MADAGASIKARA ilay NOSY ivoahan'ny fitsipika hoan'ny jentilisa(firenena rehetra)

1. RA TAN ( 17/05/2017 06:18)
Tanteraka eto @ NOSY M/CAR ilay tenin'ny Isaia mpaminany:"ISAIA,42:1,4,6".
Ny ambassadeur an'i Yahoshuah Samuelson Edward no mitondra ny Teny; miainga eto M/car, dia mandre izao tontolo izao.
novalian'i stahtam ny 29/06/2017 06:59
2. rhaj0 ( 17/05/2017 10:46)
Angaha tsy dia mampihomehy (mampalahelo) mihintsy ry RA TAN itony ee.. Eto anie jereo fa ao Africa. na koa Russia,dia misimisy ihany koa ny propheta toa an'i Samueson izay samy manitrikitrika fa avy ao aminy koa no "ivoahan'ny fitsipika" eee..

http://lmgtfy.com/?q=christian+prophet+in+africa
http://lmgtfy.com/?q=christian+prophet+in+russia

Toa hotsahotsan'i Prophet Simon Kimbangu, sa indray i Dumitru Duduma, ho'a no nakan'i Samuleson tahaka eeee...

Mandehana ho'a mba mijery hoe, ahoana ny eran-tany ry RA TAN (fa tsy mihiboka ao dia sesefan'i Samuelson resa-kehy ao. dia miboloky lava eto tokoany)
3. RBNIR ( 17/05/2017 12:46)
RA TAN:

Tanteraka eto @ NOSY M/CAR ilay tenin'ny Isaia mpaminany:"ISAIA,42:1,4,6".
Ny ambassadeur an'i Yahoshuah Samuelson Edward no mitondra ny Teny; miainga eto M/car, dia mandre izao tontolo izao.

Io teny io (AO AMIN'NY ISA.42:1-6) io ange tsy manondro olona aty madagascar fa manondro an'ITY ANANKIRAY ITY E!!!

« Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra; » (Matio 12:15)
« ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy, » (Matio 12:16)
« mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: » (Matio 12:17)
« Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy; » (Matio 12:18)
« Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana; » (Matio 12:19)
« Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; » (Matio 12:20)
« Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4). » (Matio 12:21)

Efa tanteraka io teny ao amin'ny ISA.42 2000 taona lasa izay fa tsy hoe taty Madagascar akory no fahatanterahan'io...
4. RA TAN ( 17/05/2017 13:36)
Iza io JESOSY teneninao io RBNIR?? Mba azavao eto ny fototra nihavian'io sy ny mombamomba an'io.

Fa izao ny mikasika an'io fahatanterahan'ny tenin'i Isaia mpaminany etsy ambony io:

ISAIA,42:1,4,6:
1 Indro NY(tokana) Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay Voafidiko sady Sitraky NY foko;
Napetrako tao aminy ny Fanahiko(LIOKA,4:17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; art nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: 18Ny Fanahin'i Yahvah no ato amiko. 21Ary Yahoshuah niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany);
Hamoaka fitsipika hoan'ny jentilisa Izy.
4 Tsy ho reraka na ho kivy Izy mandram-panoriny ny rariny amin'ny tany,ary ny Nosy hiandry NY lalàny.
6 Izaho Yahvah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana, sy nitantana ny tananao, ary hiaro Anao Aho ka hanome anao ho fanekena hoan'ny olona, ho fanazavana ny jentilisa.

YAHOSHUAH anefa tsy mbola nankany @ Nosy ka hoe namoaka lalàna hoan'ny jentilisa tany, fa tao Israël ihany Izy.
Ny Ray aman-dReny SAMUELSON EDWARD Ilay mamoaka fitsipika hoan'ny jentilisa aty @ Nosy; tsy kivy Izy sady tsy reraka mamoaka izay tena rariny sy ny fahamarinana, satria ao aminy ny Fanahin'i Yahvah(ISAIA,42:1,4,6).

NB:
Ilay fitsipika hoan'ny jentilisa dia tsy didy folo, fa ny didy folo efa voararan'ny lalàna ny fitondrana azy ivelan'ny israël (DEO,30:11-13)
5. endriny ( 17/05/2017 17:03)
Tena mivoaka eto Madagasikara daholo a:

2015. Niainga teto Madagasikara ny Vahao ny oloko

2010. Jiosy Malagasy, Niroborobo ny fanorana arahim-piraisana

2009. Madagasikara nitarika ny fisavorovoroana taty Afrika, ary nadikan'ny Tonizianina

2004. Bois de rose e

2001. Madagasikara nanomboka nanondrana andevo mankany Liba

vers 1970. Mouniz Aziz Daoud sy ny vadiny Jane Collins-Daoud namorona ny Jesosy Mamonjy
6. RBNIR ( 17/05/2017 17:22)

« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Matio 22:29)

Rehefa ny teny hoe Izy no manomboka amin'ny renintsoratra (I) fa tsy zana-tsoratra (i) dia tsy manambara olona izay ilay teny fa manambara an'Andriamanitra (na ny Ray, na ny Zanaka)

Ao amin'ny bokin'ny Matio.12:17-21 dia miatomboka amin'ny renintsoratra (I) avokoa izay rehetra manondro Azy...
ohatra ireto nasiako mena ireto « Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy; » (Matio 12:18)
7. RA TAN ( 17/05/2017 17:57)
Isa ilay JESOSY???
Fa raha ny anaran'ilay zanak'A/tra dia YAHOSHUAH
8. RA TAN ( 17/05/2017 18:03)

endriny:

Tena mivoaka eto Madagasikara daholo a:

2015. Niainga teto Madagasikara ny Vahao ny oloko

2010. Jiosy Malagasy, Niroborobo ny fanorana arahim-piraisana

2009. Madagasikara nitarika ny fisavorovoroana taty Afrika, ary nadikan'ny Tonizianina

2004. Bois de rose e

2001. Madagasikara nanomboka nanondrana andevo mankany Liba

vers 1970. Mouniz Aziz Daoud sy ny vadiny Jane Collins-Daoud namorona ny Jesosy Mamonjy

Mpitandrina didy folo daholo ireo teneninao ireo, art mivavaka @ JESOA (YESOA @ jiosy gasy).
Raha maty any @ helo.
9. RA TAN ( 18/05/2017 01:11)
Iza io JESOSY teneninao io RBNIR?? Mba azavao eto ny fototra nihavian'io sy ny mombamomba an'io.
10. andriatiana2 ( 18/05/2017 07:21)
slt daholo misy marina ve zan rabokona izan sa tsaho fotsin satria mants ingah Samuelson Eduard milaza we anjely rats hon zan
11. RBNIR ( 18/05/2017 07:25)
RA TAN:

Isa ilay JESOSY???
Fa raha ny anaran'ilay zanak'A/tra dia YAHOSHUAH

Jesosy no Anarana voasoratra ao amin'ny baiboly ankehitriny noho ny fitondran'ny FANAHY MASINA ireo olona nanoratra azy...

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)

Ilay YAHOSHUAH kosa dia TSY MINO aho hoe avy any an-danitra marina io Anarana io fa ny fahalalako azy aloha hatreto dia Anarana hitan'ingahy samuelson edward tao anaty baiboly katolika atao hoe la saint bible de la vulgate izy io...

Tsy mino aho satria ingahy samuelson edward dia milaza fa hoe avy any an-danitra ilay Anarana nefa izy tsy mahasahy mamaly mivantana hoe Andriamanitra v izany nidina tety ka nanome azy ilay Anarana sa ingahy samuelson kosa no nakarina tany dia nampitondraina ilay Anarana....
12. RBNIR ( 18/05/2017 07:43)
http://www.rtvyahoshuah.com/lien/fampianarana1.php

Hoy ingahy samuelson edward ao hoe :

Tsy hita ao anaty baiboly YAHOSHUAH, fa avy aiza?
Diso ianao raha mihevitra toy izany : Anaty baiboly katolika romanina atao hoe La Sainte Bible selon la Vulgate, ao amin'ny MATIO 1:21 io Anarana io. Ny tena Anaran'ny Zanak'Andriamanitra hoy izy dia YAHOSHUAH amin'ny endrika feno.

AVERIKO KELY ITY ......
Ny tena Anaran'ny Zanak'Andriamanitra hoy izy dia YAHOSHUAH amin'ny endrika feno.

hamafisin'ingahy samuelson edward mihitsy hoe "AMIN'NY ENDRIKA FENO"
13. RA TAN ( 18/05/2017 08:17)

andriatiana2:

slt daholo misy marina ve zan rabokona izan sa tsaho fotsin satria mants ingah Samuelson Eduard milaza we anjely rats hon zan

Tena misy izany.
Fa aza maniry ny hahita an'izany fa devoly izany.
Tsy mitondra soa hoanao ny fahitana an'izany fa loza. Ny olona mpanota tsy manana fahefana hiady @ izany, fa izay miaraka @ YAHOSHUAH ihany no maharesy an'izany.
14. RA TAN ( 18/05/2017 09:08)
RBNIR:

Jesosy no Anarana voasoratra ao amin'ny baiboly ankehitriny noho ny fitondran'ny FANAHY MASINA ireo olona nanoratra azy.

Valiny:
Manitsaka ny ASA 4:12; JAONA 4:22; ASA 26:14,15 io JESOSY teneninao io na dia misoratra ao anaty baiboly gasy aza.
Tsy misy Fanahy masina mitarika olona hanitsaka an'ireo versets ireo izany.
=> Fanahin-demony no nampanoratra an'io anarana JESOSY io ao anaty baiboly; dia jereo fa samy milaza fa mpanota daol ny mpivavaka @ io. Tena mifanaraka @ ilay fanahin-demony ny ataony.

15. RBNIR ( 18/05/2017 09:31)
Aza miatsaravelatsia hoy aho RA TAN a! inona no mbola hamakianareo baiboly rehefa ny demony no nampanoratra azy???

16. RBNIR ( 18/05/2017 09:32)
« Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3] » (Lioka 12:10)

Lasa "mpiteny ratsy" ny FANAHY MASINA ny farany rehefa sarotra atoro....
17. RA TAN ( 18/05/2017 09:33)
RBNIR:

Ilay YAHOSHUAH kosa dia TSY MINO aho hoe avy any an-danitra marina io Anarana io fa ny fahalalako azy aloha hatreto dia Anarana hitan'ingahy samuelson edward tao anaty baiboly katolika atao hoe la saint bible de la vulgate izy io...

Tsy mino aho satria ingahy samuelson edward dia milaza fa hoe avy any an-danitra ilay Anarana nefa izy tsy mahasahy mamaly mivantana hoe Andriamanitra v izany nidina tety ka nanome azy ilay Anarana.

Tsy ianao izay fanaky ny fahatezerana voavoatra ho simbana no natao hino an'i YAHOSHUAH, fa izay ondriny ihany. Ary ny tsy finoanao tsy mahafoana ny fahamarinan'i YAHOSHUAH.
Ianao koa efa niaiky fa ao anaty baiboly katolika ilay anarana YAHOSHUAH, fa tsy mino ianao.
Dia diso izany aminao ny baiboly katolika romana satria tsy mino an'i Yahoshuah ianao?
Fa ny tena izy tsy diso ny baiboly, fa ianao no tsy voalahatra ho @ fiainana dia tsy mino ny marina.
18. RBNIR ( 18/05/2017 09:34)
Efa mazava B daholo ny porofo nentina teto fa DISO BE NY FAMPIANARAN'INGAHY samuelson edward dia izao no iafarany lasa mpiteny ratsy ny FANAHY MASINA....

Manompo olona (ingahy samuelson edward) no iankohofana sy eken-teny fa tsy ilay NAHARY nampanoratra ny baiboly masina....
19. RBNIR ( 18/05/2017 09:38)
efa nazavaiko fa tsy ILAY ANARANA no olana amiko fa ny filazanareo hoe AVY ANY AN-DANITRA ilay Anarana nefa recherche nataon'ingahy samuelson edward....
20. Davjo ( 18/05/2017 11:02)

RBNIR:

efa nazavaiko fa tsy ILAY ANARANA no olana amiko fa ny filazanareo hoe AVY ANY AN-DANITRA ilay Anarana nefa recherche nataon'ingahy samuelson edward....

Mbola hamafisiko fa marina io lazain'i RBNIR io.

Talohan'ny 2008: nampianatra ny fisian'ny extra-terrestre i Edouard, ary nampianatra an'i Jesosy mpandrava didy 10
Taorian'ny 2009: Rehefa tsy nety nandrava didy10 ilay anarana hoe Jesosy dia namorona an'io anarana io izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1656