went, we’d, we’d, we’d practise every Saints Day, every like, St. Thomas, St. Michael,
St. Francis of Assisi, St. Christopher, St. Mary, St. Bernadette, St. everything; everything.

Ka ny Gasy (kristiana) koa ve lasa "nahay" toa io??

Eto izao tena mba tiako anontaniana ohatra ry Hery na ry Bor2lais, Katolika, hoe, tena mahay ireo Saint. Saint. be dia be ireo koa ve ianareo?? "nampianarina" an'ireo koa ve ianareo, fony zaza, na tany Dago???

Ny Olony sy Razamben'ireto Amerindiana mantsy dia nofafana tao @ fanahiny, fa lasa izao St. Thomas, St. Michael, St. Francis of Assisi, St. Christopher, St. Mary, St. Bernadette, St. everything izao indray no nasesika tao an-dohany. ka toa izany koa ve ianareo, na ny gasy (kristiana) ????

Fa raha izany, dia "very" sa "TSY very" ireto olona ireto (ry Miharena) ???
15. Miharena ( 29/05/2017 04:59)

rhaj0:

Miharena:
Mba te-hanontany aho hoe mba atory ahy hoe rhaj0 ny tsy mahavery tianao ambara?

@ io rohy io, dia mitantara ireo Amerindiana izay "very", ary potika mihintsy ny fi(s)ainany, noho ny antony fantatrao ihany. Ary dia miezaka mafy ny hiharina zareo izao.. mba "TSY ho very" intsony izany eee..

Izay iliay hoe, mba mivoatra any @ ilay "TSY mahavery" izany eee...

Ka dia ampirisihiko mafy ianao mba hamaky ny tantaram-piainana nolalovan'ireto olona.
http://www.myrobust.com/websites/trcinstitution/File/Reports/Survivors_Speak_English_Web.pdf

Tena vavolombelona ary tena zavatra niainana ireo notantaraina ao @ io rakitra io ambony io. Ary tsarovy hatrany, fa olona, mety mitovy taona aminao, na ny zokinao, na koa @ Idafara na Inenifara zareo ireo.

Azo ifampizarana eto ilay "fampianarana mivavaka" nahazo ireto olona. Dia tarafo @ izay ny anao, na ny an'ny gasy (kristiana) @ ankapobeny.

Raha ny antontan-kevitr aelinao io dia izay zavatra nihatra tamin'ny olona izay nianjadian'ny fanjanahana.

Ka tsy mahita izay famonjena azo raisina amin'izany aho satria hita fa efa misy fivoarana anie ny fomba fiainan'ny olona tonga amin'izao vanim-potoana izao e!

Ny amin'izao vanim-potoana izao dia efa misy fivoarana ihany koa ny fahalalana ny momba ny Fiainana mandrakizay ary efa miaina izany ireo izay mahalala ka mahay tsara nby mitandrina ny fanahiny hiatrika izay andro hodiany.

Ny fahaverezana lazaina dia izay ao ambadiky ny fodiamandry fa tsy izay lazaina fa manana fahavelomana ara-nofo ankehitriny akory.
16. rhaj0 ( 29/05/2017 10:55)
Miharena:
Raha ny antontan-kevitr aelinao io dia izay zavatra nihatra tamin'ny olona izay nianjadian'ny fanjanahana.

Asa raha namaky (tsara) ny antonta-dresaka i Miharena, fa averiko ampatsiahiviko indray:
- aty Kanada no miseho ny tranga
- olona mitovy taona aminao (raha efa mihoatra ny 40 taona ianao) ireo olona ireo; 1990 vao vita ny fanerena "Fampianarana mivavaka"
- ny Fiangonana Protestanta sy ny Leglizy Katolika no ... "nahavanon-doza".

Ka ivereno eritreretina tsara hoe, dia lazaovy eto hoe, inona izany "nianjadian'ny fanjanahana" lazain'i Miharena izany?
17. Miharena ( 29/05/2017 11:39)

Efa fantatra ilay tantara ary fantatra ireo zavatr atsy nety nataon'ny mpampiely fivavahana sasany teto ambonin'ny tany.

Ka ny mahavaka ahy dia hoe ianao te-hanindry hatrany fa ratsy ny fivavahana satria mahavanon-doza ireo mpitory sasany.

Sady isaky ny manontany anao aho dia tsy valianao koa.

Ka sao ida efa mifandipatra isika dia tsy mety satria lasa sehatra tsy mifanena no jerena.
18. rhaj0 ( 29/05/2017 12:11)
Akanga aloha fa ilay "sasany" anie tsy hoe "vitsivitsy" fa tena ilay ofisialy mihintsy eee...

Vakio ho'a ny antontan-taratasy, fa:
- Ny Protestanta sy Katolika dia ... "nahavanon-doza" tao
- Ny Protestanta efa niaiky ary niala tsiny,
- fa i Vatican dia tsy te-ahalala, hatr@ izao 2017 izao.

ka averiko ihany ny fanontaniana:
inona izany "nianjadian'ny fanjanahana" lazain'i Miharena izany?
19. Miharena ( 29/05/2017 12:45)
Misy ny olona mahavanon-doza rehefa entina hanjanahana ny fivavahana.

Mety mahita izany isika na amin'izao androntsika izao aza ary mila mitandrina.
20. rhaj0 ( 29/05/2017 13:24)
Inona no tianao lazaina @ "fanjanahana"??

Averiko indray fa TSY t@ andron'ny "fanjanahan-tany" io, izany hoe, tany @ 1600-1900 taloha be tany io no nitranga, ary aty Kanada daholo izany, Kanada izay efa indépendent efa ho an-jato taonany.

Eritrereto tsara fa:
- t@ 1972 ohatra, raha ni-grève ny gasy, dia ireto olona ireto kosa, aty Kanada, dia mbola niharan'ilay "Fampianarana mivavaka forcé ary violent".
- t@ 1990, raha nitrifana teny Iavoloha ny gasy, dia mbola nisy ny sekoly, aty Kanada, sekoly protestanta sy katolika, mbola manao ilay "Fampianarana mivavaka forcé ary violent".

Dia mbola averiko ihany, fa hotry ny tsy voarainao Miharena izany ny resaka, fa
- efa niaiky fa nahavanon-doza ny Protestanta (sy ny governemant kanadiana)
- ary efa nifona niala tsiny ny Protestanta sy governemanta kanadiana
- fa i Vatican (ry Benoa sy ry Fransoa) no TSY mety miala tsiny ary tsy te-ahalala.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.113