Hevitra ho an'ny Namana Rhaj0

61. Miharena ( 09/06/2017 01:29)
Hoy ianao hoe andeha tsy valian ilay fanontanian'i Miharena manaraka ireo fa sao mamatotra ny foto-pisainako Rhaj0!
62. Miharena ( 09/06/2017 01:40)
Fa izany eo ihany fa aleo ampianarina ny momba ny fanahy ianao alohan'ny hamalianao ireo fanontaniana ireo!

Ity ny Efesiana 1:1-14

1 [Fiarahabana nataon'i Paoly, sy fiderany an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra nataon'i Kristy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky* ao amin'i Kristy Jesosy: [* Na: mino an']
2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
5 rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [* Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika]
6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.
7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,
8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,
10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny et? an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray]
11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny lova]
12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.
13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.


Ahoana no fandihadinao an'io teny io?

Sao hamaly indray hoe Rhaj0 ho'aho tsy manaiky ny Baiboly! Tsy misy ho'aho io Andriamanitra lazain'i Paoly io sns...!
63. Miharena ( 09/06/2017 01:46)
Dia mbola ampiana ity ilay Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Efes 1 ihany fa manjary tsy feno

15 [Fivavahana ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan*'ny olona masina rehetra, [* Na: (ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo)]
16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,
17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,
18 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,
19 ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany,
20 izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra,
21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa,
22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
23 izay tenany, dia ny fahafenoan'zay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
64. rhaj0 ( 09/06/2017 11:06)
Toa ataonao pli-vava fotsiny anie ireo soratra rehetra ireo ry Miharena, fa raha raisina tsi11 ny andininy, tena ... mila divay toa ny mpanoratra azy angamba vao hahazo azy ho'a ee...

ohatra hoe..
Efesiana 1:4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao..

Mbola TSY niorina akory izao tontolo izao, dia efa "nofidiana isikana" ???


Dia tena tsisy coco miasa mihintsy ve ry Miharena ???
65. Miharena ( 10/06/2017 05:30)

rhaj0:

Toa ataonao pli-vava fotsiny anie ireo soratra rehetra ireo ry Miharena, fa raha raisina tsi11 ny andininy, tena ... mila divay toa ny mpanoratra azy angamba vao hahazo azy ho'a ee...

ohatra hoe..
Efesiana 1:4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao..

Mbola TSY niorina akory izao tontolo izao, dia efa "nofidiana isikana" ???


Dia tena tsisy coco miasa mihintsy ve ry Miharena ???


Efa tsara aloha rehefa manomboka manontany ny andininy toy izao Rhaj0 mba hampiasana "coco" an !

Mazava io teny io amin'i Paoly izay efa miaraka amin'i Jesosy. Izy ihany no efa niteny hoe tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny.

Miresaka amin;ny olomasina izy eto. Ny olo-masina dia izay voafidy hatramin'ny fiandohan'ny nanorenana izao tontolo izao. Mpiara-mandova ny Fiainana!

Dia inona no tsy marina amin'izany?

Mety hilaza ianao hoe ka ianao anie Miharena tsy Jiosy!!

Vakio ny Baiboly manontolo raha misy fanavakavahana ao!

Fepetra iray ihany no voalaza ao izay mahatonga fisarahana dia ilay teny hoe : Ny efitra mampisaraka Amiko aminareo hoy Jehovah dia ny fahotanareo!

Mba hanohizana ny fanazavana, voaloham-bokatr'i Jesosy Kristy no resahan'i Paoly dia ny fiombonan'ny olona masina sy marina ary voantso.

Ankehitriny dia mitohy izany ary maro no voantso. Ny dahalo aza voantso, ny silamo voantso, ny mpamono olona voantso, ny mpamosavy voantso.

Ary ianao koa mety ho voantso atsy ho atsy Rhaj0!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.088