Hevitra ho an'ny Namana Rhaj0

1. endriny ( 20/05/2017 13:28)

Asa raha mety aminao io fomba fandevenana io.
novalian'i Miharena ny 10/06/2017 05:30
2. rhaj0 ( 22/05/2017 18:49)
misaotra mizara, fa tena mety toa izany marina angamba no iafarana..

Fa h@ izay nahitako ilay resaka ito ambany ito ho'a, dia tena hotran'ny hiova hevitra kely indray angaha aho..

rhaj0:
Izao izao ny "fiction" mandehandeha any dia hoe... Ny ati-dohanao io, dia (mety) afaky ny velomina artificiellement. Mety takatrao ohatra rahefa coma ny marary, dia ny vatany kaputt fa ny ati-dohany mbola tazomina iaina ihany.

Ka "indray any andro hono", dia tena mety hoe, ny ati-dohan'ireny olona crane-be ireny, dia tazomina ho velona, ary asaina mizara fahendrena sy fahalalana ho an'ny mbola velona. Dia kisarisary amen'ny mpaminavina dia hoe, misy armoireS feno vilany misy ati-doha, dia ny electrodes tsondromina @ ilay ati-doha dia mampita hafatra @ oridinatera...

Ka tena hanomboka hanao piropagandy aho izany hoe, raha mila misafidy ny siantista hoe, iza no gasy tiana mba tazomina ny ati-dohany hizara fahalalana ho an'i Fara sy Dimby, dia eo izany fa mba kandida aho, ka dia mba tohano ee... :-)
Tena miniana aho fa hianatra mafy sy handalina ny fomba malagasy ee..
Da ampiarahina @ toe-tsaina atheist tsy mora rebirebena.. :-)
3. rhaj0 ( 23/05/2017 17:33)
Ka io anie mety toa ilay fisafidianana hoe, iza no alefa any @ planeta Marsa eee...

ka raha hisafidy ny Siantista hoe, ny ati-dohan'iza no ho angomina anaty vilany @ taona an-jatony ho avy, dia hanindromana elekitraody, ahafahana mahalala hoe inona ny hafatra tiany ampitainy... dia .. ndao hoe asesy azany isika eto ohatra eeee...

- ny toatoa ahy ve, izay atheist, ary mba miezaka mizara (sy mivanitika) izay mba hita sy reko, dia miezaka ny hahalala ny @ Malagasy (na ny resak'i Flacourt h@ fampianaran'i Endriny :-)

- sa, ny toatoa an'i ... Hery ve, (tompony) mikarakara ny serasera, izay ao Roma ao akaiky vilany sa akaiky fatana

- sa, ny toatoa an'i RBNIR ve ohatra, izay Kristiana, miankohoka @ Herinirina

- sa, ny toatoa an-dry RA TAN, izay miankohoka @ Edouara

- sa, ... ets... :-)

4. endriny ( 24/05/2017 04:22)
Ohatran'ny hanahirana ihany izany hamelona atidoha maty izany a? Izany indrindra aza no mahafaty ny olona. Raha vao maty ny atidohany dia maty ilay olona.

Fa mety hoe alaina alohan'ny ahafatesana ao anaty loha izany ny atidoha angamba.

Ka raha izay indray dia aleo indray izany tsy manana fahaizana atsy aoriana atsy, satria raha mahay ianao dia mety hisy hangalatra ny betronao.

Ohatran'ny efa nisy teto Madagasikara io mpangalatra betro io taloha a.

Ary dia avy teto Madagasikara angamba izany io fikarohana io: Avy eto Madagasikara no mivoaka ny fitsipika rehetra (RATAN)
5. rhaj0 ( 24/05/2017 12:15)
Raha ity resaka ity aloha no ampifandraisana @ Kristianisma, dia tena tsy ho lany fa hifanapatapa-tsinay eto foana isikana ee.. :-)
Kofona izao i Rakrisy hoe, tena mba tsy hitan'i Jesosy indray ity fivoarana iray ity. Fa mety tena avilambilany indray ilay resa-baiboly, dia hahitany metafaoro indray io an...

Fa mahavariana an... raha voatazona ho velona izany ilay ati-doha, nefa efa misaraka @ ilay vatana izy @ io, satria ilay ati-doha hono @ io efa anaty vilany, dia rahefa mampiresaka ilay ati-doha @ izay ry Siantista, dia mandefa pulse @ ilay elekitraody mitsatotsatoka @ ilay ati-doha, dia mamerina pulse koa ny ati-doha, ary dia interpreter-na ao...

Dia eo izany dia tena ohatra hoe, raha ny ati-dohako izany io, dia tena hoy aho kosany hoe, ampazahoy rantsam-batana artifisialy kosa ho'a, dia jereo tsara fa hahetsiko eee... :-)
6. rhaj0 ( 25/05/2017 17:48)
Efa ela mihintsy Raolona no maniry ny ho mbola "velona" aorian'ny fahafatesana.
- H@ Ejipsiana namboarina ho momie,
- na koa ny Bodista na ny Amerindiana manantena fa lasa biby,
- na koa ny Malagasy sy ny Razana tsy mihady vomanga,
- na koa ilay Sinoa sy ireo miaramila hanotrona azy rahefa mitsangana @ maty izy,
- na koa ry Mao The Dong sy ry Lenine The Dingue, izay noangomina tsy ho lO ny nofony,
- ka hatr@ Kristiana, izay "mino" fa hanotrona an'izao Atra izao, izay miboretaka @ seza fiandrianany hono any paradisa any... paradisa any @ rahona, na koa tena dimension hafa mihintsy hono eee...

Izao nefa ny Siantista dia manipitsipy fiction, @ ity ati-doha anaty vilany dia zohin'ny elektraoda ity.

Ka iza @ ireo nandrevirevy taloha no manakaiky ny zava-hisy siantifika??

Na dia noangomina azany ny nofon'ny momie sy ry The Dong, dia toa tsy recuperable ilay ati-doha. Fa ny hafa rehetra aloha, indrindra ohatra ireo Kristiana, dia ... efa lasa vovoka ilay ati-doha eee...

7. Miharena ( 26/05/2017 05:05)
Tsy aleo ve ry zalahy mitady ilay fahavelomana mandrakizay amin'ny zava-misy marina fa tsy manao fidadiavan-tahirin-kevitr'ity mpikaroka ara-tsiansa sy olona diso lalana rehetra ity a!
8. rhaj0 ( 26/05/2017 13:12)
Jereo tsara ao @ Baiboly ao fa (mety) ahitanao "faminaniana" milaza io "zava-Hisin'ny Siansa" io.

('nareo izany koa anie ry Miharena toa tsy mamaky Baiboly tsara eee...)
9. Miharena ( 29/05/2017 05:23)
Raha nisy ny fanoronana ka hazavaina ara-tsiansa dia mazava fa ny eritreritra no nisy voalohany ary io no namorona.

Isika ankehitriny mamaky fotsiny fa IZAY NAMPISY NO MANANA NY FENO.

Ka aza manao fanadihadiana adaladala amin'ny sequence kely ampaha-lavotrisa lavotrisa ny ZAVA-MISY MARINA
10. rhaj0 ( 29/05/2017 11:19)
"adaladala" ahoana ry Miharena aa... ianao ho'a toa TSY mamaky Baiboly tsara, fa zahavo ao fa (mety) "faminaniana" ao anaty Baiboly io "zava-Hisin'ny Siansa" io.

Dia raha marina io, dia lazaivo hoe "adaladala" koa izany ny Baiboly ee....
11. Miharena ( 29/05/2017 11:44)

rhaj0:

"adaladala" ahoana ry Miharena aa... ianao ho'a toa TSY mamaky Baiboly tsara, fa zahavo ao fa (mety) "faminaniana" ao anaty Baiboly io "zava-Hisin'ny Siansa" io.

Dia raha marina io, dia lazaivo hoe "adaladala" koa izany ny Baiboly ee....

Ny hevitrao etsy ambony dia milaza hoe efa ela ny olona no maniry ho velona aorian'nhy fahafatesana.

Dia lasa adaladala ilay fanontaniana raha toa ka ara-tsiansa no heverina hahazoana ny fiainana aorian'ny fahafatesana.

Ka tsy ny fiheveran'ny olona no hahavelona azy fa izay sitrpon'ny TOMPONY namorona azy araka ny endrika nametrahaNY azy.

Ka asa hoe aiza ho aiza ilay tianao hahatongavana marina fa tsy mifanojo indray isika raha tsy takatrao aloha fa nisy ny MPAMORONA MAHALALA NY HO AVIN'NY OLONA fa tsy ny olona no mahalala ny ho aviny raha tsy ny MPAMORONA NO MANEHO AZY HOE TOY IZAO NO LALANA HIZORANAO REHEFA MIALA ETO IANAO.
12. rhaj0 ( 29/05/2017 12:14)
Hoy aho hoe,
- "ry Miharena toa tsy mamaky Baiboly tsara eee...",
- satria "zahavo ao fa (mety) "faminaniana" ao anaty Baiboly io "zava-Hisin'ny Siansa" io",
- ary izany dia Tenin'ilay "MPAMORONA MAHALALA NY HO AVIN'NY OLONA" izay "MANEHO AZY HOE TOY IZAO NO LALANA HIZORANAO REHEFA MIALA ETO IANAO".

ka inona no tsy "takatrao" @ io ry Miharena??
13. Miharena ( 30/05/2017 04:46)

Raha tsy diso aho dia resaka fikarohana momba ny atidoha azo velomina no lazainareo eto.

Fa rehefa mandeha ilay adievitra dia lasa miresaka rhaj0 hoe momie, sns hatramin'ny fitenenana hoe Andriamanitra miboretaka...

Ka aiza ary ny fahalalanao amin'izany rehetra izany no izaho no lazainao fa tsy mamaky Baiboly?

Ny olana anie eto dia hoe mitady fahavelomana mandrakizay ilay mpanao siansa dia mitady miondreika mikirakira ilay vatan'olombelona no ataony be dia be noho ny fikarohana hoe IZA no afaka mamaly azy kokoa momba izany Fiainana mandrakizay izany.

Dia mihodinkodina manao boribory vetaveta amin'ny kirakira efa hita maso eo izy.

Dia iny koa isika mitazana fa liana ery amin';ny asany izay efa fantatra fa tsy ho tonga lavitra velively.

Raharaha ihany an!
14. rhaj0 ( 30/05/2017 11:16)
Ianao Miharena no tsy mahatakatra ny resaka Siansa, satria tsy toa ny tantara-angano ao @ Baiboly ny Siansa; ary dia mahita i Miharena fa "Raharaha ihany" ny voka-pikarohana sy fahalalana 2017.

Nefa anie ny "voka-pikarohana sy fahalalana" siantifika toa tena katsetsafinao ao ny fampiharana azy isan'andro mihiratra, fa toa tsy takatrao akoriny izany..

Ohatra izao. Raha sanatria ka marary maso dia jamba ianao ry Miharena. Dia izao:
- aleonao ve, mivavaka mafy, dia maniry fa ho avy Jesosy "hampahiratra ny jamba" toa ny nataony tao @ Baiboly Matio/Marka
- sa, aleonao mamahabaha ny "voka-pikarohana sy fahalalana siantifika", dia manantena fa ho kely sisa dia mba ho azo apetraka aminao ny "bionic eye"

Raha Baiboly ny safidinao ry Miharena, dia mandehana azany mankany amina "mpianatr'i Jesosy", toa an'i Herinirinan'i RBNIR, dia asaivo manafangaro rora sy fotaka izy, ary ho apetany @ masonao.
Ary raha tsy mino ianao fa mandaitra izany recette-n'i Jesosy manasitrana jamba izany, dia mahatateza ny vavan'i Jesosy ao @ Matio 17:16 :
Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy...
15. Miharena ( 30/05/2017 18:09)

Ataoko angamba fa mazava ny resako teo hoe ny siansa dia mandinika ny VOARIN'ANDRIAMANITRA fa tsy afaka mamorona toa AZY.

HOY IZY HOE : NY ZANAKO SY NY ASAN'NY TANAKO AOKA HO ADIDIKO IHANY. Izay no mampisy fahagagana tsy hain'ny siansa hazavaina maro be. tsy tamin'ny andron'i Jesosy ihany fa ankehitriny eo ambany masonao eo aza dia efa misy fa jereo tsara.

Ny jamba ara-panahy no tena olana fa tsy ny jamba ara-nofo.
16. rhaj0 ( 30/05/2017 18:42)
Eritrereto tsara ao ry Miharena, fa ilay fantsy hoe "anjakao ny hazan-drano ao amin'ny ranomasina, ny voro-manidina mbamin'ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin'ny tany" no tena nahatonga izao fahasimbana sy faharavana eto @ izao tontolo izao.

Koa tato ho ato, ny Siansa sy izay mpandinka lalina rehetra izao, dia lasa mandinika ny "VOAHARIN'i GRAND MANITOU".

@ Amerindiana, dia i Grand Manitou no tompon'izao rehetra izao, fa "mpindrana" fotsiny ihany isika raolombelona, fa TSY izany "anjakao anjakao" adala izany.

17. Miharena ( 30/05/2017 18:50)

Nandray tsara an'io hafatra io ny mpanao Siansa. Dia nandinika ny zavaboary tsara be! Nanoratra izay hitany aby!

Fantatrao ve fa ireo Relijiozy no tena voalohany nanao siansa!?

Taty aoriana dia nihevitra fa mahay ny zava-drehetra dia manao toa anao tsy misy valaka io ny mpanao siansa atheista!

Milaza fa ao amin'ny fisainana iombonambe fotsiny ny Mpahary lazain'ilay Baiboly! Aiza re izany eh!

GOAVANA NY LOHANAREO KAH!
18. Miharena ( 30/05/2017 18:51)

19. rhaj0 ( 30/05/2017 19:57)
Miharena:
Fantatrao ve fa ireo Relijiozy no tena voalohany nanao siansa!?

TSY ao anaty Baiboly izany, fa ato ianao raha handalina ry Miharena:
http://lmgtfy.com/?q=first+scientists
20. MIharena ( 30/05/2017 20:00)

rhaj0:

Miharena:
Fantatrao ve fa ireo Relijiozy no tena voalohany nanao siansa!?

TSY ao anaty Baiboly izany, fa ato ianao raha handalina ry Miharena:
http://lmgtfy.com/?q=first+scientists

Efa voasoratra ny fahalalan'ny zanak'olombelona izay voafetra ihany ka tsy afaka handany andro amin'ny fandinihana ilay rohy aho aloha aza tsiny indrindra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2012