IZA ILAY MAZAVA?

61. rhaj0 ( 06/06/2017 11:04)
Ka "mahare bitsik'Atra" hono izany i Miharena, dia nankalaza-tena hoe,
"- izy Miharena hono no Andrmntra,
- ary kipantson'Andmntra koa hono izy Miharena
"

Dia hoy aho hoe, ka "inona no nolazain'Andtmrna" tamiko teo re ry Miharena?
- Renao ve re ry Miharena?
- Satria "sambatra ianao raha mandre?"

Fa toa "TSY mahare" indray izany i Miharena eee... ary TSY nikipantsona ilay fantson'i Miharena.
(Fa io ampian-dry Miharena paragraph 7 andevonana azy :-)
62. Miharena ( 06/06/2017 11:19)

rhaj0:

Ny olona iray, ianao ao anatiny, dia manam-peo anao manokana fa rehefa fantsona dia miteny tsara, mazava, mazava saina, mandray am-po. Rehefa bitsihin'Andriamanitra dia tsy manda AZY.

Ny mifoha dia ahitana taratra ireo. Ny mifoha no manana MAZAVA zaraina.

Ny matory na minia mikimpy. miampanga no ataony. Izy mihevitra fa ambony noho ny rehetra ary izay lazain'ny namany fa marina dia ataony hoe diso.

Ny inona no levoniko hoy ianao ? Izay zaraina hoy aho no araho satria ny Tenin'Andriamanitra ttsy manam-pahataperana raha tsy tanteraka avokoa miasa amin'ny olona fantsona mizara izany ho an'ny namany.

Ka namana ianao fa aza manao toy ny fiadin'ny OSTRISY. rehefa tsy te-ho hitan'ny olona dia ny loha no alentika anaty fasika! Ilay vata-beny nefa hitan'ny rehetra eo ihany!

Efa fiteninao moa ilay hoe ianao ve no iadiana hevitra ny amin'izany? Fa manan-tsaina ianao ary ataoko fa Andriamanitra no mampanantsaina anao fa tsy i babakoto (angamba!)

63. rhaj0 ( 06/06/2017 11:46)
Ianao anie ry Miharena mihambo hoe, "Andrmtnra na kipantson'Andrmntra". Nefa rahefa hoe, raha izay azany ianao, dia mba hanontaniako hoe "inona no renao" (@ lazaina amiko), dia toa tsy mamaly fanontaniana ianao, fa levoninao ao anaty blabla lavabe ny resaka ee...

Raha olon-deglizy ianao, dia tsoriko anao fa dia hatory hiesona ny iray Leglizy raha izay no fataonao ao
Raha tsy olon-degilizy indray ianao, dia tena mba mianatra mampiesona kosany ianao izany. Fa izaho tsy mpiesona ary dia io manatsikafona ny aminao io foana ee... mba manome feedback :-)

(marihiko kely fa "ianao" no voatondroko, fa aza raisina "personnel" ilay izy, fa ny tiako lazaina dia ny "toa anao")
64. Miharena ( 06/06/2017 12:01)
Ka ilay feedback anie Rhaj0 hoatry ny tsy mamahana na inona na inona e!

Izaho mamahana ihany, dia mamahana hatrany.

Fa ny Bitsik'Andriamianitrra rehefa IZY no miresaka aminao hoy aho tsy azonao tantaraina amin'ny teny sy ny molotra satria fahatsapana hafa mihitsy ivelan'ny fahatsapana mahazatra. satria IZY no miaina ao aminao. IZY IZAY AVY ANY AMBONY IO no mirotsaka ao aminao ao.

Dia IZY no manolo-tsaina.

Fijoroana ilay fitenenana ny fomba niorenaNY ho ao anaty izay.

Dia izay ilay izy fa ny fanontaniana indraindray lasa mety hafahafa raha olona tsy mangetaheta no iresahana azy.

Ny olana manko Rhaj0, rehefa mandeha eny ilay adihevitra dia mety hamono anao tanteraka fa hotry ny tsy miresaka amin'ny olona nohariana aho.

Fa raha tianao dia ataovy toy ny olona nohariana ianao dia mahafantatra izay ambara aminao (sy ny toa anao).
65. Miharena ( 06/06/2017 12:05)
PS. Aza dia atao mahakivy raha tsy mandre fa ny famohazana miandalana ho an'ny mangetaheta. Izany no hafatra omen'ny mifoha sy tokony hamoha olona mitovy aminy.
66. Miharena ( 06/06/2017 12:05)
PS. Aza dia atao mahakivy raha tsy mandre fa ny famohazana miandalana ho an'ny mangetaheta. Izany no hafatra omen'ny mifoha sy tokony hamoha olona mitovy aminy.
67. rhaj0 ( 06/06/2017 12:26)
Miharena:
Fa ny Bitsik'Andriamianitrra rehefa IZY no miresaka aminao hoy aho tsy azonao tantaraina amin'ny teny sy ny molotra satria fahatsapana hafa mihitsy ivelan'ny fahatsapana mahazatra. satria IZY no miaina ao aminao. IZY IZAY AVY ANY AMBONY IO no mirotsaka ao aminao ao.

Dia mbola "imagination"-NAO irery ao izany ry Miharena aaa... Be dia be ny olona milaza-tena toa anao fa mahare "bitsika" koa, ary dia tena mazavabe hoe toatoa ny ahoana izato izy.

Jereo ohatra i Profeta Tsaratsara. Ilery nilaza fa "bogosy be mamirapiratra be" mihintsy hono izao Jesosy izao nony niresaka taminy, ary tsy mibitsika fotsiny izy @ io. Ny iraisanareo MIharena sy TSaratsara izao, dia "AVY ANY AMBONY" koa ilay Izy. Asa ny "any ambony"-nao k'lou hoe aiza, any @ rahona, sa any @ volana, fa ny an'i Tsaratsara, dia avy tao ambony tafo fanitso tao.
68. Miharena ( 06/06/2017 12:40)

Mahafinaritra fa liana tokoa ianao izany raha manaraka an'i Tsaratsara koa ary mbola voatanako eto.

Ny tsy feno no mila fenoina marina!

Toy ny harana poakaty no fiheverako anao aloha izao dia mba miezaka mahafantatra izay zava-misy marina sy tsapa.

Tsy te-hinohino foana!

Dia hoatra anao koa izahay sy Tsaratsara! tsy mino maty raha tsy avy mandevina hoy ny fitenenana!

fa ny tsy mampitovy antsika, izahay mahatsapa mitantara fa ianao mpanao sarisarin-tsaina sy mivoy izao atheisma izao dia mararirary rehefa omena porofo mivantana.
69. rhaj0 ( 06/06/2017 12:52)
Ka inona no maha-samy hafa an'i Miharena sy Tsaratsara??

Tena miombo-kevitra, miombom-po sy saina va re ianareo roaroa??
Ary ny ataon'i Tsaratsara koa no ve ataonao ao ry Miharena???
70. Miharena ( 07/06/2017 04:51)

rhaj0:

Ka inona no maha-samy hafa an'i Miharena sy Tsaratsara??

Tena miombo-kevitra, miombom-po sy saina va re ianareo roaroa??
Ary ny ataon'i Tsaratsara koa no ve ataonao ao ry Miharena???

Ny olona samy manana ny fanomezam-pahasoavany avy.

Ianao io izao manana ihany koa! Manan-tsaina mamakafaka tsara fa indraindray fotsiny maka tohana mety mivaralila sy tsy maharitra.

Ny Fanahy maha-olona no nolazain'i Tsaratsara hanomezam-boninahitra ny olona. Dia io no azoko tsara. dia zaraiko eto! tsy mila fananganana fiangonana izany fa fampianarana ny namana hoe ianao io anie ka tsy io nofo be io fa manana vatana fanahy mazava tsara e!

Mpandalina toa anao io aho taloha, efa saika atheista fa rehefa namakafaka dia mazava fa ara-tsiansa tsara ny zava-drehetra noforonin'ny Tompon'ny olombelona rehetra. Dia ireo vatana roa ireo izay misy.

Dia jereo tsara ny fampianaran'i Tsaratsara fa io no tsy azo hihodivirana amin'ny fahamarinan'ny Baibboly ary tsapa.
71. rhaj0 ( 07/06/2017 12:21)
ok.. Tena miombo-kevitra, miombom-po sy saina i Miharena sy ny Profeta Tsaratsara.
Aleo atao anaty cadre mihintsy :-)

Tsara ho Fantatra:
Tena miombo-kevitra, miombom-po sy saina i Miharena sy ny Profeta Tsaratsara.
72. Miharena ( 08/06/2017 05:17)
Raha miara-misy aminy ianao ary olombelona toa azy, sy toa ahy, dia mahatsapa ny fahamarinana niainany.

Toa anao koa io, fantatro tsara ny foto-pisainanao rehefa miresaka amiko ianao satria tsy biby tsy miteny fa olona miresaka no manatrika ahy.

Dia toy izany koa! Rehefa nanatrika an'i IZAHO IZAY IZY Mosesy, dia nahazo soratra maromaro.

Rehefa notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra i Davida dia nahasoratra ny Salamo!

Fa eo koa anefa ilay hoe mba manao ny saim-pantany e! Mahita ody ratsy dia manao koa satria manantena fa izany no tena hahazoana laza sy hery. Maha-NGOZABE mifehy izao rehetra izao!

Ao ny tia tena, mambotry ny namany!

Fitaovana iray daholo no anaovana izany dia ny fanahy kolokoloin'ny olona tsirairay.

Dia mba mihevera tena hoe aiza amin'ireo karazany roa ireo ianao.

Ny olana manko dia roa ihany no misy raha tsy hoe angaha foanana amin'izay ilay iray nandavo!! Fa io raha tsy iray safidy ny olona tsy foana fa mihodinkodina toy ny tandrimo eto foana, manao ady anjambany ary tsy mandroso amin'ny tsara!!
73. rhaj0 ( 08/06/2017 12:35)
Ny fahazoako ny resakao io izany, dia "notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra" koa ianao Miharena sy i Profeta Tsaratsara, ary dia io samy miteny izay teneniny io.

i Profeta Tsaratsara izao ho'a nilaza fa nahita an'i Jesosy "tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be"
Jereo youtube ato, eo @ 9:30... https://youtu.be/03vDJastDL8

Ary izato ianao, ry Miharena?? Toatoa ny ahoana ho'a izao Andrmntra "hitanao mivaingana sy tsapa" izao??
74. Miharena ( 08/06/2017 14:25)
Samy manana ny fanomezam-pahasoavanyny olona ary IZY no misafidy izay anjara fisehoaNY amin'ny tsirairay fa tsy isika no afaka hisafidy izany.

Ny anjarantsika dia manaiky ny finoana AZY satria matoa isika mahita voary dia avy AMINY izay ny fiandohan'izy ireny.

Tsy miteny fanovana zavatra iray ho lasa zavatra manan'endrika hafa isika eto fa izay noforonina tsy haintsika ny manao azy.

Ny vatana anan'i Tsaratsara rehefa nalain'i Jesoa hiakatra izy, iny no vatana fanahintsika ary io aza no mapiaina antsika izany satria napetraka ilay vatana nofo rehefa niakatra niaraka tamin'u Jesoa. Vatana tsara be koa anie izany ny an'i Tsaratsara e! raha azoko tsara.

Tsy Tsaratsara irery no nisehoan'izany fa tao i Paoly, tao i Nenilava, tao Tatandrazam tao Mama Vao sns...

Dia ataovy fotsiny hoe tsy nisy ireny Rhaj0 fa angano an! Ilay Mama vao aza tena mbola niteraka nefa tsy bevohoka fa dia nahazo zaza maro!! Olona efa notsindronina formol.

rehefa Tompon'ny Aina no mifanena aminao, dia ekeo fa misy ary mbola mikarakara.

Zara aza misy ireny hahafahana manamafy finoana ary mahatsapa AZY.
75. rhaj0 ( 08/06/2017 16:13)
Ka TSY nahita Andrmntra "mivaingana sy tsapa" izany i Miharena eee... i Tsaratsara no nahita, ary izay no inoan'i Miharena.

Izaho anefa nahita. Ny ahy ny Andmrntra hitako ho'a, dia ilay hotry ny nain kely, miankanjo fotsy, toa Superman, ary mitaingina soavaly fotsy, izay nain koa.

T@ izaho fony kely no "nahita" an'io. Dia midoladola eny ambony poutre-n'ilay Fiangonanay IZY, mijery tsara hoe, iza no mihaino tori-teny ary iza no miesona... Dia indraidray izy misavika ny jiro, sahala @ TAarzan, rahefa te-hivadika atsy @ elatra havian'ny Fiangonana ohatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1285