Mahafinaritra ;)

1. irakiraka ( 12/05/2017 08:31)
Za lo tiako rhf feno olona babon'i Jesosy ny trano :)
Dia mampahery antsika rehetra (indrindra nateraka indray) handray anjara.
Ny tanjona dia ny hoe ho maro amintsika ny anao am-po:
...Fa tsy maintsy ho tafita .....
...Re izany any andanitra any ....
novalian'i Miharena ny 17/06/2017 05:16
2. RBNIR ( 12/05/2017 11:13)
irakiraka:

Za lo tiako rhf feno olona babon'i Jesosy ny trano :)
Dia mampahery antsika rehetra (indrindra nateraka indray) handray anjara.
Ny tanjona dia ny hoe ho maro amintsika ny anao am-po:
...Fa tsy maintsy ho tafita .....
...Re izany any andanitra any ....


« Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? » (Lioka 15:4)
« ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; » (Lioka 15:5)
« ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. » (Lioka 15:6)
« Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany. » (Lioka 15:7)
3. rhaj0 ( 12/05/2017 12:23)
namaky haingana be aho, dia nataoko fa hozy i IRakiraka hoe, "Za lo tiako rhf feno olona mino ny ABOBOn'i Jesosy ny trano" :-)

Fa io k'lou dia (mety) ny tranonao no "feno olona" toa izany, fa ... raha ny fahatakarako azy, dia betsaka koa ny "olona" TSY tafiditra ny tranonao ao ry IRakiraka, sa ahoana?

-- arak'i John The Evangelist,
"2 Jaona 1:10 ... aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory".

-- ndana ange jereo Ineny Gogola eee.. dia hahita ianao, fa mitombo "feno olona" kokoa ny trano TSISY Jesosy (an'ny Moslimo, na koa an'ny Atheists)


Koa raha ireo no zava-misy, dia tena mbola "faly" va ianao ry Irakiraka ooo???
Faly foana moa in-dria eee?... faly hatrany akia aaa.... :-)
4. irakiraka ( 16/05/2017 13:39)
Fa tsetsatsetsa tsy aritra, nisy ftoana namaky serasera tany aloha za fa isika (mpino) eto marina oa otran ts tafaraka mray saina zany ee?

"Izany no ahafantaran'ny olon rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia" Jao 13:35
Ndao hianatra hiray saina ny hampandroso ny fanjakan'ny lanitra e. Mila mibanjina ny hitaona ny ol ho any an-danitra. Ary Jesosy no toriana fa tsy isika e. Raha ny tena marina tsy zesta nge hoe mba mahalala kely Tenin'Andriamanitra kely no aleha eto fa tena hanatanteraka ny asa izay nanirahan'ny Tompo. Raha vao tsy izai kosa aloha ny ao anatitsika ao dia tsy afaka hiantehitra amintsika ny Tompo.

Ny Tompo anie hamindra fo antsika tsir1r1 avy.
So ihany fa zay no mahafinaritra ny ao @ Tompo ee, isan'andro dia havaoziny: "Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro Izaho efa hanao zava-baovao" Isaia 43:18

5. rhaj0 ( 16/05/2017 14:25)
irakiraka:
Fa tsetsatsetsa tsy aritra, nisy ftoana namaky serasera tany aloha za fa isika (mpino) eto marina oa otran ts tafaraka mray saina zany ee?

Dia nefa anie
- samy "maka inspiration" @ ilay boky iraisana, dia ny Baiboly. Ary samy milaza fa tena "manaja" sy "mankatoa" izay Teny ao.
- samy milaza fa "mivavaka" @ tokony ho izy aby ao, @ fo sy saina madio ao. Ary misy aza mahasahy milaza mihintsy fa "mamaly resaka" aminy Andrmntra.

Dia nefa dia iaraha-mahita io fa dia mifanipaka an-tsobika toa adrisa ny Kristiana eee...
- Ao no tena manambany, manivaiva, manesoeso ny havany (ao @ Tompo),
- Ao no mahavita manilikilika sy manavakavaka, "tsy miarahaba sy tsy mampiditra an-trano" ny namany
- Mba tsy tonga @ ady sy mifamango mifamono azany, fa ny violence verbale sy psychologique @ samy Kristiana mifamely aloha dia henjana ihany

inty ny kisary mahafehy azy..:
... dia avy eo ... ... ny Baiboly anefa @ io mbola ao anaty kopetra!



ka tena tsy hay mihintsy hoe, fa dia maninona loatra eee... Izao ve no "voninahiNY"???
Mba inona no antony hoy ianao ry Irakiraka??
6. Miharena ( 17/06/2017 05:16)
Marina ilay fanalarihana rehetra ataonareo Rhaj0 sy Irakiraka.

Ny tsy azo adinoina dia ity :

- Mbola miara-misy amin'ilay ratsy ny zanak'olombelona ka tsy ilaozan'ny fisaraham-bazana rehefa mbola misy voa ratsy ao anatiny

- Raha tsy mahatsapa ilay endrika voalohany io dia tsy mahay mamantatra ny namany avy ary tsy hahay hamantatra ny tenany

- Izay no antony nanaovana hoe mibebaha! miezaha miala amin;ny ratsy!

- Tsy ny fampianarana ao anaty Baiboly no ratsy fa izay misintona ho an'ny tenany avy no mety mapibirioka ny marina voalaza ao!

- Mbola mitoetra ilay tantara momba ny tilikambon'i Babela hatramin'izao eo amin;ny Kristianina, izay tsy navela hifankahazo satria mihevitra amin;ny maha-olombelona azy hiray hina hiakatra any an-danitra amin'ny herin'ny tenany (samy olombelona) ihany.

Tsoa-kevitra : Raha tsy miaiky ireo fahamarinana ireo dia mbola hihodinkodina eo ihany fa tsy afaka hiara-hizotra. Nefa ny fandehanana ANY dia tsy mety raha tsy sitraky ny RAY. Dia tsotra, manaiky hotarihiNY fa tsy manda. Manao tsotra toy ny amalomaty vao hitaNY hoe HENDRY azo iaraha-miasa. Ary navaozina ny fomba fiasa miaraka AMINY, NY OLONA TSIRAIRAY DIA AMPIANARINA MIVAVAKA tsotra, dia ny RAINAY ANY AN-DANITRA!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5173